Lesona 9 : Ny porofo maharesy lahatra indrindra

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 11:51,52; 2 Kôr. 5:17-21; Efes. 4:25-32 ; 5:1-2; Rôm. 14:1-6; Lio. 22:24.

Tsianjery: "Ary tsy niteny izany ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin 'izany taona izany izy, dia naminany fa Jesôsy ho faty hamonjy ny firenena; ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak'Andriarnanitra izay efa niely ho antoko iray." - Jao. 11:51,52.

TAMIN' NY HERINANDRO LASA, DIA HITANTSIKA FA NANOME NY FIANGONANTSIKA HAFATRA HOTORINA AMIN' NY OLONA REHETRA ETO AN-TANY ANDRIAMANITRA. Maneho ny firaisantsika koa io hafatra io. Amin'ny maha-fiangonana antsika dia asehontsika fa miray isika rehefa miray fo sy saina ary finoana. I Jesôsy sy ny Baiboly no ivon'ny finoantsika sy ny hafatra torintsika ary io no maha-antsika antsika.

Amin'ity herinandro ity isika, dia hijery ny hevitry ny hoe miaina firaisana eo amin'ny fiainana andavanandro ho an'ny fingonantsika. Nilaza i Jesôsy fa tokony hanao zavatra mihoatra noho ny fitoriana ny fahamarinana ny fiangonana, ka hiaina mihitsy izany fahamarinana izany. Amin'izay dia ho hitan'ny olona rehetra eto an-tany ny asam-pamonjena sy ny herin'i Jesôsy, ho resy lahatra amin'izany koa izy ireo. Raha tsy miray anefa ny mambran'ny fiangonana, dia tsy hisy olona hahita ny hery mamonjin'ny hazo fijaliana. "Manorina fatoram-piraisana amintsika samy isika ny firaisantsika amin'i Kristy. lo firaisana io no porofo maharesy lahatra indrindra ny amin'ny herin'i Kristy manaisotra ny fahotana." - SDABC, b. 5, t. 1148.

Mitahy ny fiangonany amin'ny fanomezana maro Andriamanitra, ary iray amin'izany ny firaisan'ny fiangonana. Tsy ny olombelona no mamorona ny firaisana. Tsy miseho ao amin'ny fiangonana noho ny zavatra tsara ataontsika na noho ny fitondran-tena tsara asehontsika ny firaisana fa omen'i Kristy rehefa manaiky ny fahafatesany sy ny famelany ny helotsika ary atao batisa isika. Rehefa izay dia tafiditra ao amin'ny fiarahamonina kristianina miaraka amin'ny mpino hafa isika mba hitory ny hafatry ny anjely telo amin'ny olona rehetra. Mampiray antsika amin'Andriamanitra sy amintsika samy isika ho fianakaviambe iray ny fizarantsika io hafatra io.

Milaza amintsika ny antony mahatonga ny firaisantsika amin'ny maha-Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito antsika ny Jao. 11:51,52 sy ny Efes. 1:7-10. Inona no nataon'i Jesosy teto an-tany izay mampikambana antsika ho iray?

"Ary tsy niteny izany ho azy izy [Kaiafa], fa satria mpisoronabe tamin'izany taona izany izy, dia naminany fa Jesôsy ho faty hamonjy ny firenena; ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak'Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray." - Jao. 11:51,52. Toa hafahafa ihany raha nampiasa an'i Kaiafa Andriamanitra mba hanazava ny hevitry ny fahafatesan'i Jesôsy. Tsy takatr'i Kaiafa akory ny zavatra nataony raha nanameloka an'i Jesôsy izy ka nilaza fa tokony hovonoina Izy. Tsy fantany ny antony mampitombina ny teniny momba an'i Jesôsy  Mampiasa ireo teny ireo anefa ny Baiboly mba hanehoana fahamarinana lalina mikasika ny fomba hanampian'ny fahafatesan'i Jesôsy ny vahoakan'Andriamanitra mahatoky rehetra, na aiza na aiza misy azy.

Amin'ny maha-Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito antsika dia ny fahafatesan'i Jesôsy no mahatonga antsika hanana firaisana. Manomboka manandrana io firaisana io isika rehefa mino an'i Jesôsy sy atao batisa, izay maneho ny finoantsika Azy (Gal. 3:26,27). Ny batisa ihany koa no mampifandray antsika amin'ny Advantista hafa, satria fanehoana ny finoantsika an'i Jesôsy izany. Manana Ray tokana any an-danitra isika, ka samy zanaka lahy sy zanakavavin'Andriamanitra. Ary manana Mpamonjy tokana ihany koa, ka rehefa atao batisa amin'ny finoana isika, dia miray Aminy ao amin'ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin'ny maty.

Mefy hisy fahasamihafana maro eo amintsika amin'ny maha-Advantista antsika. Nahoana anefa ny finoantsika an'i Jesôsy no tokony hihoatra ny zavatra hatao rehetra izay mety mampisaratsaraka antsika?

Feno ady sy korontana ny tantarantsika eto amin'ny planeta Tany. Indraindray dia toa tsy hifarana mihitsy izany. Tsy haharitra mandrakizay anefa izany fa miara-miasa amin'ny olony Andriamanitra mba hamarana ny fifandirana sy ny ady, sy hampiray ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety an-tany, hiray fo sy saina ary finoana an’i Jesôsy.

Ao amin'ny Efes. 2:13-16, dia miresaka momba izay nataon'i Jesôsy mba hisian'ny fampihavanana eo anivon'ny samy mpino i Paoly. Lazainy fa maty teo amin'ny hazo fijaliana i Jesôsy  ary nahatonga ny Jiosy sy ny Jentilisa ho vahoaka iray ny fahafatesany. Noravan'ny fahafatesan'i Jesôsy ny rindrina ara-pirazanana sy ara-pivavahana nampisaraka azy ireo. Nataon'i Jesôsy ho azy ireo tamin'ny taonjato voalohany TrK izany [taona 1-100]. Eritrereto fotsiny izay azony atao ho antsika amin'izao androntsika izao koa! Azony atao ny mandrava ny rindrina ara-pirazanana na ara-pomba fiainana izay mampisaraka ny olona ao amin'ny fiangonantsika ankehitriny. Rehefa izay dia azontsika atao ny manatratra ny olona rehetra eto an-tany amin'ny fahamarinana fa mamonjy ny olombelona ho afaka amin'ny fahotany i Jesôsy.

Milaza i Paoly ao amin'ny 2 Kôr. 5:17-21 fa havaozin'i Jesôsy ao Aminy sy ampihavaniny amin'Andriamanitra isika. Ahoana no anehoan'io fahamarinana io ny asa izay irin'Andriamanitra hotanterahintsika ho an'ny olona rehetra? Rehefa miray ao anatin'ny fahamarinana isika, dia inona no fiovana entin'ny fiangonantsika eo amin'ny fiainan`ny olona?

Rehefa havaozin'i Jesôsy isika, dia omen'Andriamanitra asa manokana hotanterahina ho Azy. Mizara telo io asa io:

(1) Irin'Andriamanitra ny hitaomantsika ny olona rehetra, na aiza izy na aiza, hiverina Aminy sy hikambana amintsika eo amin'ny asantsika ho Azy. Tafasaraka tamin'Andriamanitra koa isika, saingy ny Fanahy Masina dia nampiray antsika tamin'Andriamanitra noho ny finoana ny fahafatesan'i Kristy. Koa anisan'ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny andro farany isika, ary nifidy antsika Izy mba hitory ny hafatra fampitandremana farany amin'ny olona rehetra mialoha ny hiverenan'i Jesôsy  

(2) Irin'Andriamanitra ny hanehoan'ny vahoakany amin'ny olona rehetra fa i Jesôsy no Mpamonjintsika. Ahoana no hanaovantsika izany? Ny firaisantsika ao amin'i Jesôsy no manaporofo fa Izy tokoa no Mpamonjintsika. Rehefa miray amin'i Jesôsy isika, dia ho tafaray amin'ny mpino hafa koa ao anatin'ny fifankatiavana kristianina (Jao. 13:35).

(3) Rehefa miray ao anatin'ny fifankatiavana sy ny fahamarinana isika, dia asehontsika amin'ny mponina rehetra any an-danitra sy ety an-tany fa marina sy mahomby ary feno fahendrena sy fitiavana ny drafitra napetrak'Andriamanitra mba hamonjena antsika. Dia ho hitan'izy ireo fa feno fahendrena sy fitiavana izany.

Tamin'ny taona 1902 dia nanoratra i Ellen G. White hoe: "Ilain'ny Kristianina tsirairay ny ho tahaka an'i Jesôsy teo amin'ny fiainany teto an-tany. Izy no ohatra ho antsika. Tsy nanao ratsy Izy, kanefa koa mahari-po sy mora fanahy, ka nambabo ny fon'ny olona ny fitondran-tenany." - ST, 16 Jolay 1902. Mampahatsiahy antsika ny tenin'i Paoly ao amin'ny epistiliny ho an'ny Filipianina ireo teny ireo: "Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesôsy koa" - Fil. 2:5.

Vakio ny Efes. 4:25-32; 5:1-2 sy ny Kol. 3:1-17, dia valio ireto fanontaniana anankiroa ireto: (1) Eo amin'ny lafiny inona amin'ny fiainantsika no ahafahantsika maneho fa mahatoky amin'i Jesôsy isika? (2) Ahoana no ahafahantsika mitory ny Filazantsara momba an’i Jesôsy amin'ny olona mifanerasera amintsika isan'andro?

Andininy maro ao amin'ny Baiboly no mampirisika ny Kristianina hanaraka ny ohatra nomen'i Kristy ka haneho ny famindrampon'Andriamanitra amin'ny olona. Mangataka antsika koa ny Baiboly mba hitady izay mahasoa azy ireo (Mat. 7:12); hanampy azy ireo hitondra ny enta-mavesany (Gal. 6:2); hivelona fiainana ara-panahy, fa tsy fisehoana ivelany fotsiny (Mat. 16:24-26; 1 Pet. 3:3,4); ary hanaraka fomba fiainana ara-pahasalamana (1 Kôr. 10:31).

"Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny hianareo, fadio ny filan'ny nofo, fa miady amin'ny fanahy ireny; ary aoka ho tsara ny fitondran-tenanareo eo amin'ny jentilisa, mba hankalazany an'Andriamanitra amin'ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy." - 1 Pet. 2:11,12. Matetika isika no tsy mahatsapa fa manana hery hanova ny fiainan'ny olona manodidina antsika ny fiainantsika. Rehefa tezitra sy misendaotra ny olona manodidina an'i Jesôsy  dia nitoetra ho tony sy nanam-paharetana mandrakariva Izy. Tsy namela na nandositra ny adidiny na oviana na ovina Izy na dia nihasarotra sy nihahenjana aza ny fiainana. Nandefitra Izy rehefa naneho haratsiam-panahy ny olona manodidina Azy. Manasa antsika ny Baiboly mba haneho amin'ny olona rehetra ny toe-tsaina nasehon'i Jesôsy tamin'ny olona izay tsy nahalala an'Andriamanitra. Amin'izay dia ho lasa hery ho amin'ny tsara sy ho amin'ny voninahitr'Andriamanitra isika. Tokony hasehontsika amin'ny olona koa fa mihevitra sy mikarakara azy ireo isika. Rehefa miray ao anatin'io asa io ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito, dia ho vavolombelona maharesy lahatra tokoa isika.

Ahoana no ahafahanao maneho an'i Jesôsy amin'ny olona manodidina anao?

Miresaka momba ny olana izay nampisaraka ny fiangonana tany Rôma i Paoly ao Rôm. 14 sy 15. Niangavy ny mambran'ny fiangonan'i Rôma izy mba hifandefitra sy tsy hamela ny tsy fitovian-keviny hampisaraka azy. Inona no azontsika ianarana avy amin'ny torohevitra nomen'i Paoly ny fiangonana?

Miresaka momba ny sasany amin'ireo tsy fitovian-kevitra tao amin'ny fiangonana tany Rôma i Paoly ao amin'ny Rôm. 14:1-6. Nahatonga ny mambra hifampitsara izany. Inona ireo zavatra tsy nampitovy hevitra azy ireo?

Tsy isalasalana fa momba ny fitsipika sy ny lalàna jiosy ny olana tao amin'ny fiangonana tany Rôma. Milaza amintsika ny tenin'i Paoly ao amin'ny Rôm. 14:1 fa tsy tsara ny miady hevitra momba izay mety ho vahaolana, satria tsy zava-dehibe izany. Tsy misy ifandraisany amin'ny famonjena ny isam-batan'olona izany. Tsapan'i Paoly fa ny tsirairay no tokony hanapa-kevitra ny amin'izay asain'Andriamanitra ataony, ka tsy tokony hisy olona hanery ny finoany na ny safidiny amin'ny olon-kafa.

Nanomboka tamin'ny resaka sakafo aloha izany tsy fitovian-kevitra izany. Aoka hazava tsara anefa ny resatsika eto. Tsy miresaka momba ny lalàna mikasika ny biby madio sy ny biby maloto ao amin'ny Lev. 11 i Paoly. Tsy misy porofo manamarina fa nanomboka nihinana henan-kisoa na biby maloto hafa ny Kristianina tamin'ny andron'i Paoly. Fantatsika ihany koa fa tsy nihinana biby maloto i Petera (vakio ny Asa. 10:14). Ireo mpino sasany tao amin'ny fiangonana tany Rôma izay tsy niara-nihinana tamin'ny mambra no noresahin'i Paoly eto. Angamba nahatsapa izy ireo fa tsy nahandroina araka ny tokony ho izy ilay sakafo. Na koa tsy nety nihinana ilay sakafo izy ireo satria noheveriny fa naterin'ny olona tamin'ny sampy izany.

Nisy tsy fitovian-kevitra koa tao am-piangonana momba ny zavatra tokony hatao amin'ny andro sasany. Fantatsika fa tsy misy ifandraisany amin'ny fanamasinana ny Sabata koa io tsy fitovian-kevitra io, satria haintsika fa nitandrina sy nanamasina mandrakariva ny Sabata i Paoly (Asa. 13:14; Asa. 16:13; Asa. 17:2). Koa toa momba ireo andro firavoravoana na ireo andro fifadian-kanina jiosy mihitsy io tsy fitovian-kevitra io. Tian'i Paoly hanaiky ny fahasamihafana sasany ny mpino, fa tsy hanery ny hafa hino araka izay inoany. Efa fantatr'izy ireo fa tsy hamonjy azy ny fitandremana izany andro firavoravoana na fifadian-kanina izany. Koa tsapan'i Paoly fa tsy mampaninona ny mamela ny olona hankalaza ireo andro ireo. Inona no azontsika ianarana avy amin'io tantara io? Tokony hifandefitra sy hifaneho fahari-po isika, na dia tsy mitovy hevitra aza.

Miresaka momba ny fihetsehampo sy ny fifampitondran'ny mpianatra tamin'ny Paska farany ny Lio. 22:24. Ny Asa. 1:14 sy Asa. 2:1; 2:46 kosa indray dia miresaka ny amin'ny fihetsik'izy ireo mialoha ny nandrotsahan'Andriamanitra ny Fanahiny taminy. Fahasamihafana goavana tokoa izany! Inona no nanova ny fiainan'izy ireo?

Ny teny hoe: "niray saina" ao amin'ny Asa. 1:14 sy Asa. 2:46 dia midika koa hoe: "naharitra tao amin'ny firaisan-tsaina". Niray saina avokoa ny mpianatr'i Kristy rehetra satria nivory tao amin'ny toerana iray izy ireo mba hangataka ny hanirahan'Andriamanitra ny Fanahy Masina ho aminy.

Raha teo am-piandrasana ny mpianatra, dia tsy nifanameloka na nifampitsikera noho ny hadisoana nataony tamin'ny lasa izy ireo. Tsy nisy olona nilaza tamin'i Petera fa olona manafintohina izy satria namadika an'i Jesôsy (Jao. 18:15-18; Jao. 18:25-27). Tsy nisy nanameloka an'i Tômasy noho ny fisalasalany fa tena nitsangana tamin'ny maty tokoa i Jesôsy (Jao. 20:25). Tsy nisy nanameloka an'i Jaona sy Jakoba noho ny nangatahany an'i Jesôsy hanome azy ireo hery sy voninahitra ao amin'ny fanjakany mihoatra noho ny olon-kafa rehetra (Mar. 10:35-41). Tsy nisy olona niresaka momba ny fomba namorian'i Matio hetra tamin'ny lasa (Mat. 9:9).

Tsy nanao ireo zavatra ireo ny mpianatr'i Jesôsy . Nanomana azy ireo ho amin'ny firotsahan'ny Fanahy Masina ny fisakaizany sy ny fivavahany. Nanakaiky an'Andriamanitra izy ireo, ary navelany ny tsy fitoviany manokana. Nanampy azy ireo ho tonga vavolombelona feno fahasahiana ho an'i Jesôsy ny Fanahy Masina. Fantany fa namela ny hadisoany i Jesôsy, ary nanampy azy hanana fahasahiana hanao ny asan'Andriamanitra izany famelan-keloka izany. Fantany koa ny zavatra nataon'i Jesôsy teo amin'ny fiainany. Ninoan'izy ireo ny teny fikasana fa namonjy azy ireo Izy. Koa ny "Maneho ny fitoviana amin'ny toetra amam-panahin'i Kristy sy hiasa hanalehibe ny fanjakany no hambom-pon'ny mpino." - VM, t. 44. Tsy isalasalana fa nampiasa ireo olona ireo hanao zava-mahagaga amin'ny anarany ny Tompo! Lesona sarobidy ho antsika fiangonana ankehitriny tokoa izany!

Tena mora mandrakariva ny mahita ny tsy mety eo amin'ny fiainan'ny hafa. Ahoana no ianarantsika hamela ny hadisoan'ny hafa mba hiraisantsika mandrakariva ao amin'i Kristy, amin'ny maha-fiangonana antsika, mba hanao ny asan'Andriamanitra?

Vakio ny "Unity in Diversity", tt. 98-103, ao amin'ny Evangelism, Ellen G. White.

Niray tao amin'i Kristy ny fiangonana kristianina tamin'ny andron'ny TV. Nisy tsy fitoviana maro teo anivon'ny fiangonana, saingy vavolombelona mahery vaika tamin'ny olona nanodidina azy ny mambra rehetra. Koa ahoana ary no nitoeran'ny fiangonana ho iray tao amin'i Kristy? "Maneho amintsika ny Baiboly fa nitarika ny fiangonan'ny TV teo amin'ny fanapahan-kevitra noraisiny ny Fanahy Masina. Fomba telo no nanaovan'ny Fanahy izany:

(1) Nambaran'ny Fanahy tamin'ny olona ny zavatra hatao (ohatra: ny tantaran'i Kornelio sy i Ananiasy ary i Filipo).

(2) Nitarika ny fiangonana ny Fanahy Masina mba hampiasa ny Baiboly eo amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra. Ary

(3) nitarika ny fiangonana ny Fanahy Masina mba hivory sy hiray rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe momba ny olana nisy. (Nitarika ny fiangonana ny Fanahy Masina mba hiara-mifanakalo hevitra momba ny olany, handalina ny Baiboly mba hahitana vahaolana, ary hiombon-kevitra manoloana ny fanapahan-kevitra tsara noraisina.) Nampivorian'ny Fanahy ny fiangonana mba hifanakalo hevitra momba ny olana nisy rehefa tsy niombon-kevitra momba ny fampianaran'ny Baiboly sy ny fomba fiainana izy ireo. Maneho antsika ireo fivoriana ireo fa tokony hifanaiky ny hiara-mivory ny mpitarika sy ny mpino mba hifanakalo hevitra momba ny olana sy hitondra izany amim-bavaka. Maneho antsika miharihary ireo ohatra ireo fa nitarika ny fiangonana ny Fanahy Masina." - HSC, tt. 321,322.

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra : 

1- Misy zavatra inoantsika sy ataontsika amin'ny maha-Advantista antsika ve, kanefa tsy ilain'ny Advantista hafa hinoana sy hatao? Raha eny, inona izany? Amin'ny maha-fiangonana antsika, ahoana no hanapahantsika hevitra ny amin'ny fampianarana sy ny fomba fiaina mila harahina na tsia?

2- Mino ny fahafatesan'i Jesôsy sy ny fitsanganany tamin'ny maty isika, amin'ny maha-Kristianina antsika. Ahoana no anampian'io finoana io antsika hikolokolo fisakaizana mafy orina amin'ny Kristianina hafa, izay mino izany koa?