Fiambenana maraina

MAHATSIAROVA NY ANDRO SABATA

"Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. Eksôdôsy 20:8

Mofon'aina:

Hoy i Jehovah: "(...) Sabatan’i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito." Nohamasininy sy notahiny io andro io ary natokany ho andro fitsaharana (...)  Io no  hany didy ao amin'ny didy folo izay manambara   ny   maha-Izy an'Andriamanitra. Manavaka  an' Andriamanitra amin'ireo andriamanitra hafa io didy io. Manambara ny amin'ilay Andriamanitra izay nahary ny lanitra sy ny tany, ilay Andriamanitra izay nahary ny hazo sy ny voninkazo ary namorona ny olona; [...] Izy no nanao ireny dia nitsahatra tamin'ny asany rehetra Izy tamin'ny andro fahafito (...) Ny andro fahafito  no tsangambato  naorin'Andriamanitra.
Manondro an'Andriamanitra  amin'ny  maha-Mpahary ny lanitra sy ny tany Azy io didy io, ary manavaka an'Andriamanitra amin'ireo andriamanitra sandoka rehetra. Izay rehetra mitandrina ny Sabata dia maneho amin'ny alalan'izany fihetsika izany fa mpanompo an'i Jehovah izy ireo. Araka izany, ny Sabata dia mariky ny fanompoan'ny olona an'Andriamanitra raha mbola misy koa olona afaka manompo Azy  eto  an-tany (...)
Nomen'Andriamanitra henemana hiasana ny olona, ary takiny ny hanatontosan'ny olona ny asany mandritra ireo henemana fiasana ireo. Azo atao ny manao asa famonjena sy fangorahana amin'ny andro Sabata, ny marary sy ny ory dia tokony hokarakaraina amin'ny fotoana rehetra; kanefa ny asa tsy ilaina dia tokony hofadiana tanteraka (...) Ary ny didy dia mahakasika izay rehetra tafiditra ao am-bavahadintsika. Ireo miara-mitoetra ao an-trano dia tokony hamela ny raharahan'izao tontolo izao mandritra ny ora masina. Tokony hiara-manome voninahitra an' Andriamanitra izy rehetra amin'ny alalan'ny fanompoana Azy an-tsitrapo amin'izany andro masina izany.
Tahaka  ny aharetan'ny lanitra sy ny tany, dia toy izany no  haharetan'ny  maha-famantarana ny herin'ny Mpahary ny andro Sabata. Ary rehefa hamelana eto an-tany indray i Edena, dia mbola  hohajain'ireo rehetra ambanin'ny masoandro  ny  Sabata. "(...) Isan-tSabata" ny mponina ao amin'ilay tany vaovao be voninahitra dia ho avy ",(...) hiankohoka eo anatrehako, hoy Jehovah. " (SDG, t. 59)