Lesona 4: I Kristy sy ny lalàna ao amin'ny tori-teny teo an-tendrombohitra / 2014-04-19 - 2014-04-25

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 5:17-20; Lio. 16:16; Mat. 5:21-32; Rôm. 7:24; Mat. 5:33-37; 5:38-48.

Tsianjery: "Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. Fa lazaiko aminareo marina tokoa: mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy hovana akory amin'ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandrapahatanterak'izy rehetra. - Mat. 5:17,18.

Fampidirana

Rehefa mieritreritra momba ny toriteny teo an-tendrombohitra ny ankamaroan'ny olona, avy hatrany dia ireo "Fahasambarana" (Mat. 5:1-12) no tonga ao an­tsain'izy ireo. Ny Toriteny teo an-tendrombohitra anefa dia mahasahana toko telo izay misy fizaràna efatra. Ao amin'ny fizarànaa voalohany fotsiny ihany no misy ireo "Fahasambarana." Ao amin'ny fizaràna faharoa dia mampitaha ny Kristianina amin'ny fahazavana sy ny fanasina i Jesôsy (Mat. 5:13-16). Ao amin'ny fizaràna fahatelo kosa indray (Mat. 5:17-48) no anomezan'i Jesôsy antsika fomba fijery vaovao sy lalindalina kokoa momba ny lalàna.. Rehefa izany dia misy ny fizaràna farany sy lava indrindra (Mat. 6:1--7:23), izay anomezan'i Jesôsy fiampianarana mazava momba ny fitondrantena kristianina. Ny lahateny iray manontolo dia mifarana amin'ny fanoharana momba ireo mpanorin-trano manan-tsaina sy adala (Mat. 7:24­-27), izay manamafy ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana ny asa iantsoan'Andriamanitra antsika mba hatao.

Amin'ity herinandro ity isika dia hanadihady ny fizaràna fahatelo (Mat. 5:17-48), izay antsoin'ny teôlôjianina hoe hevitra mifanohitra (antithèses), trangan-javatra izay anehoana fifanoherana miharihary, mba ahitantsika izay ampianariny antsika momba ny lalàna.

Litera iray dia tendron-tsoratra iray

Vakio indray ny Mat. 5:17-20. Tena mahaliana tokoa fa manantitrantitra mafy ny lalàna i Jesôsy eto, nefa koa nanao ireo fanambaràna izay nataony mikasika ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo Izy, mpanora-dalàna sy Fariseo izay nanantitrantitra mafy ihany, koa ny lalàna. Inona no lesona manan-danja ampianarin'ireo toko sy andininy ireo momba ny tena fankatoavana ny lalàna?

Natombok'i Jesôsy tamin'ny fanomezan-toky fa tsy tonga Izy handrava "ny lalàna na ny mpaminany" io fizaràna io (Matin 5:17). Na dia tsy misy teny milaza izany aza, dia maro ny olona mandray azy io ho fomba fiteny manondro ny Testamenta Taloha iray manontolo (jereo koa ny Mat. 7:12, 11:13,22:40; Lio. 16:16; Asa. 13:15; 24:14; Rôm. 3:21). Na dia teo aza ny fanambaràn'ireo mpanohitra Azy, dia tsy nanakiana ilay boky izay nanambara indrindra ny sitrapon'ny Rainy i Jesôsy. Ny mifanohitra amin'izany aza no nataony, satria "hanatanteraka" ny lalàna sy ny mpaminany no tanjony, fa tsy ny hanafoana azy ireny.

Ny teny nampiasainy ilazàna ny hoe 'hanatanteraka" (plero) dia midika ara-bakiteny hoe "mameno," na."mamita." Manana ny hevitra hoe "mameno hatreny amin'ny molony" izany. Misy fomba roa mety andraisana ny hoe "manatanteraka". Ny voalohany dia ny manantitrantitra fa i Jesôsy no fahatanterahan'ny Soratra Masina (ohatra, Lio. 24:25-27; Jao. 5:39). Ny tsiambaratelo hahatakarana ny hevitr'io andalan-teny io anefa dia miankina amin'ny tontolon-keviny mivantana, izay mampiseho fa tsy tonga handrava ny Soratra Masina i Jesôsy fa haneho ny heviny anatiny indrindra.

Rehefa avy nametraka ny zavatra tiany hahatongavana amin'ny kapobeny i Jesôsy, dia niala avy tamin'ny fanantitranterana ny Testamenta Taloha amin'ny kapobeny ary nifindra tamin'ny fanizingizinana ny lalàna amin'ny fomba manokana. Sahala amin'ny hoe fantany fa hiampanga Azy ho mpandrava ny lalàna ny olona, indray andro any, ka nampitandrina sahady Izy fa, raha mbola mitoetra koa ny lanitra sy ny tany, dia hisy hatrany ny lalàna "mandra-pahatanteraka" ny zava-drehetra (Mat. 5:18). Manamafy ny faharetan'ny lalàna ho mandrakizay i Jesôsy amin'ny alalan'io fanambaràna io.

Ny marina dia tena manan-danja tokoa ny lalàna hany ka izay rehetra mandika ny fampianarany dia hatao hoe "kely indrindra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra." Fomba entiny ilazana fotsiny izany fa tsy hiditra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy ireo; etsy an-kilany kosa, ireo izay miandany amin'ny lalàna dia hiditra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Haingana mihitsy i Jesôsy mampiseho fa tsy manindrahindra ny fahamarinana poak'atin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo Izy. Ny fahamarinana izay miboiboika avy amin'ny fo tia an'Andriamanitra sy miezaka manao ny sitrapony kosa no hindrahindrainy.

Mamono olona. Mat. 5:21-26

Taorian'ny nanazavany ny fikasany hampiorina ny lalàny; dia nanomboka nanazava momba ny fahamarinana izay mihoatra ny fahamarinan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo i Jesôsy. Ho fanombohana izany dia notononiny ny didy fahenina (Eks. 20:13) ary nofintininy, avy amin'ny lalàn'i Mosesy, ny sazy noho ny fandikana izany didy izany (Eks. 21:12; Lev. 24:17).

Tsy tafiditra ao amin'ny didy fahenina ny tranga rehetra mety amonoan'ny olona iray olona iray hafa. Raha toa ka nahafaty olona tsy nahy ny olona iray, dia afaka mandositra any amin'ny tanàna fandosirana izy ka hahazo fialofana vonjimaika (Eks. 21:13, Nom. 35:12). Izay nanao fanahy iniana hanaisotra ny ain'ny olona iray kosa anefa dia handray fitsarana haingana dia haingana ho valin'ny nataony. Tsy ilay fihetsika na asa natao no ifantohan'i Jesôsy ao amin'ny fanazavany, fa ny antony manosika hanao izany sy ny zava-kendren'ilay manao ilay fihetsika. Mety misy olona mahafaka ain'olona iray vokatry ny loza tsy nahy, fa ny olona iray izay mikasa hanafaka ain'olona kosa dia nandalo fotoam-pieritreretana.Efa nitranga izany ilay ota talohan'ny tena nanatanterahan'ilay olona ilay asa mahatsiravina. Maro amin'ireo mety ho mpamono olona no voasakana, tsy manatanteraka ny fikasany, noho ny tsy fisian'ny fotoana na toe-javatra azony araraotina fotsiny.

Vakio ny Mat. 5:22. Ampitovin'i Jesôsy amin'ny inona ny famonoana olona? Amin'ny fomba ahoana no anantitranteran'ny 1 Jao. 3:15 izany? Inona no tena hevitra avoitran'i Jesôsy eto, ary inona no ambaran'izany amintsika momba ny tena velaran'ny lalàn'Andriamanitra?

Na dia miresaka matetika momba ny herin'ny teny aza ny Baiboly, eto dia itarin'i Jesôsy amin'ny sehatra lalindalina kokoa izany. Ny hany tanjona kendren'ny teny masiaka na ny teny fanozonana, mazàna, dia ny hampitsiry fihetseham-po ratsy ao amin'ny olona iharan'izany. Mazava sy manganohano tahaka ny kristaly ny hevitr'i Jesôsy. Tsy ireo izay manatanteraka heloka bevava ihany no meloka fa namono olona, fa ireo izay manao teny masiaka amin'ny hafa ihany koa, na koa ireo izay mikolokolo eritreritra hamono olona. Manoro hevitra ireo izay mikolokolo hevitra tahaka izany i Jesôsy mba hihavana, amin'ireo iantefan'izany, mialoha ny hankanesany eo amin'ny alitara (Mat. 5: 23-­26).

Saintsaino maharitra ny akon'ny tenin'i Jesôsy ao amin'ireo andalan-teny nodinihina andreany ireo. Hatraiza no vitanao tamin'io lafiny io? Inona no ambaran'ny filamatra ambony tahaka izany aminao momba ny hoe ilainao ny ho voarakotry ny fahamarinan'i Kristy amin'ny fotoana rehetra?

Fijangajangana. Mat. 5:27-32.

Ny didy momba ny fijangajangana no ohatra manaraka omen'i Jesôsy. Tononiny aloha ny didy fahafito hoe: Aza mijangajanga. Ao amin'ny tontolon-kevitry ny lalàn'i Mosesy dia nitranga ny fijangajangana rehefa misy olona manam-bady manana firaisana ara-nofo amin'olona tsy vadiny. Tena mazava ilay lalàny fa tokony homelohina ho faty ireo olona roa hita fa meloka noho ny fijangajangana ireo. Tahaka ny tamin'ny didy fahenina dia nanome heviny lalindalina kokoa ho an'ity didy manokana ity i Jesôsy.

Mazàna no efa nanomboka ela talohan'ny hanatanterahana azy ny fijangajangana. Tahaka ny famonoana olona, izay manomboka amin'ny fikasana hanisy ratsy maharitra an'ilay olona, dia tahaka izany koa, ny fijangajangana dia manomboka amin'ny fotoana indrindra izay anirian'ny olona iray olona iray hafa, manam-bady na tokan-tena, izay tsy vadiny.

Vakio ny Matio 5:29,30. Mety ho. hentitra kokoa ve i Jesôsy eo amin'ny fanoritsoritana ny loza ateraky ny fahotana? Amin'ny fomba ahoana? Vakio ny Rôm. 7:24, rehefa avy mijery an'ireo andininy ireo ianao. Inona ireo fahamarinana lehibe hita eto?

Eto ihany koa i Jesôsy dia manome fanafana eo no ho eo ho an'ireo fahotana izay novelabelarina. Ny vahaolana dia tsy ny fanarahana am-bokony ny fahotana,fa ny fanatanterahana fandidiana ny tena hatrany ifotony mihitsy.Fampitahana mahery vaika no entin'i Jesôsy mananatra ny olona iray manana io olana io, mba hanaovany izay zavatra tokony hataony, raha toa ka maniry ny hiditra ny fanjakan'ny lanitra izy. Mety midika ho fandraisany lalan-kafa rehefa mandeha miasa izany, na koa fanapahana fisakaizana ankamamiana, kanefa manoatra lavitra noho ny filàna mivaivay amin'izao fotoana izao ny tombontsoa mandrakizay.

Araka ny hitantsika tamin'ny lasa, dia navelan'i Mosesy hisy ny fisaraham­panambadiana, na dia fantany aza fa tsy tao amin'ny drafitr'Andriamanitra tany am-piandohana izany. Rehefa avy niteny tamin'ny lehilahy manam-bady manana maso mivezivezy i Jesôsy, sy nananatra azy ireo mba hifehy ny firehetana ao anatiny, dia nampirisika azy ireo mba ho mahatoky amin'ny fanambadiana, izay maharitra mandritra ny androm-piainana, Izy.

"Koa ny fanolorana ny sitrapo amin'Andriamanitra no atao hoe famotsirana ny maso na fanapahana ny tànana. Matetika no heverintsika fa mampikotringa ny fiainantsika izany manolotra ny sitrapo hanjakan'Andriamanitra izany, kanefa io no soa lavitra, hoy Kristy, ka aleo anesorana sy ratraina aza, raha izany no ahafahantsika miditra amin'ny fiainana. Ary izay ampoizintsika ho fahasimbana dia io indrindra no lalana ahazoana fitahiana ambony lavitra." — HF, t. 53. Inona no mety ho akon'ireo teny ireo aminao?

 

Fianianana, fianianana

Mifototra amin'ny didy folo ireo hevitra mifanohitra (antithèses) roa voalohany (famonoana olona sy fijangajangana). Ny hevitra mifanohitra mahakasika ny fisaraham-panambadiana sy ireo manaraka azy dia notsongaina avy tamin'ny fizaràna sasany amin'ny lalàn'i Mosesy, ao anatin'izany izay mahakasika ny fianianan-tsy to sy ny fahefana amin'i Jehovah ny fianianana.

Vakio ny Lev. 19:11-13. Inona ireo hevi-dehibe voafaritra mazava hitantsika eto? Jereo koa ny Eks. 20:7.

Ny lalàn'i Mosesy izay averin'i Jesôsy eto dia voatanisa ao amin'ny fizaràna iray ao amin'ny Levitikosy izay manameloka fanao feno fitaka maro. Mbola miharihary eto ihany koa fa mahakasika ny fikasana ny zava-manahirana an'i Jesôsy. Ny olona iray izay nanao fianianana kanefa tsy manam-pikasana hanatanteraka izany dia ninia nandray fanapahan-kevitra hanota.

Na dia mifandraika amin'ny fianianan-tsy to atao amin'olon-kafa aza ny didy manameloka ny fianianan-tsy to, ilay didy faharoa kosa dia mahakasika ny fianianana atao amin' Andriamanitra.

Vakio ny Deo. 23:21-23. Amin'ny fomba ahoana no ifandraisan'ireo teny ireo amin'ny tenin'i Jesôsy ao amin'ny Mat. 5:33-37? Jereo koa ny Asa. 5:1-11.

Tsy mba tahaka ilay olona meloka noho ny fianianan-tsy to, fa ny olona iray izay manao voady ara-bola amin'Andriamanitra dia mety tsy manana eritreritra ny hanambaka. Mahafantatra ny toetry ny olombelona anefa i Jesôsy ka mampitandrina Izy mba tsy hanaovana fianianana izay mety hanenenana any aoriana. Ny tantaran'i Ananiasy sy i Safira - izay nanao voady tamin'Andriamanitra ary tena nikasa mihitsy  ny hanatanteraka izany kanefa Hiova hevitra ka nandray ny fitsarana mahafaty avy tamin'Andriamanitra - dia ohatra mahery vaika maneho ny fahitan'Andriamanitra io fahotana io. Tsy tokony hanao fianianana izay mety tsy ho vitany akory ny manatanteraka azy ny Kristianina, fa tokony ho olon'ny fahitsiana izy, ka ny "eny" dia midika ho "eny" ary ny "tsia" dia midika ho "tsia."

 Eritrereto ny fotoana iray nanaovanao fianianana (na tamin'olona io na tamin'Andriamanitra) izay nokasainao hotanterahina kanefa tsy notanterahinao tamin'ny farany. Fomba ahoana no ianaranao hitandrina ,kokoa mikasika izay olana izay? Ahoana koa ny amin'ireo fianianana ataonao tamin'ny tenanao izay tsy notanterahinao?

Lalan'ny valifaty. Mat.5 :38-48.

Hita fa ny valifaty no lohahevitra mahazatra eto (Matio 5:38-48). Io lohahevitra voalohany io dia miresaka momba ireo didy marobe ao amin'ny lalàn'i Mosesy izay miorina eo amin'ny foto-kevitra hoe ilay heloka bevava nataony ihany no sazy ahatra amin'ilay olona nahavanona izany heloka bevava izany, hevitra izay antsoina hoe lextalionis, teny latinina izay midika hoe "lalan'ny valifaty."

Araka ny hitantsika ao amin'ny andalan-teny maro (Eks. 21:22-25; Lev. 24:17-21; Deo. 19:21), dia takin'ny lalàna ny hampijaliana ilay nanao fahadisoana araka ny fijaliana izay niainan'ilay olona niharan'izany fahadisoana izany. Raha toa ka namoy ny masony iray, na ny tanany iray, na ny tongony iray, na ny ainy ilay olona niharan'ny fahadisoana, dia tsy maintsy mamoy ny azy tahaka izany koa ilay nanao fahadisoana. Fanao mahazatra teo anivon'ny fanjakany maro fahiny io "Ialè-n'ny valifaty" io. Nahoana tokoa moa no tsy ho izany, satria toa maneho foto-kevitra tsotra momba ny rariny izany?

Zava-dehibe ny mahatsapa fa, eo io foto-kevitra io mba hametra ny valifaty, izany hoe, mba hisakana ny olona tsy haka mihoatra noho izay ananany zo ny maka azy, avy amin'ny fahadisoana natao taminy. Araka izany, amin'ny lafiny maro, napetraka io lalàna io mba hahazoana antoka fa tsy navadika ny rariny.

Noho izany i Jesôsy, ao amin'ny Mat. 5:38-42, dia tsy hoe tsy maintsy namely ny maha-ara-drariny ny lalàna iray izay nitaky ny hamaizana ny olona iray noho ny heloka nataony. Mifanohitra amin'izany aza fa nifantoka tamin'ny fihetsika asetrin'ny Kristianina ireo olona izay mitady ny hanararaotra azy ireo i Jesôsy. Tsy tokony hitady fomba hamaliana faty ny Kristianina, fa tokony "hamaly faty" amim-pahalemem-panahy, fihetsika izay tsy haintsika ny maneho azy raha tsy amin'ny alalan'ny fahasoavan'Andriamanitra miasa ao anatintsika irery ihany. Ao amin'io antso io i Jesôsy dia Hitondra antsika ho amin'ny sehatra lalindalina kokoa eo amin'ny fahatakarana ny dikan'izany hoe mpanara-dia ny Tompo izany.

Ny hevitra mifanohitra farany dia miresaka momba ny fihetsika izay mampirisika ny fitiavana ny namana sy ny fankahalana ny fahavalo. Hita ao amin'ny Lev. 19:18 ny didy mibaiko mba ho tia ny namana. Tsy misy toko sy andininy mazava izay mitaky ny fankahalana ny fahavalo, na dia eo aza ny Deo. 23:3-6.

Ao amin'ny tontolon-kevitry ny tontolo nisy an'i Jesôsy, dia teo ambany fahefana mangejan'ny Rômanina, izay firenena avy any ivelany nibodo ny taniny, ny Jiosy ka nanjary olom-pirenena saranga faharoa teo amin'ny tany izay azy izy ireo. Noho ny fampijaliana azy, dia mety nahatsapa ireo Jiosy ireo fa rariny raha mankahala ny fahavalony izy ireo, fahavalo izay tena nampijaly azy fatratra tamin'ny fotoana sasany. Naneho fomba fiaina tsaratsara kokoa tamin'izy ireo i Jesôsy, eny fa na dia ao anatin'ny toe-javatra izay azo lazaina fa tsy filamatra aza izy ireo.

Vakio ny Matio 5:44,45. Inona no lazain'i Jesôsy amintsika eto?Zava-dehibe kokoa noho izany, amin'ny fomba ahoana no ahazoanao mampihatra io fampianarana io eo amin'ny fiainanao manokana amin'ny olona izay nanisy ratsy anao?

 

 

Fianarana fanampiny

FIANARANA FANAMPINY

Ny Toriteny teo an-Tendrombohitra," ao amin'ny boky IFM , tt. 311-329.                                                        

Noraisin'i Jesôsy tsirairay ny didy ka nohazavainy ny zavatra takin'ireo araka ny halaliny sy ny fivelarany. Tsy nanala na tendron-tsoratra iray aza tamin'izany Izy, fa nasehony ny fihoarana lavitra teo amin'ny foto-keviny, sady novelabelariny ny fahadisoana mampidi-doza teo amin'ny Jiosy tamin'ny fampisehoany fankatoavana ivelambelany fotsiny. Nambarany fa voadika ny lalàn'Andriamanitra amin'ny fisainana ratsy sy ny fijery mitory filàna ambany. Izay miandany amin'ny tsy fahamarinana kely indrindra no mandika lalàna ka mampiseho ny maha-ambany toetra azy ara-pitondran-tena. Miandoha ao an-tsaina ny vonoan'olona. Izay manome toerana ny fankahalana ao am pont' dia mametraka ny tongony eo amin'ny làlan'ny mpamono olona, ka maharikoriko, an'Andriamanitra ny fanatitra ataony. » — IFM, tt. 323,324.

Ny fitiavana no foto-kevitra mampiray ao amin'ny lalàn'Andriamanitra. Manandratra ny foto-kevitry ny fitiavana i Jesôsy ao amin'ny hevitra mifanohitra tsirairay: ny fitiavana no mihazona ny olona tsy hikolokolo fankahalana ny rahavaviny; ny fitiavana no mihazona ny mpivady ho iray; ny fitiavana no mihaika ny Kristianina mba ho mahitsy mandrakariva eo amin'ny fifandraisany amin'Andriamanitra sy amin'olona; ny fitiavana no mamela ny olona haneho fahalemem-panahy rehefa asian-dratsy; ny fitiavana no mampahery ny olona hitondra ny fahavalony tahaka izay aniriany hitondrana ny tenany ihany.

 Fanontaniana ifanakalozan-kevitra

 Hoy i Jesôsy tao amin'ny fizaràna tamin'ity herinandro ity: "Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe," avy eo dia hoy Izy: "Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe," dia nanome ireo hevitra mifanohitra (antithèses) Izy avy eo. Mariho fa ny sasany amin'ireo filazàna "tamin'ny ntaolo" dia teny mivantana avy ao amin'ny Baiboly na notsongaina avy tamin'ny fampianaran'ny Testamenta Taloha. Noho izany, ny olana dia tsy avy amin'ilay teny, fa avy amin'ny fomba nandraisana azy ireny. Inona no lesona azontsika raisins mahakasika ny foto-pinoantsika, ary raha tsy ny foto-pinoantsika, dia ny fomba anazavantsika azy ireny? Ahoana no mety hahatandindomin-doza antsika hijery ivelambelany fotsiny ka hanadino ny heviny lalindalina kokoa?

  1. Maro no lavo ao amin'ny fandriky ny fanazavana andininy misaraka amin'ny andininy hafa. Iray amin'izany andininy izany ny Mat. 5:48, izay fitenenana amintsika hoe aoka isika ho tanteraka tahaka ny Raintsika izay any an-danitra. Ny fanazavana io andininy io ao amin'ny tontolon-kevitra manodidina azy mivantana (Mat. 5:43-48) dia maneho ny maha-zava-dehibe ny fandinihana amim-pitandremana ny Baiboly. Amin'ny fomba ahoana? Inona no avalinao ny olona iray izay milaza fa mampianatra momba ny tsy fisian'ny fahotana io andininy io. Inona no tena ampianarin'io andininy io ary nahoana io fampianarana io no maneho ny tena atao hoe mpanara-dia an'i Jesôsy ?
  2. Moa ve ireo andininy nianarantsika, indrindra indrindra ireo mikasika ny famonoan'olona sy ny fijangajangana, manampy amin'ny fanehoana fa diso tokoa ireo milaza fa efa nofoanana teo amin'ny hazo fijaliana ny lalàna? Amin'ny fomba ahoana?