Lesona 2: Ilay fifandirana

Hodinihina mandritra ny herinandro: Heb. 8:6; Mat. 19:17; Apôk. 12:17; Lev. 23; Asa. 15:1-29; Gal. 1:1-12.

Tsianjery: “Fa ny lalàna dia nomena tamin'ny alalan'i Mosesy; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy.” – Jao. 1:17.

 

Marobe ny Jiosy tao amin’ireo fiangonana kristianina voalohany. Ireo Jiosy ireo dia tsy mba nihevitra na dia kely akory aza fa niala tamin’ny finoan’ny razany tamin’ny nanekeny an’i Jesôsy. Ary azo antoka fa tsy nieritreritra izy ireo fa niala tamin’ny teny fikasana manokana nataon’Andriamanitra tamin’ny vahoakany. Marina ny azy ireo. Tsy mba nanontany tena izy raha tokony ho Kristianina aloha ny Jiosy mialoha ny handraisany an’i Jesôsy. Izao kosa ny fanontaniana nanitikitika ny mpino Jiosy maro: tsy maintsy lasa Jiosy ve ny Jentilisa vao afaka mandray an’i Kristy?

Taty aoriana, dia nahazo valinteny hentitra avy tamin’ny filan-kevitra tany Jerosalema ireo Jiosy. Ny filan-kevitra no nandray ny fanapahan-kevitra lehibe ho an’ny fiangonana iray manontolo, ka nanapa-kevitra ny tsy hanery ny Jentilisa amin’ny fanarahana ny fitsipika sasany, ary tsy hanery ny Jentilisa hiova ho Jiosy mialoha ny hidirana ao amin’ny fiangonana.

Mbola nitarika olana anefa ny sasany tamin’ireo mpampianatra Jiosy. Nanindry mafy izy ireo fa tokony hankatò ny lalàna sy ny fitsipika Jiosy ireo mpino Jentilisa. Iray tamin’izany ny famorana. Nahatsapa ireo mpampianatra Jiosy fa tokony hiaina araka ny didy aman-dalàna Jiosy ireo mpino Jentilisa, mba hahatonga azy ho isan’ny Isiraely. Ahoana àry no namahan’ny fiangonana izany olana goavana izany?

Vakio ny Heb. 8:6. Inona no hafatra voalaza eto? Inona no “fanekena tsara lavitra” resahin’ny toko sy andininy eto?

Inona no fahasamihafana lehibe eo amin’ny fivavahana tamin’ny andron’ny TT sy ny TV? Angamba noho ny fampidiran’ny TV ny nahatongavan’i Jesôsy, izay nirahin’Andriamanitra hamonjy ny mpanota izany. Tsy azon’ny olombelona atao ny mandà an’i Jesôsy kanefa manantena ny hovonjena. Amin’ny alalan’ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana ihany no ahafahana mamela ny helony. Dia hanarona azy amin’ny fiainany tonga lafatra Izy. Raha tsy teo ny fanomezany, dia tsy ho tafajoro eo anatrehan’Andriamanitra ny olombelona, fa ho hita ho meloka kosa.  Araka izany, dia avy amin’ny alalan’ny finoana ny fahafatesan’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana noho ny otantsika sy ny fanekena ny fiainany masina amin’ny finoana ho solon’ny antsika ihany no hahazoana famonjena. Ireo fanomezana ireo no manome antsika hery handresena ny fahotana. Ny fahafatesan’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana ho an’ny mpanota sy ny fiainany tsy nokasihim-pahotana no ampahany amin’izay antsoina hoe fahamarinan’i Kristy. Ny fahamarinana dia herin’Andriamanitra mampihavana ny olona Aminy, tsy misy afaka mamonjy antsika ankoatra izany.

Ireo vahoakan’Andriamanitra tao amin’ny TT dia niandrandra ny fiavian’ny Mpamonjy. Izao kosa anefa ny fanontaniana niantefa tamin’ireo vahoakan’Andriamanitra tao amin’ny TV: handray an’i Jesôsy avy any Nazareta ho Mpamonjy azy ve izy ireo? Izy no Mesia, Ilay nofidin’Andriamanitra hamonjy antsika ho afaka amin’ny fahotana.

Vakio ny Mat. 19:17, Apôk. 12:17, Apôk. 14:12 ary ny Jak. 2:10,11. Inona no ambaran’ireo toko sy andininy ireo amintsika mikasika ny lanjan’ny lalàn’Andriamanitra ao amin’ny TV?

Maharitra mandrakizay ny didin’Andriamanitra, fa ny lalàna izay manazava ny fampiasana biby tamin’ny fanompoam-pivavahana Jiosy kosa dia an’ny fanekena fahiny nataon’Andriamanitra sy ny olony. Ireny lalàna ireny dia nanondro an’i Jesôsy, ny fahafatesany, ary ny asany amin’ny maha-Mpisoronabe Azy, saingy tsy nilaina intsony izany taorian’ny nahafatesany. Nanokatra fomba vaovao entina hamonjena ny olombelona i Jesôsy, fomba vaovao izay niorina tamin’ny “fanekena tsara lavitra.”

Iray tamin’ireo antony lehibe nanoratan’i Paoly ho an’ny Rômanina ny hanampiana ny Jiosy sy ny Jentilisa hahatakatra izany fiovana avy tamin’ny fomba taloha ho amin’ny vaovao izany. Nandray an’i Jesôsy izy ireo, saingy tsy mbola vonona tanteraka ho amin’ny fanovana lehibe hiseho.  

Inona no teny fikasan’ny Baiboly tianao indrindra? Impiry ianao no mitoky amin’izany? Inona no zavatra ataonao ka mety hanakana ny fahatanterahan’izany eo amin’ny fiainanao?

Vakio ny Lev. 12,16,23. Nahoana no saika sarotra arahina avokoa ireo fitsipika voatanisa ao amin’ireo toko ireo tamin’ny andron’ny TV?

Ny fitsinjarana ny lalàn’ny TT ho sokajy dimy no hanampy antsika bebe kokoa amin’ny fahatakarana ny tanjon’ny tsirairay amin’izy ireo: (1) ny didy folo; (2) ny lalàna seremôniely - ireo lalàna ireo no manazava ny ilàna ny biby ho an’ny fanompoam-pivavahana; (3) lalàna sivily - io lalàna io no nanazava ny adidin’ny vahoaka tamin’ny fitondram-panjakana sy tamin’ireo olom-pirenena hafa; (4) ny fitsarana; ary ny (5) lalàna mikasika ny fahasalamana.

Ny fitsinjarantsika ny lalàna ho sokajy dimy dia tsy fizarana tena misy ao amin’ny lalàna tsy akory. Lalàna maro ao amin’ny sokajy iray no mifandray amin’ny lalàna ao amin’ny sokajy hafa. Araka izany, dia tsy tena misaraka tanteraka ireo. Manampy amin’ny fahatakarana tsara ny lalàna fotsiny ihany ny fitsinjarana izany. Tsarovy fa ireo olona tamin’ny andron’ny TT dia tsy nihevitra ny lalàna ho misaratsaraka.

Ny didy folo dia fantatra amin’ny maha-lalàna môraly azy (Eks. 20:1-7). Izany no maneho ny adidintsika amin’Andriamanitra. Miorina amin’ny lalàna môraly ny lalàna sivily sy ny fitsarana. Ny lalàna sivily dia mitanisa koa ireo famaizana noho ny fandikan-dalàna. 

Ny lalàna manazava ny ilàna ny biby teo amin’ny fanompoam-pivavahana Jiosy dia fantatra amin’ny hoe lalàna seremôniely. Tafiditra tao anatin’izany ny fitanisana ireo biby samihafa tokony hoentina hatao fanomezana ho an’Andriamanitra. Ireo lalàna ireo koa no mitanisa ireo andro firavoravoana sy ny fomba hankalazana izany. 

Nifampiditra tamin’ny lalàna hafa ny lalàn’ny fahasalamana. Ny lalàna mikasika ny fahasalamana sasany dia miresaka momba ny fahalotoana noho ny fahotana, no sady ahitana ireo fitsipika arahina mba hananan’ny vatana fahasalamana tsara. Ny lalàna mikasika ny hena madio sy tsy madio koa dia voaresaka ao anatin’izany.

Tsy isalasalana fa nihevitra ireo lalàna ireo ho sokajy iray ny Jiosy, saingy azo antoka fa tsapan’izy ireo fa miavaka amin’ny hafa ny sasany amin’izany. Ny didy folo, ohatra, dia Andriamanitra mihitsy no nilaza azy mivantana tamin’ny vahoakany. Araka izany, izany fahagagana izany dia mampiseho azy ho miavaka.  

Tsy azo notohizana intsony ny fanarahana ireo lalàna hafa nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy. Ohatra amin’izany ny lalàna izay nanazava ny fanompoam-pivavahana natao tao amin’ny fitoerana masina, izay toerana niankohofana tamin’Andriamanitra nialoha ny nanorenana ny tempolin’i Sôlômôna. Tsy azo atao anefa ny manaraka ny lalàna mikasika ny fitoerana masina raha tsy eo ny fitoerana masina. Ohatra iray hafa ny amin’ny lalàna sivily. Tsy nifehy ny Jiosy intsony ny ampahany betsaka amin’ny lalàna sivily nony teo ambany fifehezan’ny firenena hafa izy ireo, ary ireo lalàna maro momba ny ilàna ny biby ho amin’ny fanompoam-pivavahana dia tsy narahina intsony rehefa rava ny tempoly. Ireo biby izay nanondro an’i Jesôsy koa dia tsy nilaina intsony taorian’ny nahafatesany.

Vakio ny Asa. 15:1. Inona no olana niteraka fifandirana tao amin’ny fiangonana? Nahoana ny olona sasany no nino fa tsy ny Jiosy no voakasik’izany olana izany fa ny Jentilisa? (Vakio koa ny Gen. 17:10 hamalianao ny fanontaniana.)

Naniry ny hambabo fanahy maro ho an’i Kristy ireo Kristianina tany Antiokia. Nila ny fanampian’ireo apôstôly izy ireo tamin’izany. Araka izany, dia niara-niasa tamin’ny apôstôly ny fiangonana mba hahazoana fanahy ho an’i Kristy.

Tamin’izany fotoana izany indrindra no nisy Jiosy avy any Jodia nanomboka nitondra olana tao amin’ny fiangonana. Nikiry fatratra izy ireo fa tsy maintsy manao ireto zavatra ireto ny Jentilisa mba haha-voavonjy azy: (1) tsy maintsy forana izy ireo; (2) tsy maintsy manaraka ny lalàna seremôniely rehetra koa. Hitamberina ao an-tsainao fa io lalàna io dia nanazava ny amin’ireo biby samihafa izay tokony entina hatao fanatitra any an-tranon’Andriamanitra.

Nampirehareha ireo Jiosy tokoa ny fombafombam-pivavahany. Maro tamin’izy ireo, izay nandray an’i Jesôsy, no nihevitra fa tsy hanova na inona na inona amin’izany lalàna izany Andriamanitra. Araka izany, dia notsindrin’izy ireo mafy fa ny lalàna Jiosy sy ireo andro firavoravoana dia tokony hampidirina ao anatin’ny fivavahana Kristianina. Tsy takatr’ireo Kristianina Jiosy ireo fa ny biby izay nentiny ho eo amin’Andriamanitra dia tandindon’ny fahafatesan’i Kristy, koa tsy nilaina intsony izany taorian’ny nahafatesany.

Nanao ahoana ny namahana ny disadisa tao amin’ny Asa. 15:2-12?

Raha nitodika tany amin’Andriamanitra nitady fitarihana mivantana izy, dia vonona mandrakariva kosa hanaiky ny fahefana nomena ny fikambanan’ny mpino eo amin’ny firaisan’ny fiangonana. Tsapany fa ilainy ny torohevitra, ary rehefa misy zava-dehibe mitranga, dia nahafaly azy ny nitondra izany teo anatrehan’ny fiangonana, sy niray hina tamin’ny rahalahiny hitady an’Andriamanitra hahazoana fahendrena hoenti-mandray fanapahan-kevitra hendry.” – VM, t. 177. 

Mahaliana tokoa ny hoe i Paoly izay niresaka matetika mikasika ny fiantsoana azy ho mpaminany sy ny fomba niantsoan’i Jesôsy sy nanomezany azy ny iraka, dia nanaiky hiara-miasa amin’ny fiangonana. Izany hoe, na inona na inona niantsoana azy, dia tsapany fa anisan’ny fiangonana izy ary nilainy ny hiara-miasa amin’ny fiangonana araka izay azony natao.

Manao ahoana ny fihetsikao manoloana ireo mpitarika ao amin’ny fiangonana? Hatraiza ny fanehoanao fiaraha-miasa? Nahoana no zava-dehibe ny fiaraha-miasa? Inona moa no hitranga raha tsy misy te hiara-miasa ny rehetra? Ahoana no hahavitantsika asa amin’izany?

Vakio ny Asa. 15:5-29. Araka izay hita ao amin’ireo toko sy andininy ireo, inona no fanapahan-kevitra noraisin’ny filan-kevitra tany Jerosalema; nahoana?

Nandray fanapahan-kevitra lehibe ho an’ny fiangonana iray manontolo ny filan-kevitra tany Jerosalema; nanohitra izay nambaran’ireo Kristianina mpandala fatratra ny lalàn’i Mosesy izany. Ireo olona ireo dia nanindry mafy fa ny Jentilisa niova fo dia tsy maintsy forana ary tsy maintsy mitandrina ny lalàna seremôniely rehetra. Ary ny “nanantitrantitra ny hampidirana ny lalàna sy ny fanompoam-pivavahana jiosy ao amin’ny fomba fivavahana kristianina izy.”- VM, t. 168.

Mahaliana ny filazan’i Petera ao amin’ny Asa. 15:10 fa ireo lalàna fahiny dia “zioga” izay tsy misy mahazaka. Moa Ilay nanao ny lalàna no nametraka izany ho tahaka ny enta-mavesatra ho eo an-tsoroky ny vahoakany? Tsia, saingy rehefa nandeha teny ny fotoana, dia novain’ny Jiosy sasany ho enta-mavesatra ny fitahiana, tamin’ny nanampiany fitsipika nasainy narahin’ny vahoaka. Koa nirin’ny filan-kevitra tany Jerosalema ny hanafaka ireo Jentilisa amin’ny fitondrana izany enta-mavesatra izany.

Mariho fa tsy misy firesahana ao amin’ireo toko sy andininy ireo mikasika ny tsy fankatoavana ny Didy Folo. Alaivo sary an-tsaina hoe hafahafa manao ahoana raha toa ka ireo filan-kevitra nilaza tamin’ireo Jentilisa tsy hihinana ra no nilaza fa azony atao ny mangalatra!

Vakio ny Asa. 15:20,29. Araka izay hita eto, inona ireo fitsipika napetraka tamin’ireo mpino Jentilisa? Nahoana no ireo fitsipika manokana ireo?

Nolanin’ny filan-kevitra fa ny mpino Jiosy dia tsy tokony hanery ny hametrahana ireo fitsipika nataon’olombelona ho eo amin’ny Jentilisa. Tian’izy ireo koa anefa ny hahazo antoka fa tsy hanao izay hahatezitra ny Jiosy ireo Jentilisa ireo. Koa nanoratra taratasy tamin’ny Jentilisa ny mpitarika, nilaza tamin’izy ireo (1) tsy hihinana hena aterina amin’ny sampy, (2) tsy hihinana ny henan’ny biby nokendaina ary (3) tsy hihinana ra. Nolazaina koa izy ireo tsy hijangajanga, saingy tsy nilaza na inona na inona mikasika ny Sabata izany taratasy izany. Ny mpandinika ny Baiboly sasany dia mihevitra fa ny tsy firesahana momba ny Sabata tao anatin’ny taratasy dia mampiseho fa tsy natao ho an’ny Jentilisa ny fitandremana izany; kanefa ny lalàna mandrara ny lainga sy ny famonoana olona koa dia tsy voalaza tao. Koa fahadalana ny fiandian-kevitra hiarovana izany fiheverana izany!

Ahoana no mety ametrahantsika enta-mavesatra eo an-tsoroky ny hafa, izay tsy ilaina akory amin’ny famonjena azy?

Mazava ny nambaran’ny fiangonana mikasika izay tokony hataon’ny mpino Jentilisa sy izay tsy tokony hataony, saingy mbola nisy mambran’ny fiangonana ihany nanery ireo Jentilisa hanaraka ireo finoana Jiosy izay nampitaina avy tamin’ireo razambeny taloha. Tsapan’i Paoly fa izany fampianarana izany dia nanohitra ny filazantsaran’i Jesôsy. 

Araka izay hita ao amin’ny Gal. 1:1-12, inona no olana tany Galatia? Manao ahoana ny fahatsapan’i Paoly ny maha-lehibe izany olana izany?

Efa hitantsika fa izany olana tany Galatia izany no ampahany lehibe nahatonga an’i Paoly hanoratra ny epistiliny ho an’ny Rômanina. Ireo mpampianatra sandoka tany Galatia dia niady hevitra fa ny lalàna izay nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy dia tokony harahin’ireo mpino Jentilisa. Tsy tian’i Paoly hifehy an’i Rôma ireo mpampianatra sandoka ireo, tahaka izay nataony tany Galatia. Noho izany antony izany, dia tian’i Paoly ny haneho amin’ny Rômanina ny tena tanjon’ny lalàna.

Mety hisy hanontany hoe lalàna inona no resahin’i Paoly ao amin’ny Galatianina sy ny Rômanina. Moa ve ny lalàna taloha izay manazava ny fampiasana biby amin’ny fanompoam-pivavahana, sa ny Didy Folo izany? Mora loatra anefa izany fanontaniana izany. Haingana sy tsotra ny valinteny izay tsy mahakasika ny toe-javatra rehetra momba ny olan’ny lalàna resahin’i Paoly. Mahatonga tsy fahatakarana ny tanjon’ny lalàna izany. Ny olana natrehin’i Paoly tany Rôma dia mikasika izay tokony hataon’ireo mpino Jentilisa mba hahatonga azy ho isan’ny fiangonana. Tokony hasaina manaraka ny fomba Jiosy sy ny lalàny ve izy ireo? Tsia no valiny.

Amin’izao fotoana izao, ny Kristianina dia mbola miady hevitra hatrany ny amin’izay lalàna tokony harahina. Ny sasany, ohatra, dia mahita fa ireo epistilin’i Paoly anankiroa dia porofo maneho fa tsy ilain’ny Kristianina intsony ny mankatò ny Didy Folo. Lazain’izy ireo fa tsy ilaina intsony ny mitandrina ny Sabata ho masina. Diso anefa ny fahatakaran’ireo olona ireo ny zavatra nosoratan’i Paoly. Nampianarin’i Paoly fa ny finoana ihany no mahavonjy, tsy mamonjy antsika ny fankatoavan-dalàna, saingy ny fitenenana izany dia tsy mitovy amin’ny fampianarana fa tokony hariana ny Didy Folo. Tsy nisy fisalasalana mihitsy tao an-tsain’i Paoly ny amin’ny tokony hankatoavana izany. Amin’izao fotoana izao, dia diso hevitra tanteraka ireo izay mihevitra fa nofoanan’i Paoly ny Didy Folo. Mamaky hevitra ao amin’ny taratasiny, izay tsy nambarany akory izy ireo. 

Inona no avalinao ireo izay milaza fa tsy ilain’ny Kristianina intsony ny mitandrina ny Sabata? Ahoana no anehoanao ny maha-zava-dehibe ny fanamasinana izany kanefa tsy manohitra ny fahamarinan’ny filazantsara izay manambara fa ny finoana irery ihany no mahavonjy?

Tsy isalasalana fa mandalo fotoan’ny fifandirana sy tsy fitovian-kevitra ny fiangonantsika. Tsy zava-baovao tsy akory ny fifandirana ao amin’ny fiangonana. Efa niady tamin’ny fiangonana rahateo i Satana hatrizay. Hitantsika ny fitohizan’izany ady izany tamin’ny andro voalohany indrindra nisian’ny fiangonana. Nisy fifandirana nahery vaika teo amin’ny mpino tamin’izany fotoana izany, saingy fifandirana iray no noheverina hanimba ny fiangonana tamin’ireo taona voalohany. Tamin’ny farany anefa, dia voavaha ihany izany olana izany.

Olana goavana izany nandritra ny fotoana niatrehana azy, satria tamin’izany fotoana izany, “vetivety mantsy dia nahazo laka tao amin’ny mpino tany Galatia ny fisaraham-bazana sy ny fahadisoan-kevitra ary ny fahafinaretana ara-nofo noho ny asa ratsy nataon’ireo mpampianatra sandoka izay nitsofoka tao anivon’ny mpino tany Jerosalema. Nampifangaroin’ireny mpampianatra sandoka ireny tamin’ny fahamarinan’ny filazantsara ny lovan-tsofina Jiosy. Tsy fantany ny fanapahan-kevitra noraisiny tamin’ny fivoriana tany Jerosalema, ka dia notereny ireo olona vao niova fo avy teo amin’izao tontolo izao mba hankatò ny lalàna seremôniely.” – VM, t. 335

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

  1. Ahoana no mety hampivesaranao na ny fiangonanao zioga tsy ilaina amin’ny mambra, tafiditra ao anatin’izany ny fianakavianao na ny tenanao mihitsy aza? Ahoana no ahafahantsika milaza miaraka amin’izay raha nanjary nanamaivana ny fomba fiainantsika isika na ny fanarahana an’Andriamanitra?
  2. Inona ny sasany amin’ireo tohan-kevitra ampiasain’ny olona hiarovany ny finoany fa tsy ilain’ny Kristianina intsony ny mankatò ny didy folo? Nahoana no diso tanteraka ireny hevitra ireny?
  3. Vakio indray ny Gal. 1:1-12. Mariho ny fanohanana mafy ataon’i Paoly amin’ny filazantsara. Tsy ekeny ny hiala amin’izay inoany mba hisian’ny marimaritra iraisana. Inona no tokony hambaran’ny fijoroany amin’ny fahamarinan’ny filazantsara ao amin’i Jesôsy amintsika mikasika ny tokony ho fijoroantsika tsara amin’ny finoantsika koa?
  4. Ao amin’ny kilasy, resaho izay nitarika ny Fanavaozana Prôtestanta. Ny Fanavaozana Prôtestanta dia fifohazana ara-pivavahana lehibe izay nanomboka tamin’ny taona 1500 tany ho any. Ny tena tanjony dia ny hanova ny Fiangonana Katôlika Rômanina ho amin’ny tsaratsara kokoa. Taty aoriana, dia nitarika ho amin’ny fisian’ny fiangonana Prôtestanta izany fanovana izany. Inona no fahasamihafana mbola mitoetra eo amin’ireo vondrona roa ireo amin’izao fotoana izao?