Lesona Sekoly Sabata
Lesona faha 8: FIKAJIANA NY TONTOLON'NY ZAVABOARY / 2012-02-18 - 2012-02-24
(Rom. 1:25; 2 Pet. 3:10-14; Gen. 2:15; Neh. 13:16-19; Heb. 1:3; Sal. 100; Gen. 1:26-28)
Tsianjery: Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin'ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy.- Gen. 2:15.
FAMPIDIRANA
Hevi-dehibe: Manao ahoana no tokony ho fikajian'ny Kristianina ny tontolon'ny zavaboary?
Ahoana ny hevitsika Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito manoloana ny tontolon'ny zavaboary, indrindra indrindra satria fantatsika fa efa simba ity tany ity, mbola hihasimba ary horavana indray andro any, hodorana amin'ny afo: "ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy" - 2 Pet. 3:10?
Etsy an-danin'izany koa ny baiko nomena ny olombelona mba "hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voromanidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka arnin'ny tany." - Gen. 1:26. Tsy mahagaga ary raha indraindray isika no mitolona mikasika ny fomba tokony hiatrehana ireo olan'ny tontolo iainana.
Amin'ny maha-mpitantana ny fananan'Andriamanitra antsika ihany koa etsy an-kilany, moa ve tsy manana adidy hikarakara ny tany isika? Na izany na tsy izany, moa ve Andriamanitra tsy nilaza fa "tsara indrindra" izany rehefa teo am-pamoronana azy? Amin'ny maha-vahoaka nampitondraina ny hafatra mikasika an'Andriamanitra Mpamorona antsika, tsy tokony hanan-kolazaina ve isika mikasika ny fomba fikajiantsika ny zavaboarin'Andriamanitra?
Hojerentsika amin'ity herinandro ity izay voalazan'ny Baiboly mikasika ny sasantsasany amin'ireo olana ireo.
HETSIKA FANAFAHANA ORAN-DRANOMASINA!
Taona vitsivitsy lasa izay dia niditra tao amin'ny toeram-pisakafoana maty hanina manokana amin'ny fandrahoana hazan-dranomasina ny manam-pahaizana iray momba ny tontolo iainana. Nanoloana azy ny vatan-drano lehibe nisy oran-dranomasina am-polony mahery kely efa tsy haharitra hatramin'ny alina intsony. Natao handray izay tiany amin’ireo mantsy ny mpihinana, ary tsy ela akory dia hatao eo an-doviany izany miaraka amin'ny ovy voarakotra forômazy, ohatra. Nandroso tsimoramora ary ity manam-pahaizana momba ny tontolo iainana miaraka amin'ny harona eny an-tanana hankeo amin'ny vatan-drano. Noraisiny faingana izay orana voalohany azon'ny tanany, nalatsany tao anatin'ny harona izany ary lasa izy nihazakazaka nivoaka. Nataony tao anatin'ny vatan-drano efa tao anatin'ny fiarany ary io orana io nony avy eo ka lasa izy nanainga ho eny amoron-dranomasina. Efa nisy angidimby (hélicoptère) niandry azy teny ary ni tondra azy hihevaheva eny ambonin'ny ranomasina. Indro ary fa naveriny tany anaty rano ilay orana teo. Mandondom-baravarana indray ny mpanafaka oran-dranomasina iray! Tsy io lehilahy io irery anefa no nanana izany fahasahiranan-tsaina izany. Azonao tsidihina ny tranon-kalam-pifandraisana "Lobster Liberation" (fanafahana oran-dranomasina), fa miresaka ny amin'ny fomba fanafahana ny oran-dranomasina mba tsy hohanin'olona izany. Misy mihitsy aza ny fïzarana mitondra ny lohateny hoe "Tips for Releasing Lobsters," (toro hevitra hanafahana ny oran-dranomasina). Manoro anao izay tokony hatao izany vantany vao avy nanavotra oran-dranomasina avy ao amin'ireny toeram-pisakafoana ireny ianao.
Nisy fotoana ihany koa ny mpilalao sarimihetsika vehivavy iray nanokana ny fizarana iray manontolo amin'ny tantara nolalaoviny hampisehoana ny fanaovana varo-maizina ny oran-dranomasina tany amin'ny toeram-pisakafoana maro, miaraka amin'ny famerenana izany ho any an-dranomasina. Zavatra iray ny fiahiana momba ny tontolo iainana, saingy toa lasa lavitra ihany ny fangalarana oran-dranomasina eny amin'ny toeram-pisakafoana sy ny famerenana izany indray ho any an-dranomasina amin'ny alalan'ny angidimby, sa ahoana hoy ianao?
Mitarika ho amin'izao fanontaniana manaraka izao izany rehetra izany: Ahoana ny amin'ny Kristianina, indrindra indrindra fa ny Kristianina Advantista sy ny tontolo iainana? Raha tsy heverina intsony aloha ny amin'ilay toe-javatra hafahafa momba ny fanafahana oran-dranomasina teo, inona no tokony hataontsika manoloana ny olana momba ny tontolo iainana? Na izany na tsy izany, moa ve i Jesôsy tsy efa ho avy?
Moa ve ny hafatra entintsika tsy miorina eo amin'ny fahafantarana fa misy fiafarany ity tontolo ity, efa mihasirnba ity tany ity ary tsy haharitra intsony? Eo anatrehan'ny fahazoantsika ny Fiavian'i Jesôsy fanindroany, manao ahoana ny tokony hahasahiran-tsaina antsika indrindra mikasika ny tany?
Vakio ny 2 Pet. 3:10-14; Isa. 51:6; 65:17; Apôk. 21:1. Inona no ampianarin'ny Baiboly mazava tsara mikasika izay fiafaran'ny tany? Ahoana no tokony ho fiantraikan'io fampianarana io eo amin'ny fomba fijerintsika ny tontolo iainana? Sa tsy tokony hisy fiantraikany velively ve izany?
Mazava dia mazava tokoa ny voalazan'ny Baiboly: tsy haharitra intsony ity izao tontolo izao ity, ity tany ity. Horavana izy, ary Andriamanitra izay nanome toky ny hamerina azy amin'ny laoniny sy hamorona azy indray no hanatanteraka izany. Hovainy ho "tany vaovao sy lanitra vaovao" izany. Na dia tsy fialan-tsiny loatra aza izany (araka ny hojerentsika amin'ity herinandro ity) hanimbazimbana sy hanararaotana ny tontolon'ny zavaboary, dia tokony hiaro antsika tsy hanao ny tany sy ny tontolon'ny zavaboary ho andriamanitra izany, tahaka ny efa nataon'olona maro. Mety hihomehy ny mpandray an-tendrony isika, kanefa mila mitandrina ihany koa mba tsy ho tafaroboka tahaka azy ireny.
Vakio ny Rom. 1:25. Inona no hafatra lehibe tokony horaisintsika mikasika ny fomba tokony hanehoantsika ny fiahiana sy fikarakarana ny zavaboary?
Fanambarana fikajiana ny tontolon'ny zavaboary
Ahoana àry no fomba fijerintsika Advantista ny olana mikasika ny tontolo iainana? Ahoana no fomba hirotsahantsika an-tsehatra amin’izany kanefa koa hahaizantsika mandanjalanja tsara? Ity ambany ity misy fanambarana ofisialy, nolanian’ireo mpitarika ny fiangonana tamin’ny taona 1995. “Inonan’ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito fa nohariana araka ny endrik’Andriamanitra ny taranak’olombelona, ary noho izany dia maneho an’Andriamanitra amin’ny maha-mpitantana ny fananany azy, mba hanjaka amin’ny tontolon’ny zavaboary amim-pahatokiana sy amin’ny fomba mahomby.
“Mampalahelo anefa fa tafiditra eo amin’ny fisahanan’ny olombelona ny andraikiny mikasika izany ny fanimbana sy ny fanararaotana. Mitombo hatrany ny fanimbana tafahoatra ataon’ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ireo harena voajanahary. Teraka avy amin’izany ny fahoriana mahakasika ny lafim-piainana rehetra, ny fahaverezan-kevitra manoloana ny fahasimban’ny tontolo iainana, ary ny zava-doza ateraky ny fiovan’ny toetr’andro. Tsy maintsy mitohy hatrany anefa ny fikarohana ara-tsiansa. Mandritra izany, dia hita mazava vokatry ny porofo maro dia maro fa mampidi-doza ho an’ny tontolo iainan’ny tany ny fitomboan’ny famoahana etona manimba, ny fihenan’ny soson’ny ôzôna, ny fahapotehan’ny ala amin’ny ampahany betsaka any Amerika, ary ilay antsoina hoe “effet de serre” (fijanonan’ny hafanan’ny masoandro ao amin’ny soson-drivotra ambany indrindra amin’ny tany, vokatry ny fitombon’ny etona sasantsasany toy ny «méthane» ohatra).
“Ireo olana rehetra ireo dia saika teraka avy amin’ny fitiavan-tenan’ny olombelona avokoa, mbamin’ny faniriana hahazo bebe kokoa hatrany amin’ny alalan’ny famokarana mitombo izay tsy izy sy ny fanjifana tsy misy fiatoana ary ny fihenan’ny akora tsy azo havaozina intsony. Miainga avy amin’ny fanaranam-pon’ny taranak’olombelona ny olana momba ny tontolo iainana, ary ny fandavany tsy hitantana amim-pahatokiana sy amin’ny fomba mahomby ny zavaboarin’Andriamanitra.
“Fomba fiaina tsotra sady mahasalama no atoron’ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito. Tsy hahazo ny olona amin’izay ny fahazarana eo amin’ny tsy fahaizana mifehy ny fanjifana sy ny fahazoana entam-barotra ary ny famokarana be fandanilaniam-poana. Takinay ny hanajana ny zavaboary, ny hifehezana ny fampiasana ireo harena voajanahary, ny hamerenana hanombana indray ny zavatra ilain’ny olona iray, ary ny fanantitranterana ny fahamboanian’ny zavaboary.” — ADCOM, 29 Jona – 8 Jolay 1995.
Jereo ireto andininy ireto. Ahoana no anampian’ireo antsika hahatakatra ny tian’io fanambarana io hampitaina? Gen. 1:1,26; 9:7; Sal. 24:1; 100; Jak. 5:1,2,4,5; Heb. 1:3.
Amin’ny maha-Kristianina mino antsika fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ity tontolo ity sy ny aina ary ny harena ao aminy, dia tokony isika no hikatsaka voalohany indrindra izay fomba hikarakarana azy. Raha inoanao fa kisendrasendra ny nisian’ny tany, ary vokatry ny hery terateraka tsy nahy, dia tsy azo homen-tsiny ihany raha izany ireo izay mitady hampiasa azy ho an’ny tombontsoany. Rehefa fantatsika tsara àry fa zavaboarin’Andriamanitra ity tontolo ity ary Izy no mbola mihazona azy, dia tsy misy hevitra hafa tonga ao an-tsaintsika afa-tsy ny hikolokolo azy hatrany.
Amin’ny fomba ahoana no mety hampisy fiantraikany ny fitiavan-tenanao eo amin’ny fikajianao ny tontolo iainana? Inona ihany koa no tsy mampety ilay fomba fisainana manao hoe: “Olombelona ihany aho, koa inona moa no hidirako amin’izany?”
Fikajiana ny tontolon'ny zavaboary
Tsy voaresaka manokana sy mivantana ao amin’ny Baiboly ny olana mikasika ny tontolo iainana sy ny tokony ho fikarakarana azy. Mazava loatra fa maro ireo olana voafaritra mazava tsy voaresaka ao amin’ny Baiboly. Ny tena ataon’ny Baiboly kosa anefa ary averimberiny hatrany, dia ny manome antsika fitsipika maromaro tokony hampiharina eo amin’ny seha-piainana rehetra, ary tafiditra ao anatiny ny resaka tontolo iainana.
Eritrereto ny amin’ny Mat. 22:37-40. Amin’ny fomba ahoana no mampisy fiantraikany ny fitsipika ampianarina eto eo amin’ny foto-pisainantsika mikasika ny olana momba ny tontolo iainana, indrindra indrindra fa misy akony manimba dia manimba ny hafa tokoa ny tsy fahaizana mampiasa azy?
Omena antsika ao amin’ny voalohandohan’ny Baiboly ao ny antso atao amin’ny taranak’olombelona mba ho mpitantana ny zavatra efa nomen’Andriamanitra an’i Adama teto an-tany. Na dia voafaritra tsara tokoa aza ny tontolon-kevitra, dia sarotra ny mahita fa tsy tokony hotohizana intsony izany fitsipika izany.
Toy izao no fivakin’ny Gen. 2:15: “Ary Jehovah Andriamanitra nitondra andralehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy.” Ahoana no anehoan’io ny fomba tany am-boalohany nasaina nikarakaran’ny olombelona ny tany?
Mariho ny fifandraisana isian’ny fifamalian’asa eto. Nahary ity tontolon’ny zavaboary mahafinaritra ity ho an’ny olona Andriamanitra; nataony ho fanomezana ho azy izany. Jereo ihany koa anefa ny fomba nasaina nikolokoloan’i Adama izany. Nasaina niasa sy nitandrina izany izy. Avy amin’ny foto-teny Hebreo smr, izay midika hoe “miambina” na “mitahiry” na koa “miaro” ny teny nandikana ny hoe “mitandrina”. Efa tany am-boalohany mihitsy àry izany, eny, efa talohan’ny Fahalavoana no niantsoana an’i Adama ho mpitantana ny tontolon’ny zavaboary nametrahana azy. Tsy nasain’Andriamanitra nampamokatra izany amin’ny fomba tsy ara-dalàna izy na hampiasa azy ho an’ny tombontsoan’ny tenany manokana ka hitrandraka izay rehetra azony trandrahana ao anatiny. Notendreny hiasa sy hiaro izany kosa izy.
Inona no antony hahazoantsika mino fa efa niova izany fitsipika izany? Raha toa mantsy ka nasaina nanao izany tao amin’ny tontolo iray tsy mbola nidiran’ny ota akory i Adama, tsy tokony ho mihoatra noho izany ve ny hikajiana an’izao tontolo izao efa simban’ny ota?
Manao ahoana ny fahafantarantsika tsara ny olana mikasika ny tontolo iainana? Manao ahoana ny tena fahaliananao marina momba izany? Zava-dehibe aminao ve izany sa tsia? Ento eo amin’ny kilasy ny valin-teninao amin’ny Sabata.
Ny sabata sy ny tontolon'ny zavaboary
Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana tsy mety voky, dia toy izany koa no tsy ahamamoan’ ny mason’ny olona” - Ohab. 27:20. Amin’ny fomba ahoana no mampisy fiantraikany ny fahamarinan’io andininy io eo amin’ny resaka manontolo mikasika ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny zava-doza vokatry ny fampiasantsika azy tafahoatra?
Araka ny voalaza tao amin’ilay fanambarana mikasika ny tontolon’ny zavaboary terỳ aloha, dia anisan’ny antony mahatonga ny olana eo amin’ny tontolo iainantsika “ny fitiavantenan’ny olombelona avokoa, mbamin’ny faniriana hahazo bebe kokoa hatrany amin’ny alalan’ny famokarana mitombo izay tsy izy sy ny fanjifana tsy misy fiatoana ary ny fihenan’ny akora tsy azo havaozina intsony.” Raha hazavaina amin’ny fomba hafa dia hoe: maniry hahazo zavatra ho an’ny tenany hatrany hatrany ny olombelona, ka ny toerana farany azony hisintonana izany, dia ny tany.
Tsy ny fampiasana ny haren’ny zavaboary tsy akory no olana, fa ny tsy fahalalan’ny olona onony amin’izay zavatra efa azony. Oviana no fotoana farany nandrenesanao ny olona anankiray nilaza fa ampy azy ny volany, na manao ahoana fari-pananany na manao ahoana?
Eo anivon’izany rehetra izany anefa, dia nomen’Andriamanitra ny olombelona ny fanomezan’ny Sabata.
Jereo ireto andininy mikasika ny Sabata ireto. Mitady hihevitra azy ireo ho mikasika ny tontolon-kevitra hafa isika, kanefa ezaho eritreretina fa misy fiantraikany azo tsapain-tanana sady maharitra eo amin’ny tontolon’ny zavaboary ny fitandremana ny Sabata. Mandidy antsika mantsy izany mba hitsahatra amin’ny asa aman-draharaha rehetra, hitsahatra amin’ny fitadiavam-bola sy ny fandraharahana ara-barotra rehetra. Eks. 20:8–11; Neh. 13:16–19.
Marina tokoa fa natao hahatsiarovana ny namoronan’Andriamanitra an’izao tontolo izao ny Sabata (izay tokony hahatonga saina antsika rahateo amin’ny tokony hikajiana azy), kanefa natao hitsaharana amin’ireo raharaha fitadiavam-bola ihany koa izany. Mila mitandrina ny Sabata isika, minia manokana ny ampahafiton’ny fiainantsika isankerinandro tsy an-kanavaka, ka tsy ilaozantsika mikatsaka harena sy vola ary fananana.
Tsy vitan’ny hoe mampahatsiahy antsika isan-kerinandro ihany izany fa tsy fitadiavambola ihany ny fiainana, fa amin’io ihany koa no hitsaharantsika tsy hikatsaka izay zavatra manimba ny tany raha atao be loatra.
Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny fitandremana ny Sabata ho fomba anankiray nifehezanao ny tsy fahalalana onony sy ny fanirian-kahazo hatrany? Impiry izay no nahavoan’ny fakam-panahy anao handika ny Sabata noho ny fakam-panahy hitady vola?
Manjaka amin'ny zavaboary
“Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany (...) Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany” - Gen. 1:26,28.
Hitantsika eo amin’ireo andininy roa eo ambony eo ireo ny filazana voalohany indrindra ataon’ny Baiboly mikasika ny fomba tokony hikajian’ny olombelona ny tontolon’ny zavaboary. Vakio tsara amim-pivavahana sy amim-pitandremana tsara izany, ka ampifandraiso amin’ny tontolon-kevitry ny fikarakarana ny tontolon’ny zavaboary sy ny olana momba azy, ary avy eo valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
- Feno manao ahoana ny tokony ho fahazoan’ny taranak’olombelona nifehy ny tany?
- Inona no hevitry ny hoe mampanompo sy manjaka amin’ny tany sy izay rehetra ao aminy? Aiza ho aiza ao amin’ny andininy raha misy, no ahitana fanomezana alalana ny olombelona hanararaotra sy hanimba ny zavaboary?
- Voalazan’ny Gen. 1:28 fa natao “hameno ny tany” izy ireo. Ahoana no mety hahazoana izany araka ilay olana mikasika ny fomba tokony hikajiana azy?
Tsy hiadian-kevitra intsony fa natao hanjaka amin’ny tany ny olombelona, fara fahakeliny eo ambanin’ny fahefana sy ny fitarihan’ny Tompo. Ny nanomezana ireo andininy ireo tao amin’ny tontolo tsy mbola lavo, tsy mbola nisy ota sy fahafatesana ary fahoriana, dia tokony hampianatra fa tsy midika ho fampamokarana sy fitrandrahana ny tany amin’ny fomba mihoapampana izany, na inona hevitr’io fampanompoana sy fanjakana aminy io na inona. Azo antoka mantsy fa tsy ho nitranga velively tao amin’ny tontolo tsy mbola nidiran’ny ota ireo zavatra ireo. Na inona fampanompoana sy fanjakana natao taminy na inona, dia tsy midika ho fanapotehana an’io tontolo io izany.
Mazava loatra fa be tokoa ny fiovana nitranga nanomboka teo: ny Fahalavoana, ny Safodrano, ny ozona (Gen. 3:17-19), ary ny fitotonganana an-kapobeny nateraky ny fahotana. Voatery hahita taratra eo amin’ireo andininy ireo anefa ny olona iray fa misy ihany ny zavatra manamarina ny fanararaotana sy ny fanimbana ny planeta. Hitantsika eo amin’ireo andininy ireo ihany koa anefa ny andraikitry ny taranak’olombelona hikarakara an’izao tontolo izao, amin’ny maha-mpanapaka izany azy. Andriamanitra mantsy no nahary ny tany, ary “tsara indrindra” izany.
Fianarana fanampiny
“Tamin’ny voalohany dia naseho teo amin’ny asa rehetra vita teo amin’ny famoronana Andriamanitra. I Kristy no namelatra ny lanitra, sy nametraka ny fanorenan’ny tany. Ny tanany no nampihantona an’izao tontolo izao teo amin’ny habakabaka sy namolavola ny voninkazo eny an-tsaha. ‘Mampiorina ny tendrombohitra amin’ny heriny Izy’. ‘Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy’. Izy no nahahenika hatsaran-tarehy ny tany, sy nahafeno hirahira ny rivotra. Ary nosoratany teo amin’ny zavatra rehetra teto an-tany, eny amin’ny rivotra sy eny amin’ny lanitra ny hafatra manambara ny fitiavan’ny Ray.
“Eny, na dia efa simban’ny fahotana aza ny asa tanteraka nataon’Andriamanitra, dia mbola maharitra ihany ny sora-tanany. Ankehitriny aza dia mbola manambara ny voninahitry ny fahatsarany ny zavatra nohariny rehetra. Tsy misy afa-tsy ny fon’olombelona tia tena ihany no mivelona ho an’ny tenany. Tsy misy voromanidina manavatsava ny habakabaky ny lanitra, tsy misy biby mihetsiketsika amin’ny tany izay tsy miasa ho an’ny fiainan’ny hafa. Ny hazo lehibe sy madinika rehetra ary ny ravinkazo rehetra dia samy mampitosaka ilay kasinga fototry ny aina izay tsy misy olona na biby mety ho velona raha tsy misy izany; ny olona sy ny biby kosa, ho setrin’izany, dia miasa hahavelona ny hazo lehibe sy madinika ary ny ravinkazo. Mandefa fofo-manitra ny voninkazo sady mampivelatra ny hatsaran-tarehiny ho fitahiana an’izao tontolo izao. Manaparasaka ny fahazavany ny masoandro mba hamalifaliana an’izao tontolo izao an’arivony. Ny ranomasina, izay loharano iavian’ireo sakasaka sy reniranontsika rehetra, dia mandray ny ony avy amin’ny tany rehetra, nefa mandray izy mba hanomezany. Ny zavona miakatra avy eo anivony dia milatsaka ho ranonorana ka manondraka ny tany mba hampaniry sy hampitsimoka azy.” - IFM, t. 10-11.
Fanontaniana hifanakalozan-kevitra :
Iverenonareo iray kilasy jerena ny valin-teninareo mikasika ny fanontaniana farany ao amin’ny lesona Talata.
1. Inona no havalinao ny olona milaza hoe: “Efa ho avy tsy ho ela i Jesôsy, koa inona intsony moa no tokony hiasako saina amin’ny tontolon’ny zavaboary?”
2. Ahoana no ahaizantsika Kristianina mandanjalanja tsara eo amin’ny fahatakarana fa ilaintsika ny mihevitra ny tontolon’ny zavaboary kanefa koa tsy ho variana be loatra any amin’ireo hetsika somary mivaona hiadiana amin’ireo olan’ny tontolon’ny zavaboary? Nahoana no zava-dehibe tokoa ny tsy hirobohantsika amin’izy ireny, indrindra indrindra fa ireo misy ifandraisany betsaka amin’ny pôlitika?
3. Raha manana fahafahana ianao, dia manaova fikarohana mikasika ny tombontsoa azo avy amin’ny fomba fisakafoana tsy misy hena ho an’ny tontolo iainana manokana, mihoatra amin’ny misy hena. Ifanakalozy hevitra eo amin’ny kilasy ny zavatra hitanao.
Famintinana : Tsy iadian-kevitra intsony fa ho rava tsy ho ela izao tontolo izao; tsy haharitra intsony. Eny tokoa, ho avy tsy ho ela i Jesôsy. Marina avokoa izany rehetra izany, kanefa tsy misy ao amin'ireo fahamarinana ireo no manome antsika zo na alalana hanimba ny tany. Amin'ny maha-Kristianina antsika, dia tokony hitady izay hikajiana an'ity tontolo noharian'Andriamanitra ho antsika ity isika.