Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 10/09/2010 11:20 )
   
lesona 2 03-07-2010 au 09-07-2010
JIOSY SY JENTILISA
( Lev. 23; Mat. 19:17; Asa. 15:1-29; Gai. 1:1-12; Heb. 8:6; Apôk. 12:17. )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

Tsianjery : " Fa ny lalàna dia nomena tamin'ny alalan'i Mosesy; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy" - Jao. 1:17. "

Jiosy avokoa ireo olona niova fo voalohany nanaraka ny fivavahana kristianina, ary tsy misy teny ao amin'ny Testamenta Vaovao milaza fa nasaina najanon'izy ireo ny famorana, na nasaina tsy niraharaha intsony ireo fety ara-pivavahana ankalazain'ny Jiosy izy ireo. Fa rehefa nanomboka nanaiky ny fivavahana kristianina kosa ny Jentilisa, dia fanontaniana manan-danja maro no nipetraka. Tokony hanaiky hoforana ve ny Jentilisa? Hatraiza no tokony hitandreman'izy ireo ireo lalàna jiosy hafa? Nony farany dia nisy fivoriambe natao tany Jerosalema hamahana izany olana izany (Jereo ny Asa. 15).

Na teo aza ny fanapahan-kevitra hentitra noraisina nandritra ilay fivoriambe, ny amin'ny tsy tokony hanahiranana ny Jentilisa amin'ireo didy aman-dalàna zavon-tany notandreman'ny Jiosy, dia mbola nisy ihany ireo mpampianatra sasany izay nampitondra enta-mavesatra ny fiangonana tamin'ny fanantitranteran'izy ireo fa tokony hotandreman'ny Jentilisa vao niova fo ireo didy aman-dalàna ireo, ary ao anatin'izany lalàna izany ny famorana.
Amin'ny lafiny sasany, dia mbola misy sy miseho ireo olana ireo amin'izao vanim-potoana iainantsika izao, fa amin'ny endriny hafa fotsiny. Impiry moa isika, amin'ny maha-Advantista antsika, no kianin'ny olona, lazainy fa mpanaraka fomba jiosy na fatra-panara-dalàna, noho ny fitandremantsika ny Didy Folo (na, raha ny marimarina kokoa, noho ny fitandremantsika ny Sabata)? Impiry isika no efa nandre hoe eo ambanin'ny Fanekena Vaovao isika ankehitriny, ka noho izany dia efa nofoanana ny lalàna (ny didy momba ny Sabata)?

Etsy an-danin'izay koa anefa, isika indraindray, amin'ny maha-fiangonana antsika, dia mifanehatra amin'ireo izay te hanery antsika hanaraka ireo fomba amam-pitsipika ao amin'ny Testamenta Taloha.
Noho izany dia azo antoka fa misy hafatra lehibe ho antsika ankehitriny tokoa ao amin'ny epistily ho an'ny Rômanina, tahaka ny nisian'izany ho an'ny fiangonana tany Rôma tamin'izany fotoana izany.

 

Nampiditra : ranaina
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net