Lesona 10 : Fotoana vetivety isian’ny olana

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 7:5; Efes. 1:7; Efes. 4:26,27; 1 Jao. 4:7,8; Mat. 7:12.

Tsianjery:  "Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo." - Efes. 4:26.

Manana olana avokoa ny ankohonana rehetra. Tsy afa-misaraka amin'ny fiainantsika izany noho ny amin'ny fahotana. Mora ahitam-bahaolana ny sasany amin'ireny. Indreto misy ohatra vitsivitsy: anjaran'iza izao no manary ny fako? Nahavita ny entimodiny tokoa ve ny zanakao vavy? Nanao ny raharaha rehetra nampanaovina azy ve ny zanakao lahy? Mora ho anao ny mamaha izany olana izany, sa tsy izany? Tsy dia mampiova loatra ny fiainan'ny ankohonanao izy ireny, saingy misy ny olana hafa izay mety hanimba ny firindrana eo anivon'ny ankohonana. Ahoana ny amin'ny renim-pianakaviana mialona ny vinantony vavy ka manao izay handrava ny tokantranon'ny zanany lahy sy hanimbana ny fahasalaman'ny vinantony koa amin'izany? Na koa ny raim-pianakaviana voan'ny aretin-tsaina ka mandratra ny zanany? Ary ny amin'ny zanaka lahy miodina amin'Andriamanitra ka mivelona ao anaty fahotana? Na koa ny zanaka vavy izay tsy mety afaka amin'ny fahazaran-dratsin'ny fampiasana zava-mahadomelina?

Manambara ny Baiboly fa tokony hifankatia (Jao.13:34; Rôm.12:10), hihavana amin'ny hafa (Rôm. 15:5; Heb. 12:14), ho mahari-po sy malemy fanahy ary mihevitra ny hafa (1 Kôr. 13:4) isika. Tokony hapetratsika ho lohalaharana ny fitiavana ny hafa (Fil. 2:3) ary tokony hifanampy isika (Efes. 4:2). Mazava Ioatra fa mora kokoa ny miteny hoe tokony hanao ireo rehetra ireo isika noho ny manatanteraka izany, na dia eo anivon'ny ankohonana misy antsika .

Hojerentsika ato amin'ity lesona ity ireo fomba vitsivitsy hampitoniana ny fotoana vetivety andalovana olana, indrindra eo anivon'ny ankohonana. 

Vakio ny Mat. 7:5 sy ny Ohab. 19:11. Inona ireo fitsipika roa manan-danja ampianarin'ireo toko sy andininy ireo antsika? Ahoana no hanampian'izany antsika tsy hifanditra amin'ny hafa?

Manome torohevitra hendry ho antsika ny Ohabolana: "Ny fiandohan'ny ady dia toy ny manata-drano, koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra." - Ohab. 17:14. Sarotra ny mampijanona ady rehefa natomboka izany. Milaza amintsika ny Rôm. 14:19 fa misy zavatra roa azontsika atao mba hampitsahatra ny fifandirana. (1) Ny fanaovana izay tsara indrindra tratrantsika mba hananana fiainana feno fiadanana sy (2) ny fiezahana hanao ireo zavatra mampandroso ny hafa. Tokony harahintsika ireo fitsipika ireo eo amin'ny fiainantsika raha tiantsika ny hiaina amim-piadanana miaraka amin'ny hafa. Zava-dehibe koa ny fankatoavantsika ireo fitsipika ireo eo anivon'ny ankohonantsika.

Inona koa no azonao atao mba hampitsahatra ny fifandirana? Apetraho amin'ny tenanao izao fanontaniana izao: diso ve aho? Raha diso ianao dia ekeo izany. Mampitony ny fon'ny olona izay tezitra aminao ny fitsoranao izany. Manaova dia mianoatra ary eritrereto raha tokony hisy izany fifandirana izany na tsia. Izao no voalazan'ny Ohabolana:" Ny fahendren'ny olona manindry ny fahatezerany, ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana." - Ohab. 19:11. Eritrereto koa ny fahasamihafana mety aterak'izany fifandirana izany eo amin'ny fiainanao afaka hateloana. Tsara kokoa noho izay, anontanio ny tenanao hoe: Inona no ho fiantraikan’izany afaka dimy na folo taona? Tokantrano firifiry moa no nandalo fotoan-tsarotra tokoa tamin'ny lasa noho ny amin'ny olana izay hita ho tsy misy heviny sady bitika amin'izao fotoana izao?

Aza avela hitarazoka ela ny fifandirana. Indro misy zavatra manampy tokoa azonao atao: Iazao amin'ny olona mahatezitra anao ny olana, ataovy mazava tsara izany, ary aoka izay ihany no resahina. Aza manao teny feno fahatezerana, ary aza averina ny olana tamin'ny lasa. Atombohy amin'ny filazana amin'ny namanao sy ny mpiara-miasa aminao, ny zanakao na ny vadinao fa tianao izy ary mihevitra ny fifandraisanao aminy lalina tokoa ianao. Rehefa izay dia azonao atomboka ny resaka mikasika ilay olana. Aoka hitandrina ka tsy hampiasa ny teny hoe "nefa" izay mamafa ny zavatra tsara rehetra voalazanao. Lazao ny fihetsehamponao ary henoy avy eo izay lazain'ny hafa, maka fotoana hisainana izay voalazany, aorian'izay dia samy ho vonona ny hamaha ny olana amin'ny fomba tsara indrindra ho an'ny rehetra ianareo (Fil. 2:4,5).

Eritrereto ny amin'ny fifandirana niainanao tamin'ny lasa izay hitanao ho tsy misy heviny akory amin'izao. Inona no lesona notsoahinao avy tamin'izany fanandramana izany? Ahoana no hanampian'izany anao hisoroka ny fiverenan'ny fifandirana indray? 

Samy fanomezana avy amin'Andriamanitra natolony antsika tany Edena ny Sabata sy ny tokantrano. Amin'ny maha-Advantista antsika dia fantatsika izay nataon'ilay fahavalon'ny fanahy sy izay mbola ataony amin'izao fotoana izao, dia ny fanimbana ny Sabata sy ny tokantrano. Fantatsika koa fa na ny tokantrano sambatra indrindra aza dia tsy maintsy mandalo fifandirana ihany.

Izany no antony ilantsika ny fijerena ireo fitsipika vitsivitsy ao amin'ny Baiboly izay hanampy ny mpivady amin'ny famahana ny olana ao an-tokantrano.

Vakio ny Efes. 1:7. Inona no fitsipika manan-danja nianaranao avy tamin'io andalan-tSoratra Masina io? Nahoana izany fitsipika izany no tsy maintsy ao anatin'ny tokantrano sambatra iray?

Ilaina ny mifamela heloka; tokony hamela ny heloky ny vady isika na dia tsy tsapany amin'ny fahafenoany aza fa tena nandratra antsika izy. Na iza na iza dia afaka hamela heloka izay hitany fa mendrika izany, saingy tsy izany no atao hoe famelan-keloka. Ny famelan-keloka marina dia ny famelana ireo olona tsy mendrika izany, tahaka izay amelan'Andriamanitra antsika ao amin'i Jesosy. Tokony hanao tahaka izany isika, raha tsy izany dia ho tahaka ny toeram-pahoriana ny tokantranontsika raha toa ka maharitra (izay azo heverina fa tsy haharitra).

Vakio ny Rôm. 3:23. Inona no fitsipika manan-danja hitantsika eto?

Tsy maintsy manaiky ianao fa mpanota ny olona novadinao, dia olona izay efa niaina ratra ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy vokatry ny fahotana. Mifankazara aminIzany. Ekeo ny hadisoan'ny vadinao, ento am-bavaka ny fandalovanao izany. Mety hiaina miaraka amin'izany hadisoana izany ianao kanefa tsy voatery hisaina ny aminIzany mandrakariva, raha tsy izany dia hanimba anao ireo. Andriamanitra masina sy tonga lafatra no manaiky antsika amin'ny maha-isika antsika amin'ny alalan'i Kristy; tokony hanao izany amin'ny vadinao koa ianao izay tsy masina na tonga lafatra akory.

Vakio ny Fil. 2:4-8. Inona no fitsipika manan-danja ampianarin'ireo toko sy andininy ireo antsika? Ahoana no hanampian'izany antsika eo anivon'ny tokantrano? Ahoana no hanampian'izany antsika amin'ny fifandraisantsika amin'ny hafa sy ireo namantsika koa? 

Samy efa nahatsapa hatezerana avokoa isika rehetra. Tsy tsara ny mahatsapa izany, sa tsy izany? Ratsy kokoa anefa izany rehefa olona ao amin'ny ankohonantsika no mahatezitra antsika. Rehefa manda tsy hamela heloka isika dia manjary poizina ny hatezerana, izay hahatonga alahelo sy fahoriana ao an-tokantrano sy ao amin'ny ankohonana ary amin'ny fifandraisana rehetra an-kapobeny.

Vakio ny Efes. 4:26,27 sy ny Mpitt. 7:9. Ahoana no hampifandanjantsika ny fahatakarana ny hatezerana amin'ny maha-fihetsehampo azy sy ny maha-ota azy? Inona no maha-samy hafa izany?

Inona no ambaran'i Jakoba ao amin'ny Jak. 1:19,20 izay tokony hampiharintsika amin'ny fotoana rehetra ahafahantsika manao izany, indrindra amin'ny fifandraisana amin'ny olona ao amin'ny ankohonantsika izay manao teny sy fihetsika ary toetra mahatezitra antsika?

Inona no tokony hataonao raha misy zavatra mahatezitra anao? Aza avela hitatao tahaka ny rahona matevina eo amin'ny fiainanao ny hatezerana fa avadiho ho zavatra tsara. Mivavaha ho an'ireo izay nandratra anao sy nanao ratsy taminao; mamela azy ireo ary aoka ho fitahiana ho an'ny fiainany ianao. Tsy mora izany amin'ny voalohany, kanefa mandraisa fanapahan-kevitra ny halemy fanahy sy ho mpamela heloka, ary hazony hatrany izany fanapahan-kevitra izany. Andriamanitra no handray an-tanana ny ambiny rehetra.

Avy ao amin'ny tokantrano nitaiza antsika indraindray no itsimohan'ny fakan'ny hatezerana. Avy amin'ny ankohonana feno fahatezerana matetika ny olona feno fahatezerana satria nianatra tamin'ireo môdely izy ary mitondra tena araka izany mandritra ny fiainany; hampitainy amin'ireo zanany izany avy eo. Ny hatezeran'ny olona indraindray dia vokatry ny tsy fahazoany izay ilainy na koa noho ny fialonana, tahaka ny an'i Kaina izay nitarika ho amin'ny famonoany ny rahalahiny.

Mety mitombina ny antony maha-tezitra anao, kanefa aza ampiasaina ho fialan-tsiny izany ka ho tezitra mandritra ny fotoana ela ianao. Aza manao toy ny hoe tsy tezitra ianao, kanefa aza manamarin-tena ka mandiso ny olona mahatezitra anao. Angataho Andriamanitra hanampy anao hanova ny hatezerana ho zavatra tsara. Manome torohevitra tsara i Paoly: "Aza mety ho resin'ny ratsy hianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy." - Rôm. 12:21. 

Ahoana no hahafahan'Andriamanitra manampy antsika hifehy ny hatezerana? 

Tsy voavahantsika indraindray ny olana sy ny fifandirana amin'ny hafa ka mety hitarika ho amin'ny zavatra mampidi-doza tokoa. Mety hahatonga fandratrana ny hafa sy fanaovan-dratsy aminy amin'ny fomba mahatsiravina tokoa ny hatezerana. Mety hiseho amin'ny endrika maro ny herisetra: ara-batana, amin'ny teny, ara-pihetsehampo, ara-tsaina, fanerena hanao firaisana ara-nofo, sns. Ny endrika herisetra rehetra anefa dia manohitra ny fitiavana tsy mihevitra ny an'ny tena, izay fitsipika fototry ny fanjakan'Andriamanitra.

lnona no fitsipika manan-danja ianaranao ao amin'ny 1 Jao. 4:7,8 sy ny Kol. 3:19? Inona no lesona ampianarin'ireo antsika momba ny tokony hananantsika fisakaizana sy fifandraisana mahafinaritra amin'ny hafa?

"Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, ary aza sosotra aminy." - Kôl. 3:19. Ny teny hoe "sosotra" amin'ny teny grika dia manondro ny hoe tezitra na malahelo amin'ny vady, ka mahatonga alahelo maharitra sy fandrafesana mahery vaika ary fanehoana fankahalana amin'ny ankilany. Mazava ny ambaran'i Paoly fa tsy tokony rafesina na anaovana herisetra ny vady. Fitondrantena tsy azo ekena ho an'ny Kristianina ny fanaovana herisetra ara-pihetsehampo sy ara-nofo ary izay herisetra mahakasika ny firaisana ara-nofo. Ny fitiavana ny vady kosa no ekena. Ambaran'i Paoly mazava tsara koa fa ny fitiavana dia mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy niirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po, tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana. Ny fitiavana mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. Samy hafa tanteraka amin'ny herisetra ny fitiavana.

Samy mahatsapa ho voaro sy miadana ny roa tonta ao amin'ny tokantrano salama. Hainy koa ny mifehy ny hatezerany amin'ny fomba mahasalama. Matetika ny olona iharan'ny herisetra no mahatsiaro ho meloka, toy ny hoe tompon'andraikitra nahatezitra ilay nanao herisetra taminy izy, na koa mendrika ny herisetra atao aminy. Mety hifehy ny hafa ny mpanao herisetra ary matetika koa no havanana amin'ny fanaovana izay hahatsapan'ilay iharan'ny herisetra ho tompon'andraikitra amin'izany. Ny marina anefa dia tsy misy mendrika ny hanaovan'ny hafa herisetra, ary ny mpanao herisetra no tompon'andraikitra amin'ny safidiny sy ny asa ataony. Ny vaovao mahafaly dia ny fanomezan'ny Baiboly fatnpaherezana fa tsy fanamelohana ho an'ireo izay iharan'ny herisetra. Tsy tokony hampahatahotra ny mitady fanampiana amin'ny hafa rehefa tsy voafehy ny olana amin'ny toe-javatra sasany. 

Koa amin'izany na inona no inona tianareo hataon’ny oIona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany." - Mat. 7:12. Amin'ny fomba ahoana no anehoanao izany fitsipika izany eo amin'ny fiainanao? Ahoana no hanaovanao izany?

Izao no ambaran'i Paoly: "Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo." - Heb. 12:14. Mety manao izay azontsika atao isika mba hihavanana amin'ny olona iray izay nandratra antsika saingy ahoana raha toa ka tsy hihaino antsika ary tsy hiova mihitsy ilay olona? Mety hiala tsiny ny olona sasany, ny hafa kosa tsy hanao izany. Na ahoana na ahoana dia mitondra soa ho antsika ny mizotra ho amin'ny famelan-keloka izay efa noresahintsika teo aloha, indrindra raha ao anatin'ny ankohonana izany olona izany.

Ampahany manan-danja amin'ny famahana ny disadisa ny famelan-keloka. Inona no mitranga rehefa misy olona manota amintsika? Mametraka rindrina manasaraka anao sy izany olona izany i Satana, rindrina izay mahatonga anao tsy ho tia intsony day olona nandratra anao. Safidy hanampy anao hihodivitra izany rindrina izany anefa ny famelan-keloka.

'Tsy voavela ny helotsika satria mamela heloka isika, fa araka ny namelantsika heloka. Ny fototry ny famelan-keloka rehetra dia hita eo amin'ilay fitiavan'Andriamanitra izay tsy mendrika ho antsika akory, nefa ny fihetsitsika amin'ny hafa dia mampiseho na noraisintsika ho antsika izany fitiavana izany na tsia. Noho izany dia hoy Kristy hoe: 'Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny ohatra ataonareo no anoharana ho anareo' - Mat. 7:2." - HF, t. 212 

Tahaka izany koa, rehefa manao fahadisoana isika dia tokony hanao izay azontsika atao rehetra mba hanasitranana ny fifandraisana tapaka eo amintsika sy ny hafa. Ilaintsika ny maneho fialan-tsiny sy mangataka famelana aminy. Izao no asain'i Jesôsy ataontsika: "Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara hianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.” - Mat. 5:23,24. Mahafinaritra ny mandre ny olona izay nandratra anao miala tsiny sy mangataka famelana. Tsara ihany koa ny manao toy izany amin'ny hafa.

Eritrereto ny amin'izay zavatra tokony hamelan'Andriamanitra sy ireo olom-pantatrao ny helokao. Ahoana no hanampian'izany anao hianatra hamela ny heloky ny hafa? 

"Matetika ny ray aman-dreny no tsy mitovy hevitra amin'ny fitondrana ny ankohonana. Tsy miaraka amin'ny ankizy mandritra ny fotoana maharitra ny raim-pianakaviana, tsy tena mahafantatra ny fomba fiainan'izy ireo sy ny fahalemeny izy ka hentitra sy masiaka aminy. Tsy mifehy ny fihetsehampony izy fa manitsy azy ireo amim-pahatezerana. Fantatry ny ankizy izany, ka raha tokony hilefitra izy dia manjary tezitra noho ny famaizana atao aminy. Mamela ny zavatra ratsy ataon'ny ankizy amin'izao ny renim-pianakaviana indraindray, kanefa omeny famaizana mafy izany amin'ny fotoana hafa. Tsy fantatry ny ankizy izay mety hatao aminy ka azon'ny falcana-panahy izy hijery ny fetra azony dikaina kanefa tsy hahazoany famaizana. Amin'izany no ambolen'ny ray aman-dreny voan'ny faharatsiana ao am-pon'ny zanany, voa izay haniry ka hitondra vokatra lo." - AH, tt. 314,315, nasiam-panamboarana.

"Tokony ho ivon’ny tokantranontsika. Ilaintsika ny mampiantrano ny fiadanana sy ny fitiavana ary ny fifaliana ao an-tokantrano isan'andro, dia honina ao am-pon'ireo olona ao amin'ny ankohonantsika ireo fanomezana sarobidy ireo. Zava-maniry izay tokony hokarakaraina isan'andro ny fitiavana, raha tsy izany dia maty'. Tahaka izany koa no tokony hankatoavantsika ny fahamarinan'ny Baiboly mba hitoeran'izany ao am-pontsika. Tokony hongotana amin'ny fakany izay zavatra ambolen'i Satana ao am-pontsika: ny fialonana, ny fisainana ratsy, ny teny ratsy, ny tsy fahari-po, ny fitsaratsarana, ny fitiavan-tena, ny fitsiriritana ary ny avonavona. Raha avela hitoetra ao am-po ireo faharatsiana ireo dia hitondra voa izay hanimba ny rehetra. Firifiry moa ireo izay mamboly zava-maniry misy poizina izay mamono ny voankazo sarobidin'ny fitiavana ary mandoto ny fanahy" - tt, 195,196. 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA: 

1. "Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota."- Heb. 4:15. Tonga teto amintsika i Jesôsy ary naka ny toerantsika mba hahatsapany bebe kokoa izay iainantsika. Tokony hanao toy izany amin'ny vady koa isika. Miezaha mijery ny toe-javatra eo amin'ny toeran'rty vadinao. Ahoana no fihetsehampony eo anatrehan'ny olana? Inona no anton'izany? Rehefa mahita ny toe-javatra araka ny fijeriny ianao dia ho hainao ny hamaha mora foana ny olana saro-bahana. Ahoana koa no hanampian'izany fitsipika manan-danja izany anao eo anatrehan'ireo olana hafa eo amin'ny fiainanao?

2. Valio ao amin'ny kilasy ity fanontaniana ity: "fahotana mandrakariva ve ny hatezerana?" Hazavao ny valinteninao.