Filazana an-tsoratra
annonce n° : 158 du : 07-03-2010
TREMPLIN EST: 8 au 10 JANVIER 2010:
ILAZANA ISIKA FA MISY FIOFANANA ATAON'NY SAMPANA ASA FITORIANA KARAKARAIN'NY FEDERASIONA FRANTSA ATSIMO NY FARAN'NY HERINANDRO 8 - 10 JANOARY 2010.NY SARAN'NY FILASIANA SY NY SAKAFO DIA 20 EUROS ISAN'OLONA.
TOERANA:Gîte de la Gerlette, 3233 route des Coulmes, 38470 Malleval-en-Vercors (Isère).ASAINA ISIKA REHETRA MIKASA HANANGANA GDF HANATRIKA IO FIOFANANA IO.
FARA-FISORATANA ANARANA NY 5 JANOARY 2010.
TREMPLIN EST: 8 au 10 JANVIER 2010:
Organisateur: Département évangélisation FFS – Pierre Kempf, Michaël Dhombres
Lieu: Gîte de la Gerlette, 3233 route des Coulmes, 38470 Malleval-en-Vercors (Isère)
Inscription–Renseignement: Michaël Dhombres, chemin des mandrières,69290 Pollionnay Tél:0618746510michael.dhombres@adventiste.org – Date limite d’inscription mardi 5 janvier.
Prix :
20€ (hébergement + nourriture comprise), A l’ordre de Facsa
par : ranaina, email : ratsimaitoarivo@yahoo.fr
annonce n° : 162 du : 07-03-2010
" MAFA 2010, manomboka ny 28 ka hatramin'ny 30 MAI"
" aux Sardières, 79 avenue de Jasseron à Bourg-en-Bresse(01).
NASAINA MANOKANA:Pasitora REYNOLDS AGATHE.
Antsoy ny 06 62 11 50 75 na 04 78 68 01 94 raha mila fanazavana fanampiny isika.
FISORATANA ANARANA :Aoka isika sy ny namantsika hisoratra anarana mialoha ny 12 APRILY 2010 fa misy tombo-tsoa manokana ny amin'izany.
par : ranaina, email : ratsimaitoarivo@yahoo.fr
annonce n° : 160 du : 14-02-2010
Groupe de Foyer MALGACHE le 13 Février 2010 au 42 RUE FAILLEBIN 69100 VILLEURBANNE
"Groupe de Foyer MALGACHE le 13 Février 2010 au 42 RUE FAILLEBIN 69100 VILLEURBANNE , chez RATSIMAITOARIVO Naina et Myriam.
Asaina avokoa isika Malagasy mpikambana rehetra ao amin'ny MALINA na tsia hanatrika io fotoana io. Hisy fiaraha-misakafo NOHO NY TAONA VAOVAO 2010 izay atolotry ny Filohan'ny FIKAMBANANA MALINA ho an'ny tsirairay amin'io fotoana manokana io.
Manomboka amin'ny 9 ora sy sasany ny fotoana ka mitohy hatramin'ny 6 ora.
par : ranaina, email : ratsimaitoarivo@yahoo.fr
annonce n° : 161 du : 14-02-2010
JOURNEE MALGACHE A LYON VENDOME ( 27 FEVRIER 2010)
"
Manasa antsika rehetra hanatrika ny andro iray toa zato izay hatao ao amin'ny Fiangonana Advantista Lyon Vendôme amin'io daty voalaza etsy ambony io.Hofaranana amin'ny Antsa an-kira io andro natokana ho antsika Malagasy io miaraka amin'antoko Mpihira maro samihafa toy ny Malina, Fiangonana ary ny vahiny miavaka dia ny "VIA TARIKA " .....MIRARY NY FAHATONGAVANAO SY NY ANKOHONANAO.
par : ranaina, email : ratsimaitoarivo@yahoo.fr
annonce n° : 159 du : 15-01-2010
ARAHABA TRATRY NY TAONA 2010
"An'i Jehovah ny famonjena; Ho amin'ny olonao anie ny fitahianao"
Salamo 3:8.
Ny fikambanana MALINA dia faly mirary antsika rehetra mba hotahian'i Tompo amin'ny zavatra rehetra mandritry ity taona 2010 ity: Fahasalamana,fahasambarana, fiadanana, fifaliana, sy ny sisa rehetra tsy hovoatanisa.
MEILLEURS VŒUX 2010
"Le salut est auprès de l'Éternel: Que ta bénédiction soit sur ton peuple!"
Psaumes 3 : 9 par : ranaina, email : ratsimaitoarivo@yahoo.fr
annonce n° : 157 du : 28-11-2009
CONCERT DE ZAKA Rajaonia du groupe "ny AMBASADÔRA" :
SAMEDI 28 NOVEMBRE 2008 à 18H30 à L'église du campus Adventiste du Salève (33 Chemin du Pérouzet 74160 COLLONGES SOUS-SALÈVE) avec la PARTICIPATION DE LA CHORALE FIDERANA. LIBRE PARTICIPATION AUX FRAIS
par : ranaina, email : ratsimaitoarivo@yahoo.fr
annonce n° : 156 du : 20-11-2009
Concert avec ZAKA Rajaonia du groupe "ny AMBASADÔRA" :
21 Novembre 2009 à 19H, Eglise Adventiste Lyon, 68 rue Vendôme 69006 (Métro Foch).
Avec la participation de : chorale adventiste Lyon, grouupe Rindra, chorale MLINA, groupe JashHoway.
par : admin, email : herimihaona@yahoo.fr
annonce n° : 155 du : 24-10-2009
SABATA 24 OKTOBRA 2009 dia sabata natokana ho fahatsiarovana ny "FAMORONANA".Manasa antsika KRISTIANA rehetra hamerina hamaky indray ny bokin'ny Gen.1:1-31 sy Gen.2:1-25.
Jereo ny tranon-kala manaraka eto ambany ireto.Misy fanazavana maro samihafa, tori-teny isan-karazany, tantara maro ho an'i ankizy ary Vidéo mitondra ny loha-teny "THIS IS MY FATHER'S WORLD"
LE SABBAT DE LA CREATION : Célébration de la Création - 24 Oct. 2009
« Où étais-tu quand je fondais la terre? » (Job 38 : 4)
http://www.creationsabbath.net/
http://www.creationsabbath.net/fr
http://www.health20-20.org/
ILAZAO NY MANODIDINA ANAO FA ANDRIAMANITRA NO NAHARY IZAO REHETRA IZAO.
par : ranaina, email : ratsimaitoarivo@yahoo.fr
annonce n° : 154 du : 15-10-2009
CONCERT SPIRITUEL le Samedi 17 OCTOBRE 2009 à 16H,EGLISE ADVENTISTE (28 RUE Léon Jouhaux 38100 GRENOBLE )
Avec Le choeur d'hommes des étudiants malgaches de la Facultés de théologie de Collonges sous Salève.
LIBRE PARTICIPATION
Renseignements : 06 15 33 85 57
par : ranaina, email : ratsimaitoarivo@yahoo.fr
annonce n° : 153 du : 02-10-2009
HAFATRA AVY AMIN'I PASTORA ELYOENAI RAJAONAH
---------- " Ry Mpiray Fanantenana Malala.,
Hampitomboina ho amintsika anie ny fahasoavan'ny Tompo.
Mandalo eto amintsika ny filohan'ny Union Adventiste de l'Océan Indien Pasteur RAVONJIARIVELO Samuël ka fifaliana ho ahy ny manasa ireo izay afaka hanatrika ny ny fanompoam-pivavahan a izay atao ao amin'ny fiangonana advantista malagasy ao Saint-Cloud ny Sabata faha 03 oktobra izao. Hisy koa ny fandraisana fanasan'ny Tompo koa dia an-tanan-droa no handraisana antsika tsirairay avy.
Mirary soa ho antsika rehetra.
Ho tahian'ny Tompo mandrakariva anie ny fiainantsika eo am-panompoana Azy.
Maranatha
Mandra-pihaona tsy ho ela "
Elioenay, Rajaonah
Pasteur
par : ranaina, email : ratsimaitoarivo@yahoo.fr
annonce n° : 152 du : 10-09-2009
ILAZANA ISIKA RHETRA MPITSIDIKA ITY TRANOKALAN'NY " MALINA " ITY FA MISY TRANGAN-JAVATRA TATO HO ATO IZAY MAHATONGA NY LESONA EDS SY NY VIGILE ARY NY VAOVAO MANERAN-TANY....SNS TSY HISEHO ARA-DALANA. EFA MANAO IZAY AZO ATAO NY MPIANDRAIKITRA HATRIZAY KA HATRAMIN'IZAO. NOHO IZANY DIA MIALA TSINY AMINAREO REHETRA IZAY MAHATSAPA TSY FAHAFAHAM-PO AMIN'NY FISTIDIHANA NY PROGRAMA MANINTONA AZY SY ANKAFIZINY IZAHAY MPIARA-MIASA. MISAOTRA ANAREO AMIN'NY FANANANAREO FAHARETANA AMIN'NY FAMAHANA NY OLANA SY NY FANAZAVANA IZAY NATAO ARY FANKASITRAHANA NY TOMPON'ANDRAIKITRA ISAN'AMBARATONGA. MISAOTRA TOMPOKO !
par : ranaina, email : ratsimaitoarivo@yahoo.fr
annonce n° : 151 du : 30-06-2009
Ilazana isika rehetra mpikambana MALINA fa nahazo zafikely antsoina hoe HUGO RIJA ny Filoha lefitry ny fikambanantsika ( Mponina sy Nina ).Teraka ny 27 jona 2009 i HUGO Rija. Feno hafaliana avokoa ny ray amandreniny,ny raibeny ary ny renibeny.Any HAUTOT SUR MER i NINA araka ny sms nalefany taminay ny 29/06/2009. Mirary ny zaza hitombo vatana sy ho salama tsara isika rehetra.
par : ranaina, email : ratsimaitoarivo@yahoo.fr
annonce n° : 150 du : 22-06-2009
Ny Malagasy Advantista eto Lyon sy ny fianakaviana RATSIMAITOARIVO Naina mivady dia maneho ny fiaraha-miory aminao Lalao Razafintsalama noho izao fisarahana amin'ny reny tiana izao. Entinay am-bavaka eo anatrehan'i Tompontsika ianao sy ny ankohonanao , na ny akaiky na ny lavitra.Izy mantsy no manana ny fampiononana feno sy maharitra. Aoka hitombo ny fanantenana ao anatintsika araka ny voalaza ao amin'ny 1 Tesaloniana 4:13,14.
MALINA
par : ranaina, email : ratsimaitoarivo@yahoo.fr
annonce n° : 149 du : 06-06-2009
Izahay Malagasy Advantista eto Lyon sy ny Fianakaviana RATSIMAITOARIVO Andrianantenaina dia miara-miory aminareo fianakaviana navelan'Itompokolahy Mpitandrina Mbanona. Hitrotro anareo am-bavaka izahay na dia lavitra ny tanindrazana aza. Ny Tompo anie hampahavokatra zato heny ny voa rehetra izay nafafiny niaraka tamin'ny mpiara-miasa rehetra taminy tao amin'ny Misiona MAHAJANGA hatramin'izay,mba hahafaingana ny fihavian'i Tompontsika. Toy ny lakolosy fanairana mandrakariva ny fandrenesana ny fandaozan'ny hava-tiana toy izao, ho antsika mbola velona. Aoka tsy ho kivy anefa, mitrakà, fa ny Tompontsika efa nandresy izany fahafatesana izany, velona ho antsika Izy ary tsy lavitra, fa azo antsoina amin'ny fotoana rehetra.Izy no nilaza hoe:" Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa."
Ny Tompo anie ho amintsika mandrakariva!
Maranata !
Naina sy ny MALINA
par : ranaina, email : ratsimaitoarivo@yahoo.fr
annonce n° : 148 du : 28-05-2009
Appel a la solidarité de la communauté Malgache de Lyon. Chers amis malgaches, je viens ici vous interpeller sur la situation de l’une de vos compatriotes qui est ici en France dans une situation de grande détresse sociale. Il s’agit d’une jeune femme Malgache, de 26 ans, venue ici au titre d’un séjour touristique et qui s’est vue diagnostiquer sur le sol Français, une maladie chronique grave, incurable. Après vérification de l’équipe médicale française auprès des correspondants a Madagascar. Il s’avère qu’il n’y a pas de solution thérapeutique satisfaisante à Madagascar pour sa maladie. En conséquence, cette personne est condamnée à rester sur le sol Français. Un retour à Madagascar compromettrai définitivement ses chances de survie à très moyen terme. Elle est actuellement en situation tout à fait régulière, titulaire d’’une APS S (Autorisation provisoire de séjour pour soins) et bénéficiant d’une protection sociale de type CMU et CMU complémentaire. Son titre de séjour actuel, ne lui permettant pas actuellement de travailler, il lui est impossible d’avoir accès à un hébergement. Or sa situation administrative impose, qu’elle bénéficie d’un hébergement pour rester en France et ainsi de pouvoir renouveler son autorisation jusqu'à obtention d’un titre définitif qui la sécurisera définitivement. Elle recherche donc une ou des personnes en mesure de lui offrir une solution d’hébergement. Il est à préciser que sa pathologie ne présente aucun risque pour vous ou vos proches dans le cadre d’une vie sociale normale, ni aucune charge particulière. (Personne en bonne santé, totalement indépendante au quotidien, consultation semestrielle, pas de frais de santé) Si vous pensez pouvoir lui apporter votre aide et contribuer à assurer son avenir vital, ou simplement votre soutient moral, n’hésitez pas a la contacter a : elisa.jaozafy@gmail.com ou au 0646200253. Si vous ne pouvez rien faire personnellement, merci de contribuez au moins a faire connaître sa situation plus largement auprès de la communauté Malgache Française, ou a toute personne susceptible de pouvoir lui tendre la main. Par avance merci pour votre fraternité et votre charité.
par : admin, email : herimihaona@yahoo.fr
annonce n° : 146 du : 20-05-2009
FILAZANA MANJO:
Nandao antsika ny anadahin'i Marlène. Afaka miara-miory amin'ny fianakaviana ny tsirairay araka ny fahafahany, misy fiareta-tory ny Alakamisy alina eo amin'io toerana voalaza etsy ambany io. Indro ho hitanao avy hatrany ny hafatra avy amin'i Mpitandrina. MISAOTRA INDRINDRA .
"Le service mortuaire pour Turenne Breslau, le frère de Marlène, aura lieu Vendredi 22 mai à 14h00 dans la salle funéraire des Pompes Funèbres Générales Située dans le carrefour juste avant l’entrée de l’hôpital (l’hôpital est à droite et les PFG sont à gauche).
Faisons-le savoir.
Que notre tendre Père céleste assiste chacun des membres de cette chère famille.
Bonne journée !
Paul HENRIOT
par : ranaina, email : ratsimaitoarivo@yahoo.fr
annonce n° : 147 du : 20-05-2009
FILAZANA MANJO:
Nandao antsika ny anadahin'i Marlène. Afaka miara-miory amin'ny fianakaviana ny tsirairay araka ny fahafahany, misy fiareta-tory ny Alakamisy alina eo amin'io toerana voalaza etsy ambany io. Indro ho hitanao avy hatrany ny hafatra avy amin'i Mpitandrina. MISAOTRA INDRINDRA .
"Le service mortuaire pour Turenne Breslau, le frère de Marlène, aura lieu Vendredi 22 mai à 14h00 dans la salle funéraire des Pompes Funèbres Générales Située dans le carrefour juste avant l’entrée de l’hôpital LYON SUD (l’hôpital est à droite et les PFG sont à gauche).
Faisons-le savoir.
Que notre tendre Père céleste assiste chacun des membres de cette chère famille.
Bonne journée !
Paul HENRIOT
par : ranaina, email : ratsimaitoarivo@yahoo.fr
annonce n° : 145 du : 01-05-2009
MAFA(Malagasy Advantista Frantsa Atsimo ) 2009 se déroulera du 1 au 3 Mai 2009 à Gardanne (Entre Aix en Provence et Marseille).
Thème : Isika rehetra ho an'i Kristy (Tous pour le Christ).
Invité : Professeur Lalatiana Andriamanarivo.
Chant-thème : "Zao no hirantsika " (D. Rasolonjatovo).
Plus de détails sur http://mafa.idago.net
par : ranaina, email : ratsimaitoarivo@yahoo.fr
annonce n° : 144 du : 11-04-2009
Ilazana isika Malagasy rehetra mpikambana fa tsy misy ny fivoriana fanaontsika ny Alahady 12 Avrily noho ny fialan-tsasatry ny Paska. Mitohy avy hatrany izany ny Alahady 19 Avrily 2009. Ny Loha-hevitra faha-4 ao amin'ny boky Groupe de Maison no hodinihana miampy ny Lohahevitra voalohany amin'ny toetra tsy tsara tokony hialana ( Bavard Intarissable ).Aoka samy handinika mialoha ireo loha-hevitra ireo ny tsirairay avy.
Mirary fialantsasatry ny PASKA ho an'ny fianakaviana tsirairay avy.
Ny Filoha.
par : ranaina, email : ratsimaitoarivo@yahoo.fr
annonce n° : 143 du : 21-01-2009
Tera-bao eh
Faly izahay milaza aminareo ny fahaterahan'ny zanakay vavy Aina Maelys Rakotozafindrabe. Salama tsara daholo ny reny sy ny zaza ary misaotra an'Andriamanitra noho izany.
Daty nahaterahany : Asabotsy 17 Janoary 2009 tamin'ny 9 ora alina.
Famille Herimihaona sy ny Groupe Rindra
par : admin, email : herimihaona@yahoo.fr
annonce n° : 142 du : 14-01-2009
Bonne année 2009
"Ny tanako eny no tsy afaka
handray ny tananao
nohon'ny halavirandalana.
Ka ny hirako eh no indro
ataoko hitondra hafatra
sy hiaraka hamindro..."
Famille Herimihaona
sy ny Groupe Rindra
par : admin, email : herimihaona@yahoo.fr
annonce n° : 140 du : 17-11-2008
Je m'appelle Luan Fy Tia Andrianaivo. J'ai été projetée en pleine lumière hier samedi 15 novembre 2008 à 10h05 avec mes 3kg140 et mon joli teint rose.Une chose est sûre : je fais pleinement le bonheur de mes parents Lova et Fidy. Béni soit le Seigneur.Famille Andrianaivo par : admin, email : herimihaona@yahoo.fr
annonce n° : 139 du : 16-11-2008
saorana Lehibe Andriamanitra noho ny fahagagàna zay nataony tamin'ny raiamandrenin-tsika Germain Rakotondratsima (Paris) fa nivoaka ny hôpital soa aman-tsara izy! Tafavoaka tsy nisy sequelle izy na efa atteint hatrany amin'ny coeur , poumon, reins aza , ary araky ny filazan'ny hôpital dia cas ATYPIQUE izy, ary izy irery ihany no mbola tafavoaka VELONA tamin'ireo rehetra nandàlo tao amin'ny taonany! (ny tanora avec sequelles) Deraina Andriamanitra! Ary misaotra antsika rehetra tamin'ny ranom-bavaka nataotsika, fa tena fanandràmana velona izao nataotsika rehetra izao niray hina hivavaka, ary dia nanao fahagagàna Andriamanitra! Fisaorana feno no atolotra antsika Ny fianakaviana Rakotondratsima
par : admin, email : herimihaona@yahoo.fr
annonce n° : 138 du : 14-11-2008
Ny vaovao aty madagasikara dia ny fitsidihana pastoraly ho tanterahan'ny SG Conférence générale ny Dr Mathew BEDIAKO. miaraka amin'ny SG division de L'Afrique Australe.Ny zoma (14 novembre 2008) amin'ny 8 ora alina no higadona eny Ivato izireo ary hisy ny fotoam-bavaka eny amin'ny Gradin III Soama ny sabata. Hitafa amin'ny mpiasan'ny federasiona kosa izireo ny alahady maraina ary avy eo hanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety.Homeko amin'ny manaraka ny antsipirihan'ny vaovao.Maranata.Vonona RAKOTONDRATSIMBA, Journaliste de la Radio Oasis
par : admin, email : herimihaona@yahoo.fr
annonce n° : 136 du : 28-10-2008
Miaharahaba anareo aty ny tenako izaho no Marcel, mpiasa eto amin'ny radio oasis Tana. Mba te hifandra aminareo aty ampita aty ka raha mba misy ny te hifanddray amiko dia ity no adiresiko
rktmarcel@yahoo.fr par : admin, email : herimihaona@yahoo.fr
annonce n° : 137 du : 28-10-2008
Miarahaba tompoko. Mpanao gazety eto amin'ny radio oasis FEDERASIONA Madagasikara AFOVOANY ny tenako ary maniry hahazo vaovao momba ny asan'ny fiangonana aty aminareo tsy tapaka. ohatra hetsika ara-pilazantsara, sosialy sns ity ny adiresy:
rvonona@yahoo.fr misaotra
par : admin, email : herimihaona@yahoo.fr
annonce n° : 135 du : 28-10-2008
Ho anareo manoratra aminay dia aza hadino ny mamela ny adiresy email-nareo mba hahafahanay mamaly izany. Indro koa omenay ny adiresy misy ny malagasy eto Lyon ho an'ireo nanoratra taminay mitady izany : Eglise Adventiste du 7e Jour. 68 rue Vendome 69006 Lyon. Mirary fitahiana ho an'ny tsirairay. Ny mpitantana
par : admin, email : herimihaona@yahoo.fr
annonce n° : 108 du : 20-10-2008
Ny mpikambana Malina dia faly indrindra miombo-pifaliana amin'Andriamatoa Rafidy ANDRIANAIVO sy Ramatoakely lova Sniady Solofonirina noho ny nahavitan'ny fanambadian'izy ireo tamin'ny 13 oktobra 2007.Andiamanitry ny Fiadanana anie homba lalandava ny tokantranonareo,hampiroborobo isan'andro ny fifankatiavanareo hatrety ka hatrary amin'ilay tany vaovao nampanantenana antsika .Arahin-jazalahy sy zazavavy,maharena tokantrano....1Kor13:4-7
par : nina, email : harlys@aliceadsl.fr
annonce n° : 134 du : 10-10-2008
Ilazana isika Malagasy rehetra indrindra fa isika mpikambana fa ny fotoana isan'andro, isaky ny amin'ny 12Ora sy sasany ka hatramin'ny 1 Ora sy sasany dia natokana hitondrana am-bavaka ny fahasalaman'ny Ray amandreny RAKOTONDRATSIMA Germain ( Paris ).Raha tsy mety aminao io fotoana io dia asandrato ny fitalahoanao amin'izay fotoana ahazoanao manao izany. Misaotra indrindra tompoko. Ny FILOHA.
par : ranaina, email : ratsimaitoarivo@yahoo.fr
annonce n° : 131 du : 01-09-2008
Ilazana isika mpikambana ao MALINA fa manomboka indray ny famerenan-kira isaky ny Talata hariva toy ny mahazatra (02/09/08). Koa dia manantena ny fahavitrihantsika tsirairay rehefa avy niala sasatra kely.
Ny filoha
par : ranaina, email : ratsimaitoarivo@yahoo.fr
annonce n° : 130 du : 22-08-2008
Ny fikambanana MALINA dia faly miarahaba anareo mivady ( Toky sy Holy) tamin'izao nanorenanareo tokantrano vaovao izao. Andriamanitra anie hitahy manokana izany tokantrano izany ka harahin-jazalahy sy zazavavy ary haharitra hatramin'ny fiavian'i Tompotsika. AMEN!
Ny filoha sy ny mpikambana ao aminy
par : ranaina, email : ratsimaitoarivo@yahoo.fr
annonce n° : 129 du : 25-07-2008
Ny MALINA dia miara-paly sy ravo aminareo ray aman-drenin-dRamatoakely MITIA HARENA teraka teto Lyon ny 6 jolay 2008.
ANDRIAMANITRA anie hampiroborobo ny fahasalaman'ny reny sy ny zanany ary ny fahasoavany handrakotra ny tokantranonareo telo mianaka kely.
Dia hitombo saina sy tena sady handroso fitia amin'ANDRIAMANITRA sy ny olona i MITIA.
par : nina, email : harlys@aliceadsl.fr