Lesona 3 : Andriamanitra sa Mamôna?

Hodinihina mandritra ny herinandroSal. 33:6-9; Mat. 19:16-22; 1 Pet. 1:18; Heb. 2:14,15; Eks. 9:14; Sal. 50:10.

Tsianjery:"Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambanin'ny tany, sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray." - Fil. 2:9-11.

Ahoana no fihetsehampon'Andriamanitra manoloana ny fitiavantsika vola tafahoatra? Asehony mazava tsara izany. Ny teny nataon'i Jesôsy tamin'ilay lehilahy mpanankarena ao amin'ny Lio. 12:16-21 dia tokony hahatonga tahotra ao anatintsika mikasika ny fitiavam-bola tafahoatra. Nanome harem-be ho an'ilay lehilahy mpanankarena Andriamanitra, kanefa dia nangoniny fotsiny izany. Tsy nampiasainy hanohanana ny asan'Andriamanitra ety an-tany izany, koa izao no nolazain'Andriamanitra taminy: "Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an'iza izay zavatra noharinao? Toy izany izay mihary harena ho an'ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin'Andriamanitra." - Lio. 12:20,21.

Tsy afaka manompo an'Andriamanitra sy ny vola isika, fa tsy maintsy mifidy iray amin'izy ireo. Tsy azontsika atao ny manompo azy miaraka, satria ireo izay miezaka manao izany dia tafiditra amin'ny olana goavana. Mety voafitatsika ny hafa, na mety isika koa aza no mamita-tena amin'ny finoana fa tsy miezaka ny hiaina ho an'Andriamanitra sy ny vola isika, fa Andriamanitra kosa tsy azontsika fitahina. Ary indray andro any, dia hijoro eo anatrehany isika ka hampamoahina ny amin'ireo safidy nataontsika teo amin'ny fiainana. Izao no safidy tsy maintsy ataontsika: na Andriamanitra na ny vola.

Inona anefa no mitranga raha toa isika ka tsy manao safidy? Hihamahery hatrany ny fifehezan'ny vola ny fanahintsika.Ny finoana mantsy dia mitaky fanapahan-kevitra.

Zavatra telo no hanamora kokoa ny fanaovantsika safidy.Ireto avy izany: ny fifantohana amin'ny hoe (1) iza Andriamanitra, (2) inona no nataony ho antsika, ary (3) inona no tokony hasetrintsika izany.

Vakio ny Gen. 1:1; Sal. 33:6-9; Isa. 45:11,12; Jer. 51:15; ary ny Jao. 1:3.  Inona no lazain'ireo toko sy andininy ireo amintsika mikasika ny fahatsaran'ny tany izay nataon'Andriamanitra?

 "Kristy no namelatra ny lanitra, sy nametraka ny fanorenan'ny tany. Ny tanany no nampihantona an'izao tontolo izao teo amin'ny habakabaka sy namolavola ny voninkazo eny an-tsaha. Nampiorina ny tendrombohitra amin'ny heriny Izy. "Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy. Izy no nahahenika hatsaran-tarehy ny tany, sy nahafeno hirahira ny rivotra. Ary nosoratany teo amin'ny zavatra rehetra teto an-tany, eny amin'ny rivotra sy eny amin'ny lanitra ny hafatra manambara ny fitiavan'ny Ray."- IFM, t. 10.

Tsy ratsy ny zavatra noforonin'Andriamanitra teto an-tany. Ny fivavahana sasany dia mampianatra fa ratsy izany, saingy ny Baiboly dia mametraka tombambidy lehibe amin'ny fahatsaran'ny natiora.

I Jesôsy no nanao izany, koa ahoana moa no haharatsy ny zavaboary na ny tany? Eny tokoa, mety ampiasaintsika amin'ny ratsy ny fanomezana natolotr'Andriamanitra, saingy tsy izany no mahatonga azy ho ratsy. Mampitandrina antsika ny Baiboly ny amin'ny fanimbana ireo zavaboariny sy ny fampiasana izany amin'ny ratsy. Tsy midika anefa izany fa ireo zavaboary ireo no ratsy.

Mazava loatra fa tsy izany, satria noforonin'Andriamanitra ny tany mba hifalian'ny vahoakany. Ny Baiboly dia miteny amintsika hoe: "Ary mifalia amin'ny soa rehetra izay nomen'i Jehovah Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao hianao sy ny Levita mbamin’ny vahiny eo aminao." - Deo. 26: 11 ; jereo koa ny Deo. 14:26.

I Jesôsy no Mpamorona antsika (Jao. 1:1-3). Ny tany dia ampahany kely fotsiny ihany tamin'izay nohariany. Ny hery namoronany izany avy tamin'ny tsy misy no mahatonga Azy hanana fomba fijery manokana ny fiainana sy izay monina eto ambonin'ny tany. Fantany ny tena tombambidin'ny zavaboariny, ary nomeny antsika ireny mba hahatsara antsika sy hitondra fifaliana ho antsika koa aza. Fantany koa izay mitranga rehefa mampiasa ireny fanomezana ireny tsy araka ny tokony ho izy ny olona, na koa mamela ireny fanomezana ireny haka ny toeran'Andriamanitra eo amin'ny fiainany.

Endrey ny hatsaran'ny tany onenantsika! Jereo ny fahatsarana rehetra eny amin'ny zavaboary izay noforonin'Andriamanitra. Efa maro no nosimbain'ny fahotana tamin'ireny zavaboary ireny, kanefa na amin'izao aza dia mahita ny fahatsaran'Andriamanitra eny amin'ny ankamaroan'ny natiora isika. Inona no ambaran'ny natiora sy ny fahatsarany mahafinaritra mikasika ny fahatsaran'Ilay namorona antsika? 

Amin'ny maha-Kristianina antsika, dia inoantsika fa Andriamanitra amin'ny fahafenoany sy olombelona amin'ny fahafenoany i Jesôsy. Tafakambana tao amin'i Jesôsy ny maha-Andriamanitra sy ny maha-olombelona. Izany fanambarana ny maha-Andriamanitra sy ny maha-olona tao Aminy izany no nahatonga ny fomba fijeriny hiavaka. Sady Andriamanitra Izy no olona, ka takany ireo zavatra manan-danja ety an-tany sy any an-danitra. Tsy takatsika ny maha-Andriamanitra sady olona an'i Jesôsy, kanefa dia marina izany. Tsy mampiato ny fisidinan'ny fiaramanidina ny tsy fahatakaran'ny olona iray ny fomba fiasan'izany.

"Indreto misy zava-miafina roa lehibe: (1) ny maha-Persôna Telo izay iray an'Andriamanitra, ary ny (2) fikambanan'ny maha-Andriamanitra sy ny maha-olona ao amin'i Jesôsy (..) Tsy misy zavatra mahatalanjona toy ny fahamarinan'ny nahatongavan'Andriamanitra ho olona sy ny nonenany teto amin'ny olombelona eto amin'ny tantaran'ny tany." - KG, t. 53.

Nahoana i Jesôsy no tonga tety an-tany? Mba hanehoana amintsika fa be fitiavana sy miahy Andriamanitra. Nanana hevi-diso mikasika an'Andriamanitra ny olona sasany; ninoan'izy ireo fa masiaka Andriamanitra. Koa tonga i Jesôsy mba hampiseho ny fahamarinana mikasika ilay Raintsika any an-danitra.

Miezaka mampisaraka antsika amin'Andriamanitra anefa i Satana; ataony izay hahatonga antsika hisaina fa tsy mihevitra antsika Andriamanitra. Ampiasainy ny hafetsena marobe mba hanakanana antsika tsy hahafantatra ny fahatsarana sy ny fahasoavan'Andriamanitra. Inona no paikady ampiasain'i Satana? Ny fitiavantsika ny zavatra marobe eto an-tany, ary mahomby tokoa izany drafiny izany.

Vakio ny Mat. 19:16-22. Inona no ambaran'io tantara io amintsika mikasika ny fahafahan'i Satana mampiasa ny fitiavantsika zavatra materialy hampihodina antsika hiala amin'Andriamanitra?

Alaivo sary an-tsaina io tantara io. Io i Jesôsy, ilay Andriamanitra mitafy tenan'olombelona, miresaka amin'ilay tovolahy. Hita mazava fa fantatr'ity tovolahy ity fa olona iray tena miavaka i Jesôsy. Inona anefa no nitranga? Navelan'ilay tovolahy hisakan-dalana ny fitiavany an'Andriamanitra, ny harem-beny sy ny fitiavany ireo zavatry ny tany. Nohajambain'ireo ny masom-panahiny, ka nalahelo izy. Nahoana izy no nalahelo toy izany? Satria very ny fanahiny noho ny amin'ireo hareny. Kanefa izany alahelony izany dia tsy ampy hanosika azy hanao safidy tsara.

Na mahantra na manan-karena isika, ahoana no hahazoantsika antoka ny amin'ny fananantsika fisainana sy fihetsehampo tokony ho izy eo anatrehan'ny harena eto an-tany? 

Tsy mba nirin'Andriamanitra ny hahafaty antsika, saingy nanota i Adama sy i Eva. Nandika ny Ialàn'Andriamanitra izy ireo, ka simba ny taranak'olombelona. Tokony hanefa amin'Andriamanitra ny sanda tsy ho voaverintsika mihitsy isika. Ny vidin'ny fandikan-dalàna mantsy dia fahafatesana. Isika anefa dia "banky rompotra" ka tsy hahavita handoa izany amin'Andriamanitra.

Efa nanomana drafitra hanavotana antsika anefa Andriamanitra; nataony noho ny fitiavana antsika izany. Inona izany drafitra izany? Nanaiky handoa izay tokony hefaintsika Jesôsy (Heb. 7:22). Nanjary Mpanavotra antsika Izy. Ny fanapahan-kevitra noraisiny mba hamonjena antsika no "raharaha" manan-danja indrindra nisy. Nanaiky handoa ny saran'ny otantsika tamin'ny Ainy Izy. Ny fahafatesany irery ihany no afaka nanefa izay tokony haloantsika amin'ny lalàna. Araka izany, dia nandoa ny trosan'ny fahotana izay tokony haloantsika Izy raha nihaona teo amin'ny hazo fijaliana ny fahamarinana sy ny famindrampo. Tsy mbola hitan'izao tontolo rehetra izao hatrizay ny fanefana sarany mendrika noho ny harena izay natolotr'Andriamanitra teo amin'ny hazo fijaliana.

"Tamin’ny nanatosahany ny haren'ny lanitra rehetra ho eto amin'izao tontolo izao, tamin'ny nanomezany antsika ny lanitra manontolo tao amin'i Kristy, no efa nividianan'Andriamanitra, ny sitrapo sy ny fitiavana ary ny saina sy ny fanahin'ny olombelona rehetra."- HF, t. 334

Vakio ny Kôl. 1:13; 1 Tes. 1:10; 1 Pet. 1:18; Heb. 2:14,15; Gal. 3:13; ary ny Apôk. 1:5. Araka izay hita ao amin'ireo toko sy andininy ireo, vonjen'i Jesôsy ho afaka amin'inona isika?

Ao amin'ny Jao. 19:30 no ahitantsika ny teny Grika "tetelestai" izay midika hoe "Vita". Io teny io no voalaza fa teny manan-danja indrindra notononina; io no teny farany notononin'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana. Ny teny hoe "vita" nataon'i Jesôsy dia midika fa vita ny asa nataony tety an-tany. Midika izany teny izany fa voaloa izay tokony naloantsika tamin'ny lalàna. Niteny hoe "vita" tamim-panantenana i Jesôsy. Nilaza izany teny izany Izy tahaka ny Iray izay nahomby tamin'ny famonjena ny mpanota ho afaka amin'ny fahafatesana. Izay nitranga teo amin'ny hazo fijaliana dia manome fanantenana ho antsika amin'izao andro izao sy amin'ny hoavy. Nanolotra ny ainy i Jesôsy mba hamongorana mandrakizay ny fahotana sy ny fahafatesana ary ny asan'ilay ratsy, mba hanavotana antsika (Efes. 1:7).

Jesôsy no Mpamonjy antsika, ary maneho antsika ny tena voninahitr'Andriamanitra marina izay nataony hamonjena antsika. Maniry hanavotra antsika mihoatra noho ny zava-drehetra Izy. Izany faniriana izany dia mampiseho amintsika ny halehiben'ny fitiavany, ary koa maneho amintsika ny halehiben'ny tombambidintsika eo imasony.

Hevero ity: naloan'i Jesôsy tamin'ny fahafenoany ny sandan'ny ratsy rehetra nataonao. Inona no tokony havalinao izany fanomezana izany? (Jôba 42:5,6) 

Ao amin'ny Eks. 9, dia nanana ady ara-panahy tamin'ny mpanjakan'i Egipta, izay atao koa hoe Farao, Andriamanitra. Nandà tsy hanome voninahitra an'Andriamanitra izy ary tsy nampandehaniny ireo olon'Andriamanitra. Koa nampitandrina azy Andriamanitra hoe: "Fa ankehitriny izao dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy aty amiko hamely ny fonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin'ny tany rehetra." - Eks . 9:14.

Inona no tian'Andriamanitra holazaina rehefa niteny Izy hoe: "tsy misy tahaka Ahy amin'ny tany rehetra"?

"Voafetra ny zavatra takatry ny saintsika. Araka izany, dia tsy ho takatsika amin'ny fahafenoany ny momba an'Andriamanitra na izay ataony. Tsy mahatakatra ny zavatra rehetra tokony ho fantatra momba an'Andriamanitra na dia ny atidoha matanjaka indrindra sy nahazo fahalalana maro aza. Persôna masina Andriamanitra, ho ao anatin'ny zava-miafina mandrakariva Izy." - TFC, b. 5, tt. 698, 699.

Tsy misy ny toa an'Andriamanitra (1 Mpanj. 8:60), Izay misaina sy miasa amin'ny fomba tsy takatsika. Na toy ny ahoana fiezahantsika hampitovy Azy amintsika, dia ho Andriamanitra hatrany Izy. Izy no nanao ny bohabohan'orampanala sy ny atidoha ary ny kintana. Izy no namorona izay rehetra momba antsika, izay mampiavaka antsika amin'ny hafa, "tsy misy afa-tsy Izy"- 1 Mpanj. 8:60.

Vakio ny 1 Sam. 2:2; Sal. 86:8; Isa. 55:8,9; Jer. 10:10; ary ny Tit. 1:2. Inona no ambaran'ireo toko sy andininy ireo amintsika mikasika ny maha-samy hafa an'Andriamanitra amin'izay noforoniny?

Eritrerito ny momba an'Andriamanitra rehetra, izay ananany rehetra, ary izay ataony rehetra. Toa sarotra ny mieritreritra hoe misy sahy mihantsy an'Andriamanitra, kanefa dia misy tokoa ny "mifaninana" Aminy hisintona ny saintsika. Koa tsy maintsy "mandresy" azy ireny Andriamanitra mba hahazoana ny fitiavantsika. Azo heverina ho izany no antony hilazany fa Andriamanitra "saro-piaro" Izy (Eks. 34:14). Noharian'Andriamanitra hanana fahalalahana isika, nomeny fahefana isika hisafidy izay tiantsika hotompoina. Matetika isika no misafidy hanompo andriamani-kafa. Olana lehibe ho antsika anefa ny fifidianana andriamanitra hafa ankoatra Azy, satria Izy irery ihany no mendrika hotompoina. Izy rahateo no namorona ny zava-drehetra, Azy izao rehetra izao, ka izany no mahatonga Azy ho Andriamanitra saropiaro.

Misy zavatra mitady haka ny toeran'Andriamanitra ve eo amin'ny fiainanao? Inona izany?

An'Andriamanitra isika. Izy no nanao antsika ary maty ho antsika. Ary tsy isika ihany no Azy, fa ny fananantsika rehetra koa. Raha ny amintsika, dia tsy manana na inona na inona afa-tsy ny safidy isika.

Ny olona tsy tia an'Andriamanitra dia manana fomba fijery hafa. Inoan'izy ireo fa isika no tena tompon'ny zavatra ananantsika. Hevi-diso izay manohitra ny fampianaran'ny Baiboly izany. Ny Kristianina kosa dia mahafantatra fa tsy tompon'ny fananany izy.

An'Andriamanitra izao rehetra izao (Jôba 38:4-11), fa isika kosa tsy manana na inona na inona.Tsy inona isika fa mpivahiny ihany, ary mpitantana ny zava-drehetra nomeny antsika. Tahaka izany koa, ny Isiraelita dia mpitantana ireo fananana rehetra izay nomen'Andriamanitra azy tany amin'ilay tany nampanantenaina fotsiny ihany. Na ny mbola hisian'ny fofonaina ao anatintsika aza dia miankina amin'Andriamanitra (Asa. 17:25). Azy izay heverintsika fa antsika; mpitantam-pananana fotsiny ihany isika. Araka izany, dia tokony hanome voninahitra Azy ny fitantanam-pananana ataontsika. Tsy ny hareny ihany no apetrak'Andriamanitra eo ambany fitandremantsika, fa ireo zavatra tsy azo tsapain-tanana koa, dia ireo izay ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika. Anisan'izany ny fitiavana sy ny fahaizana amam-pahalalana.

Vakio ny Deo. 10:14; Sal. 50:10; Sal. 104:16; Ezek. 18:4; Hag. 2:8 ary ny 1 Kôr. 6:19,20. Inona no ambaran'ireo toko sy andininy ireo mikasika ny tokony ho fomba fijerintsika ireo fananana eo amintsika?

"An'Andriamanitra ny zavatra rehetra. Mety odian'ny olombelona tsy hita ny fitakiany, ka ampiasain'izy ireo amin'ny fanaranam-po feno fitiavan-tena ny fanomezana rehetra natolotr'Andriamanitra ho azy, kanefa hampamoahana ny amin'ny antony nisafidianany hampiasa ny fananan'Andriamanitra araka izay nataony izy ireo." - TFC, b. 9, t. 246.

Eo amin'ny fananan'Andriamanitra sy ny fitantanana ataontsika dia tokony hisy fifandraisana ahafahan'Andriamanitra mampiasa antsika amin'ny fomba izay hanomana antsika ho any an-danitra ary koa mba hitondra soa sy fitahiana ho an'ny hafa. Ny mpitantam-pananana tsy mahatoky kosa dia mametra ny fampiasan'ny Tompony ny fananany. Araka izay nianarantsika, dia tsy manery antsika hanompo Azy Andriamanitra. Manome fananana hotandremantsika Izy mandra-piveriny, ka ny fomba fitantanantsika izany no mampiseho ny toetry ny fifandraisantsika Aminy.

Midika inona ny hoe Andriamanitra no tompon'izay anananao rehetra? Inona no ambaran'izany mikasika ny tokony ho fomba fisainanao sy fihetsehamponao manoloana ny zavatra rehetra anananao? 

Aiza ho aiza ao amin'ny Baiboly no ahitantsika ny ohatry ny fitantanam-pananana voalohany? Nanomboka tamin'i Adama sy i Eva izany, raha napetrak'Andriamanitra tao amin'ny saha tsara tarehy izy ireo. Nonina tao izy ireo ary nitandrina izany (Gen. 2:15).Tao amin'io toerana tonga lafatra io no nianarany mikasika ny asa izay nomen'Andriamanitra hataony. Izany asa nataony tao izany no nanome lanja ny fiainan'izy ireo sy nitondra fifaliana ho an'ilay ankohonana vaovao.

Ny teny Hebreo andikana ny hoe "manjaka" (Gen. 1:26,28) dia midika hoe "mifehy sy manapaka". Izany fifehezana izany dia tsy midika ho fampiasana fahefana hanerena ny hafa hanao zavatra, fa fahefana feno halemem-panahy izay midika ho fikarakarana ny zavatra rehetra noforonin'Andriamanitra. Tsy nofoanana izany andraikitra izany, fa tokony mbola hanohy ny fitandremana ny zavaboarin'Andriamanitra rehetra isika. Tao amin'io toerana io no nianaran'i Adama sy i Eva fa Andriamanitra no Tompo, ary izy ireo no mpitantana na mpitandrina ny fananany. Hatramin'ny voalohany Andriamanitra no efa naniry hametraka andraikitra sy fitokisana tamin'i Adama sy i Eva, fa tsy ho tompon'ny fananana izy  ireo tsy akory. Ny nandrasana tamin'izy ireo dia ny hanehoany amin'Andriamanitra fa mahatoky amin'ny asany izy.

"Nomen'Andriamanitra an'i Adama sy i Eva ny saha Edena mba hotandremany. Nasaina niasa sy nitandrina” ny saha izy ireo (Gen. 2:15). Nahafaly azy ireo ny asany (...). Niara-niasa tamim-pirindrana ny saina sy ny fo ary ny sitrapo. Tsy mba nahatsiaro ho vizana na niasa mafy izy ireo. Asa mahasoa no nameno ny oran'izy ireo ary koa fifandraisana ety teo amin'ny izy samy izy. Nahafinaritra azy ny asany. Namangy azy ireo Andriamanitra sy Kristy, ary niresaka taminy. Nomena fahalalahana tonga lafatra izy ireo. Andriamanitra no tompon'ilay Edena fonenany, ary izy ireo kosa no nitandrina izany ho Azy." - “MR, b. 10, t. 327.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1. An'Andriamanitra ny tany iray manontolo. Inona no lesona ampianarin'izany antsika mikasika ny adidy amin'ny fitandremana ny zavatra rehetra nataony?

2. Eritrereto bebe kokoa ny mikasika ny hoe Andriamanitra dia "saro-piaro" (Eks. 34:14) Matetika isika dia mieritreritra fa ratsy ny fahasarotam-piaro, ka mety ho sarotra amintsika ny hahatakatra ny fahasarotam-piaron' Andriamanitra. Ahoana no hahatakarantsika izany amin'ny fahasamihafany amin'ny fahasarotam-piaro hitantsika amin'ny olombelona?

 3. Namorona zavatra marobe Andriamanitra mba ho fifaliantsika, kanefa tokony hitandrina isika mba tsy hampiasa izany amin'ny tsy tokony ho izy. Ahoana no hianarantsika hampiasa sy hankafy izany araka ny tokony ho izy?