Lesona 5 : Ny firaisana teo amin'ny fiangonan'ny TV

Hodinihina mandritra herinandro: Asa. 1:12-14; Asa. 2:5-13; Asa. 2:42-47; Asa. 4:32-37; 2 Kor. 9:8-15.

Tsianjery: "Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon'ny Apôstôly." - Asa. 2:43. 

MISY FIRINDRANA AO AMIN'NY FIANGONANA REHEFA MAHAFANTATRA AN'l JESOSY NY MAMBRA. Izy tokoa mantsy no fahamarinana (Jao. 14:6). Rehefa mahafantatra Azy ny mambran'ny fiangonana, dia manorina fisakaizana maharitra amin'izy samy izy koa izy ireo. Izany mihitsy no nitranga tamin'ireo Advantista voalohany. Nampifandray ny fon'izy ireo ho iray ny fanandramany tao amin'i Jesôsy ary nanampy azy ireo hitoetra ho mahatoky tamin'ny Tompo ny fisakaizany rehefa niezaka nanakatra ny antony tsy niverenan'i Jesosy tamin'ny taona 1844 izy ireo. Avy tamin'io fanandramana io no niandohan'ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito. Nanampy ny Advantista koa izany hahafantatra fa hitsara ny olona rehetra nonina teto an-tany i Jesôsy mialoha ny hiverenany indray.

Niara-nivavaka sy nandinika ny Baiboly ny mpianany taorian'ny niakaran'i Jesosy tany an-danitra. Asehon'ny fanandramana nolalovan'izy ireo ny herin'Andriarnanitra teo amin'ny fiainany. Nitarika ho amin'ny firindrana sy ny firaisan'ny olona izay tena samy hafa koa izany fanandramany izany. Azontsika atao koa ny miaina dieny izao sahady izany fanandramana izany.

"Misarika olona iray ho eo Aminy aloha i Jesosy. Ampifandraisiny amin'ny mpino hafa ao amin'ny Tenany mandrakariva anefa io olona io. Sary an'ohatra anehoana ny fiangonany io Tenany io." - OCLUW, t. 91.

Nanome teny fampanantenana ny mpianany i Jesôsy talohan'ny hahafatesany. Nilaza Izy fa tsy hamela azy ireo ho irery na oviana na oviana. Haniraka ny Fanahy Masina Andriamanitra mba ho eo amin'izy ireo mandrakariva, hanampy ny mpianatra hanao ny asan'Andriamanitra. Ny Fanahy Masina no hampahatsiahy azy ireo zavatra maro nolazain'i Jesosy sy nataony (Jao. 14:26) ary hampahita azy fahamarinana vaovao hatrany (Jao. 16:13). Mialoha ny nialany teto an-tany, dia nampanantena ny mpianany indray i Jesôsy fa haniraka ny Fanahy Masina ho amin'izy ireo Andriamanitra (Asa. 1:5,8), hanampy azy ireo hijoro ho vavolombelona any Jerosalema sy Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany (Asa. 1:8).

Ao amin'ny Asa. 1:12-14 , dia hitantsika ny zavatra nataon'ny mpianatr'i Jesosy nandritra ny folo andro mba hiomanana ho amin'ny firotsahan'ny Fanahy Masina. Inona no nataon'izy ireo tamin’izany?

"Raha niandry ny fanatanterahana ny teny fikasana ny mpianatra, dia nampietry ny fony tamin'ny fibebahana marina izy ka niaiky ny tsy finoany. Raha nahatsiaro ny teny nataon'i Kristy taminy talohan'ny nahafatesany izy dia azony mazava kokoa ny dikany. Niverina tao an-tsainy ireo fahamarinana izay tsy tao amin'ny fitadidiany intsony, ary naverimberiny tamin'izy samy izy izany. Nanome tsiny ny tenany izy noho ny tsy nahataka rany ny amin'ny Mpamonjy. Nifanesy toy ny nanao rano lava teo imasony ireo toe-javatra teo amin'ny fiainany mahagaga. Raha nandinika ny fiainany madio sy masina izy ireo, dia tsapany fa tsy misy asa ho mafy loatra, raha mba azony atao ny ho vavolombelon'ny toetra amam-panahy mahate ho tian'i Kristy eo amin'ny fiainany. Raha mba afaka hiverina hivelomany indray mantsy ireo telo taona lasa, dia tsy hitovy tamin'ny lasa ny fihetsiny! Raha mba afaka mahita fotsiny ny Tompo izy, amin-kafanam-po manao ahoana no iezahany haneho Aminy ny halalin'ny fitiavany Azy, sy ny alahelony amin'ny fony manontolo noho izy nandratra Azy mandrakariva tamin'ny teny na ny fihetsika mitory tsy finoana! Nampahery azy anefa ny fiheverana fa voavela heloka izy. Ary nanapa-kevitra izy, fa hatramin'izao, raha mbola azo atao, dia hanonitra ny tsy finoany amin'ny fanekeny Azy amin-kerim-po eo anatrehan'izao tontolo izao. (...) Napetrany ny fahasamihafany rehetra, ny faniriany rehetra ho ambony, ka nifanatona akaiky teo amin'ny fivavahana kristiana izy." - VM, t. 34.

Taorian'ny niakaran'i Jesosy tany an-danitra, dia niomana ho amin'ny firotsahan'ny Fanahy Masina ny mpianany, ka tamin'ny Pentekosta no nandrotsahan' Andriamanitra izany tamin'izy ireo. Tamin'izay fotoana izay, ny mpiatr'i Kristy, dia "teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra" - Asa. 2:1.

Tamin'ny andron'ny Baiboly dia iray tamin'ireo andro firavoravoana lehibe indrindra tsy maintsy natrehin'ny lehilahy rehetra tany Isiraely ary nankalazainy ny Pentekosta. 50 andro aorian'ny Paska ny Pentekosta. Avy amin'ny voambolana grika hoe pentekoste izy io, izay midika hoe "andro faha-50". Mandritra izany andro firavoravoana izany, dia manatitra ny voaloham-bokatra avy amin'ny tanimboliny sy ny biby fiompiny amin'ny fahavaratra ho an'Andriarnanitra ho fanati-pisaorana ny Hebreo.

Ampoizina fa nankalazaina koa ny andro firavoravoan'ny Pentekosta tamin'ny andron'i Jesôsy mba hanampiana ny vahoakan'Andriamanitra hahatsiaro ny fotoana nanomezan'Andriamanitra ny lalàna an'i Mosesy, teo an-tendrombohitra Sinay (Eks. 19:1). Raha marina izany, maneho inona amintsika ny fakalazana ny lalàna? Milaza izany fa mbola manan-danja mandrakariva ho an'ny hafatra kristianina momba an'i Jesosy ny lalàn'Andriamanitra. Ny fahafatesany dia manolotra famelan-keloka ho an’izay rehetra mibebaka noho ny nandikany ny lalàn'Andriamanitra. Tsy mahagaga ary raha ny lalàna sy ny filazantsara no resahin'ireo andininy manan-danja indrindra inikasika ny andro farany (Apak. 14:12)!

Andeha hojerentsika akaiky kokoa izao izay nitranga rehefa nomen'Andriamanitra an'i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay ny lalàna (Eks. 19:16-25; Heb. 12:18). Nomen'Andriarnanitra an'i Mosesy nandritra ny Pentekosta, taona maro talohan'ny nahatongavan'i Jesosy teto an-tany izany. Manampy antsika ny fanandramana nolalovan'i Mosesy hahatakatra tsara kokoa ny zavatra nitranga rehefa nandrotsaka ny Fanahy Masina tamin'ny mpianatra Andriamanitra nandritra ny Pentekosta. Afaka mamaky izay nitranga ianao ao amin'ny Asa. 2:2-4. Hitanao fa maro amin'ireo fahagagana ao amin'ny Asan'ny Apôstoly no mitovy amin'izay nitranga rehefa nanome ny lalàna an'i Mosesy Andriamanitra?

Manoritsoritra ny zavatra nitranga tamin'ny Pentekosta ny Asa. 2:5-13. Inona no hevitr’io fanandramana mahery vaika io?

Hitan'ny olona ny herin'Andriamanitra rehefa nanomboka niteny tamin'ny fiteny tsy mbola hainy hatrizay ny mpianatr’i Jesosy. Nandre ny hafatra momba an'i Jesosy tamin'ny fiteniny tokoa mantsy ireo Jiosy avy amin'ny firenen-kafa. Amin'ny lafiny iray, dia nanampy tamin'ny famaranana ny fisarahana nitranga teo amin'ny tilikambon'i Babela (Gen.11) ny zava-niseho tamin'ny Pentekosta. Nanomboka nampifandray indray ny fianakavian'ny olombelona io fahagagana io.

Nitory teny i Petera ao amin'ny Asa. 2. Rehefa vita ny toriteniny, dia niangavy ny olona izy mba hibebaka sy hiala amin'ny fahotany ary handray an'i Jesosy. Olona telo arivo teo ho eo no nanapa-kevitra handray an'i Jesosy ho Mpamonjy ny tenany. Niasa tao am-pon'ireo olona rehetra ireo Andriamanitra. Olona maro avy any an-tany lavitra no nandre ny momba an'i Jesosy ary mety hoe tonga tao Jerosalema mihitsy izy ireo mba hahita maso Azy. Mety nandre ny hafatra notorin'i Jesôsy tany aloha koa ny olona sasany, saingy tsy tonga mpianany ireo raha tsy tamin'ny Pentekosta, izany hoe tamin'ny fotoana nandrotsahan'Andriamanitra ny Fanahy Masina tamin'ny mpianatr'i Jesosy. Tamin'izany no nanampian'Andriarnanitra ny mpianatra hitory ny momba an'i Jesosy amin'ny olona rehetra. Nitory ny fitsanganany tamin'ny maty izy ireo ary koa ny famelan'Andriamanitra heloka noho ny amin'i Jesosy (Asa. 2:38).

Miresaka momba ireo zavatra maro niarahan'ny mpianatra nanao amin'ny maha-fiangonana iray azy ny Asa 2: 42-47. Inona no nahatonga io firaisana mahatalanjona io? 

Inona no fomba mahagaga hanampiana ny mpino vaovao hitombo hery ara-panahy? Ny valiny dia ny fandinihana ny Baiboly. Izany no zavatra voalohany nataon'ireo mpino vaovao. Nitambatra ho vondrona iray izy ireo mba handray ny fampianaran'ireo mpianatr'i Kristy. Nandidy ny mpianany tokoa mantsy i Jesosy mba hitaona ny hafa ho mpianatra vaovao sy hampianatra azy ireo ny fahamarinana ao amin'ny Baiboly (Mat. 28:20). Nandany fotoana betsaka tamin'ny fianarana izay rehetra nampianarin'ny apostoly momba an'i Jesosy io vondron'ny mpino vaovao io. Azo inoana fa efa nandre ny amin'ny fiainan'i Jesosy izy ireo, ny asany, ny fampianarany, ny fanoharana nataony, ny toriteniny, ary ny fahagagana nataony.

Nandany fotoana niarahana nivavaka sy nihinana koa ireo mpino vaovao. Ampahany iray manan-danja eo amin'ny fitornboana ara-panahy ny vavaka. Midika ve ny fiaraha-misakafo nataon'ny mpino fa nandray anjara tamin'ny fanasan'ny Tompo izy ireo, sa niara-nisakafo mihitsy araka izay toa ambaran'ny Asa. 2:46? Tsy milaza izay tena heviny marina ny Baiboly, saingy maneho antsika fahamarinana manan-danja ny zavatra nataon'ireo mpino vaovao. Niaraka foana izy ireo na tany an-tempoly na tany an-tranony ary nanjary rnisakaiza tsy mifankafoy. Niombonany avokoa ny zavatra rehetra, ary niara-nivavapka tamin'ny fotoana rehetra izy ireo.

Inona no azon'ny fiangonanao ianarana avy amin'io ohatra io mikasika ny firaisana sy ny fisakaizana ary ny fijoroana ho vavolombelona? 

Miresaka momba ny zavatra mahatalanjona nitranga noho ny fisakaizana lalina teo anivon'ny fiangonana i Lioka ao amin'ny bokin'ny Asan'ny Apôstôly. Voalazany fa niombonan'ny mpino sy nifampizarany avokoa ny fananany rehetra (Asa. 2:44,45).

Tsy hoe noterena izy ireo raha nanao izany fa nifampizarany ny fananany rehetra satria nifankatia sy mpisakaiza avokoa izy rehetra. Maneho izany fihetsiny izany fa nahafantatra an'i Jesosy izy ireo. Nifanohana tamin'izany fomba izany nandritra ny fotoana maromaro ny mpino vaovao. Miresaka misimisy kokoa ny momba izany i Lioka ao amin'ny Asa. 4 sy 5. Maneho ohatra hafa momba io fifampizaram-pananana io ny Baiboly, araka izay ho hitantsika ao amin'ny tantaran'i Barnabasy.

Raha ny fahitana azy, dia lehilahy mpanan-karena nanana tany i Barnabasy. Namidiny ny taniny mba hanampiana ny fiangonana kristianina. Rehefa izay dia nentiny teo amin'ny mpitondra fiangonana ny vola vidin'izany (Asa. 4:36,37). Ohatra iray tokony halain'ny Kristianina rehetra tahaka i Barnabasy.

Vakio ny tantaran'i Barnabasy ao amin'ny Asa. 4:32-37. Rehefa. izay dia vakio ny tantaran'i Ananiasy sy Safira ao amin'ny Asa. 5:1-11. Nahoana no nanao izany fihetsika izany i Ananiasy sy Safira?

Nandainga tamin'ny Fanahy Masina i Ananiasy sy i Safira. Tena mpitsiriritra sy fatra-pitia harena ary tia tena koa izy ireo. Ny fitiavan-tena sy ny fitiavan-karena angamba no mpandrava ny fisakaizana kristianina haingana indrindra mihoatra noho ny ota hafa rehetra. i Barnabasy kosa dia ohatra iray ny amin'ny olona ao am-piangonana izay tsy tia tena sy manana fisakaizana mafy orina amin'ny Kristianina hafa. Tena nifanohitra tanteraka aminy i Ananiasy sy i Safira. 

Momba ny fitsiriritana ny didy fahafolo ao amin'ny lalan'Andriamanitra, Fahotana miafina ao am-po izany (Eks. 20:1-17). Tsy manomboka amin'ny asa ny fahotan'ny fitsiriritana., fa manomboka ao an-tsaina sy ao an'eritreritra. Hita eo amin'ny fihetsika feno fitiavan-tena ny fo feno fitiavan-tena. Eritreritra feno fitiavan-tena no nahatonga an'i Ananiasy sy i Safira handainga tamin'Andriamanitra.

Ahoana no ahafahantsika misoroka ny fitiavan-karena sy ny fitsiriritana? Miaro antsika tsy ho tia tena ny fankasitrahana an'Andriamanitra. Amin'ny fomba ahoana? Nahoana no "fanafody" mahery vaika hanasitranana io faharatsiana io ny fo feno fankasitrahana? 

Nifampizara izay rehetra nananany ny mpino vaovao. Naneho ny firaisana sy ny firindrina nanjaka teo anivon'ny fiangonan'ny TV ny toe-tsaina feno fitiava-namana nananan'izy ireo. Tsy nifarana teo anefa ny fifampizaram-pananana hita tao amin'ireo toko voalohandohany ao amin'ny Asan'ny Apôstôly. Taty aoriana, nitaona ny fiangonana najorony tany Makedonia sy Akaia i Paoly mba hanangona vola ho an'ny malahelo tany Jerosalema (vakio ny Asa. 11:27-30;Gal. 2:10; Rom. 15:26;1 Kôr. 16:1-4). Tsy Jiosy ny ankamaroan'ny mambra tao amin'ireo fiangonana ireo. Asehon'ny tolo-tanana nataon'izy ireo fa tena tia sy nikarakara ireo rahalahy sy anabaviny jiosy tany Jerosalema ireo mpino tsy Jiosy ireo. Tamin'ny lafiny maro no tsy nitovian'ny mpino jiosy sy ny mpino tsy jiosy. Samy hafa ny fomba fiainany sy ny firenena fiaviany. Na izany aza, niray tahaka ny "tena" iray ihany ireo mpino ireo tao amin'i Jesôsy. Hafatra iray ihany no tian'izy ireo sy ninoany, dia ny Filazantsara momba an'i Jesosy. Rehefa nizara ny fananany tamin'ireo mambra jiosy mahantra tany Jerosalema ny fiangonan'ireo tsy Jiosy, dia naneho firaisam-po sy firaisan-tsaina ary firaisam-pinoana tao amin'i Jesosy izy ireo.

Ao amin'ny 2 Kôr. 9:8-15, dia milaza i Paoly fa tena nalala-tanana ny fiangonana tany Korinto. Araka izay nolazain'i Paoly, dia Inona no ho vokatra hiseho noho ny fahalalahan-tanan'izy ireo?

Ny firaisana teo amin'ny fiangonana tamin'ny andron'i Paoly dia maneho ny zavatra azontsika atao amin'izao vanim-potoana izao. Tsy mitranga ho azy anefa ny firaisana, fa tsy maintsy vonona ny hanampy olona isan'andro ny mpino rehetra. 

Inona ireo zavatra ara-panahy izay nikolokolo ny firaisana teo amin'ny fiangonan'ny TV? Ny valiny dia : vavaka, fiankohofana, fisakaizana kristianina, fitovian'ny tanjona na ny drafitra, ary fandalinana ny Baiboly. Fantatr'ireo mpino vaovao tsara fa tsy hoe ny hitory ny filazantsara amin'ny firenen-drehetra ihany no adidiny fa ny hifankatia sy ny hifampikarakara ihany koa. "Hita teo amin'ny fahalalahan-tanany fa tsy nandray foana ny fahasoavan'Andriamanitra izy. Inona moa no nahatonga izany fahalalahan-tanana izany afa-tsy ny fanamasinan'ny Fanahy? Fahagagana vitan'ny fahasoavana izany teo anatrehan'ny mpino sy ny tsy mpino." - VM, t 300. 

Vakio ny "Pentekosta", tt. 33-42, ao amin'ny VM. 

"Vokatry ny firotsahan'ny Fanahy io fahalalahan-tanana teo amin'ny mpino io [ao amin'ny Asa. 2:44,45 sy Asa. 4:32-35]. Niray fo sy saina ireo voaova fo nanaraka ny Filazantsara. Zavatra iray no nahaliana sy nifehy azy, dia ny fahombiazan'ny iraka nankinina taminy; koa tsy nisy toerana ho an'ny fitsiriritana teo amin'ny fiainany. Lehibe noho ny fitiavany vola aman-karena ny fitiavany ny rahalahiny sy ny safidy niandaniany. Vavolombelona ny asany fa noheveriny ho sarobidy lavitra noho ny harena eto an-tany ny fanahin'ny olona.

"Ho toy izany hatrany rehefa manjaka ao amin'ny fiainana ny Fanahin'Andriamanitra. Izay manana ny fony feno ny fltiavan'i Kristy, dia hanaraka ny ohatr'Ilay nanjary mahantra, mba hampanan-karena antsika ny fahantrany. Ny vola, ny fotoana, ny hery miasa mangina dia samy fanomezana noraisiny avy eo am-pelatanan'Andriamanitra ary tsy hisy vidiny izany raha tsy ampiasaina ho fitaovana hoenti-mampandroso ny asan'ny Filazantsara. Toy izany ny tao amin'ny fiangonana voalohany; ary rehefa hita ao amin'ny fiangonana ankehitriny fa nanala ny fitiavany tsy ho eo amin'ny zavatra eo amin'izao tontolo izao ny mambra noho ny herin'ny Fanahy, ka sitrapony ny hanao ny fahafoizan-tena mba hahazoan'ireo mpiara-belona aminy mandre ny Filazantsara, amin'izay dia hanan-kery indrindra amin'ny mpihaino ireo fahamarinana notorina." - VM, tt. 65,66. 

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra :

1- Inona avy ireo antony nampiorina ny firaisana teo amin'ireo mpino vaovao? Amin'ny maha-fiangonana maneran-tany antsika ankehitriny, dia ahoana no hananantsika izany fanandramana izany? Inona tamin'izay nananan'ireo mpanara-dia voalohany an'i Kristy fahiny no ilaintsika koa ankehitriny? 

2- Nanangona fanatitra betsaka mba hanampiana ny mahantra tao amin'ny fiangonan'i Jerosalema ireo fiangonan'ny TV. Ahoana no anehoan'ny fahalalahan-tanan'izy ireo ny zavatra tokony hataontsika koa ankehitriny? Inona no zavatra azon'ny fiangonana atao eo amin'ny fiarahamonina misy azy mba hanampiana ny mahantra sy ny olona sahirana?