Lesona 11: Ny loza fito farany

Hodinihina mandritra ny herinandro: Apôk.15; 16

Tsianjery: " Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô ? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao." - Apôk. 15:4

Fintinin'ny Apôk. 11:18 ny fihetsehampon'ny olona ety ambonin'ny tany mialoha indrindra ny ady farany ataony amin'ireo vahoakan'Andriamanitra sisa: "tezitra ny firenena maro". Mifandraika amin'izay noresahin'i Jesôsy mikasika ny andro farany izany (Lio . 21:25,26), izay arahin'ny fahatezeran'Andriamanitra, hamaizany ireo izay tsy mibebaka, amin'ny endriky ny loza fito farany (Apôk. 15:1).

Ny Apôk. 15 dia manomboka amin'ny fanehoana ireo anjely fito izay samy manana lovia feno ny fahatezeran'Andriamanitra. Mialoha ny hampidinan'ny anjely ny fahatezeran'Andriamanitra ho ety ambonin'ny tany anefa dia mahita sary maneho ireo vahoakan'Andriamariitra mahatoky isika (Apôk. 15:1-4). Izy ireo no voalaza fa nandresy ny bibidia sy ny sariny, mijoro eo amin'ny zavatra mitovy amin'ny ranomasina fitaratra, ary mihira ny hiran'i Mosesy sy ny Zanak'ondry- ireo sary rehetra ireo dia mampahatsiahy ny amin'ny Hebreo teo amoron'ny Ranomasina Mena, nankalaza ny fandresen'Andriamanitra ny Egiptianina (Eks. 15).

Ireo olona masina mpandresy ireo ihany no antsoina amin'ny hoe ireo 144 000 ao amin'ny Apôk. 14:1-5. Tsy nandray ny mariky ny bibidia izy ireo ka voaaro tamin'ny vokatra mandozan'ny loza fito farany. Tsy ho ela izy ireo dia handalo amin'ny fanovana ny vatany izay mety maty ( 1Kôr. 15:51-54) ary hiaraka amin'ireo olona masina natsangana tamin'ny maty rehefa ho avy amin-kery sy voninahitra i Jesôsy (1 Tes. 4:17).

Ho avy ny fotoana tsy maintsy hanaovan'ny olon-drehetra eto an-tany safidy: na hanompo an'Andriamanitra na i Babilôna. Rehefa vitan'ny tsirairay ny safidiny, dia ho avy i Kristy. Mialoha ny hiaviany anefa dia hanaisotra ny tanany ireo anjely izay nihazona ny rivotra efatra amin'ny tany (Apôk. 7:1-3) tsy hitsoka.

Vakio ny amin'ny loza fito farany, na ny loza ao amin'ny Apôk. 15:1. Ahoana no hanampian'ny loza tany Egipta antsika (Eks. 7-11) hahatakatra ny anton'ireo loza fito farany?

Nahoana no antsoin'ny Baiboly hoe "farany" ireo loza fito farany hiseho eto an-tany? Satria mitranga aorian'ireo loza miseho miaraka amin'ny trompetra fito izany. Efa nianarantsika fa ny trompetra fito dia manambara ireo zavatra miseho, na hiseho, ao amin'ny fiangonana nanomboka tamin'ny andron'i Jaona hatramin'ny fotoana hiverenan’i Jesôsy. Izany ary dia midika fa ny trompetra fito dia manazava ireo loza izay mitranga raha eo am-pitoriana ny filazantsara ny vahoakan'Andriamanitra (Apôk. 10:8-11;11:1-14), mandritra ny fotoana anaovan'i Jesôsy asa ho an'ny mpanota any an-danitra (Apôk. 8:2-5). Mandritra izany fotoana izany dia mbola miharo famindrampo izany, ary ny tanjony dia ny hitaona ireo fahavalon'ny vahoakan'Andriamanitra ho amin'ny fibebahana. Mialoha indrindra ny hiavian'i Jesôsy anefa dia handrotsaka ny loza fito farany amin'ny olona ety ambonin'ny tany Andriamanitra, dia ireo izay nanamafy ny fony (Apôk. 16:11; Rôm. 1:26-28). Amin'izay fotoana izay dia tsy miharo famindrampo izany ka hizaka fahoriana noho ny amin'ny safidiny ireo izay niodina tamin'Andriamanitra.

Maneho amintsika ireo anjely fito hampidina ny Ioza fito farany ny Apôk. 15:5-8. Inona no ambaran'ny and. 8: "tsy nisy nahazo niditra tao amin'ny tempoly". Inona no ambaran'izany amintsika mikasika ny fotoana hitrangan'ireo loza fito farany?

Ny teny hoe "tsy nisy nahazo niditra tao amin'ny tempoly" dia maneho amintsika fa vita ny asa nataon'i Jesôsy tany an-danitra ho an'ny mpanota. Rehefa vita izany asa fanelanelanana izany dia tapitra koa ny fotoana hahafahan'ny olona miala amin'ny fahotana. Hampidina ny loza fito farany eto ambonin'ny tany Andriamanitra, loza izay tsy hampitodika ny olona ho amin'ny fibebahana fa hampiseho ny fahamafisam-pon'ireo izay nisafidy hiandany amin'i Babilôna, ka handrisika azy ireo hankahala bebe kokoa an'Andriamanitra.

Jereo izao tontolo izao amin'izao fotoana izao, izay miharatsy hatrany. Tsy mbola mihatra ireo Ioza hatramin'izao, inona no ampianarin'izany antsika mikasika ny famindrampon'Andriamanitra sy ny fahari-pony? 

Rehefa vita ny fanelanelanana ataon'i Kristy ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra dia voafaritra mandrakizay ny anjaran'ny tsirairay. Tonga ny fotoana hianjeran'ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ireo izay nanda ny filazantsara.

Lafiny maro no ifandraisan'ny loza fito farany amin'ireo loza folo izay nalefan'Andriamanitra tany Egipta (Eks. 7-11) . Ny Egiptianina ihany novoakasik'ireo loza fito farany tamin'izany; tsy azon'izany kosa ireo vahoakan'Andriamanitra. Tahaka izany koa no hiarovana ireo vahoakan'Andriamanitra amin'ny andro fahoriana (Sal. 91:3-10; vakio koa ny HM, tt. 654-656). Ny loza tany Egipta dia naneho ny hamafin'ny fon'ny Farao ary naneho koa ny tsy fahafahan'ny andriamaniny niaro azy ireo. Tahaka izany no hanamafisan'ny loza farany ny fon'ireo miankohoka amin'ny bibidia sy hanehoana ny tsy fahafahan'i Babilôna manao na inona na inona hiarovana azy ireo amin'ny fahatezeran'Andriamanitra. 

Inona no mitranga ao amin'ny Apok. 16:1-11? Inona no sary an'ohatra ampiasain'ny Apokalipsy hanehoana amintsika ny zava-mitranga?

Nolazain'i Ellen G. White fa "tsy hanerana izao tontolo izao ireo loza ireo, fa raha izany dia ho fongana daholo ny mponina eo amin'ny tany." - HM, t. 654. Ny loza voalohany dia vay maharary izay mandrakotra ny tenan'ireo olona miankohoka amin'ny bibidia. Ny faharoa sy ny fahatelo dia ny famadihana ny rano ety ambonin'ny tany ho rà. Ny loza fahefatra dia mampahamay ny masoandro ka mahatonga izany handoro ny olona sy hahatonga hirifiry amin'izy ireo. Ny fahoriana aterak'ireo loza efatra voalohany anefa dia tsy hampitodika ny fon'ny olombelona izay mankahala an'Andriamanitra Aminy na hanova ny fony. Miteny ratsy an'Andriamanitra izy ireo ary tsy manaja Azy; mbola tohizany ihany ny fahotany.

Hitantsika ao amin'ny Apôk. 16:10,11 (jereo koa ny Eks. 10:21-23) fa mamely ny seza fiandrianan'ilay bibidia avy amin'ny ranomasina ny loza fahadimy, seza fiandrianana izay nomen'i Satana azy (Apôk. 13:2). Tsy inona io seza fiandrianana io fa tandindon'ny fahefan'i Satana. Raha miaina ny hirifiry ny olona dia tsapany y tsy fahafahan'i Babilona miaro azy ireo. Efa nanohitra an'Andriamanitra anefa izy ireo ka na dia ny fampihorohoroan'ny loza maro aza dia tsy nanova ny fony.

Ahoana no hanakaikezantsika bebe kokoa an'Andriamanitra amin'ny fiaraha-mandeha Aminy ka na mamely aza ny loza dia hahalala isika fa tia antsika Izy, ka hitoky Aminy isika na dia eo anivom-pahoriana aza? 

Vakio ny momba ny onin'i Eôfrata ao amin'ny Apôk. 16:12 (vakio koa ny Apôk. 17:1,15). Sary an'ohatra maneho inona moa ny onin'i Eôfrata ? lnona no heviny ao amin'ny bokin'ny Apokalipsy rehefa ritra ny onin'i Eôfrata ? Ahoana no ifandraisan'ny ony ritra amin'ny loza fito farany?

Hitantsika ao amin'ny TT fa ny onin'i Eôfrata dia manan-danja tamin'ireo fahavalon'ny Isiraely, dia i Babilôna sy i Asiria (Isa. 7:20; Jer. 46:10). Mamakivaky ny tananan'i Babilôna io renirano io, izay manana ny lanjany tokoa satria manondraka ny voly ary mamelona ny olona. Tsy afaka miaina tsy misy io reniranon'i Eôfrata io i Babilôna. 

Asehon'ny Apôk. 17:1 amin'ny sarin'ny vehivavy i Babilôna amin'ny andro farany, mipetraka eo ambonin'ny rano maro izy. Azo heverina fa ny onin'i Eôfrata ireo rano voalaza ireo (vakio ny Jer. 51:13). Ny Apôk. 17:15 dia manazava fa sary an'ohatra maneho ny olona manohana an'i Babilôna ny rano maro izay ipetrahany, dia ireo fitondram-panjakana maro sy fahefana izay mifandray aminy. Amin'ny farany anefa ireny fahefana ireny dia hiala aminy ary tsy hanohana azy intsony.

Ny loza fahenina dia mampahatsiahy antsika ny tantara ao amin'ny TT rehefa niditra tao amin'ny tananan'i Babilôna i Kyrosy Persianina sy ireo miaramilany (vakio ny Dan. 5). Ny mpahay tantara antsoina hoe Herodote no nanoratra ny amin'izay nataon'i Kyrosy. Notantarain'i Herodote fa nanao lanonana i Belsazara mpanjakan'i Babilôna indray alina, kanjo navilin'ny Persianina ny ranon'i Eôfrata ka niditra tao amin'ny tanana teo amin'ny tany maina izy ireo ka nanampoka ny mponina tao Babilôna.

Lazain'ny Apôk. 16:12 fa ho ritra ny onin'i Eôfrata , sary an'ohatra maneho ny fameran'Andriamanitra ny fahefan'i Babilona izany. Aza hadinoina fa i Eôfrata dia sary anehoana ny fanohanan'ireo manam-pahefana eran-tany an'i Babilôna; koa rehefa ritra i Eôfrata dia midika izany fa tsy manohana an'i Babilôna intsony ireo manam-pahefana ireo. Rehefa mahita ny zava-mahatsiravina miseho eo amin'ny voary ny olona ety ambonin'ny tany (Apôk. 16:3-9), dia nitodika tamin'i Babilôna mba hiaro azy. Mamely ny ivon'ny fahefan'i Babilôna anefa ny loza fahadimy (Apôk. 16:10,11). Hitan'ireo fahefana izay manohana an'i Babilôna fa tsy afaka ny hiaro azy ireo izy. Mahatsiaro ho voafitaka izy ireo ka miodina amin'i Babilôna; miteraka ny faharavan'i Babilônaizany (jereo ny Apôk. 17:16). Hitantsika anefa fa mbola manamafy ny fony amin'Andriamanitra sy ny olony ihany izy ireo. Araka izany, manjary tany lonaka ho an'ny famitahana farany izy ireo, izay hisarihan'i Satana izao tontolo izao ho amin'ny ady lehibe farany hataony amin'Andriamanitra.

Tamin'ny fomba ahoana ny nianaranao fa mampidi-doza ny fametrahana ny fitokiana amin'ny olombelona sy ny rafitra napetrak'olombelona? 

Milaza amintsika ny Apôk. 16:12 fa ny tanjon'ny faharitan'ny onin'i Eôfrata dia ho fanamboarana "ny lalan'ireny mpanjaka avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro." Ao amin'ny TT, ny "mpanjaka avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro" dia i Kyrosy sy ireo miaramilany avy any atsinanana hanafika Babilôna (Isa. 41:25). Nandresy an'i Babilôna izy ireo, fandresena izay nanampy ireo vahoakan'Andriamanitra hiverina any Jerosalema (Isa. 44 :27,28). Tahaka izany koa, ny sary an'ohatra maneho an'i Eôfrata ritra dia maneho fa ho avy ireo mpanjaka avy any atsinanana mba hanavotra ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny andro farany tsy ho azon'ny loza.

Ny mpanjaka avy any atsinanana ao amin'ny Apôk. 16:12 dia tsy iza fa i Jesôsy sy ireo anjely miaramilany. Hiseho miaraka amin'ireo anjeliny i Jesôsy amin'ny fiaviany fanindroany (Apôk. 15:6; Apôk. 19:8). Resahin'ny Apôk. 17:14 amintsika ny adin'ny Hara-magedona izay handresen'i Jesôsy sy ny tafiny an'i Satana izay nampahory ny vahoakan'Andriamanitra.

Ny Apôk. 16:13,14 dia maneho amintsika fanahy maloto tahaka ny sahona. lnona no anjara toeran'ireo fanahy ratsy ireo ao anatin'ny drafitri Satana ho an'ny ady farany eo amin'ny tantaran'ny tany?

Rehefa "ritra" ny onin'i Eôfrata dia tsy nisy nanohana intsony i Satana sy ireo fanahy ratsy namany. Tamin'izay fotoana izay no nahitan'i Jaona fanahy maloto telo tahaka ny sahona nivoaka tamin'ny vavan'izy ireo. Tamin'ny fotoan'ny loza tany Egipta, ny sahona no loza farany nalefan'Andriamanitra hamelezana an'i Egipta azon'ireo ombiasy nalaina tahaka (Eks. 8:1-15). Araka izany, ireo fanahy maloto telo tahaka ny sahona dia maneho amintsika fa ny asa farany ataon'i Satana dia ny haka tahaka ny asan'Andriamanitra.

Maneho ny tetikady farany ampiasain'i Satana ireo fanahy maloto telo mivoaka amin'ny vavan'ireo andriamanitra telo izay iray sandoka. Asain'i Satana manao famantarana mahagaga izy ireo tahaka izay nataon'i Jesôsy fony tety an-tany (jereo ny Apôk. 13:13,14). Anisan'ny planin'i Satana amin'ny andro farany entiny hamitahana ny olona ety ambonin'ny tany ireo fahagagana ireo, mba hiandanian'ny olona aminy amin'ny ady farany ataony amin'ny vahoakan'Andriamanitra. Voafitaka ireo mpitondra eto an-tany, kanefa miandany amin'i Satana ihany izy ireo. Rehefa mitranga izany dia vonona ho amin'ny ady farany ny zava-drehetra, izany no hitondra ho amin'ny fiafaran'ny tantaran'ny tany. Fantatra amin'ny hoe Hara-magedona izany ady farany izany. 

Vakio  ny Apôk. 16:16. Hanao ahoana ny ho fahombiazan'i Satana amin'ny famitahana farany rehefa hanangona ny olona eran'izao tontolo izao ho amin'ny adin'ny Hara-magedona izy?

Hanao fahagagana marobe ny devoly hamitahana ny olona eto amin'izao tontolo izao mba hiandaniany amin'ny tafiny. Ho fahombiazana lehibe izany maneran-tany. Ahoana no hamitahan'i Satana ny olona marobe tahaka izany? Efa niodina tamin'ny filazantsaran'i Jesosy izy ireo ka manamora ny finoany ny lainga ataon'i Satana izany. Manao fahagagana sandoka ireo fanahy maloto avy amin'i Satana mba hanamarinana ny lainga ataony (vakio ny 2 Tes. 2:9-12). Hivory eo amin'ny toerana ara-tandindona iray izy ireo, izay antsoina amin'ny teny hebreo hoe Hara-magedona, izay midika hoe "tendrombohitr'i Megido". Tanana mimanda tao amin'ny lemaka Jezirela (na lemak'i Esdraelona) i Megido, teo am-pototry ny tendrombohitra Karmela, ary toerana manan-danja tokoa. Ny lemak'i Esdraelona dia fantatra tamin'ny alalan'ny ady nanan-danja maro teo amin'ny tantaran'ny Isiraely (jereo ny Mpits. 5:19; 6:33; 2 Mpanj. 9:27; 2 Mpanj. 23:29, 30).

Mampiasa izany sary avy amin'ny tantaran'ny Isiraely izany ny Apôkalipsy mba hanehoana ny fifanandrinana lehibe farany, antsoina hoe Hara-magedona, izay hifanandrinan'Andriamanitra sy ny herin'ny ratsy. Aseho tahaka ny fitambaran'ny tafika iray lehibe ny olona eto amin'izao tontolo izao, eo ambany fitarihan'ny miaramilan'i Satana.

Azo heverina fa ny tendrombohitr'i Karmela izay akaikin'ny tanana no tiana holazaina amin'ny hoe tendrombohitr'i Megido. Toerana iray izay nisehoan'ny ady manan-danja indrindra teo amin'ny tantaran'ny Isiraely izany, izay niadian'i Elia mpaminany tamin'ireo mpaminan'i Bala (1 Mpanj. 18). Ny anton'izany toe-javatra izany dia ny hilazana hoe iza no Andriamanitra marina. Ny afo nilatsaka avy tany an-danitra no naneho fa Jehôvah no Andriamanitra marina, ary Izy irery ihany no tokony hiankohofana. Ny Apôk. 13:13, 14 dia maneho ny bibidia avy amin'ny tany mandatsaka afo avy any an-danitra mba hisandohana ny asan'Andriamanitra sy hamitahana an'izao tontolo izao.

Ny Hara-magedona dia tsy ady hataon'ny olona any amin'ny faritra Moyen-Orient tsy akory, fa ady ara-panahy ifanaovan'i Kristy sy ny herin'ny maizina (jereo ny 2 Kôr. 10:4). Izany ady izany no haneho amin'ny olon-drehetra ny mpifehy marina ny lanitra sy ny tany ary izao rehetra izao hatrizay. Ho tahaka izay tany Karmela no ho fiafaran'ny ady, ny fandresen'Andriamanitra ny herin'ny maizina. 

Nandritra ny taona maro no niheveran'ny olona ny korontana ara-politika sy ara-tafika tany Moyen-Orient ho famantarana ny andro farany sy ny Hara-magedona. Na dia teo aza ny faminaniana maro sy ny famerana daty dia tsy nitranga araka izay niheveran'izy ireo izany ny Hara-magedona. Ahoana no hiarovantsika tena tsy hanao fahadisoana tahaka izany eo anatrehan'ny fandikana ireny toe-javatra miseho ireny ho fahatanterahan'ny faminanian'ny Baiboly? 

"Hisy toe-javatra mahatahotra manana endrika tsy fahita hiseho tsy ho eta eny amin'ny lanitra ho famantarana ny herin'ny demonia miasa fahagagana. Handeha hankany amin'ny mpanjakan'ny tany ireo fanahin'ny demonia sy ho any amin'izao tontolo izao manontolo, mba hanamafy orina ny famitahana azy, sy hampirisika azy ireo hiandany amin'i Satana eo amin'ny ady farany hataony amin'ny fitondram-panjakan'ny lanitra. Ho voafitakIreo anjely avokoa na ny mpitondra na ny entina ( ...) "

Ho fara-tampony amin'ny asa famitahana lehibe dia i Satana mihitsy no hiseho vatana hilaza tena ho Kristy. Efa ela no nilazan'ny fiangonana fa ny fiavian'ny Mpamonjy no andrandrainy ho fanatanterahana ny fanantenany. Izao dia asehon'ilay mpamitaka lehibe fa tonga i Kristy. Amin'ny toerana samihafa eto an-tany dia hiseho amin'ny olona ho toy ny anankiray mitafy voninahitra manjelanjelatra mahajambena i Satana, mova tsy ny Zanak'Andriamanitra araka izay ilazan'i Jaona Azy ao amin'ny Apokalypsy. Apokalypsy 1 : 13-15. Manoatra lanitra noho izay efa hitan'ny mason'olombelona ny voninahitra izay manodidina azy. Manakoako eran'ny lanitra ny antsom-pandresena manao hoe: "Tonga i Kristy! Tonga i Kristy!" Miankohoka aminy ny olona (...) Teny malefaka sy mitory famindrampo no entiny milaza indray ny sasantsasany amin'ireo fahamarinana feno fahasoavana avy any an-danitra izay efa nambaran'ny Mpamonjy; manasitrana ny aretin'ny olona koa izy, ary amin'izay izy eo am-pakan-tahaka ny toetran'i Kristy dia mihambo ho efa nanova ny Sabata ho Alahady ka mandidy ny olona rehetra hanamasina io andro efa notahiny io. Ambarany fa ireo izay mikiry hanamasina ny andro fahafito dia miteny ratsy ny anarany amin'ny fandavany hihaino ny anjely nirahiny ho eo aminy nitondra fahaz,auana sy fahamarinana. Io no tena famitahana goavana indrindra, mila tsy ho hay toherina mihitsy."- HM, tt. 649,650. 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA: 

1. Vakio ny fampitandreman'i Jesôsy ao amin'ny Apok. 16:15. Anisan'izay zavatra nambaran'i Jaona fa tokony hataon'ny vahoakan'Andriamanitra ho fiomanana ho amin'ny adin'ny Hara-magedona iofampitandremana io. Hitanao ve fa ny fampitandremana ataon'i Jesôsy eto dia mitovy amin'izay nolazainy tamin'i Laodikia (Apôk. 3:18)? Hitantsika ny fitovian'ireo fampitandremana ireo; ahoana no hanampian'izany antsika hahatakatra fa manan-danja ho antsika ny hafatra nomena an'i Laodikia? Ahoana no hanampian'izany hafatra izany ireo vahoakan'Andriamanitra amin'ny andro farany ho vonona ho amin'ny ady farany?

2. Maneho ny fiainam-pahamasinan'i Jesôsy ny fitafiana fotsy ao amin'ny Apokalipsy (Apôk. 3:4,5; Apok. 19:7-9). Ireo izay "mitafy" ny fahamasinan'i Jesôsy ihany no hahajoro amin'ny andro farany. Rehefa mandray ny fiainam-pahamasinan'i Jesôsy isika dia manaiky antsika Andriamanitra. Nahoana isika no tsy maintsy manasa ny "fitafiantsika", no ny fo sy ny saintsika, amin'ny ran'ny zanak'ondry? Ahoana no hihazonan'ny ran'ny zanak'ondry, na izay nataon'i Jesôsy ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana, ny fontsika sy ny fanahintsika ho "madio sy fotsy" tahaka ny akanjo (Apok. 7:14)?