Lesona 13 : Mampody ny fo amin’ny andro farany

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mal. 3:23,24; 1 Mpanj. 16:29-34;17:1-24; 1 Mpanj.18:20-45: Mat. 3:2, 3:8; Lio. 1:17.

Tsianjery:  "Indro, Izaho haniraka an'i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron'i Jehôvah, ilay lehibe sady mahatahotra; ary izy hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny fon'ny zanaka ho amin'ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin'ny fandringanana'" - Mal. 3:23-24 

Indraindray dia mahafinaritra ny fiainantsika, indraindray kosa tsy mahafinaritra. Indraindray dia mafy orina ny ankohonantsika, indraindray kosa toa eo an-dalam-paharavana. Izany no antony tsy maintsy amikirantsika amin'ny teny fikasana avy amin'Andriamanitra amin'ny fotoana rehetra. Tsy maintsy mifikitra amin'izany amin'ny fontsika sy ny fanahintsika ary ny herintsika rehetra isika satria, amin'ny farany, dia izany no hany fanantenantsika. Fanantenana mahafinaritra anefa izany! Feno teny fikasana tokoa ny Baiboly. Azontsika itokiana izany rehefa mafy orina ny ankohonantsika ary azontsika itokiana rehefa toa eo an-dalam-paharavana izany. Azontsika itokiana ny teny fikasana avy amin'Andriamanitra na ho an'ny tenantsika, na ho an'ny havan-tiantsika, ny ankohonantsika, ary ny fiangonantsika.

Amin'ity herinandro ity isika dia handalina tantara sy teny fikasana ary fanandramana vitsivitsy ao amin'ny Baiboly. Hiezaka hisintona lesona ho antsika amin'izao fotoana izao isika raha eo am-panaovana izany. Na iza ianao, na aiza no misy anao, na inona na inona ny dingam-piainana misy anao ankehitriny, tsy isalasalana fa manana tolona sy tahotra ary tebiteby ianao. Soa ihany anefa fa ilay Andriamanitra ivavahantsika dia mahafantatra ny olantsika, no sady mamaha ny tsirairay amin'izany.

Milaza i Malakia fa ho avy mialoha ny hiavian'i Jesôsy i Elia (Mal. 3:22,23). Vakio indray ankehitriny izay voasoratra momba ny fiavian'i Elia ao amin'ny Mat. 11:14,15; Mat. 17:10; Mar. 6:15 ary Lio. 1:17. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo momba an'i Elia? 

Tamin'ny andron'i Malakia dia niantso ny olony Andriamanitra mba hiverina Aminy: "Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho" - Mal. 3:7. Inona anefa no navalin'izy ireo? "Ahoana ary no ho fiverinay?" - Mal. 3:7. Mpaminanin'Andriamanitra io Malakia io, ka nilaza tamin'ny olona fa hanome tombontsoa iray hafa indray Andriamanitra mba hiverenan'izy ireo Aminy sy hanovany ny fony. Nasain'i Malakia nitadidy ny andron'i Elia izy ireo (1 Mpanj. 18:37), ary nolazainy koa fa hiverina indray izany Elia izany mba "hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny fon'ny zanaka ho amin'ny rainy" - Mal. 3:24.

Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia nanomboka nino ny Jiosy fa hiseho vatana mihitsy i Elia mba hanambara amin'izy ireo ny fiavian'i Mesia (vakio ny Mat. 17:10; Mar. 6:15 ). Maneho an'i Jaona mpanao batisa anefa i Elia (vakio ny Mat. 11:14,15;Lio. 1:17), izay tonga talohan'i Jesôsy sy nampiomana ny olona rehetra ho amin'ny fiavian'i Mesia.

Araka ny hevitrao, inona no hevitry ny voambolana hoe "hampody ny fo" ao amin'ny Mal. 3:4?

Mety hidika zavatra betsaka ny hoe "hampody ny fo".

(1) Manondro ny fampihavanana ny vahoakan'ny Isiraely amin'Andriamanitra izany. Manampy antsika hahita an'Andriamanitra ho Raintsika izany, Izay nanala ny fahatezerany tamin'ny zanany (Mika 7:18,19), ka niantso azy ireo hiverina Aminy (Isa. 44:22;Mal. 3:7). (2) Asehon'izany koa fa harahin'ny vahoakan'Andriamanitra indray ny finoan'ny razambeny, ka hahatoky amin'ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'ny olony izy ireo. Tamin'ny andro fahiny, rehefa nankat6 an'Andriamanitra ny olona, dia nitahy ny taniny sy ny olony Izy (Deo. 4:29-31).

(3) Manondro ny famerenana amin'ny laoniny sy ny fanavaozana ny fifandraisan'ny mpianakavy izany. Ny fifandraisana eo amin'ny ray aman-dreny sy ny zanaka dia maneho ny fitiavany an'Andriamanitra ary ampahany amin'ny fanekena atao amin'Andriamanitra. Hanohy hitahy ny taniny mandrakariva Andriamanitra rehefa maneho fitiavana amin-janany ny vahoakan'Andriamanitra (Ohab. 2:21).

Nampiditra ny fiankohofana tamin'i Bala tao Isiraely ny Miankina tanteraka mpanjakavavy Jezebela, ilay vadin'ny mpanjaka Ahaba, avy Aminy any Sidôna. Nampilentika lalina ny vahoakan'ny Isiraely tao 1 Kor. 2:1-3 anatin'ny fahotana izany fiankohofana izany. Niala tamin'ny fampianaran'Andriamanitra izy ireo, fampianarana izay nitaona ny olona hanaja ny fanambadiana, sy ny fianakaviana, ary ny firaisan'ny mpivady. Nitondra fanao ratsy tao amin'ny firenen'ny Isiraely anefa ny fiankohofana tamin'i Bala, ka nanadino ireo fampianaran'Andriamanitra momba ny fanambadiana sy ny ankohonana ary ny firaisan'ny mpivady ny olona. Vokatr'izany, nanomboka nisy ny firaisana ara-nofo mamoafady, ny fivarotan-tena, ary ny fanaovana firaisana ara-nofo izay noraran'Andriamanitra tsy hataony. Koa naniraka an'i Elia Andriamanitra mba hampitandrina ny olony ka hialany amin'ny ratsy fanaony. Niteny mafy ny olona noho ny fiankohofany tamin'i Bala i Elia, anarana izay midika hoe 'Jehovah no Andriamanitra".

Inona no nataon'i Elia mba hamerenana ny olona amin'Andriamanitra? Ahoana no nitondrany aina vaovao ho amin'ny ankohonana? Vakio ny 1 Mpanj. 16:29-34; 1 Mpanj.17:1-24. Ampitahao amin'ny Lio. 4:25,26 izany.

Nilaza tamin'i Ahaba i Elia fa tsy hisy ranonorana hilatsaka ao amin'ny firenena, ka dia tena tezitra taminy i Ahaba ary nikendry ny hamono azy. Niaro azy anefa Andriamanitra, ka nalefany tany amin'ny tranon'ny mpitondratena iray nonina tany Zarefata izy. Tany amin'ny firenen'i Sidona anefa no nisy an'i Zarefata, izany hoe akaikin'ny tanindrazan'i Jezebela mpanjakavavy. Niarahaba ilay mpitondratena tamin'ny fitsapana henjana ihany i Elia. Nasain'i Elia nampiasa ny tapa-kitainy sy ny diloilo keliny ary ny koba keliny farany ilay mpitondratena mba hanamboarana sakafo ho azy, ary hatoky an'Andriamanitra ny amin'ny hoaviny. Lasa tantara malaza ny finoany. Taty aoriana dia nidera ny finoany mihitsy i Jesôsy (Lio. 4:26). Nitahy ny diloilo sy ny koban'ilay mpitondratena Andriamanitra ka nanomboka takany fa Andriamanitra fitiavana Jehovah. Rehefa izay anefa dia narary ary maty tamin'ny fomba mahatsiravina ny zanak'ilay mpitondratena lahitokana. Nampianatra ny fivavahana diso tamin'izany andro izany fa nofaizin'Andriamanitra tamin'ny alalanby famonoany ny zanany ny olona noho ny fahotany tamin'ny lasa. Koa nino ilay mpitondratena fa navelan'Andriamanitra ho faty ny zanany mba hanafaizana azy noho ny fahotany tamin'ny lasa.

Natsangan'i Elia tamin'ny maty ny zanak'ilay mpitondratena. Inona no fiantraikan'ny fikambanany tamin-janany indray teo amin'ny fanandramany ara-panahy? Vakio ny 1 Mpanj.17:1-24. Inona no azontsika ianarana avy amin'ny tenin'io mpitondratena io tamin'i Elia?

Maneho ny vokatry ny hafatra nentin'i Elia teo amin'ity reny ity ny valinteniny. Mitombo ny finoana an'Andriamanitra sy ny Teniny rehefa tafaverina amin'ny laoniny ny fiainana ary tafakambana ny fianakaviana, noho ny heriny. Maro ny olona ankehitriny izay mety hanaiky rehefa torina aminy ny foto-pinoana, saingy matimaty eo amin'ny fanandramany ara-panahy izy. Rehefa andramana manokana anefa ny fahamarinana ao amin'ny Tenin'Andriamanitra ka mitranga eo amin'ny fifandraisan'ny tokantrano ny fifohazana sy ny fiverenana amin'ny laoniny, dia miseho amin'ny fomba tena mahery vaika kokoa hatrany eo amin'ny fo ny faharesen-dahatra.

Vakio ny 1 Mpanj. 18:20-45. Inona no mitranga ao amin'ireo andininy ireo? Mona no foto-kevitra ampianarin'io tantara io antsika? Ahoana no anampian'izany foto-kevitra izany antsika hamaha ny olana ao amin'ny ankohonantsika, na dia samy hafa tanteraka aza ny tontolon-kevitra?

Nijoro teo an-tendrombohitra Karmela i Elia. Naniry fatratra ny hiverenan'ny olona amin'Andriamanitra sy amin'ny finoan'izy ireo izy. Tiany hanavao indray ny fanekeny tamin'Andriamanitra izy ireo, dia hanasitrana ny fiainany sy ny ankohonany ary ny taniny Andriamanitra.

Ny oran'ny fanaovana fanatitra amin'ny hariva. Tsy nahomby teo amin'ny fangatahany ny hamalian'andriamaniny ny vavaka nataony ireo mpisoron'i Bala. Koa anjaran'i Elia indray izao ny mivavaka amin'Andriamaniny. Hariva ny andro. Nampahatsiahy ny olona ny drafi-pamonjen'Andriamanitra araka izay naseho teo amin'ireo fanompoana tao amin'ny fitoerana masina io fotoana manokana io (vakio ny Eks. 29:41). Nanasa ny olona i Elia hoe: "Manatona ahy' - 1 Mpanj. 18:30. Mampahatsiahy antsika koa ny fandraisan'i Jesosy ny mpanota izay manatona Azy ireo tenin'i Elia ireo (Mat. 11:28). Miasa tsy ankiato tokoa Andriamanitra mba hampodiana Aminy ireo zanany naniasia.

Rava ny alitaran'Andriamanitra tamin’Izay fotoana izay ka namboarin'i Elia. Maneho ny fotoam-pivavahana ao an-tokantrano izany alitara izany. Ny fotoam-pivavahana no tombontsoa ahafahana miresaka amin'Andriamanitra ao anatin'ny vavaka, ahafahana mifampilaza ny amin'i Jesôsy, ahafahana mandray indray ny fanomezan'Andriamanitra maimaim-poana ny famonjena, ary ahafahana mandinika ny fampianarany.

Nangataka tamin'Andriamanitra i Elia mba haneho famantarana amin'ny olona fa nandray azy ireo indray Izy. Hoy ny 1 Mpanj. 18:37: "Mihainoa ahy, mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran'ireto olona ireto fa Hianao Jehôvah no Andriamanitra, ary Hianao no mampiverina ny fony indray". Tsy mahavita mampiverina ny fontsika amin'Andriamanitra isika; mamaly ny fahasoavany ihany no haintsika, fahasoavana izay omeny maimaim-poana.

Nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra. Tsy nilatsaka teo amin'ireo olo-meloka anefa izany, fa teo amin'ilay biby natao fanatitra teo amin'ny alitara. Maneho an'i Kristy io biby io, maneho ny fahafatesany teo amin'ny hazo fijaliana, dia Izy izay "tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinanAndriamanitra ao aminy kosa isika" - 2 Kôr. 5:21. Dia nipololotra avy teo amin'ny molotry ny olona ny fiaiken-keloka sy ny fiderana. Tsy namaly ny antson'Andriamanitra mba hiverina Aminy anefa ireo mpisorona sandoka, ka novonoin'i Elia izy ireo. Rehefa izay dia avy ny orana ka nifarana ny ozona teo amin'ilay tany efa tena karankaina.

Manao ahoana ny "alitaran’ny ankohonanao amin'izao fotoana izao? Mila fanamboarana indray ve izany? Raha eny, inona no fanamboarana ilainao atao?

Nialoha ny fiavian'i Kristy voalohany, dia nambaran'ny anjely Gabriela fa ho teraka tsy ho ela intsony i Jaona mpanao batisa (Lio. 1:17). Nanamafy koa i Jesôsy fa i Jaona no ilay Elia nampanantenain'i Malakia fa ho avy (Mat. 11:14; Mat. 17:12,13). Milaza koa ireo mpanoratra ny Filazantsara fa i Jaona mpanao batisa no ilay "iraka" izay hanomana ny olona hihaona amin'i Jesôsy (Mat. 11:10; Mar. 1:2; Lio. 7:27; ampitahao amin'ny Mal. 3:1).

Jereo ny votoatin'ny hafatr'i Jaona ao amin'ny Mat. 3:2,8; Mat. 14:4; Mar. 1:4; Lio. 3:3,8,9,11,13,14. Ahoana no nampodiany ny fon'ny olona tamin'Andriamanitra sy tamin'izy samy izy?

Tahaka ny iasan'ny mpamboly mafy tsara ny tany mba hanomanana azy handray ny voa, no nanomanan'i Jaona ny fon'ny olona mba handray an'i Jesôsy . Nanameloka ny fahotana izy, ka niantso ny mpanota mba hibebaka sy hiverina amin'Andriamanitra. Nasehon'ny asan'i Jaona fa ilaintsika ny mandinika ny tenantsika mba hahitantsika ny fahotantsika, dia ho hitantsika amin'izany fa tena mila Mpamonjy isika. Namerina ny olona ho amin'ny fahamasinan'ny fitakian'Andriamanitra kosa ny hafatr'iJaona. Nampiharihary ny fahamelohan'izy ireo sy ny filany ny famindrampo sy ny famelan-keloka avy amin'Andriamanitra izany. Ny fibebahana marina dia tsy mantsy marihina mandrakariva amin'ny fanetren-tena sy ny fiandrandrana ny fanampian'Andriamanitra mba hanova ny fitondran-tenantsika. Nasehon'i Jaona tamin'ny olona fa tsy ampy hamonjena azy ny finoany fa Abrahama no rainy, fa nilainy koa ny manana ny finoana nananan'i Abrahama.

Ahoana no nanomanan'ny hafatr'i Jaona mpanao batisa ny olona hihaona amin'i Jesôsy ? Vakio ny Jao. 1:35-37 sy ny Jao. 3:27-30.

Nasehon'Andriamanitra tarnin'i Jaona fa i Jesôsy no ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra. Koa rehefa nampahafantarin'i Jaona ny olona fa i Jesosy tokoa no ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra (Jao. 1:29,36), dia namerina azy ireo ho amin'ny Tompo ara-bakiteny io anarana io. Roa tamin'ireo mpianatr'i Jaona mpanao batisa i Andrea sy i Jaona saingy nandao an'i Jaona mpanao batisa tamin'io andro io ihany izy ireo ka tonga mpianatr'i Jesôsy . Tsy hoe maneho ny filana fibebahana fotsiny ny hafatri Elia izay notorini Jaona mpanao batisa, fa mampahafantatra an'i Jesôsy amin'ny olona koa izany. Izy no Ilay mamonjy antsika ho afaka amin'ny fahotantsika.

Raha tonga ao an-tranonao i Jaona mpanao batisa, dia inona no holazainy araka ny hevitrao?

Amin'ny maha-Advantista antsika, dia hitantsika fa isika no manatanteraka ny andraikitr'i Jaona mpanao batisa. Ny andraikitr'i Jaona dia ny hanambara ny fiavian'i Jesôsy voalohany ka hitarika ny olona hiala amin'ny fahotana sy hanova ny fiainany. Isika kosa amin'ny maha-Advantista antsika dia mahita fa manao io asa io ihany saingy ho amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany.

Vakio amim-bavaka ny Lio. 1:17, ary angataho Andriamanitra hanampy anao hahatakatra ireo teny ireo. Ahoana no anehoan’izany ny hafatra entin'ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito sy ny iraka nampiandraiketin'Andriamanitra ny fiangonantsika?

Namerina ny fon'ny zanany Aminy ary namerina ny fon'ny zanany aminlzy samy izy ny Raintsika any an-danitra. Ny fahafatesani Kristy teo amin'ny hazo fijaliana no mahatonga io fiovana ao am-pon'ny olona io ho zava-misy. Mitalaho ny fianakaviana mba hino io vaovao mahafinaritra io ny hafatra nentin'i Elia (2 Kôr. 5:18-21; ampitahao amin'ny Efes. 2:11-18). Mitalaho ny olona koa izany mba hamela an'Andriamanitra hameno azy ireo amin'ny fahasoavany.

Tena ilain'izao tontolo izao mafy mihitsy ny mahita fanehoana fikaralcarana tsy misy fitiavan-tena sy fanoloran-tena maharitra ary fanokanan-tena amin'Andriamanitra tsy miovaova. Noho ny fahasoavan'Andriamanitra dia slake ny hanolotra izany ohatra izany ny fianakaviana kristianina. Tsy maintsy tsaroantsika koa anefa fa natao ho antsika koa ilay hafatra ho an'izao tontolo izao. Koa ilaintsika ny mamela ny fahamarinana sy ny fitiavan'Andriamanitra hitoetra ao am-pontsika. Raha tsy eo izany dia tsy hanan-kery hizarana ny hafany amin'ny hoist isika. Azontsika atao ny mampita ny toriteny tsara indrindra, saingy tsy ampy izany. Ilain'izao tontolo izao ny mahita fa narnpody ny fontsika amin'ny Tompo isika sy ny ankohonantsika. Ilainy koa ny mahita ny fibebahana sy ny fitiavana ary ny fanoloran-tena torintsika. Nanova fiainan'olona i Jaona satria nanova ny fiainany ny herin'Andriarnanitra ka niainany izay notoriny. Afaka manao izay nataon'i Jaona isika, noho ny fahasoavan'Andriamanitra, saingy rehefa vonona ny hiara-miasa amin'Andriamanitra ihany. Noho ny amin'i Jesôsy, dia isan'ny fianakaviana any an-danitra isika (Efes. 3:15). Koa na ankohonana misy olona iray na roa isika, dia antsoina mba ho vavolombelon'ilay Andriamanitra tompointsika. Ary na manao ahoana ny halehiben'ny ankohonantsika, dia tsy misy zavatra mampahomby ny fijoroana ho vavolombelona ataontsika mihoatra ny fanehoana ny ho toetry ny ankohonana iray noho ny herin'ny filazantsara.

Inona no azonao atao mba hanehoana amin'ny olona manodidina anao fa tena tia sy mihevitra azy ireo ianao?

MM, toko 11: "Ny tendrombohitra Karmela"; IFM, toko 10: "Ilay feo tany an'efitra". "Tsy maintsy atao mivantana tahaka ny an'i Jaona ny hafatra ampitaintsika. Nananatra mafy ny mpanjaka noho ny fahotany izy. Tsy nitsahatra nitory ny fahamarinana izy na dia tandindomin-doza aza ny ainy. Tsy maintsy miasa amim-pahatokiana sy amim-pinoana tahaka izay nataon'i Jaona koa isika." - SDABC, b. 4, t. 1184. 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA

1. Rehefa ao amin'ny kilasy, mifanakaloza hevitra momba ny lanjan´ny hafatra nentin'i Ella ho an'ny fiangononareo eo an-toerana. Inona no azonareo atao mba hanampiana ny flangonanareo hahatakatra lo hafatra io sy ny andralldny eo amin'ny fanamplana amin'ny famplelezana izany?

2. Asaivo mizara ny fanandramany momba ny fotoana nampodlany ny fony tamin'AndriamanItra ny mambran'ny kilasy Izay vonona. Mona no fiovana nitranga? Inona no fiovana nentin’izany fanandramana izany teo amin'ny fiainany sy ny fiainan'ny fianakaviany?

3. Raha hitantsika fa manao ny asa izay nataon'i Jaona mpanao batisa isika, dia inona no tokony handrandraintslka hiseho amintsika? Inona  no hafatra ho antslka ao anatin’izany valinteny izany?

4. Inona no hevitry ny Balboly momba ny fianakaviana mendrika? Rehefa ao amin'ny kilasy, dia ataovy Iisitra ireo fltsiplka fototra ara-Balboly mba hananana flanakaviana mendrika. Inona no nianaranao avy tamin’ny tari-dalana fianarana ny Balboly taminly telovolana ity, izay afaka hanampy anao hahafantatra ireo fitsipika fototra ireo? Miomana hizara izany amin'ny fiangonana iray manontolo.

5. Amin’ny maha-ray aman-dreny anao, dla inona no teny flkasana ao amin'ny Baiboly azonao takina ho an'ny zanakao? Raha niala famin'ny Tompo ny zanakao, dia inona no teny fikasana azonao itokiana raha eo am-pangatahana an’Andriamanitra mba hamerina ny zanakao ho Aminy ianao?