| lesona 5 | 24-07-2010 au 30-07-2010 | |
|---|---|---|
| NY FANAMARINANA SY NY LALANA | ||
| ( Gen.15:6;2Sam.11,12;°Rom.3:20-23;31;4:1-17;Gal.3:19;1Jao.3:4 ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
LALANA SY OTA
|
Matetika isika no mandre olona milaza fa foana ny laiàna ao amin'ny Fanekena Vaovao ary maka toko sy andininy avy ao amin'ny Soraíra Masina mihitsy izy ireo izay inoany fa manamarina ízany hevitra ízany. Tsy mitombina anefa ny lójika ao ambadík 'izany fanambarana izany, na ny teólójía. Toy izany koa, raha toa ka nofoanana ny lalàn'Andriamanitra, nahoana no mbola fahotana sy fahadlsoana ny mandainga sy ny mamono olona ary ny mangalatra? Raha efa novana ny lalàn'Andriamaniíra, dia tsy maintsy ovana íhany koa ny famaritana ny ota. Na, raha nofoanana ny lalàn'Andriamanitra, dia tsy maintsy foanana ihany koa izany ny ota, ka iza no mino izany? (Jereo koa ny 1Jao. 1:7-10; Jak. 1:14,15). Samy hita ao amin'ny Testamenta Vaovao na ny laíàna na ny filazantsara. Maneho ny atao hoe ota ny lalàna; ny filazantsara kosa dia manondro ny fanafody ho an'ízany oía izany, izay tsy inona fa ny fahafatesan'i Jesósy sy ny fífsanganany tamin'ny maty. Raha toa ka tsy mísy ny lalàna, dia tsy misy izany ny ota, koa vonjena ho afaka amin'ny inona àry izany isika? Ao amin'ny tontolon-kevitry ny lalàna ihany, sy ny faharetany no mampisy heviny ny filazantsara. Rentsika matetika fa nanafoana ny lalàna ny hazo fijaliana. Toa maneso izany, satria ny hazo fijaliana indrindra aza no maneho fa tsy azo foanana na ovana ny lalàna. Andriamanitra aza tsy nanafoana na nanova ny lalàna talohan'ny nahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana, koa nahoana no atao izany aty aorian'ny nahafatesany? Nahoana no tsy nofoanana taorian'ny nanotan'ny olombelona ny lalàna, amin'izay dia voatsimbina izy tsy iharan'ny famaizana ara-dalàna izay aterak'izany fandikan-dalàna izany? Amin'izay dia tsy voatery ho faty mihitsy i Jesósy. Ny fahafatesan'i Jesósy dia maneho fa raha azo novana sy nofoanana ny lalàna, dia tokony ho natao talohan'ny hazo fijaliana izany fa tsy taoriany. Araka izany dia tsy misy zavatra maneho hoe mbola mitohy manan-kery hatrany ny lalàna mihoatra noho ny fahafatesan'i Jesòsy, fahafatesana izay nitranga noho ny antony indrindra hoe tsy azo ovana ny lalàna. Raha azo novana ny lalàna ho setrin'ny fahalavoantsika, moa ve izay no vahaolana tsara kokoa ho an'ny olan'ny fahotana toy izay ny fahafatesan'i Jesòsy?
Raha tsy misy lalàn'Andriamanitra manohitra ny fijangajangana, moa ve ho maivana kokoa ny fahoriana sy ny ratram-po aterany amin'ireo mijaly vokatr'izany? Ahoana no anampian'ny valin-teninao anao hahatakatra ny antony mbola mampanan-kery ny lalàn'Andriamanitra? Inona no fanandramana nataonao manokana mikasika ny vokatry ny fandikana ny lalàn'Andriamanitra?
|
| Nampiditra : rindramalala |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net