| lesona 3 | 10-07-2010 au 16-07-2010 | |
|---|---|---|
| SAMY EFA NANOTA NY REHETRA | ||
| ( Rom. 1:16,17,22-32; 2:1-10,17-23; 3:1,2,10-18,23. ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
Tsianjery : "
"Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin 'Andriamanitra." - RÔm. 3:23. "
|
Raha tsy miaiky ny tsy fahamarinany ny olona iray, dia tsy ho tsapany velively fa mila ny fanamarinan'Andriamanitra azy izy (ny fanambaran'Andriamanitra fa marina eo imasony ny mpanota iray no atao hoe fanamarinana). Ho an'i Paoly ary izany, dia ny faneken'ny olona iray ho mpanota tsy mahavonjy tena sy tsy misy antenaina no dingana voalohany amin'izany fanamarinana izany. Ny toetra lomorina ratsy dia ratsy ananan'ny Jentilisa aloha no nasehon'i Paoly voalohany indrindra, rehefa nametraka izany foto-kevitra izany izy. Nietry ambany dia ambany tokoa mantsy izy ireo satria efa nanaisotra an'Andriamanitra tsy ho ao amin'ny fitadidiany. Asehon'i Paoly avy eo fa ratsy toy izany koa ny Jiosy satria tsy misy na iza na iza mahavonjy ny tenany amin'ny asa soa ataony. Milaza mazava i EGW hoe: "Aoka tsy hisy olona hanana eritreritra tery sy voafetra ka hihevitra fa hahaloa ny trosan'ny fandikan-dalàna ny asan'olombelona. Fitaka mahafaty izany. Raha azonareo izany, dia tsy maintsy hitsahatra tsy hiady varotra intsony hifikitra amin'ireo foto-kevitra ankamamianao ianao, ka handinika ny fanavotana amin'ny fo feno fanetren-tena. "Manjavozavo amin'ny olona loatra io foto-kevitra io hany ka an'arivony maro dia maro amin'ireo milaza azy ho zanak'Andriamanitra no zanak'ilay ratsy, satria miantehitra amin'ny asany izy ireo. Nitaky asa tsara mandrakariva Andriamanitra ary mitaky izany ny lalàna, saingy ny fahamarinan'i Jesôsy irery ihany no ilaina satria nitoetra tao amin'ny fahotana ny olona ka tsy nisy vidiny intsony ny asa tsara ataony. Mahavonjy tokoa i Kristy satria velona mandrakizay hanao fifonana ho antsika Izy." — SDABC, b. 6,t.1071. |
| Nampiditra : ranaina, MYRIAM |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net