Rehefa vita ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo, dia novorin'ny mpitarika indray ny vahoaka. Andro masina jiosy izany, ary andro firavoravoana, entina hanampiana ny Jiosy hahatsiaro izay rehetra nataon'Andriamanitra ho azy tany Egipta. Nanavotra azy ireo ho afaka tamin'ny fanandevozana Izy ary rehefa izay dia nikarakara azy ireo nandritra ny efapolo taona tany an'efitra. Araka ny hitantsika tamin'ny herinandro lasa dia nankalaza io andro io tamim-pifaliana ny Jiosy. Nasain'ireo mpitarika nivory indray ny vahoaka ankehitriny. Fotoana izao hiaiken'izy ireo ny fahotany amin'Andriamanitra sy hibebahany eo anatrehany.

Hitantsika tany aloha tany fa nasain'ny mpitarika natsahatry ny olona ny tomaniny sy ny alahelony noho ny fahotany. Tsy midika anefa izany fa tsy misy lanjany ny fahalahelovana noho ny fahotantsika sy ny fiaikena izany. Koa ankehitriny, satria efa avy nankalaza izany andro firavoravoana izany izy ireo, dia tonga izao ny fotoana handalovan'ny olona amin'ny fiaikena marina ny fahotany.

Ny filaharan'ny trangan-javatra aseho eto dia tsy voatery hidika fa tahaka izany mandrakariva no anatanterahana ny firavoravoana sy ny fiaiken-keloka. Ary tsy midika koa izany fa tsy maintsy arahina foana ny mifanohitra amin'izay, izany hoe fiaiken-keloka aloha vao firavoravoana. Mety hanaraka ilay filaharana hoe fiaiken-keloka aloha vao fankalazana isika, saingy angamba tokony hiseho eo amin'ny fiainantsika aloha ny fankalazana an'Andriamanitra. Milaza tokoa mantsy ny Rom. 2:4 fa "ny fahamoram-panahin'Andriamanitra" no mitaona antsika hibebaka. Koa tokony hanainga fiderana sy firavoravoana ny "fahamoram-panahin'Andriamanitra". Etsy an-kilan'izany anefa, dia mampahatsiahy antsika koa io fahamoram-panahiny io fa mila an'Andriamanitra isika mba hamela ny helotsika sy hanadio antsika ary hanavao antsika koa.