Lesona 1: Ny famoronana sy ny fahalavoan'ny olombelona

Hodinihina mandritra ny herinandro:  Gen. 1:26,27; 1 Jao. 4:7,8; 16; Gen. 3:16-19; Gen. 11:1-9; Gal. 3:29. 

Tsianjery: " Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan'ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy hianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao. Ary nino an'i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany." - Gen. 15:5,6. 

NANOMBOKA NY TANTARAN'NY VAHOAKAN'ANDRIAMANITRA rehefa namorona ny olombelona Izy. Niodina tamin'Andriamanitra sy nanota anefa ny olombelona. Ilaintsika ny mahatakatra ny drafitr'Andriamanitra ho an'ny olombelona rehefa namorona ny tany Izy sy ny drafiny hamonjena antsika rehefa nanota isika. Amin'izay dia ho takatsika kokoa ny drafiny ho an'ny fiangonana. Inona no drafitr'Andriamanitra ho an'ny fiangonana? Irin'Andriamanitra ny hananan'ny mambra firaisana, izany hoe tiany hiombon-kevitra sy hifanohana izy ireo.

Asehon'ireo toko voalohandohany ao amin'ny Genesisy fa nirin'Andriamanitra ny hahatonga ny olombelona ho fianakaviana iray ary ho toy izany hatrany mandrakizay. Mampalahelo anefa fa nanimba io firindrana io ny fahotana, izay nahatonga ny fisarahana sy ny fifandirana teo amin'ny samy olombelona. Jereo fotsiny izay nitranga rehefa nihinana ny voankazo voarara i Adama sy i Eva ka nanontanian'Andriamanitra ny amin'ny fahotana nataony izy ireo (vakio ny Gen. 3:11). Nanome tsiny an'i Eva i Adama, ary nanome tsiny ny menarana i Eva. Efa ela talohan'ny nanotan'ny olombelona anefa no efa nanomanan'Andriamanitra drafitra mba hamonjena antsika. Ampahany amin'io drafiny io ny famerenana antsika amin'ny laoniny mba hahafahantsika hiara-monina Aminy indray.

Amin'ity herinandro ity isika dia handinika ny tantaran'i Adama sy Eva sy ny tantaran'i Abrahama koa. Ny tantaran'izy ireo dia maneho amintsika ny drafitr'Andriamanitra mba hamonjena ny mpanota sy hampihavanana azy ireo Aminy indray. 

 

 

 

 

Milaza amintsika ny Gen. 1 sy 2 fa namorona ny zava-drehetra teto an-tany tao anatin'ny herinandro Andriamanitra. Milaza amintsika koa ireo toko roa ireo fa sambatra sy mifankatia ny biby rehetra sy ny olombelona noforoniny. Nisy firindrana sy firaisana tanteraka teo anivon'ny zava-manan'aina rehetra teto an-tany. Jereo izay nolazain'Andriamanitra rehefa vitany ny zava-drehetra. Nilaza Izy fa "tsara indrindra" ny zavatra rehetra noforoniny (Gen. 1:31). Tian'Andriamanitra holazaina tamin'izany fa tsara endrika ny zavatra rehetra noforoniny. Midika ihany koa anefa ilay hoe "tsara indrindra" fa tsy nisy faharatsiana sy fifandirana teto an-tany. Tafiditra tao anatin'ny drafitr'Andriamanitra voalohany fony Izy nanao ny tany ny hisian'ny firindrana sy filaminana teo anivon'ny zava-manan'aina rehetra. Nataon'Andriamanitra toerana tena kanto ny tany! Tonga lafatra sy mendrika ny Mpamorona azy ny zavatra rehetra. Tena anisan'ny drafitr'Andriamanitra voalohany ho an'ny tany ny firindrana sy ny firaisana ary ny fitiavana.

Vakio ny Gen. 1:26,27. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika momba ny mampiavaka ny olombelona? Ahoana no anehoany antsika fa miavaka noho ny zavatra hafa rehetra noforonin'Andriamanitra ny olombelona?

Milaza ny Genesisy fa noforonin'Andriamanitra tahaka ny endriny sy araka ny tarehiny ny olombelona (Gen.1:26). Inona no noforonin'Andriamanitra tahaka ny endriny ankoatra ny olombelona? Tsy misy. Koa izany no mahatonga ny olona ho tena miavaka. "Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy." - Gen. 1:27. Mpandalina ny Baiboly maro no nanontany hoe: Inona no hevitry ny hoe noforonina tahaka ny endrik'Andriamanitra? Midika ve izany fa mitovy amin'Andriamanitra amin'ny endrika ivelany fotsiny isika? Sa mitovy amin'Andriamanitra koa ve isika amin'ny ao anatintsika? Raha eny, dia inona no mampitovy antsika amin'Andriamanitra? Inona no mahatonga an'Andriamanitra ho Andriamanitra? Manana valinteny maro amin'ireo fanontaniana ireo ny olona, saingy miombon-kevitra ny rehetra fa asehon'ny Baiboly fa Andriamanitra dia fitiavana. 

Vakio ny 1 Jao. 4:7,8,16. Ahoana no anampian'ireo andininy ireo antsika hahatakatra ny niavian'ny fitiavana sy ny fomba namoronana antsika? Ahoana no nanampian'ny fitiavana ny zavatra rehetra mba hirindra sy hilamina?

Andriamanitra dia fitiavana. Afaka mitia koa ny olombelona. Afaka mitia amin'ny fomba tena lalina tokoa isika. Ireo zavatra hafa rehetra noforonin'Andriamanitra kosa dia tsy afaka mitia tahaka antsika. Koa azontsika lazaina fa ny famoronana antsika tahaka ny endrik'Andriamanitra dia midika fa afaka mitia an'Andriamanitra sy ny olona hafa amin'ny fomba tena lalina ihany koa isika. 

 

Nahatonga voka-dratsy maro ny fahotana. Niteraka fisarahana mahatsiravina teo amin'ny zava-manan'aina rehetra noforonin'Andriamanitra izany. Ratsy kokoa noho izany aza, nanjary nisy mandraka ankehitriny ny fankahalana sy ny fifandirana ary ny fisarahana teo amin'ny samy olombelona. Ohatra iray ahitantsika io fifandirana io izay nitranga avy hatrany teo amin'ny fihetsik'i Adama sy Eva  taorian'ny fahotana. Inona no nataon'izy ireo? Nanome tsiny ny hafa izy ireo vokatry ny fahotany (Gen. 3:12,13). Tahaka izany koa isika, sa ahoana hoy ianao?

Ahoana no anehoan'ny Gen. 3:16-19 sy ny Gen. 4:1-15 antsika ireo zava-dratsy nianjady tamin'ny olona noho ny fahotana? Inona no nataon'ny fahotana tamin'ilay planeta feno fiadanana noforonin'Andriamanitra?

Tsy nankato an'Andriamanitra i Adama, ka nahatonga voka-dratsy maro ny fahotany. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanova ny zavatra rehetra noforonin'Andriamanitra izany fahotana izany, anisan'izany ny tany sy ny fon'ny olombelona. Ohatra iray ahitana ny nanovan'ny fahotana ny fon'ny olombelona ny tantaran'i Kaina sy Abela, izay mpirahalahy. Tokony hifankatia sy hifampikarakara ny mpirahalahy, sa tsy izany? Te hanaraka ny faniriany feno fitiavan-tena fotsiny anefa i Kaina, fa tsy hanaraka ny didin'Andriamanitra. Nitondra olana mahatsiravina teo aminy sy i Abela rahalahiny ny fon'i Kaina feno fitiavan-tena. Nifarana tamin'ny fahafatesana izany olana teo amin'izy mirahalahy izany : novonoin'i Kaina i Abela. Nanao ahoana ny toe-pon'i Kaina talohan'ny namonoany ny rahalahiny? Tezitra tamin'Andriamanitra izy (Gen. 4:5), ary nitarika ho amin'nyfahatezerany tamin'ny rahalahiny izany fahatezerana izany.

Taorian'ny namonoan'i Kaina an'i Abela, dia niharatsy ary niharatsy hatrany ny olona teto ambonin'ny tany. "Izay fisainana rehetra avy amin'ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro." - Gen. 6:5. Nitarika ho amin'ny Safodrano io faharatsiana io, safodrano izay nandrava ny zavatra rehetra noforonin'Andriamanitra. Tsy nahafoy ny olombelona anefa Andriamanitra. Namonjy vondron'olona kely Izy : i Noa sy ny fianakaviany. Nampiasain'Andriamanitra izy ireo mba hameno ny tany indray. 

Taorian'ny Safodrano dia nanome teny fikasana Noa sy ny fianakaviany Andriamanitra, ka nampanantena fa tsy handringana ny tany amin'ny safodrano intsony Izy. Koa napetrany teo amin'ny lanitra ny avany mba hahatsiaro sy hatoky ny teny fikasany izy ireo. Naneho ny fitiavan'Andriamanitra azy izany avana izany (Gen. 9:12-17;Isa. 54:7-10). Naneho ny zavatra efa hotanterahin'Andriamanitra koa zany, dia ilay drafitra efa napetrany talohan'ny nisian'ny Safodrano: maniry ny hanana fianakaviana izay tia Azy sy mahatoky amin'ny lalany Izy.

Ahoana no fomba nanimban'ny fahotana ny fiadanana sy ny firindrana teto an-tany? Inona no azonao atao izao ankehitriny izao mba hanampiana ny olona manodidina anao hanana fiadanana kokoa? 

Miresaka momba ny fisarahana ny Gen. 11:1-9. Inona no nitranga ao amin'ireo andininy ireo izay nahatonga ny olana hiharatsy kokoa?

Inona no nitranga taorian'ny Safodrano? Milaza amintsika ny Baiboly fa nisy olona sasany nanapa-kevitra ny hanorina tanàna iray sy tilikambo lehibe iray tao amin'ny tananan'i Sinara. I Iraka atsimo amin'izao fotoana izao io Sinara io (Gen. 11:2). Ampahany amin'ny faritra lehibe nantsoina hoe Mezopotamia i Sinara. Tena tsara endrika io Mezopotamia io, izay eo anelanelan'ny renirano anankiroa : ny Renirano Tigrisy sy ny Renirano Eofrata. Talohan'ny nananganana ny Tilikambon'i Babela, dia fiteny iray ihany no nampiasain'ny olona rehetra teto an-tany. Niova anefa ny zava-drehetra taorian'ny fanorenana izany tilikambo izany. Noteren'Andriamanitra hiparitaka hiala ny Tilikambon'i Babela ny olombelona, ka niely nanerana ny tany. Nataon'Andriamanitra niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa izy ireo taorian'izay.

Ambaran'ireo mpikaroka momba ny fahagola fa nisy olona maro mandrakariva nonina tany Mezopotamia hatramin'ny fiandohan'ny tantara. Iray amin'ireo olona voalohany nonina tao ny Sômerianina. Izy ireo no olona voalohany nanoratra tamin'ny takelaka vita amin'ny tanimanga. Nanorina trano mafy orina ary nanamboatra firavaka sy fitaovana tsara tarehy izy ireo. Nanorina tempoly ho an'ny sampy samihafa koa ny Sômerianina. Lehibe tahaka ny tilikambo ireo tempoly ireo.

Maro tamin'ny zanak'i Noà  sy ny fianakaviany no nandeha nonina tany amin'ny tananan'i Sinara taorian'ny Safodrano. Tsy ela anefa dia hadinon'izy ireo ny Andriamanitr'i Noa sy ny fampanantenany fa tsy handringana ny tany amin'ny safodrano intsony Izy. Koa nanapa-kevitra ny hanorina tilikambo ny olona. Mampiseho ny fahakingana sy ny faharanitan-tsain'ny mponina tao Sinara ny Tilikambon'i Babela izay natsangan'izy ireo. Nanorina ilay tilikambo izy ireo satria naniry ny hahazo "laza" (Gen. 11:4). "Drafitr'Andriamanitra eo amin'ny fivavahana marina ny hanampy ny olona hanana firaisana. Nanomboka niankohoka tamin'andriamanitra tsy izy anefa ny olona, ka tafasaraka tamin'Andriamanitra sy tamin'izy samy olombelona. Izany no nahatonga ny tsy fahavitan'ny tilikambon'i Babela hatramin'ny farany. Nihevitra ny olona fa manana hery hampifandray azy ireo indray ny fanorenana ny tilikambon'i Babela. Tsy nahomby anefa izany drafitra izany." - SDABC, b. 1, tt. 284,285.

Rehefa nanota i Adama sy i Eva, dia nampisaraka ny olombelona ny fahotana. Nanimba ny drafitr'Andriamanitra tany am-piandohana ny mba hiraisan'ny zava-manan'aina rehetra koa izany, ary nahatonga fisaratsarahana teo amin'ny olona hatramin'izay ka hatramin'izao. 

Inona avy ireo fivavahana telo lehibe eto an-tany izay mivavaka amin'Andriamanitra tokana? Ny fivavahan'ny Jiosy sy ny Kristianina ary ny Silamo. I Abrahama no rain'ireo fivavahana telo ireo. Midika izany, ho an'ny Kristianina, fa i Abrahama no ray ara-panahin'ny fivavahana kristianina. Izy no ohatra ny amin'ny fomba irin'Andriamanitra hanompoantsika Azy. Rehefa nasain'Andriamanitra handao ny fireneny tany Mezopotamia izy, dia nanome teny fikasana ho azy Andriamanitra. Hoy Izy taminy: "Aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany" - Gen. 12:3. Inona no fitahiana ho tonga amin'ny olona rehetra eto an-tany noho ny amin'i Abrahama? I Jesosy no valiny.

Miresaka momba ny finoan'i Abrahama ny Heb. 11:8-19 sy ny Rom 4:1-3 ary ny Gal. 3:29. Manambara inona ireo andininy ireo momba ny finoana nananan'i Abrahama? lnona no ampianarin'ny oha-pinoana nasehony mikasika ny firaisana? Ahoana no anampian'ireo andininy ireo antsika hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny firaisana eo amin'ny Kristianina? 

I Abrahama no rain'ny mpino rehetra. Amin'ny maha-raintsika ara-panahy azy, dia mampianatra antsika ireo fitsipika manan-danja ho amin'ny firaisan'ny Kristianina izy. Voalohany indrindra, nankato an'Andriamanitra i Abrahama (Heb. 11:8). Faharoa, nanantena ny teny fikasan'Andriamanitra izy (Heb. 11:9,10). Fahatelo, nino izy fa homen'Andriamanitra zanakalahy sy taranaka maro tahaka ny kintana. Satria nino ny teny fikasan'Andriamanitra i Abrahama, dia nisaina ho marina tamin'ny alalan'ny finoana izy (Rôm. 4:1-3). Fahefatra, natoky ny drafitr'Andriamanitra ho famonjena azy izy. Nandalo ny fisedrana lehibe indrindra ny finoan'i Abrahama rehefa nasain'Andriamanitranatao sorona i Isaka zanany (Gen. 22:1-19;Heb. 11:17-19).

Milaza koa ny TT fa sakaizan'Andriamanitra i Abrahama (2 Tant. 20:7; Isa. 41:8). Nanana fiainam-pinoana izy, nahatoky tamin'Andriamanitra, nankato Azy ary natoky ny teny fikasany. Koa asehon'ny ohatra navelan'i Abrahama antsika izay tokony ho fiainantsika ara-panahy amin'izao fotoana izao. 

Eritrereto izay hataonao sy holazainao mandritra ny andro vitsivitsy ho avy. Inona no azonao atao mba hahazoana antoka fa mitaratra izay inoanao ny teninao sy ny asanao? 

Nifidy an'i Abrahama Andriamanitra mba hanompo Azy. Tamin'ny fifidianany an'i Abrahama, dia nifidy ny taranany taty aoriana koa Izy, dia ny zanak'Isiraely izany. Nifidy ny Isiraely Andriamanitra mba haneho amin'ny olona rehetra eto an-tany hoe iza moa lzy. Nasehon'Andriamanitra tamin'izany fifidianany an'i Abrahama sy ny Isiraely izany ny fitiavany azy ireo. Ivon'ny drafitr'Andriamanitra mba hamonjena ny olombelona rehetra taorian'ny fisarahana sy ny fijaliana nateraky ny fahotana io safidy io. Maneho amintsika ny fandalinana ny Baiboly fa miasa amin'ny fomba rehetra Andriamanitra mba hampifandray antsika Aminy indray sy mba hanavaozana antsika. Asehon'ny Baiboly fa ampahany iray manan-danja amin'io drafitra io ny fanekena nataony tamin'ny vahoakan'ny Isiraely.

Ao amin'ny Deo. 7:6-11, dia hitantsika fa nifidy ny Isiraely ho olony Andriamanitra. Inona no antony?

Ny fitiavan'Andriamanitra ny olombelona rehetra no antony nifidianana ny Isiraely ho olony. Nanao fanekena manokana tamin'i Abrahama sy ny fianakaviany Izy. Taty aoriana dia nampahafantatra ny Tenany tamin'ny Isiraely Izy, ho fanatanterahana io fanekena io. Nomeny ny Isiraely io fahalalana io ary nasainy nozaraina tamin'ny taranany faramandimby. Nirin'Andriamanitra koa ny hahatonga ny Isiraely handray anjara amin'ny drafiny ho famonjena ny olona rehetra eto an-tany (Sal. 67:2). Maneho ny fitiavan'Andriamanitra mahatalanjona ny fifidianany ny Isiraely ho vahoakany manokana. Tsy manana antony hireharehana ny amin'izany ny Isiraely. Tsy hoe nanao zavatra miavaka izy ireo mba hahazoana ny fitiavan'Andriamanitra (Deo. 7:7). Tsy nifidy ny matanjaka na ny mahery Andriamanitra mba hanompo Azy. Olona izay mahafantatra fa malemy sy tsinontsinona raha tsy eo Andriamanitra no nofidiny (1 Kôr. 1:26-31).

Jereo fa tena notahin'Andriamanitra tokoa ny Isiraely: "Nirin'Andriamanitra ny hahatonga ny vahoaka Israely ho fiderana sy ho voninahitry ny anarany. Norneny azy ny tombontsoa ara-panahy rehetra. Tsy nisy notazotazoniny ny zavatra mahasoa ny famolavolana ny toetra amam-panahy, izay hahatonga azy ireo ho vavolombelon'ny tenany mihitsy" .

"Ny fankatoavan'izy ireo ny lalàn'Andriamanitra dia ho nahatonga azy ho eo amin'ny fahombiazana mahagaga eo anatrehan'ny firenena eo amin'izao tontolo izao. IlayTompony afaka nanome azy ireo fahendrena sy fahaizana eo amin'ny asa kanto rehetra dia ho nitohy hampianatra azy, ka ho nanandratra sy nanondrotra azy tamin'ny alalan'ny fankatoavana ny lalàny. Raha nankato izy ireo, dia ho voaaro tamin'ny aretina namely ny firenena hafa, ary notahina tamin'ny fananana saina matanjaka. Ny voninahitr'Andriamanitra, ny fahalehibeazany sy ny heriny, dia ho voaseho teo amin'ny fahombiazana rehetra hita teo amin'ny vahoakany Tokony ho fanjaka-mpisorona sy fanjakan'andriana izy ireo. Andriamanitra dia nanome azy izay ilainy rehetra hanamora ny fahatongavany ho firenena lehibe indrindra teto an-tany." - HF, t. 292. 

 

Vakio "Ny famoronana", tt. 23-31, sy "Ny niantsoana an'i Abrahama", tt. 113-119, ao amin'ny PM

Inona no drafitr'Andriamanitra tany am-piandohana raha namorona ny olombelona Izy? Hitantsika ny valin'izany rehefa mijery ny drafiny ho an'ny fianakaviana (Gen. 2:21-24) sy ho an'ny Sabata tao Edena isika. Naorin'Andriarnanitra ho an'ny olona rehetra ny Sabata, araka izay ambaran'i Jesôsy ao amin'ny Mar. 2:27,28. Mialoha ny nifidianan'Andriamanitra ny Isiraely mba ho vahoakany manokana ary mialoha ny nisian'ny fahotana, dia efa nohamasinin'Andriamanitra ny andro fahafito. Asehon'izany fihetsik'Andriarnanitra izany fa ho an'ny olona rehetra ny Sabata. Fahamarinana tena manan-kery tokoa ny Sabata. Alaivo sary an-tsaina ange ny ho fiovan'ny fiainana raha mitandrina io andro io ny olona rehetra e! Nataon'Andriamanitra ho andro fitsaharana ny Sabata, mba hampahatsiahivana ny olombelona ny fifandraisany Aminy sy amin'izy samy izy. "Samy naorin'Andriamanitra tao Edena ny Sabata sy ny fianakaviana. Mifandray amin'ny fatorana tsy azo vahana ireo zavatra roa ireo teo amin'ny drafitra napetrak'Andriamanitra. Afaka miaina ny fiainan'i Edena isika amin'ny andro Sabata, mihoatra noho ny amin'ny andro hafa rehetra. Nokendren'Andriamanitra hiara-miasa sy hiara-mianatra ny mpianakavy. Ny ray tsirairay avy no nokendreny ho mpitarika masina ny fianakaviany. Ary nokendren'Andriamanitra ho mpampianatra sy ho sakaizan'ny zanany ny ray sy ny reny." - CG, t. 535. 

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra :

1. Noforonin'Andriamanitra avy tamin'ny taolan-tehezan'i Adama i Eva. Ahoana no anehoan'izany sary an'ohatra izany ny fatoram-pitiavana irin'Andriamanitra hananan'ny mpivady? Maniry ny hanana fatoram-pitiavana amin'ny olony koa Andriamanitra. Inona no ambaran'ny fatoram-pitiavana eo amin'ny mpivady amintsika momba ny fifandraisana irin'Andriamanitra hananana amin'ny vahoakany?

2. Ny tilikambon'i Babela dia mampiseho fa tsy fikasan'Andriamanitra velively ny hitenenan'ny olombelona amin'ny teny samihafa na ny hizarazarany ho foko samihafa. Ahoana no fomba hihoarantsika ireo fisarahana ireo amin'izao vanim-potoana izao? Ahoana no ahafahan'ny fiangonana miaina ao anaty firaisana na dia olona avy amin'ny firenena sy fiteny samihafa aza no mandrafitra izany?

3. Nifidy ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito tahaka ny nifidianany ny Isiraely tamin'ny andron'ny TT Andriamanitra mba hanompo Azy. Inona no lesona azontsika ianarana avy amin'ny Isiraely fahiny, izay hanampy antsika hanompo sy hankato Azy amin'izao fotoana izao?