Lesona 9 : Ireo andro ahaverezana

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar. 5:22-24; 1 Pet. 5:6,7; Gen. 37:17-28; Lio. 16:13; 1 Kor. 15:26. 

Tsianjery:  "Eny tokoa, fa ataoko fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran'ny hatsaran'ny fahalalana an'i Kristy Jesôsy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an'i Kristy" - Fil. 3:8.

Inona no nitranga rehefa nihinana ilay hazo voarara i Adama sy i Eva? Niaina ny fatiantoka voalohany izy ireo, dia ny fahaverezana ny tsy fananany tsiny. Ary ny fitiavan-tena, fifandirana, fifanomezan-tsiny, ary faniriana hifehy sy hanjakazaka amin'ny hafa no nisolo io tsy fananan-tsiny io.

Fotoana fohy taorian'ny nanotany, dia nanatri-maso ny fahaverezan'aina voalohany i Adama sy Eva, rehefa namono biby Andriamanitra. Nampiasainy ny hoditr'ilay biby hanaovana fitafiana ho azy mivady mba hanaronana ny fitanjahany. Tsy navelan'Andriamanitra hihinana ny hazon'aina intsony izy ireo fandrao ho velona mandrakizay raha hihinana izany. Verin'izy ireo koa ilay saha tonga lafatra fonenany. Taona maro taty aoriana koa dia veriny ny zanany lahy, Abela, rehefa novonoin'ny rahalahiny, Kaina, izy. Tena nalahelo izy ireo noho izany. Nony farany, taorian'ny taona maro niainana, dia namoy ny vadiny ny may tamin'izy ireo. Tsy milaza ny Baiboly raha i Adama na i Eva no maty voalohany. Ary tamin'ny tena farany dia namoy ny ainy koa ilay vady mbola tavela. Jereo ny fahaverezana vokatry ny safidy diso iray monja.

Fantatsika rehetra tokoa ny fisian'ny fahaverezan-javatra sy ny ratram-po aterak'izany. Ary ny ankamaroantsika dia mahatsapa izany amin'ny tena mangidy indrindra rehefa midona amin'ny ankohonantsika izany fahaverezan-javatra izany.

Amin'ity herinandro ity dia hotohizantsika hatrany ny fandinihana ny fiainan'ny ankohonana, ka hijery ireo fotoana samihafa isian'ny fahaverezana ao amin'ny ankohonana isika. 

 Efa fotoana lavabe no lasa hatramin'ny nihinanan'i Adama sy Eva ny voan'ny hazon'aina. Asehon'ny vatantsika marary sy marefo fa efa ela tokoa izany! Na ho ela na ho haingana, dia ho lasa antitra ka ho faty isika rehetra, saingy hahavery ny fahasalamantsika koa ny ankamaroany amintsika eny an-dalana eny.

Mandratra fo izany hoe mamoy fahasalamana izany, saingy mbola mandratra kokoa izany rehefa midona, tsy amintsika irery ihany, fa amin'ny olona ao amin'ny ankohonantsika koa. Firy ny ray aman-dreny nanan-janaka marary no naniry ny mba ho izy no narary fa tsy ny zanany? Mampalahelo anefa fa tsy omena izany safidy izany isika.

Vakio ny tantara ao amin'ny Mar. 5:22-24,35-43; Mat. 15:22-28; Lio. 4:38,39; ary Jao. 4:46-54. Inona no mampitovy ireo tantara rehetra ireo?

Ao amin'ny tantara tsirairay dia mahita mambran'ny ankohonana iray mitalaho ny hanampian'i Jesosy ny olona iray ao amin'ny fianakaviany isika.

Tsy isalasalana fa mahatsapa fahoriana isika noho ny fahotana. Rehefa niditra teto amin'izao tontolo izao tokoa mantsy ny fahotana, dia tsy ny fahafatesana ihany no niditra, fa ny fanaintainana sy ny aretina koa. Rehefa miatrika aretina mikiky na aretina tsy misy fanafany intsony isika dia mety ho tezitra, na mety maniry ny hikiaka koa aza manao hoe: "Andriamanitra o, Andriamanitro o, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin'ny fitarainako" - Sal. 22:1. Nentin'i Davida teo amin'Andriamanitra ny fanontaniany sy ny hatezerany ny ny fahoriany, ka tokony hanao toy izany koa isika. 

Tsy ho takatsika na oviana na oviana ny fahafatesana sy ny fijaliana raha tsy amin'ny fotoana andresen'i Jesôsy ny fahafatesana amin'ny fiaviany fanindroany. Eo am-piandrasana izany anefa dia azontsika atao ny misintona lesona momba ny fahoriana sy ny aretina avy ao amin'ny Baiboly. Niaritra fijaliana tsy hay lazaina i Jôba, saingy nanampy azy hanakaiky kokoa an'Andriamanitra izany. Izao no fanazavana omeny: "Fandrenesan'ny sofina ihany no nandrenesako Anao; fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao" - Jôba 42:5. Nanana aretina nikiky koa i Paoly. Maneho amintsika anefa ny fomba niatrehany izany fa afaka manampy antsika ho tonga olona tsara kokoa ny fijaliana mahazo antsika. Afaka manampy antsika hahay hampionona ny hafa izany, afaka mamboly ao anatintsika fitserana ny olona maratra am-po, ary afaka manampy antsika mba ho mpanompon'Andriamanitra mahomby kokoa (2 Kôr. 1:3-5). Ilaintsika anefa ny mitandrina mba tsy hamelantsika ny fahoriantsika hampisaraka antsika amin'Andriamanitra. 

Inona no teny fikasana azontsika amikirana amim-pinoana raha marary isika na ny fianakaviantsika? Nahoana no tena manan-danja ho antsika ny fijalian'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana amin'ny fotoana tahaka izany? Inona no ampianarin'ny hazo fijaliana antsika momba ny fitiavan'Andriamanitra tsy mba miova na dia eo anivon'ny aretina aza isika? 

Efa namadika ny fitokian'ny olona anao ve ianao? Na efa nisy olona namadika ve ny fitokianao azy? Sarotra ny matoky olona indray rehefa misy olona mamitaka antsika na mamadika ny teny nifanomezana. Mafy ny fahatsapana fa tsy afaka ny hatoky izany olona izany intsony isika. Mbola mafy kokoa noho izany mandrakariva anefa rehefa mambran'ny fianakaviana no mamadika antsika na avaditsika. 

Indraindray dia toy ny mandositra ilay olona nandratra antsika no zavatra mora indrindra azo atao. Mety hihevitra mantsy isika fa mitaky ezaka be loatra ny fanorenana indray ny fitokiana. Mazava loatra fa tsy dia mora tahaka izany ny mandositra rehefa mambran'ny ankohonana, ohatra hoe ny vadinao, no namadika anao. Azonao atao tsara aza ny milaza fa ny iray amin'ireo tanjon'ny fanambadiana dia ny hampianatra antsika ny fomba hanorenana indray ny fitokiana rehefa rava izany.

Rehefa rava ny fitokiana ao anatin'ny fifandraisana iray, dia ahoana no ahafahanao manasitrana sy mamonjy ny fitokiana sy ilay fifandraisana? Vakio ny 1 Pet. 5:6,7; 1 Jao. 4:18; Jak. 5:16; Mat. 6:14,15.

Tahaka ny dia lavabe ny fanorenana ny fitokiana rava: tsy maintsy manao dingana iray isaky ny mandeha ianao. Manomboka amin'ny fanekena amin-kitsim-po ny ratra sy fiaikena ny marina ny dia. Tsy maintsy lazaina amim-pahitsiana ny zavatra nataonao izay nandratra ny hafa na ny zavatra nataon'ny hafa izay nandratra anao.

Rehefa ny fijangajangana no anton'ny fisarahana, dia inona no dingana voalohany tsy maintsy atao mba hisian'ny fanasitranana? Tsy maintsy miaiky ny ratsy nataony ilay namadika. Rehefa izay dia tsy maintsy vonona ny ho mahitsy sy hisokatra tanteraka izy. Tsy tokony handainga na mbola hanafin-javatra izy. Raha tsy izany dia hanimba indray ny fifampitokiana naorina indray izany raha toa ka ho fantatra any aoriana any (ary tena ho fantatra tokoa!). Ary raha rava fanindroany ny fitokiana, dia ho sarotra kokoa ny manasitrana izany noho ny tamin'ny voalohany.

Mitaky fotoana sy faharetana ny fanorenana fitokiana indray. Arakaraka ny maha-mafy ilay fahadisoana no ilàna fotoana lava kokoa ho amin'ny fanasitranana. Indraindray dia hahatsapa ianao fa tsy mety sitrana mahitsy! Amin'ny andro iray dia toa tahaka ny misy fanantenana ny amin'ny ampitso. Ny ampitso anefa dia toa hilavo lefona sy handositra indray ianao. Olona maro anefa no afaka nanorina indray ny fifandraisany rava ka lasa mafy orina sy mahafa-po sy sambatra kokoa ny fanambadiany, noho ny fanampian'Andriamanitra.

Inona ireo foto-kevitra eo amin'ny fanasitranana fanambadiana azo ampiasaina mba hanasitranana ireo fifandraisana hafa izay rava koa? 

Amin'ny fomba ahoana koa no mety haharava ny fitokiana ao amin'ny ankohonantsika? Amin'ny alalan'ny herisetra ao amin'ny ankohonana. Mety tsy ampoizintsika fa asehon'ny fikarohana maro fa ny ankohonana no toerana tokana ahitana herisetra indrindra eo amin'ny fiarahamonina. Mahakasika ny karazam-pianakaviana rehetra ny herisetra, ary ao anatin'izany ny ankohonana kristianina. Ny herisetra dia fandratrana ataon'ny olona iray amin'ny olona iray hafa ao amin'ny ankohonana. Misy karazany maro izany: herisetra amin'ny fiteny, ara-batana, ara-pihetseham-po, amin'ny firaisana ara-nofo, na koa fanaovana tsirambina ilay olona mivantana na tsy mivantana.

Mirakitra tantara momba ny herisetra ao amin'ny ankohonana ny Baiboly, eny fa na eo anivon'ny vahoakan'Andriamanitra aza. Inona no hevitrao ary manao ahoana ny fihetseham-ponao raha mamaky ireo tantara ireo? Araka ny hevitrao, nahoana no noraketin'Andriamanitra ao amin'ny Baiboly ireo tantara ireo? 

Gen. 37:17-28 ........................................................................................................................................................................................

2 Sam. 13:1-22 ......................................................................................................................................................................................

2 Mpanj. 16:3; 2 Mpanj. 17:17; 2 Mpanj. 21:6 ......................................................................................................................................

Nahoana no mampihatra herisetra amin'ny olona iray ny olona iray hafa? Manao izany izy satria te hampihatra ny fahefany sy hifehy ilay olona tray. Ratsy izany fitondran-tena izany ary tsy misy azo analana tsiny azy. Tsy manala tsiny izany ny fisotroan-toaka, na ny rarintsaina, na ny filana hahatanteraka ny faniriana eo amin'ny firaisana ara-nofo, na ny hatezerana, na ny fitondran-tenan'ilay niharam-boina. Tsy tompon'andraikitra nahatonga ny fihetsik'ilay nanao herisetra ilay niharam-boina. Manolana sy mampifamototra ny fitiavana ny olona maneho herisetra satria "ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana" - Rôm. 13:10. Marary ny olona izay mikasi-tanana na mamono ny hafa, ka mila fanampiana izy ireny. Tsy afaka ny hiova anefa izy raha tsy efa mandeha mitady fanampiana. ireo, voalohany indrindra, ny miaiky fa manana olana izy ary tompon'andraikitra feno amin'ny fihetsiny. Rehefa izay dia ilainy ny manokatra ny fony amin'Andriamanitra. Mahay manao mihoatra lavitra Andriamanitra mba hanampiana ny mpanao herisetra hampitsahatra ny fitondran-tenany ratsy. Hanampy azy ireo koa Izy mba hamerina amin'ny laoniny ny zavatra rehetra amin'ny fomba rehetra azo atao. Hanasitrana ny fo ratsiny sy hanampy azy hitia ny hafa araka ny tokony ho izy Andriamanitra (vakio ny Efes. 3:20).

Inona no tenim-pankaherezana sy fanantenana hozarainao amin`ny olona niharan'ny herisetra? Nahoana no tena manan-danja tokoa ny manolotra toky sy fikarakarana izany olona izany? 

Andriamanitra irery ihany no mahafantatra ny isan'ny olona izay miady amin'ny fiankinan-doha. Fantatrao ve fa hitan'ireo mpahay siansa ny toerana misy ireo fiankinan-doha ao amin'ny atidohantsika? Tsy fantatr'izy ireo anefa ny tena antony mahatonga ireo fiankinan-doha ireo. Tsy mitovy anefa ny fahitana ny toerana misy ireo fiankinan-doha ireo sy ny fanafahana antsika amin'izany.

Mafy amin'ny olona rehetra ny fiankinan-doha, fa tsy amin'ilay mpiankin-doha fotsiny ihany. Samy mijaly mafy noho ny fiankinan-dohan'ny mpianakavy iray ny mambra rehetra ao amin'ny ankohonana: ny ray aman-dreny, ny vady, ary ny zanaka. Mijaly avokoa izy ireo rehefa misy mambran'ny fianakaviana izay voafehin'ny fahazaran-dratsy izay toa tsy afany intsony.

Inona ny sasany amin'ireo fiankinan-doha ireo? Ny fidorohana zava-mahadomelina, ny fisotroan-toaka, ny fifohana sigara, ny filokana, ny fijerena sary mamoafady, ny firaisana ara-nofo, ary na ny sakafo aza. Inona anefa no mahatonga ireo zavatra ireo ho fiankinan-doha? Ny valiny dia ny tsy fahafahan'ilay olona mampijanona ny fanaovana izany. Fantany fa manimba azy ilay fahazarana saingy ataony ihany izany. Lasa andevon'izany izy, ka very mihitsy ny fahafahany amin'ny farany. Manana fanazavana tsotra momba ny vokany i Petera: "Fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany  aza dia andevon'ny fahalotoana" - 2 Pet. 2:19. Ka mampitandrina izy fa "izay maharesy ny olona dia mahandevo azy" - 2 Pet. 2:19. 

Inona ireo zavatra izay mety hitarika ny olona ho amin'ny fiankinan-doha? Vakio ny Lio. 16:13; Rom. 6:16; Jak. 1:13-15; 1 Jao. 2:16.

Tsy voatery hitovy mandrakariva ny fahotana sy ny fiankinan-doha. Mety manao zavatra iray izay fahotana ianao, saingy tsy miankin-doha amin'izany. Matetika anefa no mety mivadika ho fahazaran-dratsy izany fahotana izany raha toa ka averimberinao foana. Izany no antony tokony hangatahantsika ny fanampian'Andriamanitra mba hampitsahatra izany fahotana izany mialoha ny hivadihany ho fiankinan-doha. Mazava loatra fa ny fandraisana fo vaovao no vahaolana tokana sady maharitra amin'ny fahotana sy ny fiankinan-doha. Andriamanitra irery anefa no afaka manome izany. "Fa izay an’i Kristy Jesôsy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo fijaliana" - Gal. 5:24. Inona no hevitry ny hoe manombo ny tenantsika sy ny fahazaran-dratsintsika fahiny eo amin'ny hazo fijaliana? Manazava izany i Paoly: "Fa itafio Jesôsy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany" - Rom. 13:14. Koa ilaintsika ny manombo ireny fiankinan-doha ireny eo amin'ny hazo fijaliana, dia afaka ny hivelona ho an'i Kristy isika (Rôm. 6:8-13)

Fantatsika rehetra amin'ny maha-olombelona antsika fa tena misy ny fahafatesana. Mamaky ny amin'izany isika, mahita izany, ary, angamba, isika mihitsy no efa nanakaiky ny fahafatesana. 

Vakio ny 1 Kôr. 15:26. Ahoana no amaritan'io andininy io ny fahafatesana? Nahoana no faritany tahaka izany ny fahafatesana? 

Fahavalo ny fahafatesana. Iza no tsy mbola nahatsapa fa tena fahavalo lehibe tokoa izany rehefa misy olon-tiany maty? Etsy an-kilany anefa, tsara lavitra noho isika ireo izay maty ao amin'i Kristy. Nahoana? Satria tsy malahelo na mahatsiaro fanaintainana intsony izy ireo. Rehefa hanangana ny maty Andriamanitra, dia i Jesôsy no ho hitan'izy ireo aorian'ny fotoana tahaka ny indray mipi-maso aorian'ny fahafatesany. Ho an'ny mino, dia zavatra kely ihany ny fahafatesana. (...) "Ho an'ny Kristianina, torimaso fotsiny ny fahafatesana, fotoana ao anatin'ny fahanginana sy ny haizina. Ny fiainana dia miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra, ary `raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho Aminy koa amin'ny voninahitra hianareo" - IFM, t. 800 (edis. 2011).

Mifarana ity fiainam-pijaliana sy fahoriana ity ho an'ny olona maty. Ireo velona, indrindra ireo namana na fianakaviana mbola tavela, no mahatsapa ny tena fahoriana sy ny alahelo vokatry ny fahafatesana. Ara-dalana tsara ny mahatsiaro alahelo rehefa misy olon-tiana maty. Tsy mitovy anefa ny fizotry ny alahelon'ny olona rehetra amin'izay fotoana izay. Hatairana mafy sy tsy fanekena ilay fahafatesana no fihetsika voalohany asetrin'ny ankamaroan'ny olona manoloana ny fahafatesana, eny fa na dia efa nampoizina ihany aza izany indraindray. Ny hatairana mafy dia fomba fiezahan'ny sainao hiaro anao amin'ny zavatra nitranga. Mety haharitra mandritra ny roa na telo volana izany.

Rehefa lasa ny hatairana mafy, dia mety hahatsiaro ilay havan-tiana foana ianao, na dia mandritra ny asa mahazatra fanao andavanandro aza. Mety haharitra mandritra ny enim-bolana hatramin'ny herintaona io vanim-potoana io. Rehefa izay dia hahatsiaro alahelo lalina ianao. Mety haharitra mandritra ny fotoana tena lava io fihetseham-po io ary io no mety ho fotoana mampahory indrindra. Mandritra io fotoana io no ianaranao tsikelikely manaiky ny famoizana ny havan-tianao. Mety hahatsapa fihetseham-po maro ianao mandritra io vanim-potoana io: fahatezerana, fahatsiarovan-tena ho meloka, nenina, alahelo, ary fanahiana. Aza miezaka ny manaisotra ny alahelonao na ny fahatsiarovanao ilay malalanao, satria tsy izany no tanjona. Farany, amin'ny fiafaran'io vanim-potoana io, dia manomboka liana amin'ireo zavatra fanao andavanandro indray ianao ka manao izany tahaka ny nahazatra anao.

Vakio ny Rôm. 8:31-39; Apôk. 21:4; 1 Kôr. 15:52-57. Inona no fanantenana sy fiononana omen'ireo andininy ireo anao? 

Olona maro no nijaly vokatry ny fiankinan-dohany. Lasa andevon'ny faniriany izy ireo, ary very vola, asa, fahasalamana, ary fahafahana. Tonga mba hanafaka antsika amin'ny fahotana sy amin'ny fiankinan-doha izay mangeja antsika anefa i Jesosy. Koa "raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo" - Jao. 8:36. Nampanantena koa i Jesôsy fa homba antsika mandrakariva Izy (Mat. 28:20; Isa. 43:2). Koa tsy voatery hiady amin'ny fahotana samirery isika. Tokony hotsaroantsika mandrakariva mantsy fa an'i Jehôvah ny ady (1 Sam. 17:47), ary nampanantena Izy fa hanome fandresena antsika (1 Pet. 1:3-9). Afaka manomboka mandresy ny fiankinan-doha sy ny fahotana ianao anio, noho ny fanampian'Andriamanitra.

Rehefa izay dia hahazo ny fahafahana irinao sy tian'Andriamanitra ho anao ianao. Tsy midika anefa izany fa tsy hiady mafy ianao. Indraindray aza dia mety hisy fotoana tsy hampahomby anao. Ny vaovao mahafaly anefa dia arakaraka ny tsy amoizanao an'Andriamanitra no tsy amoizany anao. Any marina koa fa tsy misy mahadiso amin'ny fitadiavana fanampiana avy amin'ny matihanina raha ilaina izany. Tahaka ny fahafahan'Andriamanitra mampiasa mpitsabo mba hanampiana anao amin'ny olanao ara-pahasalamana, no ahafahany mampiasa mpanolo-tsaina matihanina koa mba hanampiana anao hiala amin'ny fiankinan-doha.

"Rehefa manodidina antsika ny zava-tsarotra sy ny fitsapana, dia tokony hihazakazaka ho eo amin'Andriamanitra isika, ka hanantena amin-toky fa hanampy antsika Izy. Manan-kery hamonjy ary manam-pahefana hanafaka antsika tokoa mantsy Izy. Tsy maintsy mangataka ny fitahian'Andriamanitra isika raha tiantsika ny handray izany fitahiana izany. Sady adidy no zavatra ilaina ny mivavaka. Tsy ataontsika tsirambina ve anefa ny fiderana? Tsy tokony hisaotra matetika kokoa ilay Mpanome ny fitahiana rehetra ye isika? Tokony hamisavisa sy hitanisa matetika kokoa ny famindrampon'Andriamanitra isika, ka hankalaza sy hanome voninahitra ny anarany masina, na dia misetra alahelo sy fahoriana aza." - SIM, b. 2, t. 268. 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA :

1. Manampy antsika hahatakatra ny hevitry ny famelan-keloka ny 1 Kor. 13:5: "[ny fitiavana] tsy mitana lolompo" (DIEM). Nahoana no tena zava-dehibe ny famelan-keloka rehefa miezaka ny hanasitrana fisakaizana sy fanambadiana rava isika? Ahoana no anampian'ny Mat. 6:12-15 sy Mat. 18:21,22 antsika hamaly io fanontaniana io?

2. Inona no tombontsoan'ny famisavisana sy ny fitanisana ny famin-drampon'Andriamanitra amin'ny fotoana andalovantsika alahelo sy fahoriana? 

3. Angamba mahafantatra olona namoy havan-tiana ianao, na koa olona rava fifampitokiana. Inona no azon'ny mpianakavin'ny finoana misy anao atao mba hanampiana izany olona izany?