Lesona 10 : Ny filazantsara mandrakizay

Hodinihina mandritra ny herinandro: Apôk. 14:6,7; Eks. 20:2-11; Apôk. 14:10,11; Isa. 34:8-10; Joda 7.
Tsianjery: "Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesôsy."- Apôk. 14:12

Asehon'ny bokin'ny Apokalipsy antsika fa hahomby tokoa ny famitahana ataon'i Satana amin'ny andro farany ka hifidy ny hiankohoka amin'ilay bibidia sy handray ny marika entiny izao tontolo izao. Milaza amintsika anefa ny Apôk. 14:1-5 fa manana vondron'olona sisa izay hijoro ho mahatoky Aminy Andriamanitra, na dia tsy hanao izany aza ny ankamaroan'ny olona.

Tsy maintsy hisafidy ny olona amin'ny farany, tsy ny hiankohoka na tsia no safidy atao (manana izay iankohofany ny rehetra), fa izay hiankohofana. izay hiankohoka amin'ny bibidia dia handray ny marika eo amin'ny handriny na ny tanany ankavanana, tandindon'ny safidiny ny hanompo ilay rafitra sandoka amin'ny fisainany sy ny asany izany.

Miaraka amin'izay dia hanatri-maso ny fitoriana ny filazantsara atao amin-kery lehibe izao tontolo izao. Tamin'ny andro nandrotsahan'Andriamanitra ny Fanahiny tamin'ny fiangonan'ny TV no fotoana farany nitoriana ny filazantsara amin-kery tahaka izany. Rehefa vitan'ny vahoakan'Andriamanitra ny fitoriana ny filazantsara amin'ny olona rehetra maneran-tany, dia handrotsaka ny loza fito farany amin'ny ratsy fanahy eto ambonin'ny tany Izy. Mialoha izany anefa dia mandefa fampitandremana amin'ny rehetra Andriamanitra. Manerana izao tontolo izao ny asan'i Satana, kanefa hanerana izao tontolo izao koa ny fitoriana ny filazantsara amin'ny andro farany. Tsy misy tian'Andriamanitra ho very fa tiany hovonjena avokoa, izany no antony nahafatesan'i Kristy ho an'ny taranak'olombelona. lzao no fanontaniana mipetraka: iza no handray izany fanomezana izany, ary iza no tsy handray? 

Mialoha ny hifaranan'ny tantaran'ny tany dia handefa fampitandremana ho an'ny olona rehetra eto an-tany Andriamanitra. Asehon'ny Baiboly antsika izany fampitandremana izany, tahaka ny anjely telo manidina eny amin'ny lanitra. Hihiaka hanao ny fampitandremany ireo anjely ireo. Ny teny grika ilazana ny anjely (angelos) dia midika hoe "mpitondra hafatra". ireo anjely telo ireo dia sary an'ohatra maneho ny vahoakan'Andriamanitra sy ny hafatry ny andro farany izay ampitondrainy ho an'ny olona rehetra ety ambonin'ny tany.

Vakio ny Apôk. 14:6 sy ny Mat. 24:14. Antsoina hoe "filazantsara mandrakizay"- Apok. 14:6 ny hafatry ny anjely voalohany. Inona no ambaran'izany amintsika mikasika ny zavatra lazain'Ilay anjely voalohany sy ny tanjony? Nahoana izany hafatra izany no zava-dehibe eo anatrehan'izay inoantsika rehetra? 

Hafatra ho an'ny andro farany ny hafatr'ilay anjely voalohany. Vaovao mahafaly momba an'Andriamanitra no ambarany, izay mamonjy ny olombelona amin'ny alalan'izay nataon'i Jesôsy ho azy ireo. Ny hafatry ny anjely voalohany no filazantsara mandrakizay satria tsy mitsahatra manao ezaka hamonjena ny olona Andriamanitra. Mialoha ny namoronana antsika dia efa nanao drafitra hamonjena antsika Andriamanitra (2 Tim. 1:9; Tit. 1:2).

Tokony hihaino ny hafatry ny anjely telo ny olona rehetra satria mahakasika ny fiainana mandrakizay izany. izany no antony anirahan'Andriamanitra ny vahoakany hitory izany hafatra izany amin'ny olona rehetra monina ambonin'ny tany. Miaraka amin'izay anefa dia hampiasa ny fahefany ny bibidia, fahefana izay nomeni Satana hifehezana ny yokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra" - Apôk. 13:7. Hanerana izao tontolo izao ny famitahana sy ny lainga ataon'i Satana, kanefa ho tahaka izany koa ny fitoriana ny filazantsara amin'ny andro farany.

Mitory ny hafatry ny anjely telo ny vahoakan'Andriamanitra mba hampitsaharana ny asan'i Satana miaraka amin'ireo hery ratsy ampiasainy amin'ny andro farany: (1) ny dragona (tandindon'ny finoana fa mifanerasera amin'ny velona ny olona efa nodimandry); (2) ny bibidia avy amin'ny ranomasina (tandindona maneho ny fiangonana katolika rômanina); ary (3) ny mpaminany sandoka izay maka ny endriky ny zanak'ondry (tandindona maneho ny fiangonana prôtestanta izay miala amin'ny fahamarinana ara-Baiboly). Hiara-hiasa amin'i Satana ireo hery telo ireo mandra-pahatapitry ny loza fahenina farany. Mialoha ny handefasan'Andriamanitra ny loza fahafito farany dia hahare mikasika ireo hafatra roa samy hafa ireo ny olon-drehetra ety ambonin'ny tany. Handefa hafatra iray Andriamanitra ary handefa ny azy koa i Satana, samy hanao izay hahazoana ny fon'ny olombelona sy ny sainy ny roa tonta. 

Vakio ny Apôk. 14:7 sy ny Mpitt. 12:13,14. lnona no hevitry ny hoe "matahora an'Andriamanitra"? Ahoana no ifandraisan'ny filazantsara momba an'i Jesôsy amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra? lnona no fifandraisana misy eo amin'ny Filazantsara sy ny fankatoavana ny lalana? (vakio koa ny Rom. 7:7-13). lnona no ifandraisan'ny fanomezantsika voninahitra an'Andriamanitra sy ny fiderana Azy?

Ny antso hoe "matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy" - Apôk. 14:7 dia ambara ao anatin'ny tontolon-kevitry ny "filazantsara mandrakizay". Mitondra vaovao mahafaly ny anjely voalohany izay manao io fanambarana io. Zavatra manan-danja tokoa no asehon'io sary an'ohatra momba ny anjely miaraka amin'ny filazantsara io. Rehefa takatsika izay nataon'i Jesôsy mba hamonjena antsika dia hanome voninahitra sy hanaja Azy isika.

Asehon'i Jaona antsika fa mifandray amin'ny fanajana an'Andriamanitra ny fanomezam-boninahitra Azy (Sal. 22:23; Apôk. 15:4). Rehefa maneho fanajana an'Andriamanitra isika dia mankato Azy sy ny lalany (Jôba 1:8). Rehefa manome voninahitra Azy isika dia maneho fisaorana Azy noho ny namonjeny antsika sy ny nampihavanany ny tenany amintsika.

Midika inona moa ny hoe maneho tahotra, na manaja an'Andriamanitra? Midika ve izany fa matahotra Azy isika? Tsia, tsy izany! Midika izany fa matoky Azy isika ary mametraka Azy ho lohalaharana eo amin'ny fiainantsika. Maneho fanajana an'Andriamanitra ny vahoakany amin'ny andro farany (Apôk. 11:18Apôk. 19:5). Ny olona matahotra an'Andriamanitra dia manome voninahitra Azy amin'ny alalan'ny fankatoavany (Deo. 5:29; Mpitt. 12:13) sy ny fanehoana ny toetrany (Gen. 22:12).

Izao no antony tokony hatahorana an'Andriamanitra: "tonga ny andro fitsarany" - Apôk. 14:7. Ny fitsarana izay hita eto dia ny fitsarana mialoha ny hiavian'i Jesôsy. Ny tanjon'izany dia ny hamaritra ny safidintsika farany raha toa isika ka manompo marina an'Andriamanitra na tsia (safidy izay miseho amin'ny alalan'ny asantsika). Amin'ny faran'izany fitsarana izany no hanapahana ny anjaran'ny tsirairay (Apôk. 22:11), ary ho avy i Jesôsy hamaly ny olon-drehetra araka ny asany avy (Apôk. 22:12).

Ny Apôk. 14 dia mampianatra antsika fa anisan'ny filazantsara ny asan'Andriamanitra amin'ny maha-mpitsara antsika Azy, vaovao mahafaly ho an'ireo izay mandray ny fanomezan'ny famonjena izany. Vaovao ratsy kosa izany ho an'ny olona izay tsy mankat6 Azy. Ny hafatry ny anjely voalohany dia milaza amin'ny olona rehetra ambonin'ny tany fa fotoana tokony hitodihany amin'Andriamanitra izao ary hialany amin'ny fahotana. Ny olona rehetra no andefasany izany hafatra izany satria tiany hiara-monina Aminy mandrakizay avokoa.

Maneho amintsika ny bokin'ny Apôkalipsy fa ny fiankohofana sy ny fankatoavana ny lalan'Andriamanitra no fizahan-toetra roa lehibe indrindra amin'ny andro farany (Apôk. 14:12). Hisafidy izay hiandaniany ny olona: (1) ny vondron'olona izay miankohoka amin'Andriamanitra sy mankato ny lalàny na (2) ireo izay maneho tahotra amin'ny fahefan'ny bibidia ka miankohoka aminy.

Vakio ireo didy efatra voalohany ao amin'ny didy folo (Eks. 20:2-11). Rehefa izay dia vakio ny Apôk. 13, izay miresaka ny amin'izay ataon'ilay bibidia: Ahoana no hanondroan`ny fangatahan'ny bibidia fiankohofana (Apôk. 13:15), ny fanaovany sarin'ny bibidia hiankohofana (Apôk. 13:14,15), ny fitenenany ratsy an'Andriamanitra sy ny anarany (Apôk. 13:5,6) ary ny fandraisana ny mariky ny bibidia (Apôk. 13:16,17) ny famelezana ataon'i Satana amin'ny didy fahefatra ao amin'ny didy folo, amin'ny ady farany?

Mahakasika ny fiankohofana ny didy efatra voalohany. Asehon'ny bokin'ny Apokalipsy antsika fa ireo didy efatra voalohany ireo no ho fizahan-toetra ny fahatokiana amin'Andriamanitra amin'ny andro farany. Mikasika ny fiankohofana sy ireo didy efatra voalohany ny ady farany eo amin'i Jesôsy sy i Satana.

Mizara roa ny hafatry ny anjely voalohany. Ny fizarana faharoa amin'izany dia maneho amintsika ny fizahan-toetra manan-danja indrindra atao amin'ny olona ety ambonin'ny tany amin'ny andro farany. Milaza amin'ny rehetra ilay anjely hoe: "Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano." - Apôk. 14:7. Mampiasa ireo teny hita ao amin'ny didy fahefatra izany baiko izany (Eks. 20:11); izany dia maneho fa misy fifandraisana eo amin'ny fitandremana ny Sabata sy ny fiankohofana amin'llay Andriamanitra izay nanao antsika. 

Maneho amintsika ny lalan'Andriamanitra sy ny Baiboly fa anisan'ny fiankohofana marina ny fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra amin'ny andro Sabata. Porofon'ny fifandraisantsika manoka Aminy ny Sabata andro fahafito (Eks. 31:13; Ezek. 20:12). Ny hafatry ny anjely voalohany dia milaza amintsika fa hibaiko ny olona amin'ny andro farany Andriamanitra mba hiankohoka aminilay Andriamanitra izay namorona azy, ary koa hametraka Azy ho lohalaharana eo amin'ny fiainan'izy ireo. Ampahany lehibe ao anatin'izany hafatra izany ny fitandremana ny Sabata. 

Raha miantso ny olona hatahotra ilay Andriamanitra marina sy hiankohoka Aminy ny hafatry ny anjely voalohany, ny faharoa kosa dia milaza ny amin'ny fitsarana an'i BabilOna ilay rafi-pivavahana sandoka. Ao amin'ny Apôk. 17:5, dia lazaina fa `renin'ny mpijangajanga' i Babylona. Ny zananivavy izany dia ampoizina fa mampiseho ara-tandindona ireo fiangonana izay mifikitra amin'ny fampianarany sy ny lovan-tsofiny, ka manaraka ny ohatra norneny tamin'ny fanaovana sorona ny fahamarinana sy ny fankasitrahan'Andriamanitra, mba hanaovany fikambanana tsy ara-daldna amin'izao tontolo izao." HM, t. 396

Vakio ny Apôk. 14:8 miaraka amin'ny Apôk. 18:2 sy ny Isa. 21:9. Ny famerenana indroa ny teny hoe "rava" dia manondro ny fihemoran'i Babilona miandalana. Izy no mahatonga ny firenena rehetra eto amin'izao tontolo izao hiodina amin'Andriamanitra, amin'ny fisotroana ny "divainy", sary an'ohatra izay maneho ny fampianaran-diso afaony. Nahoana anefa i Jaona no milaza ny faharavany amin'ny filazam-potoana ankehitriny kanefa tsy hitranga izany raha tsy hampisotro ny firenena amin'ny divainy aloha i Babilôna?

Ambaran'i Jaona amin'ny fotoana ankehitriny ny faharavan'i Babilôna mba hanehoana amintsika fa azontsika atao ny mitoky amin'ny fampitandreman'ilay anjely faharoa fa ny fiangonana prôtestanta dia hiodina tanteraka amin'Andriamanitra amin'ny hoavy. Rahoviana izany? Imo no nosoratarei Ellen G. White: "Raha tsy feno io fepetra io, ka tanteraka manerana ny fany kristiana rehetra ny firaisan'ny fiangonana sy izao tontolo izao, dia tsy ho feno ny faharavan'i Babylôna."- HM, t. 404

Maneho amintsika ny Apôk. 17:2 sy ny Apôk. 18:3 fa fiangonana prôtestanta maro no hisotro ny "divain'i Babilôna ka hiala amin'ny fahamarinan.'ny Baiboly, amin'ny andro farany. Ny divain'i Babilona dia manondro ny fampianaran-diso sy ny filazantsara sandoka atolotry ny rafi-pivavahana sandoka. Amin'izao fotoana izao dia mamba ny fiangonana prôtestanta, ho fahatanterahan'ny faminanian'ny Baiboly, no nanaisotra ny fahasamihafana izay nampisaraka azy tamin'ny fiangonana katôlika romanina ary niodina tamin'ny fahamarinan'ny Baiboly. Hitantsika maso ny hery miasa manginan'ny divain'i Babilôna eo amin'ireo milaza ny tenany ho tenan'i Kristy. Rehefa voapoizin'ny divain'i Babilôna ny olona dia hifehy ny feon'ny fieritreretany izany ary handrisika azy hiankohoka amin'ny bibidia sy handray ny marika avy aminy.

Inona no ambaran'ny Apôk. 14:12 amintsika mikasika ny vahoakan'Andriamanitra mahatoky?

Samy hafa tanteraka amin'ny vahoaka ao amin'ny Apôk.14:12 ny olona resahina ao amin'ny Apôk. 14:9,10, izay manaraka ilay bibidia avy amin'ny ranomasina. Mampitandrina antsika i Jaona ny amin'izay mitranga amin'ny olona miala amin'Andriamanitra. Hihatra aminy ny fahatezerany. Ao amin'ny TT, ny fanidinana ny fahatezeran'Andriamanitra dia aseho an-tsary amin'ny fisotroana divay amin'ny kapoaka (Jer. 25:15,16). Ny fahaviniran'ny fitsarana hianjera amin'ireo mpanompon'ny bibidia dia aseho ho tahaka ny fisotroana ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra izay "tsy miharoharo zavatra" Apôk. 14:10, ao anatin'ny kapoaka. Tamin'ny andron'ny Baiboly dia notampohan'ny olona rano ny divay mba tsy hahery loatra. Notampohany laron-tsakafo maro kosa indray izany rehefa tiany hahery kokoa. Ny divay miharoharo zavatra dia maneho ny fanidinana ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny fahafenoana, ary tsy miharo famindrampo (jereo ny Sal. 75:8).

Hazavain'i Jaona ao amin'ny Apôk. 14:10,11 izay hitranga amin'ireo mpanara-dia ilay bibidia. lzao no ambaran'ny Apôk. 14:11: "ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay". Ahoana no hanannpian'ny Isa. 34:8-10 sy ny Joda 7 antsika hahatakatra izay tian'i Jaona holazaina ao amin'ny Apôk. 14:11?

Ny firesahana ny amin'ny fijaliana amin'ny afo sy solifara dia manondro faharavana tanteraka. Fomba nentina nandrava ny afo sy solifara (Gen. 19:24; Isa. 34:8-10). Ny setroky ny faharavana izay miakatra dia sary fampiasa ao amin'ny Baiboly. Naminany ny amin'ny fandravana an'i Edôma amin'ny alalan'ny afo sy solifara amin'ny hoavy i Isaia: ho tonga dity mirehitra izy, "na alina na andro dia tsy hovonoina izany, ary ny setrony hisavoana mandrakizay" - Isa. 34:10. Resahin'i Joda ny amin'izay nanjo an'i Sôdôma sy Gômôra fa fiaretana fijaliana amin'ny "afo maharitra mandrakizay" - Joda 7. Tsy miresaka momba ny fahamaizana mandrakizay ireo lahatsoratra ireo, tsy misy na dia iray aza amin'ireo tanana ireo mirehitra mandraka ankehitriny. Ny vokatry ny firehetana no maharitra mandrakizay fa tsy ny firehetana. Ny "afo maharitra mandrakizay" ao amin'ny bokin'ny Apôkalipsy dia manambara fandevonana; haharitra izany firehetana izany mba handevonan'ny afo azy tanteraka ka ho foana izy.

Velom-pisaorana isika noho ny amin'ny fahamarinana izay milaza fa tsy mampijaly ireo olona very mandrakizay ny helo, nefa mampivarahontsana ny famaizana na izany aza. Inona no ambaran'izany momba ny asa masina izay nomena antsika amin'ny fampitandremana ny hafa mikasika izay hitranga?

Vakio "Ny fampitandremana farany", HM, tt. 629-638. 

Asehon'ny Apôkalipsy fa amin'ny andro farany dia irahina ny vahoalcan'Andriamanitra hitory ny filazantsarareny andro farany amin'izao tontolo izao. Toa sarotra ny fahitana izany asa izany, mety tsy ho azo tanterahina akory  7A ny fahitantsika izany, kanefa manana ny teny fikasan'Andriamanitra isika fa hanome antsika ny heriny lzy ka hanampy antsika.

"Ny asa lehibe fitoriana ny filazantsara dia tsy hifarana amin'ny fanehoana ny herin'Andriamanitra latsa-danja noho izay hita teo amin'ny fiantombohany.(...) Tsy fonjan-kevitra loatra fa fandresen-dahatra avy amin'ny Fanahin'Andriamanitra no hitoriana ny hafatra. Efa naseho ny fonjan-kevitra. Efa nafafy ny voa, ary hitsiry izy izao ka hahavokatra." - HM, tt. 637,638.

Hisy ny fisarahana izay hampizara ny olona eto amin'izao tontolo izao ho sokajy roa amin'ny fiafaran'ny fitoriana ny hafatra farany avy amin'Andriamanitra: ireo izay manana fifandraisana amin'Andriamanitra sy ireo izay misafidy hanaraka ny bibidia. Aseho an-tsary amin'ny alalan'ny fijinjana roa izany fisarahana izany: ny fanangonana ny vokatra ho any an-trano fitehirizana (Apôk. 14:14-16) sy ny voaloboka hohitsahina any amin'ny famiazana (Apôk. 14:17-20). Izany no lohahevitry ny Apôk. 17-18. 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA : 

1. Eritrereto ny amin'izao: iza no mitory ny hafatry ny anjely telo ankoatra ny Advanfista Mitandrina ny Andro Fahafito? Inona no tokony hambaran'izany amintsika momba ny lanjan'ny asa apetraka amintsika? Manao ahoana ny fandraisantsika izany?

2. Araka ny hevitrao, nahoana ny Kristianina maro no matahotra ny fitsaran'Andriamanitra? Ahoana no hanampianao ireo rahalahy sy anabavy hahatakatra bebe kokoa izay mitranga rehefa mitsara antsika Andriamanitra? 

3. Inona no maha-zava-dehibe ny Sabata amin'ny andro farany, nahoana?