Lesona 1: Filazantsara avy tamin'i Jaona tany Patmô

Hodinihina mandritra ny herinandro: Apôk. 1:1,2; Jao. 14:1–3; Deo. 29:28; Dan. 7:1–3; Apôk. 1:4,5.

Tsianjery: "Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro." - Apôk. 1:3.

NANOME HAFATRA MANOKANA NY APOSTOLY JAONA tao anaty fahitana Andriamanitra, efa maherin’ny 1900 taona lasa izay. Natao sesitany tany Patmô izy tamin’izany fotoana izany. I Patmô dia nosy kely feno harambato ao amin’ny ranomasina Egée (Apôk. 1:9). Nalefan’ny amperora rômanina nipetraka tany izy ho famaizana azy satria tsy nety nitsahatra tsy hitory ny momba an’i Jesôsy izy. Tao Patmô no nanoratany boky iray momba ny hafatra na ny fahitana nomen’Andriamanitra azy. Antsoina hoe Apôkalipsy io boky nosoratany io. Milaza amintsika ny Apôk. 1:3 fa tian’Andriamanitra hovakin’ny olony amin’ny feo avo amin’ny fiangonana ny bokin’ny Apôkalipsy. Hotahiny amin’ny fomba manokana izay mamaky izany amin’ny fiangonana. Mampanantena koa Andriamanitra fa hotahiny ny olona mihaino sy mitandrina ny hafatra ampitaina aminy (Apôk. 22:7).

Maneho amintsika ny fitiavana sy ny fikarakaran’Andriamanitra ireo faminaniana ao amin’ny bokin’ny Apôkalipsy. Asehony ny hafohin’ity fiainana ity sy ny fiheliny, ny famonjena ao amin’i Jesôsy, ary ny fiantsoana antsika mba hampiely ny filazantsara.

Tahaka ny fanilo manazava ao anatin’ny toerana maizina ireo faminanian’ny Baiboly (2 Pet. 1:19). Koa nomen’Andriamanitra antsika ireo faminaniana ao amin’ny Apôkalipsy mba hitarika ny fiainantsika ankehitriny sy hanome antsika fanantenana ny amin’ny hoavy raha eo am-piandrasana ny fiverenan’i Jesôsy isika

Miresaka momba ny hevitry ny anarana hoe “Apôkalipsy” ny Apôk. 1:1,2. Inona no hevitr’io anarana io? Inona no asehon’io anarana io momba ny olona resahin’ilay boky?

Milaza ny Apôk. 1:1 fa ny “fanambaran'i Jesosy Kristy” no anaran’ny boky farany ao amin’ny Baiboly. Inona no hevitr’io anarana io? Ny voambolana hoe fanambarana dia avy amin’ny voambolana grika hoe “apokalypsis”, izay midika hoe “aseho mazava” na “manila ny rakotra eo amin’ny zavatra iray mba hahitana izany”. Koa maneho an’i Jesôsy izany ny bokin’ny Apôkalipsy. Sady avy amin’i Jesôsy no momba an’i Jesôsy izy io. Midika izany fa avy amin’i Jesôsy ny bokin’ny Apôkalipsy (Apôk. 22:16); Izy koa anefa no ivon’ny hafatra rehetra ao aminy. Ny bokin’ny Apôkalipsy dia fanambaran’i Jesôsy ny tenany amin’ny olony mba hanehoana amin’izy ireo fa tia azy ireo Izy.

Manomboka amin’i Jesôsy (Apôk. 1:5–8) ary mifarana Aminy (Apôk. 22:12–16) ny bokin’ny Apôkalipsy. “Andao isika hianatra avy amin’ny bokin’i Daniela sy ny Apôkalipsy. Saingy na ampahany inona na ampahany inona amin’ireo boky ireo no ampianarintsika, dia aoka hasehontsika amin’ny olona rehetra fa i Jesôsy no ivon’ny fanantenana rehetra.” — TMGW, t. 118.

Jesôsy ilay ao amin’ny bokin’ny Apôkalipsy ihany no ilay Jesôsy ao amin’ireo Filazantsara efatra. Manomboka ao amin’ireo Filazantsara ireo ny tantaran’i Jesôsy, saingy tsy nifarana teo. Ny asa nataon’i Jesôsy mba hamonjena ny olona fony Izy nonina teto an-tany fotsiny no tantarain’ny Filazantsara amintsika. Manohy ny tantarany taorian’ny niakarany tany an-danitra kosa ny bokin’ny Apôkalipsy, izay mifantoka kokoa amin’ireo lafiny hafa amin’ny asan’i Jesôsy mba hamonjena ny olombelona. Manomboka amin’izay ifaranan’ny Filazantsara izany, izany hoe amin’ny fitsanganan’i Jesôsy tamin’ny maty sy ny fiakarany tany an-danitra.

Manasongadina izay ataon’i Jesôsy ho antsika any an-danitra amin’izao fotoana izao ny bokin’ny Apôkalipsy. Asehon’izany fa napetraka teo amin’ny asany amin’ny maha- Mpanjaka sy amin’ny maha-Mpisorona Azy any amin’ny fitoerana masina any an-danitra i Jesôsy taorian’ny niakarany tany an-danitra. Raha tsy eo ny bokin’ny Apôkalipsy (sy ny Hebreo), dia tsy ho takatsika amin’ny fahafenoany ireo zavatra ataon’i Jesôsy ho antsika any an-danitra amin’izao fotoana izao. Koa tsy zava-miafina intsony izany asany izany noho ireo boky ireo.

Vakio ny teny fikasana ao amin’ny Jao. 14:1–3. Ahoana no anampian’io teny fikasana io antsika hahatakatra tsara kokoa ireo zavatra ataon’i Jesôsy ho antsika any an-danitra amin’izao fotoana izao? Ahoana no anomezan’io teny fikasana io fanantenana ho antsika?

Vakio ireo fahitana nomen’Andriamanitra an’i Jaona ao amin’ny Apok.13:1, sy an’i Daniela ao amin’ny Dan. 7:1–3, ary an’i Ezekiela ao amin’ny Ezek. 1:1–14. Inona no zavatra tokana mitovy ao amin’ireo fahitana rehetra ireo?

Hoy ny Apôk. 1:1: “Ny fanambaran'i Jesôsy Kristy, izay nomen'Andriamanitra Azy, mba hasehony amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin'i Jaona mpanompony”. Hitanao ve ilay teny nadika hoe “hanambara”? Tena manan-danja tokoa io voambolana io, izay nadika avy tamin’ny voambolana grika hoe sēmainō. Midika hoe “mampiasa sary an’ohatra na famantarana mba hanazavana ny hevitry ny zavatra iray” io voambolana grika hoe sēmainō io. Ampiasaina ao amin’ny dikanten’ny TT amin’ny teny grika (izay antsoina hoe “Septante”) io voambolana io. Nohazavain’i Daniela ao amin’ny Septante tamin’ny mpanjaka Nebôkadnezara ny hevitry ny sariolona hitan’ny mpanjaka tao amin’ny nofiny. Vita tamin’ny volamena, volafotsy, varahina, ary vy io sariolona io. Nampiasain’Andriamanitra izany mba hanambarana [sēmainō] amin’ny mpanjaka “ny amin'ny zavatra ho avy rahatrizay” - Dan. 2:45. Koa raha nanoratra ilay voambolana hoe “sēmainō” izay mitovy amin’izay nampiasain’i Daniela i Jaona ao amin’ny Apôkalipsy, dia ambarany amintsika amin’izany fa ny zavatra nasehon’Andriamanitra azy dia famantarana sy sary an’ohatra entina ilazana ireo zavatra hitranga amin’ny hoavy.

Hitantsika fa mampiasa ny voambolana hoe “sēmainō” i Daniela sy i Jaona mba hanazavana ny zavatra hitany tao amin’ny fahitana azony. Koa rehefa mampiasa io voambolana grika io i Jaona ao amin’ny Apôk. 1:1, dia fantatsika fa famantarana fa tsy zavatra tena izy ny ankamaroan’ireo sary an’ohatra ao amin’ny Apôkalipsy. Na izany aza, maneho zavatra tena hitranga izay ho tanteraka amin’ny hoavy ireo sary an’ohatra ireo. Fantatsika koa anefa fa tsy zavatra tena misy ireo sary an’ohatra ireo. Ity misy fitsipika tsara hotsaroana rehefa mamaky ny bokin’ny Apôkalipsy ianao: rehefa mahita sary an’ohatra ianao, dia tokony horaisina ho toy ny famantarana zavatra hafa izany. Ahoana kosa indray raha toa ka mampiasa sary an’ohatra izay tsy famantarana i Jaona? Rehefa misy sary an’ohatra tsy famantarana, dia azonao itokiana fa zavatra tena misy izany ka tsy midika zavatra hafa ankoatra izay. 

Hanampy antsika hahatakatra ireo faminaniana ao amin’ny bokin’ny Apôkalipsy io fitsipika io. Avy amin’ny sary an’ohatra ao amin’ny TT ny ankamaroan’ny sary an’ohatra ao amin’ny bokin’ny Apôkalipsy. Koa tsy maintsy avelantsika hanampy antsika hahatakatra ny hevitry ny sary an’ohatra ao amin’ny Apôkalipsy ireo sary an’ohatra ao amin’ny TT.

Vakio ireo fiarahabana ao amin’nyApôk. 1:4,5  sy Rôm. 1:7.  Inona no mampitovy ireo fiarahabana roa ireo? Iza no miarahaba ao amin’ireo boky ireo tsirairay avy?

Fiarahabana nampiasain’ny olona maro tamin’izany fotoana izany rehefa nanoratra taratasy no ataon’ireo toko sy andininy roa ireo: “Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana” - Apôk. 1:4. Fiarahabana roa tena samihafa avy amin’ny teny grika sy hebreo io fiarahabana io. I Jaona sy i Paoly dia samy mampitambatra ny fiarahabana grika “charis”, izay midika hoe “fahasoavana”, sy ny fiarahabana hebreo hoe “shalom”, izay midika hoe “fiadanana”. Hitantsika ao amin’ny epistilin’i Jaona, sy ao amin’ny epistilin’i Paoly koa, fa ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina no Mpanome ny fahasoavana sy ny fiadanana.Ambaran’i Jaona fa Andriamanitra Ray no “Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy” - Apôk. 1:8.

Io sarin’Andriamanitra io dia manampy antsika hahatsiaro ny anarany hoe Jehôvah, izay midika hoe “IZAHO, IZAY IZY” – Eks. 3:14. Ny anarana hoe Jehôvah dia milaza amintsika fa tsy nataon’olona Andriamanitra. Velona hatrizay sy mandrakizay Izy.

Ampiasain’i Jaona indray ny sary an’ohatra hoe: “Fanahy fito izay eo anoloan'ny seza fiandrianany” - Apôk. 1:4, mba hanehoana ny Fanahy Masina. Isa maneho fahafenoana sy fahatanterahana ny fito. Koa ny “Fanahy fito” dia sary an’ohatra milaza fa miasa amin’ny fahafenoany ao amin’ireo fiangonana fito ny Fanahy Masina. Tsy mitsahatra manampy ny vahoakan’Andriamanitra hamita ny asany Izy.  

Miresaka momba an’i Jesôsy amin’ny fomba telo miavaka tsara i Jaona ao amin’ny Apôk. 1:5. Voalaza ao fa i Jesôsy no ilay “Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin'ny maty ary Lehiben'ny mpanjaka amin'ny tany”. Manondro ny ampahany samihafa amin’ny asany ho antsika ny tsirairay avy amin’ireo fiantsoana an’i Jesôsy ireo: ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana, ny fitsanganany tamin’ny maty, ary ny fanjakany any an-danitra. Rehefa izay dia ambaran’i Jaona fa maty ho antsika teo amin’ny hazo fijaliana i Jesôsy satria “tia antsika” Izy (Apôk.1:5,6).

 

Manana heviny miavaka ny teny nadika hoe “tia antsika” i Jesôsy amin’ny teny grika. Manondro ny fitiavan’i Kristy mitohy izany, ka tiany avokoa ny olona rehetra velona nialoha io fotoana io, sy ny olona velona ankehitriny, ary ireo rehetra ho teraka amin’ny hoavy. Satria tia antsika Izy, dia nafahany ho afaka tamin'ny fahotantsika tamin'ny rany isika. Asehon’ny teny grika fa fihetsika feno sy tanteraka tamin’ny lasa io fahafatesan’i Jesôsy io: namaha antsika ho afaka tamin'ny fahotantsika mandrakizay ny fahafatesany.

Inona no hevitry ny hoe nanao antsika ho mpisorona mba hanompo ny Rainy i Jesôsy?Ahoana no tokony hanovan’izany ny fomba fiainantsika?

Rehefa nanoratra ny Apôk. 1:7,8 i Jaona, dia nampiasa teny avy amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly izy: Dan. 7:13,14; Zak. 12:10  ary Mat. 24:30.Inona no ambaran’ireo andininy ireo momba ny maha-azo antoka ny fiavian’i Kristy fanindroany?

Ambaran’i Jaona ao amin’ny bokin’ny Apôkalipsy fa ny Fiaviana Fanindroany no hamarana ny tantaran’ity tany ity, ary amin’izany koa no hanombohan’ny fanjakan’Andriamanitra mandrakizay. Hanafaka ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny faharatsiana, ny alahelo, ny fanaintainana, ary ny fahafatesana koa ny Fiaviana Fanindroany. Mampianatra antsika ny Apôk. 1:7 sy ny TV fa ho tena zava-misy ny fiavian’i Jesôsy fanindroany. Ny tenany mihitsy no ho avy, ary ho avy amim-piandrianana sy amin-boninahitra Izy. Hahita maso ny fiaviany avokoa ny olona rehetra, eny fa na dia “izay nandefona Azy aza” - Apôk. 1:7. Maneho amintsika ireo teny ireo fa hanangana amin’ny maty vondron’olona manokana mialoha indrindra ny Fiaviana Fanindroany Andriamanitra. Tafiditra ao anatin’io vondron’olona io ireo olona nanombo an’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana. Hatsangana amin’ny maty izy ireo mba hijery ny fiverenan’i Jesôsy. Hanafaka ny olony Izy amin’io fotoana io, fa hanameloka kosa ireo izay nanamavo ny famindrampony sy ny fitiavany. 

Mampiasa voambolana roa i Jaona mba hanehoana fa azo antoka ny fiverenan’i Jesôsy: “Eny, Amena” - Apôk. 1:7. Ny voambolana nadika hoe “eny” dia avy amin’ny voambolana grika hoe “nai”. Ny hoe “amena” kosa dia voambolana hebreo ampiasaintsika mba hilazana fa ekentsika ny fahamarinan’ny zavatra iray. Koa asehon’ireo voambolana roa miaraka ireo fa tena azo antoka ny fiverenan’i Kristy. Ampiasain’i Jaona koa ireo voambolana roa ireo amin’ny fiafaran’ny bokiny mba hanehoana fa azontsika itokiana ny teny fikasana nataon’i Jesôsy fa hiverina indray Izy (Apôk. 22:20). 

Ny maha-mafy orina ny teny fampanantenana nomena dia arakaraka ny fahitsian’ny olona manao izany sy ny fahafahany manatanteraka izany ihany. Nanome teny fikasana Andriamanitra fa ho avy indray i Jesôsy, ary tsy mbola nivadika tamin’ny teny nataony na oviana na oviana Izy. Ahoana no anampian’io fahamarinana io anao hatoky fa hiverina tahaka izay nampanantenain’Andriamanitra mihitsy i Jesôsy?

Vakio ny “The Study of the Books of Daniel and the Revelation”, ao amin’ny TMGW, tt. 112–119.

“Izany fanambarana izany – ny Apokalypsy – dia nomena mba ho mpitarika sy mpampahery ny fiangonana mandritra ny fahavelomany etỳ an-tany. (…) Ny Fanambarana dia zavatra mety ho fantatra. Ny Tompo mihitsy no nanambara tamin’ny mpanompony ny zava-miafina raketin’io boky io, ary ny iriny dia ny hahatakaran’ny sain’izay rehetra te hahafantatra izany. Natao ho an’izay velona amin’ny andro farany ireo fahamarinana ireo, toy ny nanokanana azy ho an’ireo niara-belona tamin’i Jaona koa. Mikasika ny lasa ny faritra sasantsasany amin’ity boky faminaniana ity, ny sasany dia miseho eo imasontsika ankehitriny; ary misy kosa ny sasany mampiseho amintsika mialoha ny hiafaran’ny ady goavana ifanaovan’ny herin’ny maizina sy ny Andrianan’ny lanitra, ary ny farany manambara ny fandresena sy ny fifalian’ny voavotra any amin’ny tany nohavaozina. Izay mihevitra fa tsy mety ho fantany ny hevitry ny tandindona sasany ao amin’ny Apokalypsy, dia hilaza fa tsy misy soa azo amin’ny fandinihana io boky io mba hahafantarany ny fahamarinana raketiny. Ilay nanambara ireny zava-miafina ireny tamin’i Jaona no hanome koa santatra sahady ny amin’ny zavatry ny lanitra ho an’izay miezaka mafy tokoa hahafantatra azy. Izay manana fo vonona handray no hahazo fanampiana hahafantatra ny fampianarany, ary homena azy ny fitahiana nampanantenaina an’izay ‘mamaky sy ny mihaino ary mitandrina izay voasoratra ato anatin’ity boky faminaniana ity’” – VM, tt. 517,518.

Fanotaniana ifanakalozankevitra : 

1. Ahoana no hevitry ny Kristianina hafa momba ny hafatra ao amin’ny bokin’ny Apôkalipsy? Nahoana no matahotra ireo hafatra ireo ny Kristianina maro?

2. Eritrereto ireo olona rehetra tao anatin’ny roapolo taona lasa izay nilaza fa hisy zavatra hitranga amin’ny hoavy. Tsy nitranga mihitsy anefa ireo zavatra ireo. Araka ny hevitrao, nanao ahoana ny fihetsehampon’ireo nino izany faminaniana izany rehefa tsy tanteraka ilay izy? Amin’ny maha-Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito antsika dia mino ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly isika. Koa ahoana no fomba tsara indrindra hampianarana ireny fahamarinana ireny amin’ny olona?