"Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo, eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia" - Jao. 13:34,35
Ny kofehy volamenan'ny fitiavana, izay mamatotra ny fon'ny mpino ao anatin'ny firaisana, ao anatin'ny fatoran'ny fitiavana sy ny fisakaizany, ary ao anatin'ny firaisana amin'i Kristy sy amin'ny Ray, no mahatonga ny fifandraisana ho tonga lafatra, sy maneho amin'izao tontolo izao ao anatin'ny fijoroana ho vavolombelona ny herin'ny kristianisma izay tsy azo hozongozonina ( ... )
Takatr'i Satana ny herin'ny fijoroana ho vavolombelona tahaka izany amin'ny maha-porofo amin' izao tontolo izao ny zavatra azon' ny fahasoavana atao èo amin'ny fanovana ny toetra (...) Hampiasa ny fitaovana azo eritreretena rehetra izy mba hanapahana io kofehy volamena izay mampifandray am-po ireo izay mino ny fahamarinana sy mampifamatotra azy ireo ao anatin'ny fifandraisana ety amin'ny Ray sy ny Zanaka.
Ireo izay tsy mbola nanandrana ny fitiavana malefaka sy mambabon'i Kristy, dia tsy afaka ny hitarika ny hafa ho amin'ny loharanon' ny fiainana. Rehefa ao am-po ny fitiavany, dia hery manosika, izay mitarika ny olona haneho Azy ao anatin' ny fifampiresahana ataony, ao anatin'ny toe-panahy malefaka sy miantra, amin'ny fanandratana ny fiainan'ireo miara-belona aminy (...)
Ao amin'ny fo nohavaozin’ny fahasoavan’Andriamanitra, ny fitiavana no fitsipika mifehy ny hetsika rehetra. Manova ny toetra izany, mifehy ny fihetseham-po, sy ny firehetam-po ary mampahamendrika ny fitiavana ny hafa. Io fitiavana io, raha ankamamian'ny fanahy, dia mahamamy ny fiainana, ary manapariaka hery miasa mangina manatsara eny manodidina rehetra eny.
Ireo izay tena tia an'Andriamanitra sy tia ny namany tahaka ny tenany dia hitondra tena ao anatin'ny fahatsapana mandrakariva fa izy dia sehatra jeren'izao tontolo izao, sy ireo anjely ary ny olombelona. Rehefa manao ny sitrapon'Andriamanitra ho ny sitrapony izy, dia haneho eo amin'ny fiainany ny hery manovan'ny fahasoavan'i Kristy. Eo amin'ny toe-javatra rehetra eo amin'ny fiainana, dia handray ny ohatry Kristy ho mpitarika azy izy.
Ny mpiasan'Andriamanitra marina Izay feno fanoloran-tena dia vonona ny handany sy holaniana ho an'ny hafa (...) Amin'ny alalan'ny ezaka matotra sy voalanjalanja tsara mba hanampiana eo amin'izay mila fanampiana, ny kristianina marina dia maneho ny fitiavany an'Andriamanitra sy ny mpiarabelona aminy. Mety hahavery ny ainy ao anatin'ny fanompoana izy, kanefa rehefa ho avy i Kristy mba hanangona ireo perilany ho any Aminy, dia hahazo izany ainy izany indray izy.