Lesona 10 : Mamerina amin'ny laoniny ny fifandraisana tapaka Andriamanitra

Hodinihina mandritra ny herinandro: Kol. 4:10,11; Fil. 1:1-25; 1 Kor. 3:5-11; Rom. 5:8-11.

Tsianjery: "Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin'Andriamanitra tamin'ny nahafatesan'ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin'ny fahavelomany ankehitriny, rehefa nampihavanina." - Rôm. 5:10. 

NA DIA TAORIAN'NY PENTEKOSTA AZA, dia tsy hoe nilamina mandrakariva tsy akory ny fifandraisan'ny mpino. Ny Baiboly dia manome antsika ohatra maromaro ny amin'ny fomba namahan'ny mpitondra fiangonana sy ny mpino ireny olana ireny. Zava-dehibe tokoa ny hahafantaran'ny fiangonantsika ankehitriny ny hevitr'ireo fitsipika narahin'izy ireo tamin'izany. Raha manaraka ireo fitsipika ireo isika, dia hahomby eo amin'ny fiarahana sy ny fifandraisana amin'ny hafa ary tsy hisy olana koa ny fifandraisantsika samy isika. 

Hodinihintsika mandritra ny lesona amin'ity herinandro ity ny fomba namerenan'Andriamanitra amin'ny laoniny indray ny firahalahiana sy ny fifandraisana tapaka teo amin'ireo mpino hafa. Ho hitantsika ihany koa ny fomba mahatonga ireny fifandraisana ireny ho hery mampitambatra antsika ho iray ao amin'i Jesôsy. Anisan'ny asan'ny Fanahy Masina ny mampanakaiky ny olona amin'Andriamanitra sy amin'izy samy izy. Izy koa no mandrodana ireo "rindrina" mampisaraka antsika amin'Andriamanitra sy amin'ny mpino hafa. Rehefa mafy orina ny fifandraisantsika samy isika dia ho mafy orina koa isika amin'ny maha-fiangonana antsika. Ny ohatra tsara indrindra azontsika fiangonana aseho amin'ny hafa momba ny fahamarinana dia tsy izay lazaintsika fa ny fomba fiainantsika. Noho izany dia tokony haneho ny fitiavan'Andriarnanitra isika (Jao. 13:35), raha tsy izany dia tsy hisy ho resy lahatra amin'izay lazaintsika ny olona. 

Mpiara-miasa i Paoly sy Barnabasy. Samy vavolombelon'i Jesôsy izy ireo. Tsy nitovy hevitra ny amin'i Jaona Marka anefa izy ireo. Zanak'olom-piray tampo i Barnabasy sy Jaona Marka. Tsy nifanaraka i Paoly sy i Barnabasy satria raha ny hevitr'i Paoly dia tsy azo antoka ny mbola hiarahana amin'i Jaona Marka any aoriana. Taloha mantsy i Jaona Marka dia natahotra ireo loza maro nanodidina azy ireo rehefa nitory ny Filazantsaran'i Jesôsy. Izany no nandaozany an'i Barnabasy sy i Paoly ka nandehanany nody (Asa 13:3).

"Izany fandaozana ny laharana izany no nahatonga an'i Paoly hanao fitsarana tsy misy fankasitrahana sy henjana an'i Marka indray mandeha. I Barnabasy kosa etsy andaniny dia nirona ny hanala tsiny azy noho ny tsy fananany fanandramana. Nampitebiteby azy ny hialan'i Marka amin'ny asan'Andriamanitra; hitany mantsy fa nisy toetra manokana teo aminy izay nety ho nahatonga azy ho mpiasa mahasoa ho an'i Kristy."—VM, t. 150.

Nampiasain'Andriamanitra ireo lehilahy telo ireo hanao ny asany. Tsy tanteraka velively anefa izy ireo ary nilaina novahana ny olana teo aminy. Nitory ny Vaovao Mahafaly momba ny famindram-pon'Andriamanitra sy ny famelan-kelony i Paoly. Ankehitriny dia izy izao no mila maneho famindrampo sy famelan-keloka toy izany ho an'i Jaona Marka. Nanjary nahery i Jaona Marka rehefa noraisin'i Barnabasy an-tanana ny aminy ka nampianariny izy (Asa. 15:39); taoriana kelin'izay dia voakasika ny fon'i Paoly noho ny fiovana hitany teo aminy.

Manoratra momba an'i Jaona Marka i Paoly ao amin'ny Kôl. 4:10,11 sy 2 Tim. 4:11. Ahoana no anehoan'ny taratasin'i Paoly fa efa matoky an'i Jaona Marka izy?

Tsy manazava an-tsipiriany amin'ny fomba nampiravona ny fifandraisan'i Paoly sy Jaona Marka ny Baiboly. Fantatsika kosa anefa fa nanjary iray amin'ireo sakaizan'i Paoly itokiany indrindra i Jaona Marka. Nambaran'i Paoly tamin'ny fiangonana tao Kolosia fa mpiara-miasa aminy amin'ny fitoriana ny Filazantsaran'i Jesôsy izy, ary teo amin'ny faramparan'ny fiainan'i Paoly dia nampirisihiny fatratra i Timoty mba hitondra an'i Jaona Marka hiaraka aminy ho any Rôma satria tena nilain'i Paoly tamin'ny asan'Andriamanitra tokoa izy (2 Tim. 4:11). Namela ny helok'i Jaona Marka i Paoly. Narodan'Andriamanitra ny rindrina nampisaraka ireo lehilahy roa ireo ka dia niara-niasa izy nitory ny filazantsaran'i Jesôsy.

Ahoana no hianarantsika mamela ny helok'ireo izay nampalahelo na nandiso fanantenana antsika? 

Tamin'ny fotoana nahavoafonja an'i Paoly tao Rôma dia nifanena tamin'ny andevo iray izay nandositra izy. Onesimosy no anarany. Nandositra avy any Kolosia ho any Roma i Onesimosy. Fantatr'i Paoly tsara ny tompony. Filemona no anarany. Noho izany dia nanoratra taratasy ho an'i Filemona namany i Paoly, ary tao anatin'io taratasy io no niezahany harnitranan.a ny fihavanana nisy teo amin'ilay namany sy ilay andevo nandositra.

Nanan-danja ho an'i Paoly ny fifandraisan'ny olona. Fantany fa manembantsembana ny fitomboana ara-panahy sy ny fifankahazoan'ny mpino ao am-piangonana ny fifandraisana tapaka. Mpitondra fiangonana ao Kolosia i Filemona, noho izany dia nilainy ny hanaisotra ny lonilony rehetra tao am-pony momba an'i Onesimosy. Fanatr'i Paoly mantsy fa mety hanimba ny asan'ny olona iray ho an'Andriamanitra ny fiehetseham-po ratsy.

Miresaka ny maha-zava-dehibe ny famitranam-pihavanana sy ny famerenana amin'ny Iaoniny ny fifandraisana tapaka i Paoly ao amin'ny Fil. 1:1-25. Inona ireo fitsipika manan-danja asain'ny Paoly arahintsika eo am-piezahana hamerina amin'ny Iaoniny ny fifandraisana tapaka?

Mety ho gaga isika hoe tsy ny fanandevozana no nomelohin'i Paoly mafy. Zavatra hafa anefa no nataon'i Paoly; niresaka momba ny Vaovao Mahafaly izy. Izany no mandrodana ireo rindrina samihafa izay mampisaraka antsika samy isika (Gal. 3:28; Kôl. 3:10,11). Nalefan'i Paoly nody tany amin'i Filemona i Onesimosy. Tsy toy ny andevo anefa no nandefasany azy tany fa toy ny zanaka ao amin'i Jesosy sy rahalahy malalan'i Filemona ao amin'i Tompo (Fil. 1:16).

Fantatr'i Paoly fa ny andevo mandositra dia tsy mba manana hoavy mamiratra loatra fa handia fiainan-tsarotra. Ankehitriny kosa anefa dia rahalahin'i Filemona ao amin'i Jesosy sy mpiara-miasa mazoto i Onesimosy. Afaka ny ho tsara kokoa izao ny hoaviny, afaka hiantoka ny sakafony sy ny trano hatoriany i Filemona, ary afaka hiaro azy raha eo am-piasana ho an'ny Tompo izy. Hanova ny fiainan'i Onesimosy ho tsara tokoa io fifandraisana tafaverina amin'ny laoniny io. Nanjary rahalahy mahatoky sy malala i Onesimosy ho an'i Paoly. Niara-niasa izy ireo tamin'ny fitoriana ny Filazantsara (Kôl. 4:9), ary nirin'i Paoly mafy ny hahatafaverina amin'ny laoniny indray ilay fihavanana tapaka teo amin'i Onesimosy sy Filemona. Vonona mihitsy aza i Paoly ny hanonitra ny vola lanin'i Filemona rehetra vokatry ny fandosiran'i Onesimosy.

Inona ireo lesona lehibe omen'ity tantara ity antsika mikasika ny fomba famitranam-pihavanana sy ny fifandraisana amin'ny hafa? 

Araka ny efa hitantsika dia nanana olana goavana ny fiangonana tao Korinto. Inona ireo fitsipika manan-danja omen'i Paoly ao amin'ny 1 Kôr. 3:5-11; 1 Kôr.12:1-11; sy 2 Kôr. 10:12-15, izay manampy amin'ny famitranam-pihavanana sy ny famahana ny olam-pifandraisana eo amin'ny samy mambran'ny fiangonana?

Manome fitsipika maro izay zava-dehibe ho an'ny firaisan'ny fiangonana i Paoly ao amin'ireo andininy ireo. Manampy antsika i Jesosy mba hifanaraka amin'ny fo sy ny saina ary ny fahamarinana isika. Voalazan'i Paoly fa manana mpiasa isan-karazany i Jesosy mba hanao asa samihafa ao amin'ny fiangonana. Miara-miasa ny mpino rehetra mandrafitra ny fanjakan'Andriamanitra (1 KOr.3:9).

Asain'Andriamanitra miasa miaraka isika sady miasa ho an'ny hafa fa tsy sanatria hifaninana. Ny mpino tsirairay dia omen'Andriamanitra fanomezam-pahasoavana mba hanao ny asany ao am-piangonana sy hanasoa ny fiaraha-monina (1 Kôr. 12:11). Tsy misy izany hoe tsara kokoa ny fanomezam-pahasoavana iray noho ny fanomezam-pahasoavana iray hafa, ilaina avokoa izy rehetra ao amin'ny fiangonan'Andriamanitra (1 Kôr. 12:18-23). Izay fanomezam-pahasoavana nomen'Andriamanitra antsika dia tsy natao hamalifaliana ny tenantsika velively fa natao hanampy antsika hitory ny Filazantsara.

Noho izany dia tsy tokony hanambara ny tenantsika ho tsara kokoa na ho ratsy kokoa noho ny hafa isika; mahatonga antsika hirehareha izany fampitahana izany na koa hatsapa ny tenantsika ho amban.y. Raha misy olon-kafa heverintsika fa tsara noho isika dia manjary ratsy ny fiheverantsika ny tenantsika ka ho mora foana ny hahavery fanantenana antsika eo am-panatanterahana ny asa izay ampanaovin'Andriamanitra antsika. Toy izany koa, raha mihevitra isika fa tsara noho ny an'ny hafa ny asa ataontsika ho an'Andriamanitra, dia hirehareha isika kanefa tsy mety izany satria tsy misy Kristianina tokony hirehareha ao am-pony.

Isaky ny mirehareha isika na mahatsiaro tena ho latsa-danja dia manimba ny asa izay mety ho vitantsika ho an'i Jesosy isika sady mandrava ny fifandraisantsika amin'ny hafa. Noho izany, dia tokony hanao ny asa ampanaovin'Andriamanitra antsika isika, ary dia hahita fifaliana sy fiadanana. Hanjary ho vavolombelona tsara ho Jesôsy isika amin'izay fotoana izay ary tsy hanimba ny asa ataon'ny mambra hafa ho Azy. Hanao asa mahagaga maro koa ny fiangonana vokatr'izany ho fampandrosoana ny fanjakan'Andriamanitra.

Nahoana isika no tsy mahazo mialona ny mpino hafa na mirehareha noho ny asa ataontsika ho an'Andriamanitra? Nahoana no tsy tsara ny mampitaha ny tenantsika amin'ny mpino hafa? 

Inona no atao hoe famelan-keloka? Rehefa mamela ny helok'izay nanao ratsy tamintsika isika, midika ye izany fa mety ny nataony? Miankina amin'ny fanekeny ho diso sy ny fifonany amiko ve aloha ny famelako ny helok'izay nanao ratsy ahy? Ary raha tsy ilain'io olona io akory ny famelako ny helony?

Ao amin'ny Rôm. 5:8-11, Lio. 23:31-34; 2 Kôr. 5:20,21; sy Efes. 4:26, dia miresaka momba ny famelan-keloka ny Testamenta Vaovao. Inona no voalaza ao amin'ireo andininy ireo izay manampy antsika amin'ny fahazoana ny atao hoe famelan-keloka?

Mitondra antsika ho amin'ny firaisana amin'Andriamanitra indray Jesôsy. "Fa ny fahamoram-panahin'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka" - Ram. 2:4. Na dia fony mbola mpanota aza isika dia nampiraisin'i Jesôsy tamin'Andriamanitra indray. Tsy ny alahelontsika noho ny fahotana sy ny fiaikentsika izany tsy akory no mampiray antsika amin'Andriamanitra, tsia, fa ny fahafatesan'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana ihany no manatanteraka izany. Ny anjarantsika dia ny manaiky ny fahafatesan'i Jesôsy ho antsika. Marina fa tsy afaka ny ho faly amin'ny fahazoana famelan-keloka isika raha tsy miaiky ny fahotantsika amin'Andriamanitra aloha, saingy tsy ny fifonantsika no mahatonga ny fon'Andriamanitra hamela ny helotsika. Efa tao am-pon'Andriamanitra rahateo ny hanao izany ho antsika, saingy ilaintsika aloha ny miaiky mba ho azon'Andriamanitra omena ilay farnelan-keloka izay efa ao am-pony (1 Jao. 1:9). Zava-dehibe tokoa ny fiaiken-keloka, tsy mampiova ny fihetseham-pon'Andriamanitra amintsika izany fa mampiova ny fihetseham-pontsika kosa amin'Andriamanitra. Rehefa avelantsika hiasa ao am-pontsika ny herin'ny Fanahy Masina, dia voaova isika, omeny antsika ny hery hialana amin'ny fahotana sy hiaikena izany.

Ankoatra izany dia zava-dehibe ho an'ny fahasalarnantsika ara-panahy ny famelan-keloka. Tsy maintsy mamela ny helok'ireo izay nanao ratsy tamintsika isika na dia tsy misy azony atao hahazoana izany aza. Raha tsy mamela izay nandratra ant sika isika dia mandratra ny tenantsika ihany, hitombo ao anatintsika ny alahelo, ary voa kokoa noho izy ireo aza isika. Vao mainka hamela azy handratra antsika bebe kokoa izany. Ireny toe-po ireny dia mandrava ny fiadanana sy ny fifanarahan-tsaina ao am-piangonana.

Toy ny manafaka olona amin'ny sazy tokony hihatra aminy vokatry ny ratsy nataony ny famelana ny helony. Izany mihitsy no nataon'i Jesôsy ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana. Afaka mamela heloka isika satria namela ny helotsika Andriamanitra. Afaka mitia isika satria tia antsika Andriamanitra. Safidy ataontsika ny mamela heloka. 

Vakio ny Mat. 18:15-17. Zavatra telo no ambaran'i Jesosy ho fanampiana antsika handravona ny adilahy mitranga rehefa misy olona manao ny tsy mety amintsika ao am-piangonana. Inona avy ireo zavatra telo ireo? Ahoana no fomba hampiharantsika izany eo amin'ny fiainantsika andavanandro?

Nanome io torohevitra io i Jesôsy ao amin'ny Mat. 18 ho fiarovana ny fiadanana sy ny filaminana ao amin'ny fiangonana; tsy tiany hiitatra ihany koa ny olana. Iriny mba ho voafetra ao anaty vondrona kely araka izay azo atao ny olana misy eo amin'ny samy mpino. Izany no antony Jesôsy ny mba hiezahan'ireo olona roa manana olana hamaha izany eo amin'ny roa tonta aloha (Mat. 18:15). Arakaraka ny maha-maro ny olona tafiditra ao anatin'ny olana iray no hitomboanizany. Izany koa dia mandrava ny fiadanana sy ny fifanarahan-tsaina ao am-piangonana. Kanefa rehefa miezaka ny Kristianina mba hamaha ny olany manokana amin'ny mangingina, am-pitiavana sy am-pitsinjovana ny namany, dia mety hihavana indray izy ireo, ary ny Fanahy Masina dia hiara-miasa aminy mba handamina ny adiny.

Indraindray dia tsy afaka mamaha ny olana raha olona roa fotsiny. Noho izany dia manasa antsika i Jesôsy mba haka olona iray na roa hafa hiaraka amintsika. Te hamerina amin'ny laoniny ny fihavanan'ny olona ny Tompo fa tsy ny hampisara-bazana azy ireo. Noho izany, rehefa avy niezaka hamaha ny olantsika miaraka arnin'ilay olona tsy mifanaraka amintsika ihany isika vao afaka manaraka io torohevitra io. Ilay olona iray na roa nantsoina dia tsy hoe hiady ho anao na koa hanome tsiny ilay olona nandratra anao tsy akory, fa ny mba hanoro amim-pitiavana sy hivavaka ho an'io asa fampihavanana io, ho amin'ny fiadanana sy fifanarahan-tsaina kristianina.

Indraindray koa dia tsy mahavaha ny toe-draharaha izany rehetra izany. Noho izany dia asain'i Jesôsy mitondra ny olana eo anatrehan'ny fiangonana isika. Tsy midika anefa izany hoe hitsangana ao anatin'ny fotoan'ny Sekoly Sabata isika ka hitantara ny olantsika amin'ny olona rehetra. Ny tsara indrindra dia ny mitondra izany eo amin'ny komitin'ny fiangonana. Ny drafitr'Andriamanitra manontolo dia natao hitondra fiadanana.

"Aoka tsy hivadika ho fankahalana ny fihetseham-po ratsy ao anatinao. Aza avela hanonitra ao anatinao ny ratra nataon'olona taminao ka hiteraka teny feno poizina. Aza avela hameno ny sainao sy ny sain'ilay nandratra anao ny fihetseham-po mampalahelo sy ny fisainana feno hatezerana. Manatona azy amin'ny fo feno fanetren-tena, ka amin'ny hatsaram-po no hiresahanao ny olana amin'ilay rahalahinao ao amin'i Jesôsy" GW, t.499. 

Vakio ny lahatsoratra "Forgiveness", tt. 825,826, ao amin'ny The Ellen G. White Encyclopedia.

"Mila an'i Jesosy mitoetra ao aminy ireo mpiasa ho an'Andriamanitra. Ireo fihetseham-po feno fitiavan-tena ao am-pony dia tsy maintsy maty ary ialana ny faniriana te ho lohany. Tsy maintsy avelany ny faniriana hifehy ny hafa ao am-piangonana. Tsy azony atao ny miady amin'ireo mpino an'i Jesôsy hafa. Tsy maintsy mamela an'Andriamanitra hanamasina azy izy; ary dia ho hita sy ho tsapan'ny olona ny fitiavan'izy ireo; harotsaky ny Fanahy Masina amin'izy ireo ny fahasoavana sy ny famindrampo izay nampanantenain'Andriamanitra fa homeny ny fiangonana. Ny teny fikasan'Andriamanitra dia tsy maintsy tanteraka mandrakariva."— SLM, b. 1, t. 175 (nasiam-panamboarana).

"Inona no tsy maintsy ataontsika raha tiantsika ny ho tafajoro eo anatrehan'Andriamanitra amin'ilay andro izay hitsaran'Andriamanitra ny olona rehetra? Mila manao an'i Jesôsy ho fialofana azo antoka isika. Tsy maintsy ialantsika ny fialonana sy ny faniriana te ho voalohany. Tsy maintsy potehintsika izay rehetra mety hahatonga antsika hialona sy hirehareha satria tsy masina izany. Tsy azontsika avela hirongatra ao anatintsika indray ireny. Mila miray tanteraka amin'i Jesôsy isika" — LDE, t.190 (nasiam-panamboarana). 

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra :

1- Ao amin'ny KôI. 3:12-17 dia miresaka mikasika ny tokony ho toetran'ny fiangonana kristianina i Paoly. Toetra manao ahoana no tian'i Paoly hananan'ny fiangonana? Nahoana no tokony hanana izany toetra izany isika amin'izay rehetra ataontsika mba hamahana ny olana ao amin'ny fiangonana?

2- Avereno vakina ny KôI. 3:12-17. Diniho ireo fampianarana voarakitra ao. Nahoana no zava-dehibe ho an'ny fiangonana ireo fampianarana ireo? Fomba ahoana no hanampiany ny mambra hanana fiadanana sy filaminana?

3- Inona no tena olana lehibe indrindra eo amin'ny fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito amin'izao fotoana izao, izay mahatonga antsika tsy hifanara-tsaina? Inona no azontsika atao mba hanana ilay firaisan-tsaina iiaina amin'ny fitoriana ny Filazantsaran'i Jesôsy amin'ny olona rehetra eto ambonin'ny tany? Manana hery afaka hanova ny fo ny Fanahy Masina ka hahatonga ho zava-misy ilay firaisan-tsaina ilaintsika. Nahoana no tsy maintsy mangataka ny herin'ny Fanahy Masina isika mba hanova ny fiainantsika?