| lesona 1 | 26-06-2010 au 02-07-2010 | |
|---|---|---|
| I PAOLY SY I ROMA | ||
| ( Asa. 28:17-31; Rom. 1:7; 15:14, 20-27;Efes. 1; Fil. 1:12. ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
Tsianjery : "
Voalohany, misaotra an'Andriamanitro amin'ny alalan’i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra, satria efa re eran’izao tontolo izao ny lazan'ny finoanareo - Rom. 1:8. "
|
Ny tena tsara dia tokony hatomboka amin'ny Rom. 1:1 ny fianarantsika ny bokin'ny Rômanina, aorian'ny fianarana ny fiaviany ara-tantara, ary avy eo dia tohizana amin'ny fandinihana ny andininy tsirairay izany mandra-pahatapitra ny boky iray manontolo. Koa satria telovolana iray ihany no natokana hianarana ny boky, dia tsy maintsy nisafidy isika hoe inona ireo fizaràna izay ho vitantsika ny fianarana azy. Telovolana efatra (Herin-taona maninjitra) mihitsy mantsy no mety hilaina, fa tsy telovolana anankiray fotsiny, hamakafakana ny boky. Noho izany, dia ireo toko manan-danja izay misy ny hafatra fototra ihany, no horesahina.
Tena zava-dehibe tokoa raha azon'ny olona mianatra ny bokin'ny Rômanina ny fiavian'io boky io ara-tantara. Raha tsy misy izay fiaviana ara-tantara izay dia ho sarotra amin'ny mpianatra ny hahalala izay tian'i Paoly hambara. Vondron'ny Kristianina manokana anankiray, tamin'ny fotoana manokana, ary noho ny antony manokana, no nanoratan'i Paoly. Ny fahalalana be araka izay azo atao, izany antony izany dia hitondra soa lehibe ho antsika eo amin'ny fianarantsika ny boky. Mahagaga tokoa fa na dia nosoratana tamin'ny fotoana lasa efa ela be tany, sy tamin'ny tontolon-kevitra hafa aza ny boky, dia manana hafatra tena miantefa amin'ny olony ankehitriny, hafatra ho an'ny tany rehetra sy sahaza ny toe-javatra mitranga rehetra. Noho izany, dia mila mihevitra tsaraamim-bavaka ireo teny izay voasoratra ao isika, ka mampihatra azy ireny eo amin'ny fiainantsika. |
| Nampiditra : ranaina, MYRIAM |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net