Lesona 2 : I Jesôsy teo afovoan’ny fanaovan-jiro fito

Hodinihana mandritry ny herinandroApôk.1:1-20Apôk.2:1-5

Tsianjery « Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. » - Apôk. 2:7.

VERY HEVITRA NY MPANORATRA NY Sal. 73  noho ny zavatra hitany eo amin’ny fiainana: manana mihoatranoho izay ilainy ny olona tsy manaraka an’Andriamanitra, ka dia mirehareha fatratra ny amin’izany fananany izany izy. Etsy an-daniny anefa, mijaly mafy ireo tena mpanara-dia an’Andriamanitra. Nampalahelo mafy ny mpanoratra ny salamo io tsy rariny io (Apôk.73:2-6). Toa tsy rariny mihitsy tokoa ny fiainana! Te hahazo valiny ny amin’izany ilay mpanoratra, ka nankany amin’ny fitoerana masin’Andriamanitra mba hitady izany (Apôk.73:16,17). Ny fitoerana masina no toerana teto an-tany niarahan’Andriamanitra nonina tamin’ny vahoakany mialoha ny nanorenan’i Sôlômôna tempoly ho an’Andriamanitra.

Zato taona maro tatỳ aoriana, dia nalefa tany amin’ny nosy kelin’i Patmô ny apôstôly Jaona. Nandre vaovao nampalahelo azy izy raha tao amin’io nosy “fonja”io. Reny fa nanenjika ny fiangonana nokarakarainy ny olona sasany tsy tia na tsy mino an’Andriamanitra. Nanome fahitana azy anefa Andriamanitra mba hanampiana azy hahatakatra tsara kokoa ny fandehan-javatra. Hitany i Jesôsy tao amin’ny fitoerana masina any an-danitra, izay toerana iasany amin’izao ankehitriny izao mba hamonjena sy hanampiana ny olony. Nanampy an’i Jaona hatoky ny fanatrehan’i Kristy sy ny fiahiany azy ny fahitana azony. Hafatra tahaka izany koa no nomen’i Jesôsy ny mpanoratra ny Sal. 73 , zato taona maro talohan’izao. Koa tiany hampitain’i Jaona amin’ny olona velona tamin’ny androny sy amin’ny Kristianina velona amin’izao androntsika izao koa io hafatra momba ny fitiavany io.

Amin’ity herinandro ity isika dia hijery (1) ny asa ataon’i Jesôsy ho antsika any an-danitra amin’izao ankehitriny izao sy (2) ny hafatra manokana avy Aminy ho an’ny iray amin’ireo fiangonana fito tany Azia.

Ambaran’i Jaona ao amin’ny Apôk. 1:9 ny antony nametrahana azy tany Patmô.

Nahoana no nalefa tany izy? Nosy be harambato sady karakaina niorina tao amin’ny ranomasina Egée i Patmô. Raha refesina eny amin’ny ampahany be velarana indrindra, dia mirefy 16 kilaometatra ny halavany ary 9,7 kilaometatra ny sakan’io nosy io. Nampiasain’ny Rômanina ho fonja ho an’ireo mpandika lalàna natao sesitany izy io sy ny nosy manodidina azy. Ireo mpanoratra kristianina velona nanodidina ny fotoana nanoratan’i Jaona ny bokin’ny Apôkalipsy dia samy nanambara fa nataon’ny Rômanina sesitany tany Patmô i Jaona noho ny fahatokiany tamin’ny filazantsaran’i Jesôsy. Efa tena antitra i Jaona raha nalefa tany. Azo antoka fa niaritra zava-tsarotra maro izy tany amin’ny maha-gadran’ny Rômanina azy. Tsy isalasalana fa noraisina toy ny mpanao heloka bevava izy, nofatorana tamin’ny gadra, tsy nomena sakafo ampy, ary noterena hiasa mafy na nokapohin’ireo mpiambina rômanina tsy nifaditrovana raha toa ka tsy nety nanao izany. “Patmosy, nosy be harambato sady efitra, dia tao amin’ny ranomasina Egée no nisy azy, ka io no nofidin’ny fanjakana romana ho toerana famarinana ny olona nahavita heloka bevava. Kanefa kosa izany toerana izany no nanjary vavahadin’ny lanitra ho an’ity mpanompon’Andriamanitra ity. Tafasaraka tamin’ny hotakotaky ny fiainana izy tao, ary tsy niharan’ny fihetsiketsehan’ny taona maro lasa intsony, fa nahita kosa firaisana tamin’Andriamanitra sy tamin’i Jesosy ary tamin’ny anjely; ary tao no nandraisany hafatra ho an’ny fiangonana ho avy atỳ aoriana.” – VM, t. 505

Iza koa ireo olona ao amin’ny Baiboly izay niaritra zava-tsarotra? Nijaly noho ny fahatokiany tamin’Andriamanitra ve izy ireo? Ho santionany amin’izany, dia jereo ny tantaran’ireo mahery fo ao amin’ny Baiboly izay hita ao amin’ny  Dan. 3:16–23  sy Asa. 7:54–60.

Tokony hotsaroan’ny mpanara-dia an’i Kristy mandrakariva fa tsy mamela azy ireo samirery na oviana na oviana Andriamanitra, na dia amin’ny fotoana sarotra indrindra aza. Tsarovy fa tonga teo amin’i Jaona tamin’ny tenimpanantenana sy fankaherezana i Jesôsy raha gadra tany Patmô izy. Io Jesôsy io ihany no mbola momba ny olony sy manome fanantenana ary mampahery azy ireo amin’ny fotoan-tsarotra. 

Ahoana no ahafahantsika mianatra ny hatoky ny Tompo amin’ny toe-javatra rehetra?

Vakio ny Apôk.1:10 . Izao dia vakio koa ny Eks.31:13 ;  Isa.58:13 ; ary ny Mat.12:8 . Samy milaza mazava tsara ny andron’ny Tompo ireo toko sy andininy ireo. Andro inona amin’ny herinandro izany? Nomen’Andriamanitra fahitana tamin’ny Andron’ny Tompo i Jaona raha gadra tany Patmô izy. Araka ny hevitrao, fankaherezana manao ahoana no nomen’izany andro izany an’i Jaona nandritra ny fotoan-tsarotra nolalovany?

“Tamin’ny andro Sabata no nisehoan’ny Tompon’ny voninahitra tamin’ilay apostoly natao sesitany. Notandreman’i Jaona tanteraka tokoa ny Sabata tao amin’ny nosy Patmosy, toy ny nataony tany amin’ny tanàna sy ny vohitra rehetra tany Jodia, fony izy nitory ny filazantsara tamin’ireny toerana ireny. Notakiny ho an’ny tenany ny teny fikasana sarobidy izay nampombaina io andro io” – VM, t. 516.

Tsy milaza i Jaona ao amin’ny andininy voalohany amin’ny bokiny fa tamin’ny andro Sabata no nitrangan’ny hafatra nomen’Andriamanitra azy. Mampiasa ny teny hoe “tamin’ny Andron’ny Tompo” anefa ny Apôk. 1:10 mba hilazana amintsika fa tamin’ny Sabata andro fahafito no nanomezan’Andriamanitra ny fahitana an’i Jaona. Misy olona sasany mihevitra fa “ny Andron’ny Tompo” resahin’i Jaona ao amin’ny Apôk. 1:10 dia tena mitovy amin’ny “andron’i Jehovah” na “andron’ny Tompo” resahin’i Isaia sy i Petera (Isa. 13:6-13; 2 Pet. 3:10). Tsy mitovy anefa ireo andro roa ireo. Ny Andron’ny Tompo dia ny Sabata andro fahafito, fa ny “andron’i Jehovah” na “andron’ny Tompo” resahin’i Isaia sy i Petera kosa dia ny fiavian’i Kristy fanindroany. Niandry fatratra io andro io tamin’ny fony rehetra i Jaona. Tsy mitovy amin’ny andro tiany hambara ao amin’ny Apôk. 1:10 anefa izany, raha niteny izy fa nomen’Andriamanitra fahitana momba ny zavatra hitranga amin’ny hoavy tamin’ny Andron’ny Tompo izy, dia tamin’ny andro Sabata izany.

Tsy isalasalana fa nahatsara an’i Jaona io fahitana nomen’Andriamanitra azy tamin’ny Sabata io. Angamba nahatsiaro toy ny nanandrana sahady ny voankazo teo amin’ny hazon’aina any an-danitra izy raha nandray ilay fahitana. Eo amin’ny foto-pisainana jiosy tokoa mantsy, ny Sabata dia raisina ho toy ny fanandramana sahady ny “olam haba”, izay midika hoe “ny fiainana ho avy”.

Ahoana no anampian’ny Sabata antsika hahatsiaro fa Andriamanitra no namorona sy namonjy antsika? Nahoana no tsy maintsy tsaroantsika mandrakariva io fahamarinana io?

Manoritsoritra an'i Jesôsy i Jaona ao amin'ny Apôk. 1:12-18. Inona no mampitovy sy tsy mampitovy izany fanoritsoritana izany amin'izay omen'i Daniela ao amin'ny Dan. 10:5,6? Ahoana no fisehon'i Jesosy ao amin'ny fahitana nomena an'i Jaona? Inona no ataony? 

Nahita an'i Jesôsy tany an-danitra i Jaona. Nitafy akanjo toy izay notafin'ny mpisoronabe Izy. Mpitarika masina izay miasa mba hamonjy ny olony ny mpisoronabe, ary i Jesôsy no Mpisoronabentsika any an-danitra amin'izao fotoana izao. Nitafy ny akanjon'ny Mpisoronabe Izy raha namakivaky ireo fanaovan-jiro volamena fito. Nisy fanaovan-jiro tao arnin'ny tempoly jiosy, ary natao nitovy tamin'ny fanaovan-jiro any an-danitra izany. Natao hanome fahazavana tao an-tempoly io fanaovan-jiro io (vakio ny 1 Mpanj. 7:49).

Tao amin'ny fahitana nomen'Andriamanitra an'i Jaona, dia hitany i Jesôsy "mandeha eo afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito" - Apok. 2:1. Sary an'ohatra io ataon'i Jesôsy eto io. Manondro ny fampanantenana nataon'Andriamanitra tamin'ny Isiraely fahiny izany, dia ny handeha ea amin'izy ireo ka ho Andriamaniny (Lev. 26:12). Sary an'ohatra maneho ireo fiangonana fito tany Azia ireo fanaovan-jiro fito ao amin'ny Apôkalipsy ireo (Apôk. 1:20). (Sary an'ohatra hanehoana ny fiangonan'Andriamanitra nanomboka tamin'ny andron'i Jaona hatramin'ny andro farany koa ireo fanaovan-jiro ireo). Nasain'i Jesôsy nalefan'i Jaona tany amin'ny fiangonana fito tany Azia ny bokin'ny Apôkalipsy (Apôk. 1:20). Mandeha eo afovoan'ny fanaovan-jiro i Jesôsy mba hanehoana fa hihazona ny fanekena nataony tamin'ny Isiraely Izy: homba mandrakariva ny olony Izy ambara-pitondrany azy ireo any amin'ny fonenany mandrakizay.

Ankoatra izay, ny sary maneho an'i Jesôsy mandeha eo afovoan'ny fanaovan-jiro amin'ny maha-Mpisoronabentsika Azy dia manambara zavatra fray hafa koa ataony ho antsika. Hanampy antsika hahatakatra izany zavatra izany ireo fanaovan-jiro tao amin'ny tempoly tany Jerosalema. Isan'andro dia nisy mpisorona nijery ny fanaovan-jiro tao amin'ny efitra masina indrindra tao amin'ny tempolin'i Jerosalema mba hahazoana antoka fa nirehitra mazava tsara ny jiro tao. Nofenoin'ilay mpisorona diloilo vaovao ny jiro mitsilopilopy, nosoloiny ny lahan-jiro efa lany, ary nampirehetiny indray ny jiro. Amin'izay dia hahazatra azy ny zavatra tokony hatao amin'ny jiro tsirairay mba hirehetany mandrakariva. Tahaka izany koa, fantatr'i Jesôsy ny zavatra ilain'ny fiangonana tsfrairay sy ny zavatra hatao mba hikarakarana ny vahoakany rehetra. 

Vakio ny Apok. 2:2,9,13,19 sy ny Apok. 3:1,8,15. Hoy i Jesosy ao amin'ireo toko sy andininy ireo hoe: "Fantatro", rehefa miresaka momba ny zavatra ilain'ny olony ao amin'ireo fiangonana fito ireo Izy. Inona no asehon'io teny io momba ny fahafantaran'i Jesosy ny vahoakany sy ny fikarakarany azy ireo? 

Ao amin'ny Apok. 1:11,19,20, dia asain'i Jesôsy mampita hafatra manokana amin'ireo fiangonana fito any Azia i Jaona. Nisy fiangonana mihoatra ny fito anefa tany Azia, saingy ireo fiangonana fito ireo ihany no nandray hafatra avy tamin'i Jesôsy . Ahoana no anampian'izany antsika hahita fa sary an'ohatra hanehoana ny fiangonana kristianina amin`ny fotoana samihafa eo amin'ny tantara ireo fiangonana ireo? Fantatsika fa tandindona fotsiny ihany ireo fiangonana fito ireo. Ahoana no anampian'izany antsika hahatakatra fa hafatra ho an'ny vahoakan'Andriamanitra rehetra koa ny hafatra nampitondrainy ho an'ireo fiangonana fito tany Azia?

Voarakitra ao amin'ny Apok. 2 sy 3 ny hafatra nasain'i Jesôsy nampitain'i Jaona tamin'ireo fiangonana fito tany Azia. Azo zaraina telo ny hevitry ny hafatra tsirairay :

Voalohany, manampy antsika hahatakatra ny tantara izany hafatra izany. Niaritra zava-tsarotra maro ireo fiangonana fito tao amin'ireo tanana niroborobo tany Azia ireo. Nampiditra ny fivavahana tamin'ny amperora rômanina tao amin'ny tempoliny ny olona mba hanehoany ny fahatokiany tamin'i Rôma. Koa namoaka laana izay nanery ny olona rehetra tao amin'ireo tanàna rômanina hivavaka amin'ny amperora i Rôma. Tsy maintsy nandray anjara tamin'ireo trangan-javatra ho an'ny besinimaro sy ireo fety ara-pivavahana amin'ny fanompoan-tsampy ny mponina tamin'ireo tanana romanina ireo. Satria tsy nety nandray anjara tamin'izany ny Kristianina, dia niatrika fitsarana izy ireo, ary novonoina maritiora mihitsy aza indraindray. Koa nasain'i Kristy hanoratra ireo hafatra fito ireo i Jaona mba hanampiana ny olony hiatrika ireo zava-tsarotra ireo.

Faharoa, manampy antsika hahatakatra ny zavatra hitranga amin'ny hoavy ireo hafatra ireo. Ny toe-panahin'ny tsirairay avy amin'ireo fiangonana fito dia tandindona maneho ny toe-panahin'ny fiangonan'Andriamanitra mandritra ireo fotoana samihafa amin'ny tantara. Manampy antsika ireo hafatra fito nosoratan'i Jaona ireo hahita hoe manao ahoana ny tanjaka na ny halemin'ny fivavahana kristianina nanomboka tamin'ny taonjato voalohany TrK (taona 1-100) hatramin'ny fotoana hiavian'i Kristy indray.

Fahatelo, manampy antsika hahafantatra ny Kristianina amin'ny fotoana sy ny toerana samihafa ireo hafatra ireo. Nampitain'i Jaona niaraka tao anaty taratasy iray ireo hafatra fito ireo mba hovakin'ny fiangonana tsirairay (Apok. 1:11). Manampy antsika izany hahita fa ny zavatra marina ho an'ny Kristianina velona tamin'ny fotoana na toerana iray dia mety ho marina koa ho an'ny Kristianina velona amin'ny fotoana na toerana iray hafa.

Eritrereto hoe manoratra taratasy ho an'ny fiangonanao momba ny olany sy ny toe-panahiny Andriamanitra. Inona no mety holazain'ny taratasy tahaka izany amin'ny fiangonanao? 

I Efesosy no tanàna lehibe indrindra tany amin'ny faritr'i Azia nofehezin'i Rôma, ary izy koa no seranan-tsambo lehibe indrindra tany Azia. Koa nahatonga azy ho toerana lehibe ho amin'ny fandraharahana sy fivavahana izany. Feno fanorenana ifamezivezen'ny olona io tanàna io, toy ny tempoly, ny teatra, ny kianja, ary ny toeram-pidiovana. Fantatra tamin'ny fankatovana sy ny fisikidiana ary ny ombiasy koa izany. Ary nanjaka tao koa ny faharatsiam-pitondrantena sy ny finoanoam-poana. Koa mety ho gaga ianao raha fantatrao fa tany Efesosy no nisy ny fiangonana kristianina natanjaka indrindra tany Azia.

Vakio ny Apok. 2:1-4. Ahoana no nanehoan'i Jesôsy ny tenany tamin'ny fiangonana tany Efesosy? Inona ireo toetra tsara nideran'i Jesôsy io fiangonana io? Inona kosa no zavatra nahiany ny amin'io fiangonana io? (Vakio koa ny Jer. 2:2 ho fanampim-panazavana).

Raha nanomboka niorina ny fiangonana tany Efesosy, dia ren'ny fiangonana kristianina rehetra fa nifankatia sy nahatoky tamin'Andriamanitra ny mambra tao amin'izany fiangonana izany (Efes. 1:15). Niatrika fanakorontanana avy tamin'ny olona ivelan'ny fiangonana sy tao anatiny ny Kristianina tany Efesosy, saingy nitoetra ho mafy orina sy nahatoky tamin'ny finoany izy ireo. Niasa mafy izy ireo ary nankato ny fahamarinana ao amin'ny Baiboly. Tena tsy nahazaka mpitarika na mpampianatra sandoka teo anivony tokoa mantsy izy ireo. Nisy zavatra nitranga anefa taorian'izay. Nanomboka nanao ny fampianarana marina sy ny fitondrantena mendrika ho manan-danja kokoa noho ny fitiavany an'i Kristy ny mambra tao aminy. Koa lasa nihanalemy sy nihanangatsiaka ny fitiavany an'Andriamanitra sy ny fifankatiavany.

Asain'i Jesosy manao zavatra telo ny fiangonana ao amin'ny Apok. 2:5-7 mba hiverenan'ny fitiavan'izy ireo Azy sy ny fifankatiavany samy izy. Inona ireo zavatra telo ireo? Ahoana no ifandraisan'izy ireo?

Ny zavatra nitranga tao amin'ny fiangonana tany Efesosy dia maneho ny zavatra nitranga tamin'ny fivavahana kristianina tamin'ny taonjato voalohany TrK, nanomboka tamin'ny taona 31 hatramin'ny taona 100. Nifankatia sy nahatoky tamin'ny filazantsara ny fiangonana kristianina raha vao nanomboka. Tamin'ny fiafaran'ny taonjato voalohany anefa, dia nanomboka verin'ny fiangonana ny fifankatiavana nananany sy ny fitiavany ny filazantsara. Koa niala tamin'ny fahamarinana mazava sy madio hita ao amin'ny filazantsara izy ireo.

Ahoana no anampian'ny torohevitra nomen'i Jesôsy ny fiangonana tany Efesosy ny fiangonana ankehitriny, izay mangatsiaka sy nanary ny fitiavany voalohany ny fahamarinana? 

Vakio ny "Nosy Patmo", VM, tt. 503-512. 

"Nanjary fantsom-pahasoavana ny fanenjehana an'i Jaona. Lasa namirapiratry ny voninahitry ny Mpamonjy nitsangana tamin'ny maty ny nosy Patmo. Nahita an'i Jesôsy tao anaty endrika olombelona i Jaona tany aloha tany, niaraka tamin'ny mariky ny fantsika teo amin'ny tanany sy ny tongony, izay ho voninahiny mandrakizay. Ankehitriny dia navela hibanjina ny Tompony nitsangana tamin'ny maty indray i Jaona. Voninahitra azon'ny olombelona banjinina kanefa tsy ho faty eo am-pibanjinana izany no notafin'i Jesôsy tamin'izay.

"Ny fisehoan'i Kristy tamin'i Jaona dia tokony ho porofo ho an'ny rehetra, na ny mpino na ny tsy mpino, fa manana Kristy nitsangana tamin'ny maty isika. Tokony hanome hery velona ho an'ny fiangonana io porofo io. Nisy fotoana, nanodidina ny vahoakan'Andriamanitra ny rahona mainty. Tahaka ny hoe hamongotra azy ireo ny famoretana sy ny fanenjehana. Tamin'ny fotoan-tsarotra tahaka izany anefa no nanomezana ny lesona manan-danja indrindra. Matetika no miditra any am-ponja i Kristy ka maneho ny tenany amin'ny olom-boafidiny. Ao amin'ny afo miaraka amin'ireo dorana ho faty noho ny finoany Izy. Amin'ny fotoana mahamaizina indrindra ny alina no amirapiratan'ny kintana indrindra. Tahaka izany koa, afaka mahita ny taratry ny voninahitr'Andriamanitra amin'ny famirapiratany manjelanjelatra indrindra isika amin'ny fotoana mahamaizina indrindra ny alina" — YI, 5 Aprily 1900. 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA: 

1. Zarain'i Jaona, ilay nanoratra ny Apokalipsy, amin'ny mpamaky azy ny zavatra hitany sy reny avy tamin'Andriamanitra tao Patmo. Inona no hitanao sy renao raha mamaky ny Apok. 1:12-20 ianao? Inona no tenim-pankaherezana azonao raisina avy amin'izay ambara eto? 

2. Ao amin'ny Apok. 14:7, dia asain'ilay anjely voalohany miankohoka eo anoloan'Ilay nanao ny Ian itra sy ny tany ny olona rehetra monina eto an-tany. Avy amin'ny Eks. 20:11 ireo teny ireo. Inona no ambaran'ny hafatr'io anjely io antsika momba ny Sabata sy ny Ianjan'izany amin'ny andro farany, araka izay aseho ao amin'ny Apokalipsy?

3. Tandindomin-doza manokana ireo Kristianina efa mambran'ny fiangonana nandritra ny fotoana ela. Mitolona mafy izy ireo mba hihazonana ny afon'ny finoany hirehitra mandrakariva ka tsy hamela izany ho faty. Ahoana no ahafahantsika mihazona ny afon'ny finoantsika hirehitra mandrakariva? Ahoana no ahafahantsika hampamirapiratra izany kokoa?