Lesona 6 : Ny tononkiram-pitiavan'ny mpanjaka

Hodinihina mandritra ny herinandro : Gen. 2:7; Tonk. 1:2,13; 1 Kôr. 7:3-5; Tonk. 4:8-16; 5:1.

Tsianjery : "Ataovy toy ny fanombohan-kase ao am-ponao aho sy toy ny fanombohan-kase eo an-tsandrinao: fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, masiaka tahaka ny fiainan-tsi-hita ny fahasaro-piaro; ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon'i Jehôvah." - Tonk. 8:6.

Ao anatin'ireo vanim-potoana manamarika ny fiainana ny fanambadiana ary anisan'ny lehibe indrindra. Tsy ny olon-drehetra no miditra amin'ny fanambadiana, fa ho an'ireo izay manao izany, ny fanambadiana dia mitondra fihaikana manokana nefa koa fitahiana manokana. Anisan'izany fitahiana izany ny firaisaina ara-nofo. Fanehoam-pitiavana lehibe tokoa izany fanomezana izany, amin'ny fotoana sy ny toerana mety : ao anatin'ny fanambadiana.

Mifanohitra amin'izay mety ho hevitry ny maro, ny Baiboly dia tsy manohitra ny firaisana ara-nofo tsy akory. Ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy izany fanomezana avy amin'ny Mpamorona ho an'ny taranak'olombelona izany no toheriny.

Iray amin'ireo boky ao amin'ny Baiboly tsy dia be mpamaky loatra ny tononkiran'i Sôlômôna, izay milazalaza ny amin'ny fifandraisana misy eo amin'ny vehivavy ampakarina, ilay Sôlemita sy ilay tiany izay inoan'ny olona fa ny mpanjaka Sôlômôna. Maneho ny zava-miafin'ny fifandraisana akaiky eo amin'ny olombelona sy ny fifaliana ao amin'ny fitiavana ifampizaran'ny mpivady eo anivon'ny tokantrano izany boky izany. Na dia oharina matetika amin'ny tandindon'ny fifandraisana misy eo amin'Andriamanitra sy ny olony, sy ny fifandraisan'i Kristy amin'ny fiangonana aza ny Tononkiran'i Sôlômôna  dia tononkalo miresaka momba ny fitiavana aloha izany, izay hita eo amin'ny fifandraisan'ny olombelona lahy sy vavy iray.

Amin'ity herinandro ity isika dia hijery ny amin'ny fanambadiana araka ny fomba iresahan'ity bokin'ny TT ity azy. 

lnona no ampianarin'ny Baiboly mikasika ny tenan'ny olombelona? Vakio ny Gen. 2:7; Sal. 63:1; Sal. 84:2; 1 Kôr. 6:19,20; 1 Tes. 5:23; 1 Jao. 2:1

Misy fivavahana sasany mino fa ratsy ny tenan'ny olombelona; ny "fanahy" ao anatin'izany vatana izany no inoany fa tsara. Tsy milaza izany anefa ny Baiboly izay mampianatra fa ny olombelona tsirairay dia manana "vatana" sy "fanahy" (vakio ny Gen. 2:7), toy izany no nanamboaran'Andriamanitra antsika. Ny momba azy iray manontolo no atolotr'ilay mpanao Salamo amin'ny fiderana an'Andriamanitra (Sal. 63:1; 84:2). Ny olombelona amin'ny fahafenoany no tokony hohamasinina, hatokanaho amin'ny tanjonamasinairin'Andriamanitra ho azy. 

lnona no ampianarin'ny Tononkiran'i Sôlômôna antsika momba ny tenan'olombelona sy ny firaisana ara-nofo? Vakio ny Tonk. 1:2, 13Tonk. 2:6; Tonk. 5:10-16; ary ny Tonk. 7:1-9. Ahoana no anehoan'ireo andininy ireo amintsika ny fampianaran'ny Baiboly mikasika ny maha-fanomezana avy amin'Andriamanitra ny vatan'ny olombelona sy ny firaisana ara-nofo?

Asehon'ny Tononkiran'i Sôlômôna fa tsara tokoa ny vatan'ny olombelona, ary tsy tokony hahamenatra ireo lafiny rehetra ara-batana mifandraika amin'ny fanambadiana, fanehoana ny fihetsehampo amin'ny fahafenoany izany.

Tsy azo atao ny miresaka momba ny firaisana ara-nofo any amin'ny kolontsaina sasany, ka sarotra ho an'ny mpivady ny hifampiresakaaraka ny tokony ho izy momba ny fiainana ara-pananahan'izy ireo. Tahaka izany koa, matetika ny zanaka no tsy mahazo ny tombontsoa hahafantatra momba ny fananahana, eo anivon'ny tokantrano kristianina izay azo ampidirana ny soatoavina tsara amin'ny alalan'ny fampahafantarana mazava. Ny fisokafan'ny Baiboly amin'ny resaka firaisana ara-nofo dia maneho amin'ny vahoakan'Andriamanitra fa tsy tokony hahamenatra izany lohahevitra izany mba handraisana io lafiny iray manan-danja amin'ny fiainana io amim-panajana sy amim-pahamendrehana amin'ny maha-fanomezana avy amin'ilay Mpahary azy. 

Ny fivavahana sy ny olona sasany dia mihevitra fa sady tsy tokony hatao ny firaisana ara-nofo no feno fahalotoana. Inoan’izy ireo fa tsy tokony hiresaka momba izany mihitsy ny olona. Ahoana no anehoan'ny Baiboly fa diso izany fiheverana izany?  

Maneho sary marobe momba ny fitiavana ny Tononkiran'i Sôlômôna. Inona avy izany? Vakio nyTonok.1:2,13; 2:10-13,16; 3:11; 4:1-7; 5:16; 6:6; 7:1-9; 8:6,7.

Maneho ny tokony hisian'ny fotoana hiarahan'ny mpisakaiza sy ny tokony hifampiresahany ary hifampiheverany ny Tononkiran'i Sôlômôna  Ao amin'io boky io dia manjary mpivady ireo mpisakaiza akaiky anankiroa. Izao no ambaran'ny vavy ao amin'ny Tonk. 5:16: "Toy izany ny sakaizako". Ny teny hoe sakaiza dia maneho fiarahana sy fisakaizana tsy misy firesahana momba ny firaisana ara-nofo. Sambatra tokoa ny lehilahy na vehivavy manambady ny sakaizany. 

Mifaneho fitiavana amin'ny fomba marobe ireo mpivady ao amin'ny Tononkiran'i Sôlômôna  Mifaneho fankasitrahana izy ireo, mifanao teny mahafinaritra. Mampiseho ny fihetsiny fa tena mifankatia tokoa izy ireo. Nomen'Andriamanitra ny mpivady ny firaisana ara-nofo mba hampitombo ny fifanakaikezana eo amin'izy ireo, kanefa tokony handray ny fitiavan'Andriamanitra ao am-po izay hanova ny fony aloha izy ireo. Amin'izay ny fitiavany amin'ny maha-olombelona azy vao ho "tsara sy madio, ambony ary masina" - AH, t. 99.

Tsy mandeha ho azy ho an'ny fon'olombelona ny mitia, satria mpanota isika ka feno fitiavan-tena ny fontsika. Fanomezana avy amin'ny Fanahy Masina ny fitiavana marina (Rom. 5:5). Izany fitiavana izany no mampikambana ny mpivady. Tokony hitia ny zanany arninIzany fitiavana izany ny ray aman-dreny, fitiavana tsy mihevitra ny an'ny tena. Izany koa no mampiray ireo mpino ao amin'ny fiangonana. Fitiavana toy izany no ampirisihan'ny Tononkiran'i Sôlômôna ifankatiavan'ny mpivady. 

Ahoana no anehoan'ny fanambadiana amintsika ny fanirian'Andriamanitra hifanakaiky amintsika? Inona no tokony hatao mba hananana tokantrano sambatra? Ahoana ny amin'ny fanokanana fotoana iarahan'ny mpivady? Ahoana ny amin'ny tsy fanehoana fitiavan-tena? Nahoana no zava-dehibe ireo raha tiantsika ny hifanakaiky amin'Andriamanitra? 

Inona moa no planin'Andriamanitra ho an'ny mpivady tao amin'ny sahan'i Edena? Tiany raha "ho nofo iray ihany ireo" - Gen. 2:24,25. Mihevitra ny olona sasany fa ny Tononkiran'i Sôlômôna dia maneho fa maniry ny hamerina ny mpivady ho amin'ny planiny momba ny fanambadiana tany Edena Andriamanitra. Azo heverina ny fahamarinan'izany. Mampiasa sorry an'ohatra sy tandindona kanto marobe ny tononkalo, izay maneho ny drafitr'Andriamanitra ho an'ny mpivady, dia ny ho "nofo iray". 

Inona no asehon'ny Tononkiran'i Solomona antsika mikasika ny fitankatiavan'ny mpivady? Vakio ny Tonk. 4:7-165:1. Ahoana no hanampian'ny 1 Kôr. 7:3-5 antsika hahatakatra bebe kokoa ireo andininy ao amin'ny Tononkiran'i Sôlômôna?

Izao no ambaran'i Sôlômôna amin'ilay ampakariny: "avia hiaraka amiko" -Tonk. 4:8, DIEM. Mamaly izany ilay ampakariny. Taoriana kely dia nanasa azy izy hoe: "Aoka ny malalako hankaty an-tanimboliny" Tonk. 4:16. Mamaly izany i Sôlômôna (Tonk. 5:1). Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika momba ny fitiavana? Tsy manery na iza na iza hanao zavatra iray ny fitiavana. Mifankatia i Sôlômôna sy ilay ampakariny, tsy manery ilay ampakariny ho tia azy izy, ary ilay ampakariny koa tsy manery an'i Sôlômôna ho tia m

Ny anarana "Sôlômôna" sy ny "Solemita" (Tonk. 7:1) dia avy amin'ny teny hebreo hoe "shalom", izay midika hoe "fiadanana" na koa zavatra izay "feno". Samy mahatsapa fiadanana i Sôlômôna sy ilay vehivavy solemita satria mifampizara fitiavana mitovy (Tonk. 4:1-5; Tonk. 5:10-16). Izao no teny nataon'ilay vehivavy sôlemita: "Ahy ny malalako, ary azy aho." - Tonk. 2:16. Tahaka ny teny nataon'i Adama tany Edena rehefa nentin'Andriamanitra ho eo aminy i Eva izany: "Ankehitriny dia taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy." - Gen. 2:23 

Mampiasa ny teny hoe "nahalala" ny Baiboly (Gen. 4:1) mba hanazavana ny fitiavana sy ny firaisana ara-nofo ataon'ny lehilahy sy ny vehivavy mpivady. Jereo ireo ohatra hafa anoratana io teny io ao amin'ny Baiboly : Gen. 4:25;1 Sam. 1:19; Lio. 1:34; Jao. 17:3; 1 Kôr. 8:3. Ahoana no hanampian'ireo andininy ireo antsika hahatakatra bebe kokoa ny drafitr'Andriamanitra ho an'ny fitiavana sy ny firaisana ara-nofo ao anatin'ny fanambadiana?

Vakio ny Tonk.4:8-16 ; 5:1

Tononkalom-pitiavana mahafinaritra ny Tononkiran’i Sôlômôna. Ny Tonk. 4:16 sy ny 5:1 no ivon'izany tononkalo izany, izay maneho amintsika fa niroso tamin'ny fanambadiana i Sôlômôna sy ilay vehivavy Sôlemita nony farany.

Vakio ny Tonk. 4:12,16  sy ny Tonk. 5:1  ary ny 8:8-10. lnona no resahin'i Sôlômôna ao amin'ireo andininy ireo?

Ao amin'ny Tononkiran'i Sôlômôna no ahitantsika ny sahany amin'ireo porofo maharesy lahatra omen'ny Soratra Masina mikasika ny drafiteAndriamanitra ny amin'ny hitoeran'ny olona ho virijina mandra-pahatonga amin'ny fanambadiana. Iray amin'ireo ohatra lehibe amin'izany ny fahazazan'ilay vehivavy sôlemita  rehefa nanontany tena ireo anadahiny raha toa izy ka "Manda" na "varavarana" (Tonk. 8:8,9). Raha lazaina amin'ny teny hafa dia izao: hitoetra ho virijina hatramin'ny fanambadiana ve izy (manda), sa tsy hitondra tena tsara (varavarana). Rehefa lehibe ilay vehivavy Sôlemita dia nanambara fa nihazona ny maha-virijina azy ary madio eo anatrehan'ny vadiny : "Manda aho" - Tonk. 8:10. Nanamafy izany i Sôlômôna fa mbola virijina ravehivavy mandra-pahatonga ny alin'ny fampakaram-bady, tamin'ny teny hoe: "saha voahidy ny havako ampakariko, loharano voahidy, fantsakan-drano voaisy tombo-kase." - Tonk. 4:12. Noho ny amin'izany fanandramana niainany izany no nanomezany torohevitra ireo namany ny mba hitandremanizy ireo fatratra ny amin'ireo dingan'ny fitiavana sy ny fanambadiana. Intelo ilay vehivavy Sôlemita no niteny tamin'ny vondrona tovovavy nantsoiny hoe "ry zanakavavin'i Jerosalema", ka nananatra azy ireo tsy hamoha ny faniriana mivaivain'ny fitiavana raha tsy amin'ny fotoana mety (Tonk. 2:7; 3:5; 8:4), izany hoe mandra-pahatonga azy ho eo amin'ny fifaneken'ny fanambadiana, tahaka azy.

Nanasa ilay ampakariny indray ny olon-tiany hiaraka aminy (Tonk. 2:10; Tonk. 4:8 ). Tsy nanaiky izany fanasana izany ravehivavy nialoha ny fanambadiana, izao kosa dia izy no manasa azy ho ao amin'ny sahany (Tonk. 4:16), ary nanaiky izany tamim-pifaliana ralehilahy (Tonk. 5:1). Tsy hoe voasinton'ny hatsaran-tarehiny fotsiny ihany izy, fa lasan-dravehivavy ny fony (Tonk. 4:9), tia azy fatratra izy (Tonk. 4:10), ary faly tokoa satria efa azy key, izao sy ho mandrakizay ravehivavy: "Toy ny zaridaina mifefy ianao, rahavako, ry ilay ampakariko, eny, toy ny zaridaina mifehy sy loharano nasiana hidiny." -Tonk. 4:12, DIEM. Tahaka ny hoe nanatratra ny Tany Nampantenaina izy raha nikambana tamin'ity vehivavy tonga lafatra ity: "Mitete tantely toy ny avy amin'ny tohotra ny molotrao, ry ampakariko; tantely sy ronono no ao ambanin'ny lelanao" - Tonk. 4:11. 

lnona no vaovao mahafaly ho an'ireo olona manenina ny amin'ny safidy ratsy nataony mahakasika ny firaisana ara-nofo? 1 Jao.1:9 ampitahao amin'ny Sal. 103:12; Isa. 55:7; Jao. 8:11.

Nanana tanjona manokana Andriamanitra tamin'ny namoronany ny olombelona ho lahy sy vavy (Gen. 1:26-28). Rehefa tafakambana ao amin'ny fanambadiana ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, dia manjary "nofo iray" - Gen. 2:24. Tandindona maneho ny maha-iray an'Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izany, tiany haneho izany ny fanambadiana. Rehefa manan-janaka ny mpivady dia maneho ny herin'Andriamanitra izay mahay mamorona aina vaovao izany.

Ahoana no ambaran'ny Baiboly mikasika ny firalsana ara-nofo izay tsy ao anatin'ny planin'Andriamanitra? Vakio ny Lev. 20:7-21; Rôm. 1:24-27; ary ny 1 Kôr. 6:9-20.

Asehon'ny Baiboly antsika fa tsy mety ny firaisana ara-nofo rehetra mandika ny lalany; fahotana izany, izay marimba ny endrik'Andriamanitra eo amin'ny olombelona. Mitarika ny olony ho amin'ny firaisana ara-nofo izay manome voninahitra ny didiny Andriamanitra, ny lalany izay mampiseho amintsika ny fahotantsika.

Inona no torohevitra omen'ny Baiboly ny Kristianina mikasika ny firaisana ara-nofo, eto amin'ny tany feno fahotana? Vakio ny Rôm. 8:1-14: 1 Kôr. 6:15-20; 2 Kôr. 10:5; Gal. 5:24; Kol. 3:3-10; ary ny 1Tes. 5:23, 24.

Amin'ny maha-Kristianina antsika dia miandry ny fiverenan'i Jesôsy isika hanadio sy hanafaka antsika amin'ny fahotana. Miandry amim-pinoana isika ary mino fa ny fahafatesan'i Jesôsy tao amin'ny hazo fijaliana dia mahatonga antsika ho "maty" ny amin'ny ota. Velona ao Aminy isika satria efa nitsangana tamin'ny maty Izy. Ahoana no handresentsika ny ota? Amin'ny fivavahana tsy mitsahatra. Ilaintsika ny miambina eo anatrehan'ireo famantarana maneho fa miezaka mifehy ny fiainantsika ny fahotana. lnoantsika fa efa nofantsihina teo amin'ny hazo fijaliana ny tenantsika taloha ka maty. Ankehitriny dia mankato an'i Jesôsy amin'ny fisainantsika isika, ary manaiky fa Andriamanitra no tompon'ny tena ka tsy tokony hanao zavatra mifanohitra amin'ny drafiny isika.

Mamela ny helotsika Andriamanitra rehefa mifona ny amin'ny fahotana isika ary miala amin'izany. Manome hery antsika handresena ny fahotana rehetra mikasika ny firaisana ara-nofo i Jesôsy. Nandratra antsika loatra ny fahotana ka mila ny herin'Andriamanitra isika hanasitrana antsika sy hanavao indray ny fiainantsika.  

Ahoana no tokony hataon'ny filoangonana eo anatrehan'ny fifankatiavana misy eo amin'ny olona mitovy fananahana? 

"Nitahy ny fanambadiana i Jesôsy, ka tokony hinoantsika fa masina tokoa izany. Tsy manohitra ny drafitrAndriamanitra ny fivavahana marina, ny drafiny ho an'ny lehilahy sy ny vehivavy hikambana amin'ny fanambadiana masina. Tiany ny hananganan'izy 5:25 ireo ankohonana izay sary an'ohatra velona maneho ny ankohonan'ny lanitra. Nitahy ny fanambadiana i Jesôsy raha vao nanomboka ny asany tety an-tany, tahaka ny nitahiany ny fanambadiana tao Edena. Iray amin'ireo fitahiana atolotr’Andriamanitra ny taranak'olombelona ny fanambadiana, tokony ho masina izany, ary tokony hifandraika amin'ny fahamarinana sy ny fitiavan'Andriamanitra." - DG, tt. 180,181, nasiana fanamboarana.

Asehon'ny Tononkiran'i Sôlômôna fa fanandramana mahafinaritra eo anivon'ny fanambadiana ny firaisana ara-nofo, kanefa tsy ny hatsaran-tarehy sy ny firaisana ara-nofo ihany no mamaritra ny fanambadiana tsara. Mety antitra mantsy ny vatantsika, sa tsy izany? Tsy afaka hitoetra ho tanora mandrakizay isika na toy inona na toy inona fomba fisakafoana sy fampiasam-batana na koa fandidiana ataontsika. Mihoatra lavitra noho ny zavatra izay miova sy manjavona fotsiny ny fanambadian'i Sôlômôna sy ilay vehivavy SOlemita; maharitra mandritra ny fiainana izany. Intelo no nitenenan'izy ireo fa ny iray an'ny andaniny ary ny iray an'ny ankilany (Tonk. 2:16; Tonk. 6:3; Tonk. 7:10). Tsy azo vonoina izany fitiavana izany (Tonk. 8:7), ary tsy mety rava (Tonk. 8:6). 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA: 

1. Ambaran'i Sôlômôna fa tonga lafatra ny vadiny (Tonk. 4:1-5; Tonk. 6:8; ary ny Tonk. 7:1-9). Ampitahao amin'ny teny nataon'i Adama raha vao nahita Eva izany (Gen. 2:23). Ahoana no tokony ho fihetsehampon'ny lehilahy eo anatrehan'ny vadiny (Efes. 5:28,29)?

2. Inoan'ny olona sasany fa maneho ny fitiavana misy eo amin'i Jesosy sy ny fiangonana ny Tononkiran'i Sôlômôna. Ahoana no anehoan'ny fitiavana misy eo amin'i Solomona sy ilay vehivavy Solemita ny fitiavan'Andriamanitra antsika? Vakio ny Isa. 54:4,5; Jer. 3:14; ary ny 2 Mir. 11:2 hanampy anao amin'ny famaliana izany.

3. Vakio ny Ohab. 31:26; Tonk. 5:16 ary ny Ohab. 25:11. Maneho amintsika ny lanjan'ny teny ireo foko sy andininy ireo. Ahoana no mahatonga ny teny atao "hanimba" na "hanorina" ny vady? Ahoana no mahatonga ny teny ataontsika hampalemy na hampahery ny tokantrano misy antsika? Vakio koa ny Jak. 1:26 sy ny Jak. 3:5-11 hanampy anao amin'ny famaliana izany.