Vakio ny Gal. 6:12,13. Inona no lazain’i Paoly amin’ireo andininy ireo?
Na efa nampahafantarin’i Paoly mialoha aza izay hataon’ireo mpanohitra mbamin’ny zotom-pony (Gal. 1:7; 4:17), ny teny eo amin’ny Gal. 6:12,13 no tena fahamarinana lazainy manokana momba ireo mpanohitra azy. Olona “te hiseho ho tsara amin’ny nofo” no amaritan’i Paoly azy ireo. Ny teny hoe “miseho ho tsara”, amin’ny teny grika, dia midika hoe “mampiseho tarehy tsara”. Ny tena marina, ity teny hoe tarehy ity no ampiasain’ny grika hilazana ny fanaronan-tava (na saron-tava) fanaon’ny mpilalao tantara an-tsehatra, saingy eto amin’ity tranga ity izy dia ampiasaina amin’ny sarin-teny ilazana ny anjara asan’ilay mpilalao. Raha atao amin’ny teny hafa, milaza i Paoly eto fa tahaka ny mpilalao tantara an-tsehatra mitady sitraka avy amin’ny mpijery – dia izany koa ireto mpanohitra azy ireto. Zava-dehibe tokoa ny fitoviana eo amin’ny samy olona, indrindra amin’ny kolontsaina grika izay tia voninahitra (sy ny fanalam-baraka ny sasany etsy an-daniny), ary ireto nampianatra zavatra diso ireto dia toa nitady hahabe ny voninahiny manoloana ireo Jiosy hafa rahalahiny tao Galatia mbamin’ireo Kristianina jiosy hafa tany Jerosalema.
Navoitr’i Paoly ny iray amin’ireo tanjon’izy ireo - dia ny fahatahorany fanenjehana. Mafy tokoa ny iharany fihetsika mivantana, toy ny herisetra ara-batana, saingy mitovy ny vokany na amin’ny endriny “tsy ara-batana” aza, toy ny fanenjehana mitondra fahasorenana sy maha-voailika ny tena. Efa nanao ilay karazana fanenjehana voalohany io i Paoly sy ireo lehilahy mafana fo namany tany Jodia (Gal. 1:13), fa ilay faharoa kosa no nihatra teo amin’ny Galatianina.
Mbola nanana fironana pôlitika tamin’ny toerana maro ireo mpitondra fivavahana jiosy. Nahazo fankasitrahana tamin’i Rôma izy, hany ka maro ny mpino jiosy naniry fatratra ny hanana fifandraisana tsara tamin’ireo. Hitan’ireo mpanakorontana tao Galatia ireo ny fahalemena nitovian’ny Jiosy tao an-toerana rehefa nanakiana ny Jentilisa sy nampianatra azy hitandrina ny lalàn’i Mosesy izy. Tsy vitan’ny hoe hahazoan’izy ireo manana fifandraisana tsara amin’ny fiangonana ihany io, fa mba ho azony atao ihany koa ny hanana fifandraisana matotra tamin’ireo mpino tao Jerosalema, izay mbola niahiahy ny amin’ny fitoriana efa natao tany amin’ny Jentilisa (Asa. 21:20,21). Na hisalasala ihany koa fa vao mainka nampahomby ny fijoroany ho vavolombelona tamin’ny Jiosy ny fihetsika nataony.
Na inona na inona toe-javatra tao an-tsain’i Paoly, mazava ny tiany hambara: “Eny, izay rehetra te ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra izay ao amin’i Jesosy Kristy dia henjehina” - 2 Tim. 3:12.
Diniho ny antony nahatonga ireo olona ireo nampianatra fampianaran-diso. Toa ara-drariny tokoa aloha e, raha jerena ny fandehan-javatra. Inona no lesona azontsika raisina avy amin’izany momba ny hoe: na ny tanjona heverina fa “tsara indrindra” aza dia mety hitondra antsika ho amin’ny fahadisoana raha toa ka tsy mitandrina tsara isika? Oviana no fotoana nanatraranao tanjona tsara, kanefa niafara tamin’ny zavatra tsy izy izany?