Lesona 7 : Olana teo amin'ny fiangonan'ny TV

Hodinihina mandritra ny herinandro: Asa. 6:1,2; Asa. 10:1-23; Asa. 11:4-8; Gal. 2:11-14; Amo. 9:11,12.

Tsianjery: "Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy. Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy." - Gal. 3:27,28. 

IRAY AMIN'IREO ANDRAIKITRA SAROTRA INDRINDRA atrehin'ny fiangonana ny fiezahana hihazona ny firaisana eo aminy. Sarotra ny manao izany rehefa misy tsy fitovian-kevitra momba ny maha-izy ny fiangonana sy ny zavatra tokony hataony. Mety hiteraka voka-dratsy mahatsiravina io tsy fitovian-kevitra io.

Tsy hafa amin'ny fiangonana hitantsika ao amin'ny TV ny fiangonana amin'izao fotoana izao. Ny olombelona dia olombelona ihany, sa ahoana hoy ianao? Ary hisy hatrany tsy fitovian-kevitra na dia momba ny fampianarana manan-danja aza. Tsy nitovy hevitra momba ny tantara sasany manan-danja ao amin'ny TT ireo Kristianina tamin'ny andron'ny TV. Nanimba ny fiangonana vao teo am-piandohany io tsy fitovian-kevitra io. Nitarika ny Apôstôly sy ireo mpitondra fiangonana anefa ny Fanahy Masina  mba ha araka ny fahendrena avy ao amin'ny Baiboly ho famahana izany olana izany.

Herinandro vitsivitsy lasa izay, dia nianatra mikasika ny fomba nanandraman'ny fiangonan'ny TV firindrana sy firaisana isika. Amin'ity herinandro ity dia hijery ny fomba namahan'izy ireo ny olana teo anivon'ny fiangonana isika, izay saika nanimba ny firindrana tao amin'ny fiangonana sy ny fiangonana mihitsy. Momba ny inona ireo tsy fitovian-kevitra ireo? Ahoana no namahana izany? Inona no azontsika ianarana ankehitriny avy amin'ireo fanandramana ireo? 

Mahita olana iray isika ao amin'ny Asa. 6:1. Nimonomonona ny olona fa kely kokoa ny sakafo azon'ireo mpitondratena grika noho ny azon'ireo mpitondratena jiosy. Inona no nahatonga io olana io?

Nahatsapa ny mambran'ny fiangonana sasany fa nohamaivanin'ny mpitarika ireo mpitondratena grika tao amin'ny fiangonana. Nahoana ny mambra no nanana izany eritreritra izany? Satria nahatsapa izy fa kely kokoa ny sakafo azon'ireo mpitondratena grika noho ny azon'ireo mpitondratena jiosy. Tsy milaza ny Baiboly raha tena izany tokoa no fihetsika nasehon'ny mpitarika tamin'ireo mpitondratena grika ireo, saingy tena ambarany kosa fa nisy olona sasany nino fa tena nanao izany izy ireo. Koa na nisy izany na tsia, dia efa nanimba sahady ny fihavanana sy nampisaratsaraka ny fiangonana io olana io. Indrisy fa haingana dia haingana no nitrangan'izany teo amin'ny tantaran'ny fiangonana.

Hitantsika ao amin'ny Asa. 6:2 ny drafitra tsotra napetraky ny fiangonan'ny TV mba hamahana io tsy fifankahazoana io. Inona no nataon'izy ireo?

Nitombo haingana ny fiangonan'ny TV ary nametraka enta-mavesatra teo an-tsoroky ny Apôstôly izany. Nifidy lehilahy fito ny Apôstôly mba hanampy amin'ny fikarakarana ireo mpitondratena ireo. Nanamaivana ny enta-mavesatr'izy ireo io drafitra io ary nanome tombontsoa ny olona hafa tao amin'ny fiangonana koa izany mba hiasany ho an'Andriamanitra.

Nihaino tsara ireo mpino niteny Grika ny Apôstôly. Rehefa izay dia nanontaniany izy ireo ny arnin'izay heveriny fa tokony hatao. Nasain'ny Apostoly nifidy lehilahy fito mba hanampy amin'ny fanomezana sakafo ny mpitondratena izy ireo, ary dia nataony izany. Niteny Grika avokoa ireo lehilahy fito voafidy sady "tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena" - Asa. 6:3. Talohan'ny nifidianan'ny fiangonana ireo lehilahy fito hanampy ny Apôstôly ireo, dia tsy maintsy nitory ny fahamarinana sy nizara sakafo ho an'ny mpitondratena ny Apôstôly. Ankehitriny dia efa nankinina tamin'ireo lehilahy fito ireo ny am.pahany amin'ny asany, dia ny asa fizarana sakafo ho an'ny mpitondratena. Ao amin'ny Asan'ny Apôstôly , dia voambolana grika iray ihany no nampiasaina ho an'ny fitorian-teny nataon'ny Apôstôly (Asa. 6:4) sy ny fizarana sakafo ho an'ny mpitondratena nataon'ireo lehilahy fito (Asa. 6:1). "Diakonia" izany voambolana izany, izay midika hoe "fanompoana". Milaza izany fa mitovy ireo andraikitra ireo ary samy manan-danja eo imason'Andriamanitra. 

Mitantara momba ny fomba nikambanan'ny Jentilisa tamin'ny fiangonana ny bokin'ny Asan'ny Apostoly. Fototry ny fifandirana lehibe indrindra teo amin'ny fiandohan'ny fiainam-piangonan'ny TV izany toe-javatra izany ary nanimba ny fiainana sy ny asan'ny fiangonana.

Hitantsika ao amin'ny Asa. 10:1-23 ny porofo fa niasa tao am-pon'ny olona maro ny Fanahy Masina. Notarihin'ny Fanahy izy ireo mba hanokatra làlana ho an'ny Jentilisa ka handraisany ny Filazantsara momba an'i Jesôsy. Inona no porofo asehon'ireo andininy ireo fa niasa ny Fanahy Masina mba hampisy io fahagagana mahatalanjona io?

Mety ho nieritreritra i Petera fa tena hafahafa tokoa ilay fahitana azony! Jiosy mahatoky tokoa mantsy izy ka nanaraka tsara ireo làlana momba ny sakafo madio sy ny sakafo maloto (vakio ny Lev. 11; Ezek. 4:14; ary Dan. 1:8). Tsy mbola nihinana sakafo maloto mihitsy izy teo amin'ny fiainany. Aoka hazava amintsika anefa ny resaka: tsy momba ny sakafo ny fahitana azon'i Petera fa momba ny fisarahana nisy teo amin'ny Jiosy sy ny Jentilisa izay nanakantsakana ny fahombiazan’ny Filazantsara. Manjaka amin'izao fotoana izao tahaka ny nanjakany tamin'ny andron'ny Baiboly koa io fisaratsarahana io.

Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny fiangonana hatramin'ireo telopolo taona taorian'izany, dia saika Jiosy avokoa ireo Kristianina nanaiky an'i Jesosy. Jiosy nahatoky izay nitandrina ny lalàna araka izay nampianarana azy ireo Kristianina ireo ka dia tsy noheveriny fa efa nofoanan'ny Filazantsaran'i Kristy ny sasany tamin'ireo fitsipiky ny TT (vakio ny Mat. 5:17-20). 

Vakio ny Asa. 10:28,29,34,35. Inona no noheverin'i Petera fa hevitr'ilay fahitana azony tao Jopa? Inona no nahatonga azy ho tonga tamin'izany fanazavana izany?

Nanokatra làlana ho an'ny Jentilisa ny Fanahy Masina mba hikambanany amin'ny fiangonana. Ary tsy nila noforana izy ireo mialoha ny hidirany ho isan'ny fiangonana. Ahoana anefa no nahafantaran'i Petera fa izany tokoa no sitrapon'Andriamanitra? Satria nandrotsaka ny Fanahiny tamin'i Kornelio sy ny olona rehetra tao an-tranony Andriamanitra. Izany ihany koa no nataony tamin'ny mpianatr'i Jesosy taorian'ny niakarany tany an-danitra (Asa. 10:44-47). Narotsak'Andriamanitra tamin'ny Jentilisa tahaka ny nandrotsahany Azy tamin'ny Jiosy ny Fanahiny. Koa porofo izany ho an'i Petera fa tsy nilain'ny Jentilisa ny hoforana mialoha ny hikambanany amin'ny fiangonana. Nitarika ho amin'ny tsy fitovian-kevitra lehibe tao amin'ny fiangonana anefa io tsoa-kevitra io. 

Tsy ela dia tonga tany amin'ny mpitondra fiangonana tany Jerosalema ny tantara momba izay nitranga tamin'i Kornelio, tany Kaisaria. Nasain'ireo mpitondra ireo nanazava ny zava-nisy i Petera. Tezitra tamin'i Petera izy ireo, satria noraran'ny lalàn'i Mosesy tsy hiara-mihinana amin'ny Jentilisa ny Jiosy mahatoky (Asa. 11:3).

Ahoana no nanazavan'i Petera ao amin'ny Asa.11:4-18 ny zavatra nitranga tao Kaisaria sy ny asa nataon'ny Fanahy Masina tao? Inona no tiany ho takatr'ireo mpitondra fiangonana tany Jerosalema?

Ny olona sasany nanatrika ilay fivoriana dia nanana fisalasalana ny amin’ny fahendren'ny fihetsik’i Petera sy ny fanapahan-keviny ny hanao batisa ny Jentilisa. Nisy vavolombelona maro anefa tamiin'izay andro izay. Hitan'izy ireo fa naneho ny Tenany ny Fanahy Masina, tahaka ny nataony tamin'ireo mpianatr'i Kristy vetivety foana taorian'ny niakarany tany an-danitra. Tsy nisy olona afaka nilaza fa tsy ny Fanahy Masina no nitarika ny olona. "Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an’Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen'Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana."-Asa. 11:18. 

Mitantara ny zavatra nitranga tao amin'ny fiangonan'ny TV taorian'izany ny Asa. 11:19-24. Inona no nitranga taorian'io?

Angamba nihevitra ny mpino sasany tany Jerosalema fa tsy hiseho intsony ny zava-nitranga tamin’ny Kornelio sy ny ankohonany. Nanana drafitra hafa anefa ny Fanahy Masina. Tsy ela akory taorian'izay dia maty maritiora i Stefana (Asa. 8:1), ka niely teny rehetra teny ny ankamaroan´ny mpino jiosy. Niala an'i Jerosalema izy ireo mba handositra ny fanenjehana ara-pivavahana nihatra taminy, ka nankany Samaria, Foinika, Kiprosy, ary Antiokia. Nitory ny Filazantsara tany amin'izay rehetra nalehany izy ireo. Rehefa izany, dia nitombo isa hatrany ny Jentilisa nanaiky ny fahamarinana, araka izay efa nampanantenain'i Jesosy mihitsy (Asa. 1:8). Tsy sarotra anefa ny mahita ny antony nahatonga ireo mpino jiosy voalohany hiahiahy ny arnin'ny fidiran'ny Jentilisa tao amin'ny fiangonany sy ny zavatra tokony hataony manoloana izany.

Mety manana fomba fiery na hevitra tery momba ny fiangonana sy ny asan'Andriamanitra ve isika? Raha eny, inona izany? Ahoana no mety hanembantsembanan'ireo hevitra tery ireo ny fijoroantsika ho vavolombelona amin'ny olona hafa? Inona no azontsika atao mba hisorohana izany?

Vakio ny Asa. 15:1,2 sy Gal. 2:11-14. Inona avy ireo olana roa izay nahatonga savorovoro maro tao amin'ny fiangonana?

Tena notandindomin-doza ny fiangonan'ny TV. Nihevitra ny Kristianina Jiosy sasany fa ny Jiosy ihany no ho voavonjy. Nihevitra izy ireo fa tsy maintsy tonga Jiosy sy hoforana aloha ny lehilahy tsirairay. Nino koa ireo Jiosy nahatoky fa andraikitr'izy ireo ny misoroka izay mety ho fifandraisana amin'ny Jentilisa.

Nanana fitsipika hentitra izay nandrara ny fisakaizana arnin'ny Jentilisa ny Jiosy. Koa nanjary olana ho an'ny Kristianina Jiosy ireo fitsipika napetraky ny olombelona ireo rehefa nanomboka nitory ny fahamarinana tamin'ny olona naniry handray an'i Jesosy ireo mpanara-dia Azy. Jiosy anefa i Jesôsy, sa tsy izany? Koa midika ve izany fa tsy maintsy tonga Jiosy aloha ny Jentilisa ary manaraka ny fitsipika Jiosy vao azo vonjena?

Hitantsika ao amin'ny Asa. 15:3-22 ny fivoriana nataon'ny filan-kevitra tao Jerosalema. Nandray fanapahan-kevitra goavana ho an'ny fiangonana io filan-kevitra io. Inona ny sasany amin'ireo olana izay nivorian'izy ireo sy nifanakalozany hevitra?

Mahakasika ny tena hevitry ny tantara sasany ao amin'ny TT ny tsy fitovian-kevitra tao amin'ny fiangonana. Koa nivory ny mpitondra fiangonana mba hifanakalo hevitra momba izany. Naharitra ela ny resaka kanefa tsy nisy ny tapaka.

Rehefa izay dia nandray fitenenana i Petera sy i Barnabasy ary i Paoly. Natsidik'i Petera ny fahitana nomen'Andriamanitra azy ary nolazainy fa nandrotsaka ny Fanahiny Masina tamin'i Kornelio sy izay rehetra tao an-tranony Andriamanitra. Nanokatra ny làlana ho an'ny mpianatr'i Kristy mba hizarana ny fahamarinana amin'ny Jentilisa io fanomezana io. Taorian'izay dia nitantara ny fomba nampiasan'Andriamanitra azy ireo mba hijoro ho vavolombelona tamin'ny Jentilisa i Paoly sy i Barnabasy. Jentilisa maro no nandray ny fahamarinana noho ny fijoroana ho vavolombelona nataon'izy roalahy ireo. Koa hoy i Petera: "Fa mino isika fa ny fahasoavan'i Jesosy Tompo no hamonjena antsika,-dia tahaka ny azy ihany koa." - Asa. 15:11.

Efa nisy fotoana ve niovanao hevitra momba ny zavatra noheverinao ho marina? Inona no nampianarin'io fanandramana io anao? 

Hitantsika omaly fa naniraka mambra nankany amin'ny fiangonan'ny Jerosalema ny mpitondra fiangonana tany Antiokia mba hangataka fanampiana. Nitady ny fomba tsara indrindra hamahana ny olana momba ireo Jentilisa niditra ho isan'ny fiangonana mantsy ireo mpitarika tany Antiokia ireo. Nandany ora maro nifanakalozana hevitra momba ilay olana ny mpitarika ireo fiangonana roa tonta ireo. Rehefa izay dia nandray fanapahan-kevitra momba izay tokony hataon'ny fiangonana i Jakôba (Asa. 15:13-20). Rahalahin'i Jesôsy io Jakôba io, ary toa izy koa no mpitarika ny filan-kevitr'i Jerosalema, izay nandray fanapahan-kevitra goavana ho an'ny fiangonana. Koa tapaka ny hevitra fa tsy nilain'ny Jentilisa ny ho tonga Jiosy vao azo raisina ho isan'ny fiangonana. Tsy nilain'izy ireo koa ny hoforana.

Hitantsika ao amin'ny Amo. 9:11,12 sy Jer. 12:14-16 ny faminanian'i Amosa sy Jeremia mamba ny Jentilisa. Inona no ambaran'ireo faminaniana avy amin'Andriamanitra ireo fa hitranga?

Fikasan'Andriarnanitra hatrizay hatrizay ny hamonjy ny olona rehetra eto an-tany amin'ny alalan'ny fijoroana ho vavolombelona ataon'ny Isiraely. Rehefa nifidy an'i Abrahama Andriamanitra, dia nampanantena ny hitahy ny olona rehetra noho i Abrahama sy ny taranany Izy (Gen. 12:1-3). Naneho porofo tamin'ny olony Andriamanitra tamin'io fotoana io fa ho tontosa io fampanantenana io. Inona ilay porofo? Ny fitarihan'ny Fanahy Masina tamin'ny fomba mazava ny vahoakan'Andriamanitra, izay hita miharihary, teo amin'ny asa fanompoana nataon'i Petera sy i Barnabasy ary i Paoly teo anivon'ny Jentilisa. Nanampy ny mpitondra fiangonana tany Jerosalema ireo fahagagana ireo hahita fa tanteraka ankehitriny ny ankamaroan'ny teny fikasana ao amin'ny TT ! Tamin'ny lasa dia nanome Iàlana ny Isiraely Andriamanitra mba hanampiana azy ireo hahafantatra ny zavatra tokony hataon'ny Jentilisa mba hikambanany amin'ny Isiraely (Lev. 17; 18). Nampahatsiahivin'i Jakôba ny olona rehetra ireo làlana ireo tao anatin'ny fanapahan-keviny (Asa. 15:29). Koa nazava tamin'ny rehetra fa nitarika ny Jentilisa Andriamanitra mba hikambana amin'ny vahoakany, sy hanaiky an'i Jesôsy, ary hovonjena. Nanampy ny mpino Jiosy ny Fanahin'Andriamanitra mba hahatakatra io fahamarinana ao amin'ny Baiboly io.

Faly ny fiangonan'i Antiokia rehefa nandre io vaovao io (Asa. 15:30- 35). Maneho ohatra iray matanjaka ny Asan'ny Apostoly ny amin'ny fomba namahan'ny fiangonan'ny TV olana goavana iray niaraka tamin'ny fanampian'ny Fanahy, sy ny fandalinana ny Baiboly, ary ny faniriana ny hisian'ny firaisana.

Inona no ampianarin'io tantara io antsika momba ny Ianjan'ny fahaizana mihaino ny hafa, na dia mety tsy izay tiantsika ho re aza ny zavatra lazainy? 

 Vakio ny "Mpikatsaka ny fahamarinana", tt. 117-126, sy ny "Jiosy sy Jentilisa", tt. 167-178, ao amin'ny VM. 

"Ny filan-kevitra nanapa-kevitra momba izany dia nahitana ireo apostoly sy mpampianatra izay niavaka tamin'ny fananganana fiangonana Jiosy sy Jentilisa, ary ireo solontena avy tamin'ny toerana samihafa. Ireo loholona avy tany Jerosalema sy ireo solontena avy tany Antiokia dia nanatrika tao koa, ary ireo fiangonana nanana hery miasa mangina be indrindra dia nanana solontena tao. Araka ny tolo-tsaina nomen'Andriamanitra no niasan'ny filan-kevitra, sy tamin'ny fahamendrehan'ny fiangonana naorin'ny sitrapon'Andriamanitra. Ho vokatry ny fanadihadiana nataony dia hitan'ny rehetra fa Andriamanitra no namaly ny fanontaniana nipetraka tamin'ny nanomezany ny Fanahy Masina tamin'ny Jentilisa. Koa dia fantany ary fa anjarany ny manaraka ny fitarihan'ny Fanahy."

"Tsy ny fiangonana iray manontolo tsy akory no nasaina nandatsa-bato momba io fanontaniana io. Ny "Apôstôly sy ny loholona", olona nanan-kery miasa mangina sy saina mandanjalanja, no nandrafitra sy namoaka ny fitsipika, izay neken'ireo fiangonana Kristiana tamin'ny ankapobeny, nanomboka tamin'io. Tsy ny rehetra anefa no faly tamin'ny fanapahan-kevitra. Nisy antokona rahalahy be hambom-po sy natoky tena tsy nanaiky izany. Niditra nanao ny asa tamin'ny andraikitry ny tenany ihany ireo olona ireo. Nampanarampo ny fimonomononana sy ny fanomezan-tsiny betsaka izy sy nanolotra drafitra vaovao ary nitady izay handrodanana ny asan'ny olona efa nohosoran'Andriamanitra hampianatra ny hafatry ny filazantsara. Hatrany am-piandohany ny fiangonana no nisetra zava-misakana toy izany, ary hifanehatra amin'izany mandrakariva izy hatramin'ny faran'ny andro." - VM, tt. 173,174. 

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra :

Inona no fitsipika manan-danja nianaranao tamin'ity herinandro ity izay azonao sy ny mambra hafa ampiasaina mba hamahana ny olana ao amin'ny fiangonanareo? Ahoana no anampian'ny fanarahana ireo fitsipika manan-danja ireo ny fiangonanao hiombon-kevitra ao anaty filaminana?

Vakio indray ny teny notsongaina avy tao amin'ny VM ao amin'ny lesona androany. Tena nanampy ny fiangonana hiombon-kevitra ao anaty filaminana tokoa ny filan-kevitr'i Jerosalema. Saingy hitanao ve fa tsy faly tamin'ilay fanapahan-kevitra ny mambra sasany tao amin'ny fiangonana? Inona no lesona tokony hotsoahintsika avy amin'io tantara mampalahelo io?