MALINA : Fidirana

Pejy fandraisana Rafraichir

MALINA : Fiambenana

Pejy fandraisana Rafraichir

Hafatra mivantana

Mifototra amin'ny Lio. 1:80 sy Mat. 3:1-6

" Miomana hihaona amin'Andriamanitrao, ry Isiraely ô". Amô. 4:12b 

Mofon'aina :

Tamin'ny fiainany tany an'efitra no nampianaran'Andriamanitra an’i Jaona mpanao batisa. Nianatra ny fanambarana avy amin'Andriamanitra teo amin'ny zavaboary izy. Teo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina no nianarany ireo horonam-bokin'ny mpaminany. Andro aman'alina dia i Kristy no ivon'ny fianarana sy ny fandinihan-tena nataony, mandra-pahafenon'ny sainy sy ny fony ary ny fanahiny tamin'ny fahitana be voninahitra. Nijery ny Mpanjaka tao anatin'ny hatsarany izy, ka tsy hitany intsony ny tenany. Nobanjininy ny famirapiratan'ny fahamasinany, ka tsapany ny tsy fahampiany sy ny tsy fahamendrehany. Ny hafatr'Andriamanitra no tsy maintsy hambarany. Ny heriny sy ny fahamarinany no tsy maintsy hijoroany. Vonona handeha amin'ny maha-mpitondra hafatry ny lanitra izy, tsy natahotra izay olombelona, satria nijery an'Andriamanitra hatrany. (...)

Tsy tamin'ny tsangan-kevitra mipetrapetraka tsara na tamin'ny petra-kevitra tsara rafitra no nanambaran'i Jaona ny hafatra nentiny. Nanaitra sy hentitra kanefa nifono fanantenana no nahenoana ny feony tany an'efitra nanao hoe: "Mibebaha hianareo, fa efa antomotra ny fanjakan'ny lanitra." (...) Ireo tantsaha sy mpanarato tsy nandia fianarana avy tany amin'ny vohitra nanodidina, ireo miaramila rômanina avy tany amin'ny tobin'i Heroda; ireo mpiady niaraka tamin'ny sabany teny aminy, vonona ny hanakana izay rehetra mety hanana endrika fikomiana; ireo mpamory hetra fatra-pila harena avy teo amin'ny latabatra famoriam-ketrany, ary ireo mpisorona avy amin'ny Sinedriona, - dia samy nihaino avokoa, tahaka ny hoe voasinton'izany, ary ireo rehetra ireo (...) dia samy niala teo (...) voatsindrona tao am-pony sy nahatsapa ny fahotany. (...)

Amin'izao fotoana izao, mialoha kelin'ny fiavian'i Kristy eny amin'ny rahon'ny lanitra dia hisy asa tahaka izay nataon'i Jaona tsy maintsy hatao. Miantso lehilahy sy vehivavy izay hanomana ny olona hijoro amin'ny andro lehiben'i Jehovah Andriamanitra. (...) Amin'ny maha-vahoaka izay mino ny fiavian'i Kristy tsy ho ela intsony antsika, dia manana hafatra hoentina isika: "Miomana hihaona amin' Andriamanitrao". Tokony hazava sy mivantana toy ny an'i Jaona ny hafatra entintsika. Niteny mafy ny mpanjaka noho ny amin'ny ny fahotany izy. Na dia notandindomin-doza aza ny ainy, dia tsy nisalasala ny nanambara ny tenin'Andriamanitra izy. Tokony hatao amim-pahatokiana toy izany koa ny asantsika. 

Mba hahafahana mampita hafatra toy izay nampitain'i Jaona dia tsy maintsy manana fanandramana ara-panahy toy ny azy isika. Tsy maintsy hotanterahina ao anatintsika ny asa notanterahina tao aminy. Tsy maintsy mibanjina an'Andriamanitra isika, ary rehefa mibanjina Azy isika, dia tsy ho hitantsika intsony ny tenantsika. - GW, 54,55. 

MALINA : Lesona

Pejy fandraisana Rafraichir

Lesona 13 : Ny dian'i Paoly tany Rôma

Lesona 13 : Ny dian'i Paoly tany Rôma

Hodinihina mandritra ny herinandro: Asa. 27; Asa. 28; Rôm. 1:18-20.

Tsianjery: "Aza matahotra, ry Paoly; fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan'i Kaisara hianao" - Asa. 27:24.

Sabata: Fampidirana

Fampidirana

Efa ela no nanirian'i Paoly hitsidika an'i Rôma, saingy nanova ny drafitra rehetra napetrany ny fisamborana azy tany Jerosalema. Nampidirin'ny Rômanina am-ponja efa saika nandritra ny dimy taona izy. Nahoana no voafonja nandritra ny fotoana lava tahaka izany i Paoly? Satria tsy nanao izay tian'ny mpitondra fivavahana atao izy. Tiany kokoa raha hanao izay hahafaly ny mpino jiosy i Paoly mihoatra noho ny hanaovany izay mahafaly an'Andriamanitra. Koa dia nataon'i Paoly lohalaharana ny Jiosy. Taty aoriana anefa dia nosamborin'ny Romanina izy. Na dia mandiso fanantenana an'Andriamanitra aza isika, dia mety hanome tombontsoa iray hafa ho antsika ihany Izy hahafahantsika manonitra izany. Tsy voatery hisakana mandrakariva ny vokatry ny mety nataontsika anefa Izy.

Amin'ny maha-mpifatotra an'i Paoly, dia nentina niondrana an-tsambo nankany Italia izy. Nampanantena azy anefa i Jesôsy fa hijoro ho vavolombelona ho amin'ny olona any Rôma izy (Asa. 23:11). Taty aoriana dia hitantsika fa nanantena ny ho any Espaina i Paoly (Rôm.15:24) rehefa navotsotry ny Romanina izy.Tsy milaza anefa ny Baiboly fa nankany izy. Rehefa izay dia nosamborina indray ary tamin'ity indray mandeha ity dia maty maritiora izy (2 Tim. 4:6-8), tamin'ny taona 67 TrK, tamin'ny andro nanjakan'i Nerô.
 
Tonga tany Rôma i Paoly. Nitoetra tao amin'ny tranony sady fonjany izy raha teo am-piandrasana ny fitsarana azy teo anatrehan'ny mpanjakan'i Roma. Nifatotra tamin'ny gadra izy raha nilaza ny amin'i Jesosy tamin'ireo mpamangy azy (Asa. 28:30,31). Tsy nisy olona nahasakana azy tsy hitory teny. Nandritra io fotoana i Paoly dia nanana tombontsoa hitoriana ny filazantsara momba an'i Jesôsy amin'ireo olona ambony niasa ho an'ny mpanjakan'i Rôma (Fil. 4:22).

Alahady: Niondrana an-tsambo hankany Rôma i Paoly (Asa. 27:9-12)

Niondrana an-tsambo hankany Rôma i Paoly (Asa. 27:9-12)

Nifatotra nandritra ny roa taona tany Kaisaria i Paoly (Asa. 24:27). Rehefa izay dia nentina tany Roma, tany Italia izy. Naharitra no sady sarotra ny dia (Asa. 27;28:1-16). Niara-nandeha taminy i Lioka, ary nisy Kristianina iray nantsoina hoe Aristarko koa niaraka tamin'izy ireo (Asa. 27:2). Olona iray hafa manan-danja ao amin'io tantara io koa ny kapiteny romanina nantsoina hoe Joliô, izay niandraikitra ireo mpifatotra hafa niray dia tamin'izy ireo (Asa.27:1)

Tamin'ny faramparan'ny fahavaratra no niainga hankany Rôma i Paoly, Lioka, Aristarkô,Joliô, ary ireo mpifatotra hafa. Tsy fotoana tsara handehanana eny amin'ny Ranomasina Mediteraneanina ny ririnina noho ny toetr'andro ratsy. Koa hatrany am-piandohana dia efa sarotra ny dian'izy ireo, ary imbetsaka mihitsy izy ireo no nijanona, izay vao tonga tany amin'ny toerana iray azo antoka atao hoe Tsara-fitodian-tsarnbo, tea amin'ny nosy Kreta (Asa. 27:8).

Vakio ny tantara manoritsoritra izay nitranga tao Tsara-fitodian-tsambo, ao amin'ny Asa. 27:9-12. Inona soso-kevitra naroson'i Paoly? Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona nanoloana ny fanampiana nomen'i Paoly azy ireo?

Nanafatra ny matilo i Paoly mba hijanona ao Tsara-fitodian-tsambo, saingy tsy nety nihaino izy ireo. Nanapa-kevitra ny hanohy ny dia hiankandrefana, sahabo teo amin'ny 64 kilaornetatra, hankany amin'ny toerana antsoina hoe Foinika izy ireo, izay hahafahany handany ny ririnina iray manontolo. Niova tampoka anefa ny toetr'andro, ka tratry ny tafio-drivotra tena mahery ilay sambo. Navezivezin'ilay tafiotra nianatsimo sy niankandrefana niala ny morontsiraka ny sambo, ary tsy ela dia fefiky ny rano izany. Nanomboka nanipy ny baoritra sy ny zavatra hafa tany amin'ny ranomasina ireo tantsambo. Nisy orana matevina nirotsaka, ary nisy rivo-mahery nitsoka. Naharitra andro maro ilay tafio-drivotra, ka tsy nisy olona tao amin'ilay sambo nahita masoandro na kintana nandritra io fotoana io. Tsy nahalala ny tany ny tantsambo rehefa nijanona ilay tafiotra. Tena reraka izy ireo ary "tsy nanantena ho voavonjy intsony" Asa. 27:20.

Vakio ny tantara ao amin'ny Asa. 27:21-26. Inona no zavatra manaraka tian'i Paoly hatao mba hanampiana ny olona?

Nilaza tamin'ireo tantsambo i Paoly fa nomen'Andriamanitra hafatra manokana ho azy ireo izy. Nananatra azy ireo izy mba tsy hilavo lefona na hanary toky. Hisetra zava-tsarotra hafa tokoa izy ireo ary mbola hisy fahaverezan-javatra hafa, saingy tsy hisy aina hafoy.

Mpanompon'Andriamanitra mahatoky i Paoly, saingy tena nijaly tokoa. Nahoana? Inona no azontsika ianarana amin'ny fanandramany?

Alatsinainy: Rendrika ilay sambo (Asa. 27:30-44)

Rendrika ilay sambo (Asa. 27:30-44)

Nisy olona 276 tao amin'ilay sambo niondranan'i Paoly (Asa. 27:37). Nilaza tamin'ny olona rehetra tao izy, fa tsy hisy hamoy ny ainy, saingy mbola hisy ny olana ka ho rendrika ny sambo (Asa. 27: 22). Rendrika tokoa ilay sambo, efatra ambin'ny folo andro taty aoriana, araka izay efa nolazain'i Paoly mialoha. Ahoana no nitrangan'izany? Tao anatin'ny tafio-drivotra mafy ilay sambo, izay efa nanalavitra ny morontsiraka. Nihevitra ny matilo fa efa nanakaiky tany izy satria nandre feon'onja nikapokapoka teny amin'ny morontsiraka (Asa. 27:27). Natahotra izy andrao hidona amin'ny harambato eny amin'ny morona ny sambo, ka noezahiny nojerena ny halalin'ny rano. Rehefa izay dia nandatsaka vatofantsika efatra teo am-bodisambo mba hampihenana ny hafainganam-pandeha. Nandritra izay fotoana izay dia nivavaka tamin'Andriamanitra ireo mba hahatongavan'ny maraina (Asa. 27:28,29).

Vakio ny tantara ao amin'ny Asa. 27:30-44. lnona no lesona natao ho antsika ao amin'io tantara io?

Tsara fanahy tamin'i Paoly hatramin'ny fiandohan'ny dian'izy ireo hankany Rôma i Joliô, ilay kapiteny romanina. Tsy nanana antony manokana tokony hitokiany an'i Paoly anefa izy. Mialoha ny hiaingan'ilay sambo avy tao Tsara-fitodian-tsambo anefa, dia nampitandrina ny matilo i Paoly fa ho rendrika ny sambony. Koa nanjary natoky natoky an'i Paoly i Joliô noho izany fampitandremana mialoha ny matilo izany (Asa. 27:21-26).

Mialoha ny naharendrika ny sambo, dia nasain'i Paoly nisakafo aloha ny olona tao anatiny. Raha tsy mihinana ireo, dia tsy hanan-kery hilomanosana hatreny amin'ny morona. Misy lesona ho antsika ao amin'ny torohevitr'i Paoly io. Tian'Andriamanitra hanatanteraka ny andraikitsika isika. "Asehon'io tantara io fa tsy maintsy miara-miasa amin'Andriamanitra ny olona. Nomeny toky ny matilo fa harovany izy ireo, saingy tsy maintsy manao ny anjarany koa ny olona ka hanao izay hahazoana antoka izany fiarovana izany." David J. Williams, Acts (Grand Rapids, MI: Baker Books, 1990), t. 438.

Tonga ny maraina. Nahita ny morontsiraka ny matilo. Nanapa-kevitra ny hampiantsona ny sambo teo izy ireo, saingy tsy nety nitehaka teny amin'ny morona mihitsy izany. Raha teny an-dalana hankeny ilay sambo dia nandona fasika mandrevo tao amin'ny ranomasina ka vaky. Nanao tetika hamono ny mpifatotra ny miaramila mba hahafahany mandositra, saingy nosakanan'i Joliô ny fikasany noho ny amin'i Paoly. Tamin'ny farany dia tsy nisy olona maty, araka izay efa nampanantenain'Andriamanitra.

Nandrara ny miaramilany i Joliô mba tsy hamono ny mpifatotra noho ny amin'ny Paoly. Inona no ambaran'izany amintsika momba ny herin'ny fijoroany ho vavolombelona ho an'Andriamanitra.

Talata: Tao Melita (Asa. 28:1-10)

Tao Melita (Asa. 28:1-10)

Very tany an-dranomasina nandritra ny roa herinandro ny sambo, rehefa nentin'ny rivotra tany amin'ny 760 kilaometatra an'i Tsara-fitodian-tsambo tany Kreta. Nilomano hatreny amin'ny morona ny olona tao amin'ilay sambo rendrika. Izay vao fantatr'izy ireo fa hay tonga tao Melita izy ireo, nosy kely iray tea afovoan'ny Ranomasirna Mediteraneanina ary eny atsimon'ny nosy Sisily. Tsy maintsy niandry tao nandritra ny telo volana izy ireo, mandra-pahatapitry ny ririnina, izay vao afaka nanohy ny diany (Asa.28:11).

Vakio ny tantara ao amin'ny Asa. 28:1-10. Inona  no nitranga tamin'i Paoly teto, raha tao amin'ny nosy Melita izy? Ahoana no nahafahan'Andriamanitra  nampiasa azy mba hijazo ho vavolombelon'ny fahamarinana tamin'nyolona ?

Tena nandray tsara sady naneho hatsaram-panahy tamin'i Paoly ny mponina tao amin'ny nosy Melita. Lena sy nangatsiaka i Paoly sy ny antokony rehefa tonga teny amin'ny morony izy ireo, ka ny nandrehitra afo mba hanafanana azy ireo no zavatra voalohany nataon'ny mponina tao. Ny maripana ao Melita amin'io vaninapotoana io dia latsaky ny 10 degre "Celsius".

Rehefa izay dia nisy menarana nanaikitra an'i Paoly, ka nifantoka teny aminy avokoa ny sain'ny olona rehetra. Tamin'ny voalohany dia noheverin'ny olona fa nokaikerini'lay menarana i Paoly satria nofaizin'ireo andriarnanitra noho ny ratsy nataony izy. Nihevitra izy ireo fa tena mpamono olona tokoa izy, ary niezaka nandositra ny fahafatesana tamin'ny faharendrehana an-drano. Nosamborin'ireo andriamanitra anefa izy mialoha ny naha-rendrika azy an-drano. Angamba nino koa ny mponina tao Melita fa nalain'ny andriamani-bavy Diké, izay nifehy ny todin'aina sy ny valifaty, avy tao amin'ny ranomasina izy. Tsy matin'ny kaikitr'ilay menarana anefa i Paoly, ka nihevitra indray ny olona fa tena andriamanitra tokoa izy. Toe-javatra tahaka izany koa no nitranga tany Listra, taona maro lasa talohan'izao (Asa. 14:8-18). Tsy rnanoratra zavatra betsaka momba izay nitranga tany Meta i Lioka, saingy hita miharihary fa nampiasa ny zavatra tairairay nitranga tao i Paoly ho tombontsoa fanararaotra mba hitoriana ny momba ny Andriamaniny amin'ny olona nonina tao, ary iray tamin'ireo i Popliô.

Iza moa i Popliô? Angamba izy no Romanina mpanapaka tao Melita, na koa mety ho lehilahy tena nanan-karena sy nanana ny maha-izy azy. Nampiantranoiny nandritra ny telo andro i Paoly sy ny antokony, mandra-pahitan'izy ireo toeran-kafa hitoerana. Nositranin'i Paoly ny rain'i Popliô. Tamin'ny alalan'io fahagagana io no nahazoany tombontsoa hiasa ho an'Andriamanitra amin'ny maha-mpanasitrana. Koa nanasitrana mponin'i Melita maro hafa izy taorian'izay. Nisy nanaiky an'i Jesosy ve ny olona tao Melita? Tsy nilaza na inona na inona momba izany i Lioka saingy io tantara momba an'i Paoly io dia maneho fa iIaintsika ny mikarakara ny olona sy manome izay ilainy rehefa miasa ho an'Andriarnanitra isika. Ampahany manan-danja amin'ny filazantsaran'i Jesosy tokoa mantsy  izany asa izany (Asa. 20:35; Vakio koa ny Tit.3:14).

Alarobia: Tonga tany Rôma ihany i Paoly (Asa. 2817-22)

Tonga tany Rôma ihany i Paoly (Asa. 2817-22)

Nitoetra telo volana tao Melita i Paoly sy ny antokony. Rehefa izay vao afaka  nanohy ny diany izy ireo (Asa. 28:11). Tonga tao Potiôly, ao amin'ny helo-dranomasin'i Naples, izy ireo (Asa. 28:13), Avy teo no nandehanany an'arabe nankany Rôma  (vakio ny Asa.28:11-16).

Niely faingana nanerana an’i Rôma ny vaovao momba ny fahatongavan’i Paoly tao Italia. Nisy mpino sasany avy tao  Rôma nandeha kilaometatra maro nianatsimo ba handray azy. Tsy mbola nitsidika an'i Rôma mihitsy i Paoly hatrizay, saingy nanana namana maro tao amin'io tanàna io izy, dia fianakaviana, mpiara-miasa, Kristianina, ary olona maro hafa izay tia azy (Rom. 16:3-16). Azo antoka fa nanohina lalina ny fon'ny rehetra ny fihaonana teo amin'ny Paoly sy ny mpino tao. Mety ho maty tokoa mantsy izy rehefa vaky ny sambo nitondra azy. Ankoatra izay, nifatotra tamin'ny gadra izy. Koa nanohina ny fony fatratra ny fitiavana nasehon'ny sakaizany, ka nisaotra an'Andriamanitra izy noho ny fitiavan'izy ireo azy. Nanome hery handrosoana sy hijoroana eo anatrehan'ny fitsaran'i Rôma izany.

Tao amin'ny taratasy nosoratan'i Festôsy momba an'i Paoly, dia mety nilaza izy fa tsy meloka noho ny fandikana lalàna Rômanina i Paoly (Asa. 25:26,27; Asa.26 :31,32). Io no mety manazava ny antony namelana azy hanofa trano honenana (Asa. 28:30), fa tsy nampidirina am-ponja. Nifatotra tamin'ny miaramila romanina iray tamin'ny fotoana rehetra anefa izy, satria izany no lalàna rômanina momba ny mpifatotra. Ambaran'ny Lioka fa afaka nandoa ny hofan-tranony i Paoly. Ahoana no nananany vola hanaovana izany? Hita mazava fa mbola afaka nanohy ny asany amin'ny maha-mpanao lay azy izy ka nahazo vola avy tamin'izan. (Asa.18:3).

Vakio ny Asa. 28:17-22. lnona no nataon'i Paoly vantany vao tafafindra tao amin'ny tranony izy?

Tsy afaka nandeha nitsidika ny Jiosy tao an-tanàna i Paoly, ka nasainy nankao aminy ny mpitarika jiosy teo an-toerana. Nambarany tamin'izy ireo fa tsy meloka ny amin'ireo fiampangana nataon'ny Jiosy taminy izy. Nohazavainy fa nosamborin'ny Rômanina izy noho izay ninoany momba Jesôsy (Asa. 23:6; Asa. 24:15; Asa.26 :6-8), Tsy niezaka niaro na nanadio tena  i Paoly teto, fa nikendry fotsiny izay hatokian'ny mpitarika jiosy azy mba hahafahany mitory ny filazantsara momba an'i Jesôsy. Gaga ny Jiosy fa tsy nisy oIona avy tany Jerosalema nilaza ny momba an'i Paoly taminy, ka nanapa-kevitra ny hihaino ny fampianaran'i Paoly momba an'i Jesôsy izy ireo.

Vakio ny Asa. 28:22. Inona no ambaran'io andininy io momba ny fahatazeran'ny olona  tamin'ny Kristianina tamin'izany fotoana izany? Ahoana no hijoroantsika ho mahatoky amin'izay inoantsika rehefa tsy mino izay inoantsika ny hafa?

Alakamisy: Ny herin'ny filazantsara (Asa. 28:24-31)

Ny herin'ny filazantsara (Asa. 28:24-31)

Tonga tamin'andiany maro ny Jiosy , mba hihaino an'i Paoly mitory ny filazantsara momba an'i Jesôsy (Asa. 28:23)

Vakio ny Asa 28:24-31. Araka  izay asehon'ireo andininy ireo, nahoana no nofaranan'i Paoly tamin'ny andininy avy ao amin'ny Isaia ny toriteniny?

Avy ao amin'ny Isa. 6:9,10 ny andininy notorin'i Paoly tamin'ny Jiosy. Asehon'ireo andininy ireo amintsika ny zavatra mitranga rehefa tsy mety manaiky ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra ny olona. Raha nino ny hafatra momba an'i Jesosy nentin'i Paoly ny Jiosy sasany, ny sasany kosa tsy nety nino, nanohitra izay nolazainy. Koa nitodika tany amin'ny Jentilisa tao Rôma indray i Paoly ka nitory ny filazantsara tamin'izy ireo (Asa.13:46,47; Asa. 18:6).

Niandry roa taona i Paoly vao notsaraina teo anatrehan'ny mpanjakan'i Rôma. Raha niandry tao amin'ny tranony sady fonjany anefa izy, dia nitory ny filazantsara tamin'izay rehetra tonga namangy azy. Asehon'ny toko farany ao amin'ny Asan'ny Apostôly ny hery ananan'ny filazantsara. Tsy misy zavatra afaka manakana ny filazantsara na oviana na oviana.

Tsy mazava ny antony namaranan'i Lioka ny boky tamin’io tantara io. Fantatsika tokoa mantsy fa afaka i Paoly, ary nanao dia iray hafa indray izy mba hitoriana ny filazantsara. Taty aoriana dia nosamborina sy nentina nifatotra tany Rôma indray izy, ary tao no namonoana azy (2 Timoty 4:6-8). Nahoana no nofaranan'i Lioka mialoha ny nampidirana io tantara fanampiny momba an'i Paoly io ny bokiny? Angamba satria ny tanjon'i Lioka tamin'ny nanoratany ny bokin'ny Asan'ny Apôstôly dia ny haneho amintsika ny fomba hahatongavan'ny filazantsara any amin'ny olona reheka eto an-tany, eny fa na dia any Rôma aza. Tamin'ny fotoana namotsoran'ny Rômanina an'i Paoly, dia efa niely hatramin'ny faran'ny tany? - Asa. 1:8, ny filazantsara. Koa io no mety ho antony tsy nampidirany io tantara fanampiny io.

"Toy ny toriteny tsy nisy fahatapahany ny faharetana  sy ny herim-po nasehon'i Paoly nanditra ny namatorana azy tsy an-drariny sady ela dia ela. Toy izany koa ny firedaredan'ny finoany. Tsapa teo amin'ny toe-tsaina nananany, izay hafa noho ny an'izao tontolo izao, fa nisy hery mihoatra noho ny eto an-tany nitoetra tao anatiny. Naka tahaka azy ireo Kristianina ka nanjary narisika hanao asa bebe kokoa ho an'ny filazantsara, satria hitany fa tsy afaka hitory amin'ny vahoaka intsony i Paoly. Toy izany no nisian'ny hery niantefa teo amin'ny manodidina an'i Paoly noho ny fifatorana nahazo azy." - VM, t. 404.

Mbola tsy mifarana ny bokin'ny Asan'ny Apôstôly. Anjarantsika ankehitriny ny manampy ny toko farany. Anjarantsika ankehitriny ny mamarana ny asa nankinin'i Jesôsy amin'ny mpianany. Rehefa manao ny anjarantsika isika," izay vao ho tonga ny farany"- Mat. 24:14.

Zoma: Fianarana fanampiny

Fianarana fanampiny

"Notoloran'i Kristy asa masina ny fiangonana. Tokony ho fantsona hampita amin’izao tontolo izao ny harem-pahasoavan’Andriamanitra ny mambra tsirairay avy. Irin’ny Kristy fatratra ny hanana mpanompo haneho ny toetrany sy ny fitiavany, satria ilain'izao tontolo izao loatra ny hahita  ny fitiavan’ny Mpamonjy eo aminy. Miandry fatratra ny lanitra manontolo mba hahita lehilahy sy vehivavy azon'Andriamanitra ampiasaina haneho ny heriny. VM t. 532.

Efa ela Andriamanitra no niandry ny hanjakan'ny toe-tsaina vonona hanompo amin’ny fiangonana manontolo, ka hiasa ho Azy araka ny fahaizany avy. Rehefa manao ny asa notendrena ho azy ny mambra ao amin'ny fiangonan'Andriamanitra, eo amin’ny saha izay mila izany eo an-toerana sy any ivelany, vetivety dia handre izao tontolo izao manontolo ary hiverina eto an-tany amin-kery sy voninahitra lehibe Jesosy Tompo." -VM, t. 99. 

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

1. Ahoana no anehoan’i Lioka ny finoan'i Paoly nandritra ny diany nankany Rôma? Ahoana no nanovan'ny finoan'i Paoly ny olona hafa?

2. Nanana fanandramana sarotra maro teo amin'ny fiainany i Paoly, saingy tsy nahafoy ny finoany na ny asany hoan'Andriamanitra na oviana na oviana izy. Mpifatotra i Paoly raha tany Rôma, saingy nanohy nitory teny ihany. Ahoana no anampian'ny ohatra nomen’i Paoly antsika rehefa alaim-panahy hahafoy ny fitoriana ny filazantsara isika.

3. Vakio ny Rôm. 1:14,15. Nahoana i Paoly no nahatsapa fa adidiny ny mitory ny filazantsara momba an'i Jesosy amin'ny olona rehetra? Manana izany adidy izany koa ve isika? Diniho ity fahamarinana ity: "Ny asa manan-danja indrindra ho an'ny Kristianina tslrairay dia tokony ho ny famonjem-panahy. Mpitrosa amin'izao tontolo izao isika noho ny fahasoavana omen'Andriamanitra antsika sy ny fahazavana izay mamirapiratra eo amintsika, ary noho ny hatsarana sy ny herin'ny fahamarinana hitantsika. Noho izany dia tokony hefaintsika izany amin'ny alalan'ny fizarana ireo fanomezana ireo amin'ny hafa. -TFC, b. 4, t. 53.

MALINA : Lesona

Pejy fandraisana Rafraichir

Lesona 12 : Voafonja tao Kaisaria

Lesona 12 : Voafonja tao Kaisaria

Hodinihina mandritra ny herinandro: Asa.. 24; Asa. 25; Asa. 26; 1 Kôr. 1: 23.

Tsianjery: "Ary hoy Paoly: Mangataka amin'Andriamanitra aho, fa na amin’ny mora, na amin'ny sarotra, tsy ianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko, afa-tsy amin’ireto gadra ireto ihany."  - Asa. 26:29. 

Sabata: Fampidirana

Fampidirana

Natao an-tranomaizina nandritra ny roa taona i Paoly tao an-tanànan'i Kaisaria (Asa. 24:27), tao an-dapan'i Herôda mpanjaka raha ny marimarina kokoa (Asa. 23:35). Nantsoina matetitetika izy tao anatin'izany taona izany mba hiseho manoloana ny governora anankiroa (Feliksa sy Festôsy) sy ny mpanjaka iray (Agripa II). Na dia tao anatin'izany toe-javatra izany aza i Paoly, dia nitory ny filazantsara hatrany tamin'ireo mpanapaka ireo (Asa. 9:15).

Nanamafy ny tsy fananany heloka hatrany i Paoly nandritra ireo fiantsoana azy sady nilaza fa tsy misy ny porofo na ny vavolombelona izay miampanga azy ho nandika lalàna. Ny tantara dia mampiseho fa tsy nanam-pahadisoana i Paoly ary tsy tokony hazonina an-tranomaizina akory. Natao am-ponja anefa izy satria nangataka ny handahatra eo anatrehan'ny mpanjakan'i Rôma (Asa. 26:32). Maro ireo tombontsoa nahazoan'i Paoly nijoro ho vavolombelona ny amin'i Jesôsy tao, sy ny amin'ny fanantenana lehibe hita ao amin'ny teny fikasana momba ny fitsanganana amin'ny maty.

Mafy tamin'i Paoly ireo roa taona nihazonana azy am-ponja. Tsy nisy na iza na iza avy tamin'ny fiangonana tao Jerosalema mba nanohana azy. Ny tao am-pon'ireo mpitondra fiangonana mantsy dia hoe "tompon'andraikitra amin'ny hevitra nikirizany ihany i Paoly" - VM, t. 352.

Alahady: Notsarain’i Feliksa i Paoly (Asa. 24:10-19)

Notsarain’i Feliksa i Paoly (Asa. 24:10-19)

Taorian'ny dimy andro namindrana an'i Paoly tao Kaisaria, dia tonga tao ny antokona mpitarika jiosy nanana ny maha-izy azy avy tany Jerosalema. Anisan'izany ny mpisoronabe, ny mambra sasantsasany tao amin'ny Sinedriona ary ny mpahay lalàna matihanina iray antsoina hoe Tertilô. Nankeo anatrehan'i Feliksa ireo lehilahy ireo mba hiampanga an'i Paoly (Asa. 24:1-9).

Ity fitsarana ao amin'ny Asan'ny Apôstôly ity no sambany nakan'ny mpitarika jiosy mpahay lalàna iray mba hiara-hitondra aminy ny raharahany eo anatrehan'ny mpanapaka. Fiderana sandoka no nampiasain'i Tertilô mba hahatonga an'i Feliksa hihevitra fa nanana ny marina ny mpitarika jiosy. Nolazainy fa nanjaka teo amin'ny Jiosy ny fiadanana nandritra ny fotoana lava izay nanapahan'i Feliksa. Tsy marina anefa izany. Nahery setra sady nanao izay namoretana ny olona mihoatra noho ny nataon'ny governora hafa rehetra i Feliksa. Voafehy koa ny fahafahan'ny vahoaka teo ambanin'ny fanapahany. Nanjary nankahala fatratra ny mpanapaka rômanina ny Jiosy vokatr'izany toetrany rehetra izany. Fetsy sady narani-tsaina i Tertilô. Nataony izay niheveran'i Feliksa governora fa mila miaro tena izy amin'ny maha-mpanapaka azy. Ny fomba tsara indrindra hanatanterahana izany dia ny fanaovana an'i Paoly an-tranomaizina.

Karazany telo ny fiampangana nentin'i Tertilô mikasika an'i Paoly:

(1) Mpitondra korontana izy. Nolazainy fa tian'i Paoly ny hanoheran'ny Jiosy rehetra hatraiza hatraiza ny lalàna rômanina (Asa. 24:5).

(2) I Paoly no tena filohan'ny antokom-pivavahana iray antsoina hoe Kristianina, izay fanetriben'ny fanjakana rômanina.

(3) Tsy nanaja ny tempolin'i Jerosalema i Paoly (Asa. 24:6).

Vakio ny Asa. 24:10-19. Araka ny asehon'ireo andininy ireo, inona no hetsik'i Paoly manoloana ireo fiarnpangana azy?

Zavatra roa no mampiseho fa tsy marina ny voalazan'ireo mpitarika jiosy mba hiampangana an'i Paoly. Izao mantsy no nambaran'i Paoly tamin'i Feliksa:

(1) Tsy nisy vavolombelona avy tany Azia mba hiampanga azy (Asa. 24:18,19). Azon'i Feliksa natao tsara ny nanafoana tanteraka ny fitsarana an'i Paoly satria tsy nisy izany vavolombelona izany.(2) Tsy misy heloka bevava azon'ny Sinedriona hanamelohana an'i Paoly afa-tsy ny finoany fa hamoha ny maty i Jesôsy ka hanangana azy ireo indray amin'ny fiaviany fanindroany (vakio koa ny Asa. 23:6).

Takatr'i Feliksa avy hatrany fa nanana ny marina i Paoly. Nahafanta-javatra kely ihany mikasika ny fivavahana kristianina i Feliksa, angamba noho i Drosila vadiny izay Jiosy. Tapa-kevitra àry i Feliksa fa hampiato ny fitsarana ka hanohy izany amin'ny fotoana hafa. Ny fanapahan-kevitr'i Feliksa anefa dia mampiseho fa afaka miova hevitra ny olona rehefa omena tsolotra. Tsy nahatafavoaka an'i Paoly ny nitsaran'i Feliksa azy. 

Alatsinainy: Teo anatrehan’i Festosy (Asa. 25:1-5)

Teo anatrehan’i Festosy (Asa. 25:1-5)

Nohazonin'i Feliksa an-tranomaizina nandritra ny roa taona i Paoly. Nahoana no naharitra be toy izany? Amin'izay dia azon'i Feliksa ny fankasitrahan'ny Jiosy. Rehefa lasa i Feliksa, dia i Pôrsiô Festôsy indray no notendrena ho governoran'i Jodia (Asa. 24:27). Tamin'ny taona 60 ka hatramin'ny 62 TrK no nanapahan'i Festôsy an'i Jodla.

Vakio ny Asa. 25:1-5. Raha ny fihetsiky ny mpitarika jiosy ao amin'ireo andininy ireo no jerena , manao ahoana no fitombon'ny fankahalana ao amin'ny olona izay mandray ny fahamarinana kanefa tsy mino izany?

Niezaka ny handresy lahatra an'i Feliksa ireo mpitarika jiosy mba hanafay an'i Paoly tamin'ny alalan'ny fiampangany azy. Rehefa hitany fa tsy nahomby izany, dia niangavy an'i Festôsy indray izy ireo mba hanampy azy nandritra ny fotoana voalohany nitsidihany an'i Jerosalema. Nasain'izy ireo naverin'i Festôsy any Jerosalema indray i Paoly mba hahazoan'ny mpitondra fivavahana jiosy mitsara azy amin'ny lalàna jiosy.

Mailo ireo mpitarika jiosy teo amin'ny fanafenana ny tena fikasany rehefa niangavy an'i Festôsy toy izany izy ireo. Tsy inona izany fa ny hamono an'i Paoly mihitsy. Vonona ny hanomboka ny fitsarana an'i Paoly indray i Festôsy saingy any Kaisaria no nolazainy fa tsy any Jerosalema. Midika izany fa eo ambany lalàna rômanina no hitsarana an'i Paoly fa tsy eo ambany lalàna jiosy.

Raha vao niverina tao Kaisaria i Festôsy, dia nanomboka ny fitsarana an'i Paoly. Nanomboka niampanga an'i Paoly amin'izay ireo fahavalony (Asa. 25:7). Tsy ambaran'i Lioka hoe inona avy ireo heloka niampangany azy saingy hitantsika amin'ny valintenin'i Paoly kosa fa ilay nanamelohany azy tamin'ny roa taona lasa ihany no mbola naverin'izy ireo (Asa. 25:8). Ny zavatra nantitranterin'ireo mpiampanga an'i Paoly fotsiny dia hoe loza ho an'ny fanjakana rômanina izy.

Vakio ao amin'ny Asa. 25:9-12 ny momba ny fitsarana an'ï Paoly teo anatrehan'i Festôsy. Fantatr'i Paoly fa ny tetik’i Festôsy dia ny hahatonga an’i Paoly ho fitaovana hahazoany fanohanana eo amin'ny asany amin’ny  maha-governora azy. Ahoana hoy i Paoly teo anatrehan'izany?

Nony farany, dia hita fa mitovy ihany i Festôsy sy i Feliksa (Asa. 24:27). Tian'i Festôsy hazonina hatrany ny fanohanan'ny Jiosy ka dia tapa-kevitra izy ny hamerina an'i Paoly ho any Jerosalema mba hotsarain'ny Jiosy. Tsy neken'i Paoly izany ka nangataka izy ny mba hotsaraina any Rôma noho ny maha-olom-pirenena rômanina azy. Fantany fa tsy hahazo rariny mihitsy izy raha mbola eo ambanin'ny fifehezan'ny mpitarika jiosy ny fitsarana azy. Mba hialana amin'izany toe-javatra izany dia nangataka izy ny mba hitsaran'ny mpanjakan'i Rôma azy.

Talata: Tonga hihaino an’i Paoly i Agripa (Asa. 25: 13 - 22)

Tonga hihaino an’i Paoly i Agripa (Asa. 25: 13 - 22)

Nanaiky ny fangatahan'i Paoly ny mba hotsaraina any Rôma i Festôsy (Asa. 25:12). Nandritra izany, dia nohararaotin'i Festôsy ny fitsidihana ara-panjakana nataon'i Herôda Agripa II tao Kaisaria mba hakana hevitra aminy ny amin'ny teny tokony halefany any amin'ny amperora. Tsy nahalala firy ny amin'ny lalàna sy ny fomba fiaina jiosy i Festôsy ka ninoany fa afaka hanampy azy amin'izany i Agripa (Asa. 26:2,3).

Vakio ny Asa. 25:13-22. Inona no nolazain'i Festôsy an'i Agripa mpanjaka momba an'i Paoly? Inona no navalin'ny mpanjaka azy?

Nolazain'i Festôsy tamin'i Agripa mpanjaka fa gaga izy ny amin'ireo "heloka bevava" niampangana an'i Paoly, satria hitany fa tsy nisy nifandraisany tamin'ny fanjakana rômanina velively izany. Ireo voalaza fa "helok'i Paoly dia mahakasika ny fivavahana jiosy sy momba ny lehilahy iray antsoina hoe Jesôsy, izay: "efa maty, nefa nolazain'i Paoly ho velona" - Asa. 25:19. Efa nolazain'i Paoly tamin'ireo mpitarika jiosy tao Jerosalema fa entina eo anatrehan'ny fitsarana izy satria mino fa nitsangana tamin'ny maty i Jesôsy. Izao i Festôsy dia milaza mazava fa noho ny finoany ny fahaveloman'i Jesôsy marina tokoa no anton'izao fitsarana azy izao.

Vakio ny Asa. 25:23-27. Inona no voalazan'i Lioka ao amin'ireo andininy ireo momba ny fisehoan'i Paoly teo anatrehan'i Agripa? 

"Indro àry i Paoly, izay mbola nifatotra, niseho teo anatrehan'ny mpivory. Endrey ny fahasamihafan'ny zava-niseho! Nanana ny fahefana sy ny fahalehibeazana i Agripa sy Berenika, ka tototry ny voninahitra. Nefa kosa tsy teo aminy ny toetra ambany ara-panahy, izay hany ankasitrahan'Andriarnanitra. Nandika ny didin'ny Avo Indrindra izy, satria nananao ratsy sady niaina tao amin'ny fahalotoam-pitondrantena. Fahavetavetana teo anatrehan'Andriamanitra ny fihetsiny rehetra" - VM, t. 378. 

Mety ho tena tsara ny fahitantsika ny olona avy ety ivelany. Ny tantaran’i Agripa sy ny anabaviny dia mampiseho fa matetika ny fisehon’ny olona avy ety ivelany no mamitaka ka tsy hahitantsika izay tena miafina ao am-pony. Ahoana ny amintsika manokana ? Ahoana no maha-samihafa ny miseho ety ivelany sy ny tena zava-misy marina tokoa?

Alarobia: Niaro tena i Paoly (Asa. 26:1-23)

Niaro tena i Paoly (Asa. 26:1-23)

Nentina teo anatrehan'ny governora sy ireo olom-panjakana nasaina i Paoly. Nolazain'i Paoly taminlzy ireo ny antony tsy maha-meloka azy amin'ireo fiampangana natao taminy saingy Agripa no tena niantefan'ny fanazavany satria i Festôsy efa nandre izay nolazainy (Asa. 25:8-11). 

Vakio ny Asa. 26:1-23. Araka ny asehon'ireo andininy ireo, dia inona no nolazain'i Paoly tamin'i Agripa?

Nolazain'i Paoly tamin'i Agripa ny tantaram-piainany taloha sy taorian'ny nanolorany ny fiainany ho an'i Jesôsy. Saika nitovy tamin'ilay toriteny ao amin'ny Asa. 22:1-21, izay nataon'i Paoly tamin'ireo vahoaka tao Jerosalema izany. Tamin'ny voalohany aloha, dia nataon'i Paoly izay nahazoana ny fanohanan'i Agripa. Nankasitrahany ny namelany azy hilaza ny tantarany, na dia teo aza ny maha-olona ambony sy tena manan-kaja azy. Nisaorany an'i Agripa koa ny fahafantarany betsaka momba ny fomba amam-panao nifandraika tamin'ny fivavahana jiosy. Noho izany antony izany no mahatonga an'i Agripa ho tena fanampiana lehibe tokoa mba hahatakaran'ny governora rômanina fa diso ary tsy mendrika an'i Paoly ny fiampangana azy.

Azo zaraina telo ny lahatenin'i Paoly. Ao amin'ny fizarana voalohany (Asa. 26:4-11) izy, dia miresaka ny fiainany tany aloha, fony izy Fariseo. Olona maro tao Jerosalema no nahafantatra ny lasany. Amin'ny mana-Fariseo azy, dia ninoan'i Paoly fa hamoha ny maty Andriamanitra ka hamelona azy ireo indray. Ampahany lehibe teo amin'ny fivavahana jiosy izany fampianarana izany, koa nohamafisin'i Paoly fa tsy mitombina ny famelezan'ny Jiosy ny zavatra Paoly, satria mino izany koa izy ireo. Azon'i Paoly an-tsaina anefa ny antony nahavery hevitra azy ireo. Teo aloha, dia mba sarotra ho an'i Paoly ihany koa ny nino fa namoha an'i Jesôsy Andriamanitra ary dia nanangana Azy tamin'ny maty.

Ao amin'ny fizarana faharoa (Asa. 26:12-18) indray i Paoly, dia miresaka ny amin'ny fiovan'ny fisainany rehefa tafahaona tamin'i Jesôsy teny an-dalana ho any Damaskôsy izy. Notantarainy tamin'izany ny fomba nanankinan'i Jesôsy taminy ny fitoriana ny filazantsara any amin'ny Jentilisa.

Farany, nofaranan'i Paoly ny lahateniny tamin'ny filazana fa taorian'ny nifanenany tamin'i Jesôsy, dia tsy nanan-tsafidy hafa izy ankoatra ny fankatoavana Azy. Noho io antony io monja no nahatonga an'i Paoly ho eo amin'ny fitsarana. Tsy noho ny nandikany ny lalàna jiosy na ny tsy fanajany ny tempoly jiosy no nisamborana an'i Paoly fa noho ny hafatra nentiny momba ny nitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty. Mifanaraka tsara amin'ny fampianaran'ny Baiboly izany finoana izany sady manome lalana ny Jentilisa koa mba hahazo ny famonjena. 

Alakamisy: Teo anatrehan’ireo mpitarika Jiosy (Asa. 26:27,28)

Teo anatrehan’ireo mpitarika Jiosy (Asa. 26:27,28)

Na dia i Agripa hatrany aza no niresahan'i Paoly, dia i Festôsy no nanan-kambara voalohany indrindra (Asa. 26:24). Toa tsy nanana olana tamin'ny lahatenin'i Paoly i Festôsy raha tsy efa nilaza izy fa hanangana ny maty Andriamanitra. Tsy mifanaraka velively amin'ny finoana rômanina izay mino ny tsy fahafatesan'ny fanahy anefa izany finoan'i Paoly izany. Ny Grika sy ny Rômanina izay velona taona maro talohan'izany fotoana izany dia nahafantatra fa nifanipaka ireo foto-pinoana roa ireo. Nolavin'izy ireo araka izany ny fahamarinana fa hanangana ny maty Andriamanitra. Neken'izy ireo mantsy ny lainga fa tsy mety maty ny fanahy. Izany no antony nilazan'i Paoly ao amin'ny epistiliny ao amin'ny filazantsara fa fahadalana ho an'ny Jentilisa ny filazantsara momba an'i Jesôsy (1 Kôr. 1:23).

Naneho fanajana an'i Festôsy i Paoly rehefa namaly azy. Rehefa izay dia nitodika tany amin'i Agripa izy mba hametraka fanontaniana iray taminy. Jiosy Agripa ary nahazo tsara izay nolazain'i Paoly. Noho izany, dia hainy tsara koa ny manavaka raha mifanaraka amin'ny fampianarana ao amin'ny Baiboly hebreo na tsia ny fampianaran'i Paoly momba ny fananganan'Andriamanitra ny maty (Asa. 26:25,26).

Vakio ny Asa. 26:27,28. Araka ny asehon'ireo andininy ireo, inona no navalin'i Agripa ny fanontanian'i Paoly?

Somary nanahirankirana an'i Agripa ihany ny fanontanian'i Paoly. Amin'ny maha-Jiosy azy, dia tsy hivadika na oviana na oviana amin'ny finoany ny Soratra Masina i Agripa. Raha hovaliany hoe eny ny fanontanian'i Paoly, dia ho voatery hanaiky an'i Jesôsy ho Mpamonjy izy. Valinteny feno hafetsena no nomen'i Agripa. Amin'izay mantsy dia tsy ho azon'ny fandrika izy. "Fa hoy Agripa tamin'i Paoly: ”Hay! Ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho Kristiana'' - Asa. 26:28.

Ny valintenin'i Paoly dia mampiseho ny fitiavany mahagaga ny filazantsaran'i Jesôsy sy ny fitiavany lalina hanompo an'Andriamanitra. "Ary hoy Paoly: Mangataka amin'Andriamanitra aho, fa na amin`ny mora, na amin'ny sarotra, tsy hianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko, afa-tsy amin'ireto gadra ireto ihany'’ - Asa. 26:29. Tao amin'ireo teny farany izay nataony, dia tsy nangataka ny hanafahana azy i Paoly. Ny faniriany dia ny hahatonga izay rehetra nanatrika teo ho tahaka azy, afa-tsy ny amin'ireo gadra izay namatotra ny tanany. Zava-dehibe kokoa ho an'i Paoly ny mahita ny hafa hanaiky an'i Jesôsy noho ny hahazoany fanafahana! 

Vakio ny Asa. 26:30. Ahoana no nanehoan'i Agripa fa mino ny tsy fananan'i Paoly tsiny izy.

Nila ny fanampian'i Agripa i Festôsy mba hanoratra taratasy momba an'i Paoly (Asa. 26:25-27). Nandeha tany Rôma ihany i Paoly nony farany. 

Zoma: Fianarana fanampiny

Fianarana fanampiny

Mba nampitodika ny sain’i Agripa tany amin'ny tantaran'ny fianakaviany  sy ny ezaka poaka aty nataon'izy ireo tany aloha mba hanoherana an'i Jesôsy ve ny tenin'i Paoly? Moa ve i Agripa mba nisaintsaina ny momba an'i Herôda, rain'ny raibeny, izay namono ireo zaza tsy manan-tsiny rehetra tany Betlehema? Mba nieritrentra ny Antipasy, rahalahin'ny raibeny ve izy, izay namono an'i Jaona mpanao batisa? Mba lasa tany amin'i Agripa rainy ve ny sainy, izay nampamono an'i Jakôba mpitarika ny fiangonana? Mba takatry ny sain'i Agripa ve fa ny toe-javatra mampihoronkoditra izay nitranga tamin'ireo mpanjaka ireo dia manaporofo fa tsy mahafaly an'Andriamanitra velively ny heloka bevava nataon'izy ireo tamin'ny mpanompony? Mbola nanam-pahefana be lavitra noho i Agripa ny rainy. Tsaroany ve ilay andro nijoroan'ny rainy tao amin'izany toerana izany ihany, dia i Kaisaria, ka nisalorany ny akanjony lava mamirapiratra, sy ny niantsoan'ny olona azy hoe andriamanitra? Hadinon'i Agripa ve ny zava-niseho taorian'izay? Raha iny mbola nihorakoraka mafy iny ny vahoaka, dia nilatsaka tampoka sady tamin'ny fomba mahatsiravina tamin-drainy ny fahatezeran'Andriamanitra. Eny, tena niverina tao an-tsain'i Agripa avokoa izany rehetra izany, saingy naleon'ny fony nifidy ny fiderana sy ny hakanton'izay rehetra nanoloana azy. Levon'ny avonavony izay mety ho fisainana masina rehetra momba an'Andriamanitra" - SDABC, b. 6, tt. 1066, 1067. 

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra :

1. Resaho eo amin'ny kilasy ny fanapahan-kevitr'i Paoly ny hotsarain'ny mpanjakan’ i Rôma. Nety ve ny fanapahan-kevitra noraisin'i Paoly (vakio koa ny Asa. 25:25; Asa. 26:31,32)? Hatraiza ny fetra tokony handraisantsika fanapahan-kevitra hiaro tena mialoha ny hianteherantsika tanteraka amin'ny fikarakaran'Andriamanitra?

2. Saintsaino ny tenin‘i Paoly tamin’ i Agripa: "Ary amin'izany, ry Agripa mpanjaka ô, dia tsy nandà ny fahitana avy tany an-danitra aho" - Asa. 26:19. Milaza inona momba azy ny tenin'i Paoly? Manao ahoana ny fahatokiantsika amin'ny asa nankinin'Andriamanitra tamintsika Kristianina? 

3. Tena tia ny hafa tokoa i Paoly. Tamin'ny fotoana farany nitsarana azy, dia nolazainy tamin’izay olona nanatrika teo fa faniriany lalina ny hahatonga azy rehetra ho Kristianina. Tian’i Paoly ny hahavoavonjy azy ireo amin'ny fahasoavan'Andriamanitra be fitiavana (Asa. 26:29). Mazava tokoa fa ny hamonjy ny olona amin'ny filazantsara no nimasoan'i Paoly bebe kokoa noho ny hanafahana ny tenany amin'ny tranomaizina. Ahoana no hanarahantsika ny ohatra nasehony? 

MALINA : Lesona

Pejy fandraisana Rafraichir

Lesona 1: Ny famoronana sy ny fahalavoan'ny olombelona

Lesona 1: Ny famoronana sy ny fahalavoan'ny olombelona

Hodinihina mandritra ny herinandro:  Gen. 1:26,27; 1 Jao. 4:7,8; 16; Gen. 3:16-19; Gen. 11:1-9; Gal. 3:29. 

Tsianjery: " Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan'ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy hianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao. Ary nino an'i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany." - Gen. 15:5,6. 

Sabata: Fampidirana

Fampidirana

NANOMBOKA NY TANTARAN'NY VAHOAKAN' ANDRIAMANITRA rehefa namorona ny olombelona Izy. Niodina tamin'Andriarnanitra sy nanota anefa ny olombelona. Ilaintsika ny mahatakatra ny drafitr' Andriamanitra ho an'ny olombelona rehefa namorona ny tany Izy sy ny drafiny hamonjena antsika rehefa nanota isika. Amin'izay dia ho takatsika kokoa ny drafiny ho an'ny fiangonana. Inona no drafitr'Andriamanitra ho an'ny fiangonana? Irin'Andriamanitra ny hananan'ny mambra firaisana, izany hoe tiany hiombon-kevitra sy hifanohana izy ireo.

Asehon'ireo toko voalohandohany ao amin'ny Genesisy fa nirin'Andriamanitra ny hahatonga ny olombelona ho fianakaviana iray ary ho toy izany hatrany mandrakizay. Mampalahelo anefa fa nanimba io firindrana io ny fahotana, izay nahatonga ny fisarahana sy ny fifandirana teo amin'ny samy olombelona. Jereo fotsiny izay nitranga rehefa nihinana ny voankazo voarara i Adama sy i Eva ka nanontanian'Andriamanitra ny amin'ny fahotana nataony izy ireo (vakio ny Gen. 3:11). Nanome tsiny an'i Eva i Adama, ary nanome tsiny ny menarana i Eva. Efa ela talohan'ny nanotan'ny olombelona anefa no efa nanomanan'Andriamanitra drafitra mba hamonjena antsika. Ampahany amin'io drafiny io ny famerenana antsika amin'ny laoniny mba hahafahantsika hiara-monina Aminy indray.

Amin'ity herinandro ity isika dia handinika ny tantaran'i Adama sy Eva sy ny tantaran'i Abrahama koa. Ny tantaran'izy ireo dia maneho amintsika ny drafitrAndriamanitra mba hamonjena ny mpanota sy hampihavanana azy ireo Aminy indray. 

Torldalono Flanorana Bolboly 

 

Alahady: Ny fitiavana no fototry ny firaisana (Gen. 1:26,27)

Ny fitiavana no fototry ny firaisana (Gen. 1:26,27)

Milaza amintsika ny Gen. 1 sy 2 fa namorona ny zava-drehetra teto an-tany tao anatin'ny herinandro Andriamanitra. Milaza amintsika koa ireo toko roa ireo fa sarnbatra sy mifankatia ny biby rehetra sy -ny olombelona noforoniny. Nisy firindrana sy firaisana tanteraka teo anivon'ny zava-manan'aina rehetra teto an-tany. Jereo izay nolazain'Andriamanitra rehefa vitany ny zava-drehetra. Nilaza Izy fa "tsani indrindra" ny zavatra rehetra noforoniny (Gen. 1:31). Tian'Andriamanitra holazaina tamin'izany fa tsara endrika ny zavatra rehetra noforoniny. Midika ihany koa anefa ilay hoe "tsara indrindra" fa tsy nisy faharatsiana sy fifandirana teto an-tany. Tafiditra tao anatin'ny drafiteAndriamanitra voalohany fony Izy nanao ny tany ny hisian'ny firindrana sy filaminana teo anivon'ny zava-manan'aina rehetra. Nataon'Andriamanitra toerana tena kanto ny tany! Tonga lafatra sy mendrika ny Mpamorona azy ny zavatra rehetra. Tena anisan'ny drafitr'Andriamanitra voalohany ho an'ny tany ny firindrana sy ny firaisana ary ny fitiavana.

Vakio ny Gen. 1:26,27. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika momba ny mampiavaka ny olombelona? Ahoana no anehoany antsika fa miavaka noho ny zavatra hafa rehetra noforonin'Andriamanitra ny olombelona?

Milaza ny Genesisy fa noforonin'Andriamanitra tahaka ny endriny sy araka ny tarehiny ny olombelona (Gen.1:26). Inona no noforonin'Andriamanitra tahaka ny endriny ankoatra ny olombelona? Tsy misy. Koa izany no mahatonga ny olona ho tena miavaka. "Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy." - Gen. 1:27. Mpandalina ny Baiboly maro no nanontany hoe: Inona no hevitry ny hoe noforonina tahaka ny endrik'Andriamanitra? Midika ye izany fa mitovy amin'Andriamanitra amin'ny endrika ivelany fotsiny isika? Sa mitovy amin'Andriamanitra koa ve isika amin'ny ao anatintsika? Raha eny, dia Inona no mampitovy antsika amin'Andriamanitra? Inona no mahatonga an'Andriamanitra ho Andriamanitra? Mariana valinteny maro amin'ireo fanontaniana ireo ny olona, saingy miombon-kevitra ny rehetra fa asehon'ny Baiboly fa Andriamanitra dia fitiavana. 

Vakio ny 1 Jao. 4:7,8,16. Ahoana no anampian'ireo andininy ireo antsika hahatakatra ny niavian'ny fitiavana sy ny fomba namoronana antsika? Ahoana no nanampian'ny fitiavana ny zavatra rehetra mba hirindra sy hilamina?

Andriamanitra dia fitiavana. Afaka mitia koa ny olombelona. Afaka mitia amin'ny fomba tena lalina tokoa isika. Ireo zavatra hafa rehetra noforonin'Andriamanitra kosa dia tsy afaka mitia tahaka antsika. Koa azontsika lazaina fa ny famoronana antsika tahaka ny endrik'Andriamanitra dia midika fa afaka mitia an'Andriamanitra sy ny olona hafa amin'ny fomba tena lalina ihany koa isika. 

Alatsinainy: Ny vokatry ny fahotana (Gen.3:16-19)

Ny vokatry ny fahotana (Gen.3:16-19)

Nahatonga voka-dratsy maro ny fahotana. Niteraka fisarahana mahatsiravina teo amin'ny zava-manan'aina rehetra noforonin'Andriamanitra izany. Ratsy kokoa noho izany aza, nanjary nisy mandraka ankehitriny ny fankahalana sy ny fifandirana ary ny fisarahana teo amin'ny samy olombelona. Ohatra iray ahitantsika sy ny fifandirana ary ny fisarahana io fifandirana io izay nitranga avy hatrany teo amin'ny fihetsik'i Adama sy Eva fahotana. Inona no nataon'izy ireo? Nanome tsiny ny hafa izy ireo vokatry ny fahotany (Gen. 3:12,13). Tahaka izany koa isika, sa ahoana hoy ianao?

Ahoana no anehoan'ny Gen. 3:16-19 sy ny Gen. 4:1-15 antsika ireo zava-dratsy nianjady tamin'ny olona noho ny fahotana? Inona no nataon'ny fahotana tamin'ilay planeta feno fiadanana noforonin'Andriamanitra?

Tsy nankato an'Andriamanitra i Adama, ka nahatonga voka-dratsy maro ny fahotany. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanova ny zavatra rehetra noforonin'Andriamanitra izany fahotana izany, anisan'izany ny tany sy ny fon'ny olombelona. Ohatra iray ahitana ny nanovan'ny fahotana ny fon'ny olombelona ny tantaran'i Kaina sy Abela, izay mpirahalahy. Tokony hifankatia sy hifampikarakara ny mpirahalahy, sa tsy izany? Te hanaraka ny faniriany feno fitiavan-tena fotsiny anefa i Kaina, fa tsy hanaraka ny didin'Andriamanitra. Nitondra olana mahatsiravina teo aminy sy i Abela rahalahiny ny fon'i Kaina feno fitiavan-tena. Nifarana tamin'ny fahafatesana izany olana teo amin'izy mirahalahy izany: novonoin'i Kaina i Abela. Nanao ahoana ny toe-pon'i Kaina talohan'ny namonoany ny rahalahiny? Tezitra tamin'Andriamanitra izy (Gen. 4:5), ary nitarika ho amin'ny fahatezerany tamin'ny rahalahiny izany fahatezerana izany.

Taorian'ny namonoan'i Kaina an'i Abela, dia niharatsy ary niharatsy hatrany ny olona teto ambonin'ny tany. "Izay fisainana rehetra avy amin'ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro." - Gen. 6:5. Nitarika ho amin'ny Safodrano io faharatsiana io, safodrano izay nandrava ny zavatra rehetra noforonin'Andriamanitra. Tsy nahafoy ny olombelona anefa Andriamanitra. Namonjy vondron'olona kely Izy: i Noa sy ny fianakaviany. Nampiasain'Andriamanitra izy ireo mba hameno ny tany indray. 

Taorian'ny Safodrano dia nanome teny fikasana Noa sy ny fianakaviany Andriamanitra, ka nampanantena fa tsy handringana ny tany amin'ny safodrano intsony Izy. Koa napetrany teo amin'ny lanitra ny avany mba hahatsiaro sy hatoky ny teny fikasany izy ireo. Naneho ny fitiavan'Andriamanitra azy izany avana izany (Gen. 9:12-17; Isa. 54:7-10). Naneho ny zavatra efa hotanterahin'Andriamanitra koa zany, dia ilay drafitra efa napetrany talohan'ny nisian'ny Safodrano: maniry ny hanana fianakaviana izay tia Azy sy mahatoky amin'ny lalany Izy.

Ahoana no fomba nanimban'ny fahotana ny fiadanana sy ny firindrana teto an-tany? Inona no azonao atao izao ankehitriny izao mba hanampiana ny olona manodidina anao hanana fiadanana kokoa? 

MALINA : AWR

Pejy fandraisana Rafraichir

MALINA : Filazana

Pejy fandraisana Rafraichir