Lesona 8 : Firaisana ao amin'ny finoana

Hodinihina mandritra ny herinandro: Asa. 4:8-12; 1 Pet. 2:21-24; 1 Tes. 4:13-18; Heb. 8:6; Deo. 5:12-15.

Tsianjery: "Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena."- Asa. 4:12.

TAMIN'NY TAONA 1888, dia maro ny mpitarika fiangonana sy pasitora advantista no niady hevitra mikasika ny andininy manan-danja sasantsasany ao amin'ny Baiboly sy ny hevitr'izany. Tsy niombon-kevitra momba ny tandroka folo ao amin'ny Dan. 7 sy ny lalàna ao amin'ny Gal. 3:24 izy ireo. Tamin'izany fotoana izany anefa dia vitsy ihany ny Advantista nahatakatra fa ny fifankahalana asehon'izy ireo dia mandrava ny fisakaizana sy ny firahalahiana ary mamotika ny firaisana sy ny iraka ampanaovina ny fiangonana.

Nalahelo tokoa i Ellen White teo anatrehan'izany ka nampirisihiny ny olona voakasik'izany hieritreritra lalina ny amin'ny fifandraisany amin'i Jesôsy sy ny tokony hanehoana ny fitiavana an'i Jesôsy eo amin'ny fihetsika, indrindra rehefa misy ny tsy fitovian-kevitra. Nolazainy ihany koa fa tsy azontsika antenaina ny hitovian'ny rehetra ao am-piangonana hevitra mikasika ny tokony ho fanazavana ny andininy rehetra ao amin'ny Baiboly.

Nasongadiny ihany koa ny tokony hitoviantsika hevitra momba ny fahatakarana ireo foto-pinoana advantista manan-danja (vakio ny Counsels to Writers and Editors, tt. 28-32 nosoratan'i Ellen G.White).

Mandritra ity herinandro ity isika dia handinika fampianarana ara-Baiboly manan-danja maromaro izay maneho ny maha-Advantista antsika sy mamolavola ny firaisantsika ao amin'ny finoana.

Na dia maro aza ny foto-pinoana iraisantsika Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito amin'ireo antokom-pivavahana kristianina hafa, ny antsika kosa dia ahitana rafi-pahamarinana ara-Baiboly tsy torin'iza na iza afa-tsy isika ihany. Ireny fahamarinana ireny no mamaritra antsika ho vahoakan'Andriamanitra sisa amin'ny andro farany.

Ao amin'ny Asa. 4:8-12 sy ny Asa. 10:43 i Petera dia miresaka momba ny maha-manan-danja an'i Jesôsy teo amin'ny drafitra nataon'Andriamanitra hamonjena antsika. Manan-danja ho an'ny drafi-pamonjen'Andriamanitra ve i Jesôsy teo imason'i Petera? Raha eny, manan-danja manao ahoana?

Nolazain'ny Apôstôly Paoly tamin'ny Korintianina fa ny vaovao mahafaly dia "Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy"- 2 Kôr. 5:19. Manambara amintsika io andininy io fa ny fahafatesan'i Jesôsy dia mampihavana antsika amin'Andriamanitra Ray, tetezana izay mampifandray antsika amin'Andriamanitra manoloana ny fampisarahana nentin'ny fahotana sy ny fahafatesana. Efa an-jato taona maro no nandinihan'ny Kristianina ny hevitry ny fahafatesan'i Jesôsy sy ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fampihavanana notanterahiny. Nantsoina hoe fanavotana izany fampihavanana izany, izay nampiasaina haneho ny hevitry ny hoe "fifanekena". Araka izany, ny fanavotana dia manambara firindrana eo amin'ny fifandraisany; rehefa nisy ny fisaratsarahana, dia izany firindrana izany no vokatry ny fampihavanana. Ny firaisan'ny fiangonana araka izany dia fanomezana avy amin'io fampihavanana io.

Inona no ampianarin'ireto andininy manaraka ireto antsika momba ny fahafatesan'i Jesôsy sy ny fitsanganany tamin'ny maty? Manao ahoana ny lanjan'izany eo anatrehan'ny asa ampanaovin'Andriarnanitra ny fiangonana?

Rôm. 3:24,25...............................................................................................................................................................................................................

1 Jao. 2:2......................................................................................................................................................................................................................

1 Jao. 4:9,10................................................................................................................................................................................................................

 Pet. 2:21-24................................................................................................................................................................................................................

Niandry ny fiavian'i Jesôsy ireo Kristianina voalohany tao amin'ny TV. "Fanantenana mahafinaritra"- Tit. 2:13 izany ho azy ireo. Ninoany fa ho tanteraka avokoa ny fampanantenana nataon'ny Baiboly amin'ny fotoana hiverenan'i Jesôsy; mino izany koa ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito ary maneho mazava izany ny anarana entitsika. Ny hoe "Advantista" dia midika hoe olona miandry ny fiavian'i Jesôsy fanindroany. Izay olona rehetra tia an'i Kristy dia miandrandra fatratra ny andro hahitany Azy mivantana. Mandra-pahatonga izany andro izany dia manampy antsika hitambatra ao anatin'ny firaisan-tsaina hatrany izany finoana ny fiaviany fanindroany izany.

Miresaka momba ny fiavian'i Jesôsy fanindroany ny Asa. 1:11; Mat. 24:26, 27; 1 Tes. 4:13-18 ary ny Apôk. 19:11-16. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika momba ny fiaviany fanindroany? Ahoana no maha-samy hafa izany fampianarana izany amin'izay ampianarin'ireo Kristianina hafa mikasika ny fiavian'i Jesôsy fanindroany?

Imbetsaka ny Baiboly no milaza fa ho avy handray ny olony ho any an-danitra i Jesôsy , saingy tsy anjarantsika ny mamantatra ny fotoana hisehoan'izany. Jesôsy mihitsy aza no efa nanambara fa tsy misy mahalala ny amin'izany afa-tsy ny Ray any an-danitra (Mat. 24:36).

Rehefa hifarana ny asa nataon'i Jesôsy tety an-tany, dia nilaza fanoharana ny amin'ny "virijina folo" Izy (Mat. 25:1-13). Nampiasa izany fanoharana izany i Jesôsy hilazana ny fiangonana eo am-piandrasana ny fiverenany. Misy sokajina virijina roa ao amin'io fanoharana io, izay maneho sokajina mpino anankiroa samy milaza azy ho miandry an'i Jesôsy  Raha jerena ivelany dia toa mitovy ireo virijina ireo, kanefa rehefa toa naharitra, tsy araka izay niheverany azy ny fahatongavan'i Jesôsy dia hitantsika fa tena samy hafa izy ireo. Ny sokajy iray dia nihazona hatrany ny fanantenany na dia teo aza ny fihemoran'ny fotoana, ka nanao ny fiomanana ara-panahy nilaina ho amin'izany. Nampiasa io fanoharana io i Jesôsy mba hahatakaran'ny mpanara-dia Azy fa tokony hitoky amin'ny teny fikasan'Andriamanitra izy ireo na dia toa tsy hitany aza ny porofo fa ho tanteraka tokoa izany. Amin'izao fotoana izao koa i Jesôsy dia manasa antsika "hiambina" sy hivonona ho amin'ny fiverenany indray amin'ny fotoana rehetra.

Ny anarantsika "Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito" dia maneho amin'ny rehetra fa zava-dehibe ho antsika ny fiavian'i Jesôsy fanindroany. Ahoana no hihazonantsika ny finoantsika izany fiaviany fanindroany izany ho matanjaka? Ahoana no hahavonona antsika mandrakariva mba tsy hanaovantsika ny fahadisoana nampitandreman'i Jesôsy tamin'ny fanoharana momba ireo virijina folo? 

Nilaza tamin'i Mosesy Andriamanitra mba hanorina fitoerana masina ho Azy teto an-tany tamin'ny andron'ny TT (Eks. 25:8). Ny fitoerana masina teto an-tany no toerana niankohofan'ny olona tamin'Andriamanitra mandra-panorin'i Sôlômôna tempoly ho an'Andriamanitra (1 Mpanj. 5-8). Nampiasa izany fitoerana masina izany Andriamanitra mba hampianarana ny olony mikasika ny drafi-panavotany azy ireo. Samy nadika avy tamin'ny fitoerana masina any an-danitra na ny fitoerana masina na ny tempolin'i Sôlômôna (Heb. 8:2; vakio ihany koa ny Eks. 25:9,40).

Manerana ny Baiboly dia aseho fa misy fitoerana masina any an-danitra, izay fitoeran'Andriamanitra. Ny fanompoana natao tao amin'ny fitoerana masina tety an-tany dia "ampaham-paminaniana" maneho ny drafi-panavotana sy ny asa fisoronana ataon'i Jesôsy any an-danitra.

Vakio ny Heb. 8:6; 9:11,12, 23-28 ary ny 1 Jao. 1:9; 2:2. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo momba ny asa fisoronana ataon'i Jesôsy any an-danitra?

Hatramin'ny fotoana niakaran'i Kristy tany an-danitra, dia ny fitoerana masina no toerana anaovany asa fisoronana ho an'ny famonjena antsika (jereo ny Heb. 7:25). Araka izany dia ampirisihina isika mba "hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory."- Heb. 4:16.

Nizara roa ny asan'ny mpisoronabe tety an-tany tao amin'ny fitoerana masina. Tahaka izany koa dia mizara roa ny asan'i Jesôsy amin'ny maha-Mpisorobe antsika Azy. Manelanelana ny mpanota sy ilay Andriamanitra masina Izy, miasa mba hanafoana ny elanelana nateraky ny fahotana, ka mampihavana indray ny olombelona amin'Andriamanitra. Azon'ny olombelona izay mibebaka atao ny mifandray amin'ny Ray noho ny amin'i Jesôsy (1 Jao. 2:1). Nanomboka tamin'ny taona 1844, ny asa ataon'i Jesôsy ao amin'ny efitra masina indrindra dia mifandraika amin'ny fitsarana sy ny fanadiovana ny fitoerana masina izay natao tety an-tany amin'ny andro fanavotana (Lev. 16). "Manadio" ny fitoerana masina ny mpisoronabe tamin'izany fotoana izany. Tandindona io izay maneho ny fanadiovan'i Jesôsy ny fahotana amin'ny alalan'ny rany sy ny fampihavanana izao tontolo izao hirindra ao anatin'ny fitondram-panjakana iray eo ambany fitantanan'Andriamanitra. Ny Advantista no nampianatra voalohany indrindra momba ny fahamarinana milaza ny asa manokana ataon'i Jesôsy ho an'ny olombelona, amin'izao fotoana izao ao amin'ireo efitra roa ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra. 

Fahamarinana ara-Baiboly iray hafa inoan'ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito ary tandremany ny Sabata. Foto-pinoana lehibe izay mitondra firaisana sy firahalahiana eo amintsika izany. Ankoatra ireo vitsivitsy ao amin'ny fivavahana kristianina, dia isika irery no mitandrina azy io.

Fanomezan'Andriamanitra ho an'ny olombelona ny Sabata. Nomeny azy ireo hatramin'ny famoronana ny tany izany (Gen. 2:1-3). Henemana no nanaovan'Andriamanitra ny tany, ary zavatra telo no nataony mba hahatonga ny Sabata hiavaka. (1) Nitsahatra tamin'ny asany Andriamanitra tamin'ny Sabata, (2) Nitahy izany andro izany Izy ary (3) nanamasina izany. Ireo fihetsika telo ireo no nametraka ny Sabata ho fanomezana manokana avy amin'Andriamanitra, izay mahatonga ny taranak'olombelona hanandrana sahady ny fiainan-danitra ety an-tany sy hahatsiaro ny fahamarinana momba ny nanaovan'Andriamanitra ny tany tao anatin'ny henemana. Ny Raby fanta-daza anankiray antsoina hoe Abraham Joshua Heschel dia niantso ny Sabata hoe "Andro miavaka amin'ny rehetra", andro masina ihaonan'Andriarnanitra amin'ny olony amin'ny fomba manokana.

Inona no ampianarin'ireto andininy ireto momba ny hevitry ny Sabata ho an'ny taranak'olombelona? Eks. 20:8-11; Deo. 5:12-15; Ezek. 20:12,20.

Amin'ny maha-Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito antsika dia irintsika ny hanaraka ny ohatra nomen'i Jesôsy (Lio. 4:16). Ny fandraisan'i Jesôsy anjara tamin'ny fanompoam-pivavahana rehefa Sabata dia maneho fa nandray io andro io ho fitsaharana sy andro fiankohofana Izy. Notanterahiny tamin'ny andro Sabata ny sasany tamin'ireo fahagagana nataony mba hampianarana fa ny fanasitranana ny vatana sy ny fanahy dia fankalazana ny Sabata (jereo ny Lio. 13:10-17). Takatr’ireo Apôstôly sy ireo Kristianina voalohany fa tsy nanafoana ny Sabata tsy akory i Jesôsy,  nitandrina izany koa aza izy ireo ary nanao fanompoam-pivavahana tamin'izany andro izany (Asa. 13:14, 42, 44; 16:13; 17:2; 18:4).

Ampahany iray mahafinaritra mikasika ny fahamarinana momba ny Sabata ny maha-sary an'ohatra azy izay maneho ny fanafahan'i Jesôsy antsika amin'ny fahotana. Mbola manome teny fikasana ihany Andriamanitra fa "mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra."- Heb. 4:9. Ny olona rehetra maniry hitsahatra dia afaka manao izany amin'ny finoana fa mamonjy azy Jesôsy  Ny fitandremantsika ny Sabata dia maneho ny finoantsika an'i Jesôsy ho hany Mpamonjy hanafaka amin'ny fahotana ary hanome ny fiainana mandrakizay (vakio ny Heb. 4:10). 

Nanao ny lanitra sy ny tany Andriamanitra nandritra ny henemana ary tamin'ny fiafaran'izany henemana izany no nanaovany ny olombelona. Izao no ilazalazan'ny Baiboly izany: "Ary vovo-tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony ; dia tonga olombelona izy."- Gen. 2:7. Milaza izany tantara izany fa avy amin'Andriamanitra ny aina. Velona mandrakizay Andriamanitra, koa midika ve izany fa tsy mety maty koa ny fanahy ao anatintsika? Tsia. Voalazan'ny Baiboly fa Andriamanitra irery ihany no tsy mety maty (1 Tim. 6:16). Tsy omena ny olombelona amin'ny fahaterahany ny fiainana mandrakizay. Ambaran'ny Baiboly fa ny fiainan'ny olona dia tahaka ny "zavona ihany , izay miseho vetivety, dia levona."- Jak. 4:14, ary tahaka ny ao anatin'ny torimaso isika rehefa maty ka tsy mieritreritra na mahatsapa na inona na inona (jereo ny Mpitt. 9:5,6,10; Sal. 146:4; Sal. 115:17; Jao. 11:11-15).

Na dia nateraka ho mety maty aza ny olombelona ary ho tratry ny fahafatesana, ny Baiboly kosa dia miresaka momba an'i Jesôsy Kristy ilay loharanon'ny tsy fahafatesana ary milaza fa Izy dia mampanantena tsy fahafatesana sy fiainana mandrakizay ho an’ireo rehetra mino ny famonjeny (Ram. 6:23; 2 Tim. 1:10; Jao. 3:16). Araka izany dia manana fanantenana isika fa hisy ny fiainana aorian'ny fahafatesana.

Vakio ny 1 Kôr. 15:51-54 sy ny 1 Tes. 4:13-18. Milaza inona ireo andininy ireo momba ny fiainana aorian'ny fahafatesana sy ny fotoana hanomezan'Andriamanitra ny fiainana mandrakizay ho an'ny olombelona?

Ambaran'i Paoly mazava tsara fa tsy amin'ny andro ahafatesan'ny olona no anomezan'Andriamanitra azy ny fiainana mandrakizay. Tsia, fa amin'ny fananganana amin'ny maty no hanomezan'Andriamanitra izany, rehefa maneno ny trompetra farany. Omen'Andriamanitra toky ny amin'ny fiainana mandrakizay ny mpino rehefa mandray an'i Jesôsy ho Mpamonjy azy, saingy izany fanomezany izany dia amin'ny fotoan'ny fitsanganana amin'ny maty. Tsy mampianatra ny hevi-diso momba ny fiakaran'ny fanahy any an-danitra amin'ny fotoana ahafatesana ny TV. Lainga izany fampianarana izany. Avy taiza moa izany fampianaran-diso izany? Avy tamin'ny fanompoan-tsampy niorina tamin'ny foto-pampianarana grika fahiny izany, saingy tsy hita na aiza na aiza ao amin'ny TT na ny TV.

Manampy antsika hitoky bebe kokoa amin'ny teny fikasana momba ny fiverenan'i Jesôsy ny fampianaran'ny Baiboly momba ny fahafatesana. Amin'ny fomba ahoana?

Vakio ny "Mpikatsaka ny fahamarinana", tt. 117-126, sy ny "Jiosy sy Jentilisa", tt. 167-178, ao amin'ny VM.

"Ny filan-kevitra nanapa-kevitra momba izany dia nahitana ireo apôstôly sy mpampianatra izay niavaka tamin'ny fananganana fiangonana Jiosy sy Jentilisa, ary ireo solontena avy tamin'ny toerana samihafa. Ireo loholona avy tany Jerosalema sy ireo solontena avy tany Antiokia dia nanatrika tao koa, ary ireo fiangonana nanana hery miasa mangina be indrindra dia nanana solontena tao. Araka ny tolo-tsaina nomen'Andriamanitra no niasan'ny filan-kevitra, sy tamin'ny fahamendrehan'ny fiangonana naorin'ny sitrapon'Andriamanitra. Ho vokatry ny fanadihadiana nataony dia hitan'ny rehetra fa Andriamanitra no namaly ny fanontaniana nipetraka, tamin'ny nanomezany ny Fanahy Masina tamin'ny Jentilisa. Koa dia fantany ary fa anjarany ny manaraka ny fitarihan'ny Fanahy. "Tsy ny fiangonana iray manontolo tsy akory no nasaina nandatsa-bato momba io fanontaniana io. Ny "Apostoly sy ny loholona", olona nanan-kery miasa mangina sy saina mandanjalanja, no nandrafitra sy namoaka ny fitsipika, izay neken'ireo fiangonana Kristiana tamin'ny ankapobeny, nanomboka tamin'io. Tsy ny rehetra anefa no faly tamin'ny fanapahan-kevitra. Nisy antokona rahalahy be hambom-po sy natoky tena tsy nanaiky izany. Niditra nanao ny asa tamin'ny andraikitry ny tenany ihany ireo olona ireo. Nampanarampo ny fimonomononana sy ny fanomezan-tsiny betsaka izy sy nanolotra drafitra vaovao ary nitady izay handrodanana ny asan'ny olona efa nohosoran'Andriamanitra hampianatra ny hafatry ny filazantsara. Hatrany am-piandohany ny fiangonana no nisetra zava-misakana toy izany, ary hifanehatra amin'izany mandrakariva izy hatramin'ny faran'ny andro." - VM, tt. 173,174.

Fanontaniana ifanakalozan-kevitra:

1- Inona no fitsipika manan-danja nianaranao tamin'ity herinandro ity izay azonao sy ny mambra hafa ampiasaina mba hamahana ny olana ao amin'ny fiangonanareo? Ahoana no anampian'ny fanarahana ireo fitsipika manan-danja ireo ny fiangonanao hiombon-kevitra ao anaty filaminana?

2- Vakio indray ny teny notsongaina avy tao amin'ny VM ao amin'ny lesona androany. Tena nanampy ny fiangonana hiombon-kevitra ao anaty filaminana tokoa ny filan-kevitr'i Jerosalema. Saingy hitanao ve fa tsy faly tamin'ilay fanapahan-kevitra ny mambra sasany tao amin'ny fiangonana? Inona no lesona tokony hotsoahintsika avy amin'io tantara mampalahelo io?