Lesona 11 : Mampiray ny fontsika ao amin'ny fiankohofana i Jesôsy

Hodinihina mandritra ny herinandro: Apok. 4:8,11; Mat. 4:8,9; Dan. 3:8-18; Apôk.14:9-11; Asa. 4:23-31.

Tsianjery :Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano " - Apôk.14:6,7.

NANDROTSAKA NY FANAHINY TAMIN'NY FIANGONAN’ANDRIAMANITRA (Asa. 2:1-4), ary ampahy betsaka tamin'ny fotoany no natokany hiankohofana amin'Andriamanitra (Asa. 2:42). Nahafaly ny fiangonana ny nahafantatra fa Mparnonjy azy ireo i Jesôsy . Fanomezana fatratra loatra ho azy ireo ny fahafantarana ny faharnarinan'Andriamanitra lehibe! Ireo Kristianina voalohany ireo dia nahatsapa fa mila fotoana iarahana am-pirahalahiana izy ireo, miara-mianatra Baiboly sy mivavaka. Nisaotra an'Andriamanitra izy ireo noho ny nanomezany azy ny fahamarinana momba ny fiainan'i Jesôsy , ny nahafatesany, ary ny nitsanganany tamin'ny maty; nisaotra an'Andriamanitra izy ireo noho ny zavatra rehetra nataony teo amin'ny fiainany.

Ny fiangonan'i Jesôsy dia fikambanana iray mivavaka amin'Andriamanitra. Nifidy ny fiangonana Andriamanitra mba ho "trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy" - 1 Pet. 2:5. Handinika momba ny fiankohofana isika amin'ity herinandro ity. Hianarantsika ny mahatonga ny fiarahantsika miankohoka hanampy antsika hanana fiadanana sy hifanara-tsaina. 

Rehefa miresaka momba ny fiankohofana isika dia matetika mikasika ny fanompoam-pivavahana sy ny fomba fanatanterahana azy no resahintsika. Kanefa inona marina moa no tena hevitry ny fiankohofana? Mitondra inona ny fiankohofana amin'Andriamanitra? Nahoana isika no miankohoka? Hoy i Davida ao amin'ny Sal. 29:2: "Omeo an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina." Manampy antsika amin'ny fahazoana an-tsaina ny hevitry ny fiankohofana io salamo io. Ny atao hoe miankohoka amin'Andriamanitra dia manome Azy ny fiderana sy ny voninahitra izay tokony ho Azy.

Ny Apôk. 4 sy 5 dia manambara ny zava-nitranga tany an-danitra rehefa niditra tany i Jesôsy taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty. Milaza ireo toko ireo fa miankohoka amin'Andriamanitra sy i Jesosy Zanak'ondrin'Andriamanitra, ny mponin'ny lanitra. Araka ny hitantsika eto, inona no anton'ny iankohofan'ny mponin’ny lanitra amin'Andriamanitra sy i Jesôsy ? Jereo koa ny Apôk. 4:8,11 sy Apok. 5:9,10,12 ary 13.

Mampiseho amintsika izay mitranga ao amin'ny toerana misy ny seza fiandrianana any an-danitra ny Apôk. 4 sy 5. Iankohofana amin'ny maha-Zanak'ondrin'Andriamanitra Azy sy amin'ny maha-Mpamonjy ny olombelona rehetra Azy i Jesôsy. Miankohoka ny olona rehefa maneho ny fitiavany an'Andriamanitra sy ny fankasitrahany Azy noho ny zavatra rehetra ataony ho azy ireo. Amin'ny andro farany, dia ho velom-pisaorana ireo izay novonjen'i Jesôsy ary hidera Azy noho ny famonjena nataony (Apok. 15:3,4).

Ny fiankohofana ary izany dia fisaorana an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra nataony ho antsika: voalohany, noho ny namoronany antsika, ary faharoa, noho ny namonjeny antsika. Rehefa miankohoka isika dia manome an'Andriamanitra ny fiderana, ny fitiavana, ary ny fankatoavana izay inoantsika fa Azy. Tonga teto amin'ity tany ity i Jesôsy mba hampahafantatra antsika misimisy kokoa ny momba an'Andriamanitra (vakio Jao. 14:8-14). Izany no antony iankohofan'ny Kristianina amin'i Jesôsy amin'ny maha-Mpamorona sady Mpamonjy Azy. Ny nahafatesan'i Jesôsy sy ny nitsanganany tamin'ny maty no ivon'ny fiankohofantsika.

Rehefa manao fanompoam-pivavahana isika Kristianina dia mivondrona satria feno fanajana sy fisaorana an'Andriamanitra. Tokony hiainga amin'izany toe-tsaina sy fihetseham-po feno fanajana sy fisaorana izany hatrany ny fiankohofantsika.

Saintsaino ny amin'ny zavatra rehetra nomen'Andriamanitra antsika ao amin'i Jesôsy. Namorona antsika sy mamonjy antsika ho afaka amin'ny fahotana i Jesôsy. Nahoana no tokony ho anton'ny fiankohofantsika manontolo izany fahamarinana izany?

Miresaka momba an'i Jesôsy nalain'ny devoly fanahy tany an'efitra ny Mat. 4:8,9. Niezaka nitaona an'i Jesôsy hanota in-telo ny devoly. Inona ilay fahotana fahatelo izay nakan'ny devoly fanahy an'i Jesôsy?

Feno fireharehana ny fon'i Satana. Nambarany tamin'i Jesôsy fa izy no tena manapaka ity tany ity ka azy avokoa ny voninahiny sy ny hareny. Nolazainy fa izy irery no mendrika ny fiderana sy ny fanajan'ny olona rehetra eto ambonin'ny tany. Niseho ho toy ny mpamorona ny tany i Satana. Fitenenan-dratsy an'Andriamanitra ny teniny! Nasehon'i Satana tamin'izany fa hainy tsara ny atao hoe fiankohofana: midika izany fa tsy maintsy manome voninahitra sy fanajana an'Andriamanitra isika. Andriamanitra no tena tompon'ny lanitra sy ny tany, Izy no nanao ny tany fa tsy i Satana.

Vakio ny tantaran'ireo Hebreo telo lahy ao amin'ny Dan. 3 (hevero manokana ny and. 8-18). Izao kosa dia vakio ny momba ilay fahefana amin'ny andro farany voalaza ao amin'ny Apok. 13:4 sy ny Apok. 14:9-11. Momba ny inona ilay tsy fifanarahana ao amin'ny Apôk. 13 sy 14? Inona no hevitra manan-danja indrindra hita ao amin'ireo tantara ao amin'ny bokin'i Daniela sy Apokalipsy?

Ao amin'ireo tantara voarakitra ao amin'ny Baiboly dia miezaka i Satana hamily ny fiankohofantsika amin'Andriamanitra ho amin'ny fiankohofana sandoka. Hitantsika izany ao amin'ny tantaran'i Kaina sy Abela, ary koa ao amin'ny tantaran'ireo Hebreo telo lahy tany Babilonina. Hanao toy izany hatrany i Satana amin'ny andro farany (Apôk. 16:2). Io drafitr'i Satana mikasika ny fiankohofana sandoka io dia mitaona mandrakariva ny olona hiankohoka aminy fa tsy amin'Andriamanitra. Talohan'ny nanotan'i Adama sy Eva dia efa naniry ny hitovy amin'Andriamanitra i Satana (Isa. 14:14). Tsy niova velively i Satana. Tahaka izay nitranga tamin'ireo Hebreo telo lahy ihany no mbola hitranga amin'ireo olon'Andriamanitra mahatoky amin'ny andro farany: horahonana ho faty izy ireo raha manda tsy hiankohoka amin'ilay andriamanitra sandoka.

"Endrey ny halehiben'ireo lesona nampianarin'izy telo lahy Hebreo teo amin'ny tany lemak'i Dora !... "

"Hitaky finoana tsy azo hozongozonina ny androm-pahoriana izay handalovan'ny vahoakan'Andriamanitra. Hasehon'izy ireo fa ny Tompo irery ihany no ivavahany ary tsy hisy hena-maso olona mihitsy na dia hamoizany ny ainy aza, hahatarika azy amin'ny fahafoizana na dia kely akory aza ho amin'ny fanompoam-pivavahana sandoka. Tsy misy dikany amin'ny fo mahatoky izay baiko omen'olombelona mpanota, tsy mahita lanitra, raha miolotra amin'ny Tenin'Andriamanitra. Tsy maintsy arahina ny fahamarinana na dia hidirana an-tranomaizina aza izany, na dia hahatonga sesitany sy hahatonga fahafatesana aza."--- MM, tt. 418,419.

Mino ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito fa ireo hafatry ny anjely telo ao amin'ny Apôk. 14:6-12 dia mampiseho ny asa asain'Andriamanitra ataony amin'ny andro farany. Hitantsika ao amin'ny Apôk. 14:14-20 ireo hafatra nomen'Andriamanitra ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito mba hozarainy amin'ny olona mialoha ny fiverenan'i Jesôsy fanindroany. Mandidy ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito Andriamanitra mba hitory amin-kery ireo hafatra lehibe ireo amin'ny mponina rehetra eto an-tany.

Manambara ny hafatry ny anjely voalohany ny Apok. 14:6,7. Inona izany hafatra izany? Inona no ambaran'io hafatra io momba an'Andriamanitra? Nahoana no miresaka momba ny fiankohofana io hafatra io?

Ho an'ny olombelona rehetra eto an-tany ny hafatry ny anjely voalohany (vakio koa Mat. 24:14). Toa tsapa fa mila manao zavatra haingana sy miasa haingana ilay "anjely". Manasa ny olona mba hifantoka tanteraka amin'Andriamanitra ny hafatra voalohany satria "tonga ny andro fitsarany - Apok. 14:7. Tsy maintsy mitsara ny olony aloha Andriamanitra mialoha ny fiverenan'i Jesôsy.

"Matahora an'Andriamanitra ka omeo voninahitra Izy", hoy ilay anjely ao amin'ny Apok. 14:7. Maro ireo izay tsy mankato na manome voninahitra an'Andriamanitra. Noho izany dia hatahotra izy ireo noho izany hafatra izany. Saingy ireo mpanara-dia an'i Jesôsy kosa raha mandre ny hafatra dia fend fitiavana sy fanajana an'Andriamanitra, manantena Azy izy ireo. Fantany fa izay rehetra ampanantenain'Andriamanitra dia tanterahiny tokoa, koa dia ho lalina kokoa ny fitiavany an'Andriamanitra.

"Miankohofa eo anoloan'Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano "- Apok. 14:7. Mampahatsiahy antsika ny amin'ny didy momba ny Sabata sy ny namoronan'Andriamanitra ny tany tao anatin'ny henemana ireo teny ireo (vakio Eks. 20:8-11). Nataon'Andriamanitra ny Sabata mba hahatsiarovantsika fa ny heriny no narnoronany ny zavatra rehetra ka Izy irery ihany no mendrika ny fiankohofantsika sy ny fiderantsika.

"Ny fiankohofana no fototry ny ady lehibe ifanaovan'Andriamanitra sy i Satana amin'ny andro farany. Tsy mahagaga raha nandefa io hafatry ny anjely voalohany io Andriamanitra ho fitaomana ny olona rehetra eto ambonin'ny tany mba hiankohoka amin'Andriamanitra, Ilay Mpamorona azy ireo. Izy irery ihany no mendrika ny fiankohofantsika" RJC, tt. 444, 445, nasiam-panamboarana.

Ny Asa. 2:42 dia manambara ireo zavatra sasantsasany nataon'ireo Kristianina ao amin'ny Testamenta Vaovao, rehefa miara-mivavaka izy ireo. Inona avy ireo zavatra nataony rehefa nivavaka tamin'Andriamanitra izy ireo?

"Ary izy ireo naharitra tamin'ny fampianaran'ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana" - Asa. 2:42. Hatramin'ny fotoana voalohany nisian'ny fiangonana dia tsy maintsy tafiditra ao anatin'ny fiankohofana tao amin'ny fiangonan'ny TV ny fandinihana ny Baiboly. Nandinika ny Baiboly ny Kristianina voalohany mba hahafantarany misimisy kokoa momba an'i Jesosy amin'ny maha-Mpamonjiny Azy. Miara-mivory mandrakariva izy ireo mba hifampizara ny fitahiana nomen'Andriamanitra azy ary mifampahery eo amin'ny diany ara-panahy miaraka amin'Andriamanitra. Nianatra ireo fahamarinana masina avy ao amin'ny Baiboly izy ireo, ka izany fahamarinana izany no nanjary hafatra notoriny tamin'ny olona rehetra teto ambonin'ny tany.

Inona no ampianarin'ireto andininy manaraka ireto mikasika ny maha-zava-dehibe ny fandinihana ny Baiboly miaraka amin'ny mpino hafa?

2 Mpanj. 22:8-13.................................................................................................................................................................................

Asa. 17:10,11......................................................................................................................................................................................

2 Tim. 3:14-17.....................................................................................................................................................................................

"Na taiza na taiza itoriana ny fahamarinan'ny filazantsara, dia voatarika hazoto handinika ny Soratra Masina izay maniry hanao ny tsara. Amin'izao toe-javatra mamarana ny tantaran'ny tany izao, raha manaraka ny ohatr'ireo Beriana ireo izay itoriana ny fahamarinana ho fisedrana azy, ka mandinika Soratra Masina isan'andro, sy mampitaha ny hafatra nentina ho azy amin'ny Tenin'Andriamanitra, dia hisy olona maro kokoa amin'izao fotoana izao no hahatoky amin'ny foto-kevitry ny lalàn'Andriamanitra, eo amin'ny toerana izay azo lazaina fa vitsy ihany ankehitriny." VM, tt. 203,204.

Mampitambatra antsika ho vahoaka iray ny fahamarinana izay torintsika. Ny fandinihana Baiboly dia ivon'ny fiankohofantsika amin'Andriamanitra sy ny firaisantsika saina amin'ny maha-vahoakan'Andriamanitra antsika. Rehefa mivory mba hivavaka isika dia ny Baiboly no manome ny Tenin'Andriamanitra ho antsika. Mitantana ny fiainantsika sy manampy antsika izany teny izany mba ho vonona amin'ny fiverenan'i Jesôsy isika. Manao ahoana ny halalin'ny fahalalanao ny fahamarinan’ny Baiboly?

Imbetsaka no nisy olana teo amin'ny fiangonan'ny TV, saingy nampiraisin'Andriamanitra tao amin'ny finoany an'i Jesôsy ny mambra. Niray saina izy ireo momba ny asa nampanaovin'Andriamanitra azy ary nino izy fa tian'Andriamanitra hitory ny Filazantsara momba an'i Jesôsy amin'ny olombelona rehetra. Nampiraisin'Andriamanitra tao amin'ny fahamarinana izy ireo. Nasehon'ny fiangonana tamin'ny fomba maro hafa ihany koa ny maha-iray azy ireo.

"Ary izy ireo naharitra tamin'ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana" - Asa. 2:42. Rehefa nisakafo dia nisy mambra iray nitso-drano ny mofo sy ny zava-pisotro. Nanampy ny Kristianina tamin'ny fahatsiarovana ny fahafatesan'i Jesôsy sy ny fitsanganany tamin'ny maty ny mofo sy ny zava-pisotro. Nanantena hahita an'i Jesôsy hiverina tsy ho ela ireo mpino ka natokany hahatsiarovana ny fiainan'i Jesôsy sy ny asany ny fotoany. Tena mamin'izy ireo ny miresaka momba Azy eo am-pisakafoana, ka nanjary tafiditra tao anatin'ny fotoam-piankohofany ny fiombonana amin'ny sakafo. "Ary dia niray saina isan'andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan'ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin'ny fifaliana sy ny fahatsaram-po" - Asa. 2:46. "Nidera an'Andriamanitra sady nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'ireo" - Asa. 2:47. Tsy isalasalana fa tena nampahatanjaka ny fiangonana tokoa io fotoam-pirahalahiana io.

Inona avy ireo ohatra ahitana Kristianina miara-mivavaka ao amin'ny Asan'ny Apostoly? Inona no antony nivavahan'izy ireo?

Asa. 1:14....................................................................................................................................................................................................

Asa. 4:23-31..............................................................................................................................................................................................

Asa. 12:12.................................................................................................................................................................................................

Nankamarny ny firesahana tamin'Andriamanitra tokoa ireo mambran'ny fiangonana tao amin'ny TV. Tsy hadinon'izy ireo mihitsy ny mangataka izay ilainy rehefa mivory amin'ny fiaraha-mivavaka izy ireo. Ao amin'ny taratasy voalohany nosoratan'i Paoly ho an'i Timoty dia nilaza i Paoly fa zava-dehibe ho an'ny Kristianina ny mivavaka rehefa mivory izy ireo (1 Tim. 2:1). Miresaka momba ny ilana ny vavaka ihany koa i Paoly ao amin'ny taratasiny ho an'ny Efesianina (Efes. 6:18,19).

Mahatonga antsika hanana firaisana etiety kokoa ao am-piangonana ny fiarahana mivavaka ho an'ny olona hafa. Amin'ny fomba ahoana?

"Ny maha-zava-dehibe ny Sabata amin'ny maha-tsangambaton'ny famoronana azy dia izy mampahatsiaro mandrakariva ny tena antony tokony hiankohofana amin'Andriamanitra — satria Mpamorona Izy, ary isika noforoniny. Noho izany ny Sabata dia tena fototry ny fiankohofana amin'Andriamanitra mihitsy satria mampianatra io fahamarinana lehibe io amin'ny fomba manaitra indrindra izy, ary tsy misy fanorenana hafa (nataon'Andriamanitra) manao izany. Ny tena fototry ny fanompoana an'Andriamanitra, tsy amin'ny andro fahafito ihany, fa ny fanompoana azy rehetra, dia Nita eo amin'ny fahasamihafan'ny Mpamorona sy ny noforonina. Tsy azo atao na oviana na oviana ny manafoana izany ary tsy azo hadinoina na oviana na oviana izany" — History of the Sabbath, J. N. Andrews, toko 27.

"Mba hitazonana io fahamarinana io ao an-tsain'ny olona mandrakariva no nanorenan'Andriamanitra ny Sabata tany Edena; ary raha mbola ny maha-Mpamorona antsika Azy ihany no antony tokony hiankohofantsika eo anatrehany, dia mbola ho famantarana sy tsangambato ihany ny Sabata. Raha notandremana eran'izao tontolo izao ny Sabata, dia ho voatarika ho eo amin'ny Mpamorona ny saina sy ny fitiavan'ny olona, amin'ny maha-tokony hanajana Azy sy hiankohofana Aminy, ary tsy ho nisy na oviana na oviana mpanompo sampy, na mpanda ny fisian'Andriarnanitra, na tsy mpino. Ny fitandremana ny Sabata no famantarana ny firaiketam-po amin'Andriamanitra marina, 'Ilay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny loharano'. Noho izany ny hafatra izay mibaiko ny olona hiankohoka eo anatrehan'Andriamanitra sy hitandrina ny didiny dia miantso azy ireo amin'ny fomba manokana hitandrina ny didy fahefatra." — HM, tt. 451,452.

Fanontanina hifanakalozan-kevitra :

1- Ahoana no mahatonga ny Sabata hanjary "fanafody" avy amin'Andriamanitra ka manafaka antsika amin'ny fivavahana sandoka? Inona no anjara tanan'ny Sabata amin'ny andro farany? Ahoana no anampian'ny Apok.14:6,7 antsika hamaly izany fanontaniana izany? Nahoana no miresaka momba ny Sabata ny hafatry ny anjely voalohany?

2- Imbetsaka isika no miresaka momba ireo zavatra atao sy tsy azo atao mandrifra ny fanompoam-pivavahana. Ny lisitry ny azo atao sy ny tsy azo atao ve no betsaka kokoa sa ny fiankohofana? Inona no atao hoe fiankohofana ary Inona no zava-kendreny?Ahoana no fomba fiankohofan’ny fiangonana misy anao?

3- Any amin'ny firenena sasany dia tsy mivory hiara-mivavaka intsony ny Kristianina. Inona no azonao atao hampirisihana ny mambra mba hiaraka hiankohoka amin'Andriamanitra?