Lesona 5 : Ahoana no hahavoavonjy ? / 2014-07-26 - 2014-08-01

Hodinihina mandritra ny herinandro: Lio. 5:27-32; 13:1-5; Mat. 22:2-14; Zak. 3:1-5; Jao. 8:30,31; Lio. 14:25-27.

Tsianjery: "Ary tahaka ny nanandratan’ i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’ olona,mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy." Jao. 3:14,15"

Fampidirana

SABATA HARIVA:

Raha iny ny Isiraelita fa nokaikerin'ny menarana tany an'efitra, dia iny Andriamanitra fa nanome toromarika an'i Mosesy mba hanamboatra menarana varahina iray ka hanantona izany amin'ny hazo lava mba ho afaka hibanjina izany izay rehetra voakaikitra ka ho voavonjy.
Inona moa no hery mahasitrana ananan'ny menarana varahina? Tsy misy. Ny fanasitranana dia avy amin'Andriamanitra irery ihany. Ny fibanjinan'ny Isiraelita ilay menarana varahina no nanehoan'izy ireo ny finoany an'Andriamanitra ho hany fanantenana fiainana sy famonjena ho azy ireo.
Te hampianatra lesona ara-panahy azy ireo Andriamanitra. Ny tandindona maneho ny fahafatesana no novàny ho lasa tandindona maneho ny fiainana. Ny menarana varahina dia tandindona naneho an'i Kristy, Izay nitondra ny fahotantsika mba hamonjena antsika. Amin'ny finoana, dia afaka mibanjina an'i Kristy nasandratra teo amin'ny hazo fijaliana avokoa isika ka hahita fanasitranana amin'ny kaikitra mahafatin'ilay menarana ela, dia i Satana izany. Raha tsy izany dia efa voatendry ho faty ao amin'ny fahotantsika isika. Manoritsoritra ny zavatra izay tokony hiharihary, mankarary indrindra, ny Tenin'Andriamanitra: amin'ny maha-olombelona antsika, dia mpanota mila ny fahasoavan'Andriamanitra isika. Atolotra antsika ao amin'i Jesôsy Kristy izany fahasoavana izany.
Mandritra ity herinandro ity isika dia hijery ny fampianaran'i Kristy momba ireo dingana tsotra azo ampiharina ilaina ho amin'ny famonjena.

Fantaro izay ilainao

Vakio ny Lio. 5:27-32. Ahoana no ahafantaranaohoe antokon'iza no misy anao?    

Maro ny olona no salama ara-batana ka "tsy mila mpitsabo. » Fa mba iza kosa no tena salama ara-panahy? Amin'ny olombelona rehetra "tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza" (Sal. 14:3); "tsy misy marina na dia iray akory aza" (Rôm. 3:10). Mety hanao asa tsara mifanaraka amin'ny fitsipika ara-môraly isika, kanefa tsy afaka manao ny tenantsika ho marina eo anatrehan'Andriamanitra. Noho izany, ny filazan'i Jesôsy hoe -tsy avy hiantso ny marina" (Lio. 5:32) Izy, dia ny Fariseo no tiany hambara tamin'izany, ny Fariseo izay nihevitra ny tenany ho marina na dia tsy izany akory aza izy ireo. Nino tokoa mantsy izy ireo fa olona manana ny maha-izy azy eo anatrehan'Andriamanitra, kinanjo, indrisy, jamba ara-panahy izy ireo (Jao. 9:40,41).

Ny dingana voalohany handraisana fanasitranana amin'ny ota ary izany dia ny fanekena ny maha-mpanota antsika sy ny tsy fahafahantsika mihitsy hanasitrana ny tenantsika. Kanefa ahoana tokoa moa no hahitantsika izay tena ilaintsika raha jamba isika? Ahoana no hahafahantsika manaiky fa mpanota tokoa isika raha toa ka ny otantsika indrindra no manakana antsika tsy hanaiky ny tena toetsika marina?

Ahoana no hampisokatra ny masom-panahintsika hahatsapantsika ny filantsika Mpamonjy amim-pamoizam-po? Jereo ny Jao. 16:8.

Ny Fanahy Masina no hany ody maso afaka mampahiratra antsika ka hahitantsika ny tena toe-panahintsika. Mialoha ny asa hafa rehetra mety hataony ho antsika dia tsy maintsy mampiaiky antsika ny fahotana Izy. Miantso tsy an-kiato ny feon'ny fieritreretantsika Izy mba hananantsika fahatsapana tsy azo ialana ny fahotantsika sy fahatsapana lalina ny maha­meloka antsika, ka izany no mitarika antsika haniry fatratra Mpamonjy. Rehefa rentsika izany antso izany, dia tsy maintsy mihaino sy mankatô izany isika; raha tsy izany, na ho ela na ho haingana, dia hanamafy ny fontsika tsy hanaiky ny asan'ny Fanahy Masina isika ka tsy hisy na inona na inona azo atao ho antsika intsony. Eritreritra mampatahotra manao ahoana loatra re izany!

Na dia zavatra ratsy aza matetika ny fahatsapan-tena ho meloka, amin'ny fomba ahoana kosa no ahafahan'ny Fanahy Masina mampiasa izany fahatsapan-tena ho meloka izany ho tombontsoanao ara-panahy?

 

Mibebaka

Tsy ampy ny fanekentsika ny fahotatsika; tsy maintsy arahina fibebahana izany. Ny dikan'ny hoe fibebahana ara-Baiboly dia mahakasika lafin-javatra telo: Fanekena ny fahotan'ny tena, alahelo noho ny ota, -ary faniriana lalina tsy hanota intsony. Raha banga ny iray amin'ireo dia tsy misy fibebahana marina. Ohatra amin'izany i Jodasy izay niaiky ny fahotany, kanefa tsy nalahelo izy noho ny namadihany ny Tompony (Mat. 27:3,4). Difotry ny nenina izy fa tsy mba difotry ny fibebahana. Nateraky ny tahotry ny vokatry ny fahotany ny fiaikeny heloka, fa tsy noho ny fitiavany an'i Kristy.

Hitantsika ny maha-zava-dehibe ny fibebahana rehefa jerentsika i Jaona mpanao Batisa sy i Jesôsy nanomboka ny asa fanompoany tamin'ny fitoriana ny hoe: "'Mibebaha hianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra!'» (Mat. 3:2, 4:17). Taty aoriana, rehefa naniraka azy roa ambin'ny folo lahy hanao ny dia misiônera voalohany i Jesôsy dia "lasa nandeha izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka ny olona" (Mar. 6:12). Ary taorian'ny Pentekôsta, dia mbola niantso ny olona mba hibebaka toy izany ihany i Petera (Asa. 2:38, 3:19).

Jereo anie ny teny mafonja nampiasain'i Jesôsy hanantitranterana ny filàn'izao tontolo izao fibebahana mba handraisana famonjena. Inona no hafatra omeny antsika eto? Jereo ny Lio. 13:1-5.

Nohamafisin'i Jesôsy ny maha-mpanota ny olona rehetra. Izany no nahatonga Azy hampirisika ny mpihaino Azy manao hoe: "fa raha tsy mibebaka hianareo, dia ho ringana tahaka azy koa hianareo rehetra. "' (and. 5). Raha tsy misy fibebahana dia tsy hisy fanavotana mihitsy, satria ny tsy fisian'ny fibebahana no mampiseho fa tsy manaiky hanolotra ny tenany ho an'Andriamanitra ilay olona.
Ankehitriny, dia efa nolazaina tamintsika: "fa ny fahamorampanahinAndriamanitra dia mitaona anao hibebaka" - Rôm. 2:4. Inona moa no dikan'izany? Azo atao ny manapotipotika ny vaingan-dranomandry, nefa ny vokatra azo amin'ireo potipotika ranomandry ireo dia mbola mitoetra ho ranomandry ihany. Azo atao ihany koa anefa ny mametraka vongandranomandry eo akaikin'ny fitaovana famanàna iray, amin'izay dia hitsonika ilay vaingan-dranomandry ka ho Conga rano. Ny fitoerantsika eo amin'ny hafanan'ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny hafanan'ny fitiavany irery ihany no hampitsonika ny vaingan-dranomandrin'ny avonavontsika. Koa zavadehibe indrindra ho antsika, araka izany, ny mitoetra maharitra araka izay azontsika atao eo amin'ireo porofo rehetra nomena antsika maneho ny fitiavan'Andriamanitra antsika.

"Tsy mibebaka isika mba hahazoan'Andriamanitra mitia antsika, fa nasehony ny fitiavany mba hahazoantsika mibebaka."— HF, t. 157.

Inona avy ireo porofon'ny fitiavan'Andriamanitra? Inona no efa hitanao sy nanaovanao fanandramana ary nianaranao ka nanome anao antony mafonja hitokisanao ny fahatsarany? Fa nahoana no zava-dehibe mandrakariva ny mitoetra eo amin'ireo antony ireo, indrindra fa amin'ny fotoan-tsarotra?

Mino an'i jesosy

Ny tena fibebahana marina dia miara-dalana amin'nyfinoana an'i Jesôsy amin'ny maha-hany Mpamonjyantsika Azy. Matetika mihitsy i Jesôsy no niresakamomba ny filàna ny finoana Azy mba handraisana ireofitahiany."-Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino." (Mar.9:23). Tena ilaina dia ilaina indrindra ny finoana raha tiantsika ny ho voavonjy. Fantatr'i Satana izany, ka izany no antony anaovanyny ezaka rehetra mba tsy hahatonga antsika hino (Lio. 8:12).

Inona no dikan'ny hoe "mino", raha araka ny tenin'i Jesôsy? Izany dia tsy fahatsapana manjavozavo fotsiny hoe hisy zavatra hitranga, fa mihoatra nohoizany. Mihoatra noho ny fampiasana sains ihany koa izany. Ny finoana mahavonjy dia tsy zavatra poak'aty tsy akory. Mifanohitra amin'izany, fa nyfinoana dia manana tanjona voafaritra mazava: Jesôsy Kristy. Ny finoana dia tsy hoe mino zavatra fotsiny ihany, fa mino indrindra indrindra Ilay Olona Iray. Ny finoana dia fahatokiana an'i Jesôsy sy ny fahafatesany ho antsika. Ny hoe mino an'i Jesôsy dia midika ho fahalalana Azy, fahafantarana hoe Iza marina moa Izy (Jao. 6:69), sy fandraisan'ny tena manokana Azy (Jao. 1:12).

Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny antsika iJesôsy, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay. Tsy midika akory izany fa ho voavonjy avokoa ny olona rehetra noho ny fahafatesany. Tsy maintsy voasaron'ny fahamarinany aloha isika.Ary amin'ny alalan'ny finoana Azy no ananantsika fahamarinana, sy antoka ary ny teny fikasana lehibe fa hatsangany indray isika amin'ny andro farany(Jao. 6:40).

Izao no toky nomen'i Jesôsy ho an'ny vehivavy iray nivelons tao anaty fiainam-pahotana: "Voavela ny helokao ( ... ) Ny finoanao no namonjy anao'" (Lio. 7:48,50). Inona no dikan'izany? Moa ve mamonjy antsika tokoa ny finoantsika?

Araka ny voalazan'ireo Filazantsara efatra, dia izao no nolazain'i Jesôsy rehefa nanasitrana olona Izy:"-ny finoanao no efa nahasitrana anao" (Mat.9:22, Mar. 10:52, Lio. 17:19). Tsy nihevitra tsy akory i Jesôsy raha nilaza ireo teny ireo fa nanana hery manasitrana ny finoan'izy ireo. Ny finoan'izy ireo dia fitokiana tanteraka fotsiny ihany ny herin'i Jesôsy manasitrana azy ireo. Ny herin'ny finoana dia tsy mivoaka avy amin'ilay olona mino fa avyamin'Andriamanitra izay inoan'ilay olona.

Nahoana isika no tokony hitandrina eo amin'ny fomba fahazoantsika ny asan'ny finoana raha ny vavaka no resahina, indrindra indrindra ny vavaka mikasika fanasitranana? Fa nahoana no diso ny manatsoaka hevitra avy amin'ireo andininy eo ambony eo ireo hoe matoa tsy misy fanasitranana miseho araka ny vavaka nangatahintsika dia satria tsy ampy ny finoana ananantsika?

Akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady

Nipetraka nanoloana ny olona i Jesôsy ary nanononateny izay ampoizina fa nanafintohina azy ireo:'-Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy hianareo» - Mat. 5:20. Vitsy ny olona no tena nitandrina arabakiteny tamin'ny tsipiriany fatratra ny lalàna mihoatra noho ny Fariseo. Naizany aza dia tsy nahomby izy ireo satria nataony hisarihana ny fijerin'nyolona ny fitondrantenany fa tsy nataony hahafaly an'Andriamanitra.Mampitandrina antsika i Jesôsy mba tsy hanao toy izany (Mat. 6:1).

Ahoana ary no hahatonga antsika ho marina eo anatrehan'Andriamanitra? Ny fanoharana mikasika ny fanasana tao amin'ny fampakaram-bady no manome hevitra ahitantsika ny loharanon'ny fahamarinana tena izy.

Vakio ny Mat. 22:2-14. Nahoana ilay mpanjaka no te hahazo antoka fa samy efa manao ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady avokoa ny olona nasaina rehetra? Inona no asehon'io akanjo io? Jereo ny Isa. 61:10; Zak. 3:1-5.

Ny mpanjaka no niantoka ny akanjo fitondra amin'ny fanasana fampakarambady ary maimaimpoana izany. Ireo nanatrika moa dia nasaina tetsy sy teroa raha teny am-pandehanana teny an-dalam-be izy ireo, ary ampoizina fa tsynifanaraka tamin'izany fanasana fampakaram-bady izany ny akanjon'izy ireo nakoa mety tsy nanam-bola hividianana izany izy ireo. Araka izany dia samyfanomezana maimaimpoana avy amin'ny mpanjaka avokoa na ny fanasana nany fitafiana hanaovana amin'izany. Tokana monja ny zavatra takina tamin'nympanatrika ny fanasana, dia ny manaiky ireo fanomezana roa ireo.

Hatramin'ny fahalavoana tao amin'ny saha Edena, dia mitanjaka ara-panahy avokoa ny olombelona rehetra. Nahatsiaro tena fa nitanjaka i Adama sy i Evataorian'ny tsy fankatoavany, ka nitady hanarona ny fitanjahany tamin'nyfanjairana ravin'aviavy, zavatra izay sady tsy ahazoana aina no tsy mahasaronany fitanjahany akory (Gen. 3:7). Izay heverin'ny olombelona ho fahamarinana tsara indrindra vokatry ny ezaka ataony dia"tahaka ny lamba mihosin-dra" (Isa.64:5).

Araka izay hita ao amin'ilay fanoharana, dia Andriamanitra mihitsy nomanolotra ny fitafiana ilaintsika. Izy no nanamboatra fitafiana ho an'i Adama syi Eva sy nanafy azy ireo (Gen. 3:21), tandindon'ny fahamarinany izay manaronany mpanota izany. Ny Tompo ihany koa no mbola manolotra ny akanjompahamarinan'i Kristy ho an'ny fiangonany, mba hahatonga azy hitafy"rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka" (Apôk. 19:8), "tsy misy pentipentina, na fiketronana, na izay toy izan." (Efes. 5:27). Io akanjo io dia tsy inona fa ny fahamarinan'i Kristy (..), toetrany tsy misy pentina izay zaraina amin'ny alalan'ny finoana ho an'izay rehetra mandray Azy ho Mpamonjin'ny tenany manokana."— HF, t. 273.

Maninona no tsy maintsy azontsika tsara, mihoatra sy ambonin'ny zavatra hafa rehetra inoantsika, fa ny famonjena antsika dia avy amin'ny fitafiana atolotr'i Kristy maimaimpoana antsika irery ihany? Nahoana no tsy maintsy tsaroantsika mandrakariva izany?