Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 08/09/2010 02:43 )
   
lesona 1 29-12-2007 au 04-01-2008
Fijerena ankapobeny izany atao hoe mpianatra
( Mat.4:18-22; 10:24;Mar.3:13,14; 8:34,35; Lio.14:25,26 )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

NY ATAO HOE MPIANATRA ARA-TANTARA SY AN'NY TENA MANOKANA


Misv lafiny roa isehoanny foto-kevitra momba nyatao hoe  mpianatra ao amin'ny Soratra Masina, dia ny ara-tantara sy ny an'ny tena manokana.

Eo amin'ny tontolo kristianina ara-tantara, izany foto-kevitra izany dia ilazana ny fifandraisan'i Kristy, Ilay Mpampianatra Lehibe, sy ireo mpanaradia Azy voalohany, izay fantatra amin'ny anarana hoe mpianatra. Rehefa halalinina izany dia nilazana ireo izay manana fifandraisana manokana tamin'llay Raby avy any Nazareta, Jesôsy Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra.
.Eo amin'ny lafiny an'ny tena manokana ny atao hoe mpianatra dia ilazana ny fihaonana misy eo arnin'i Kristy sy ilay olona voaova ary izao tontolo izao. Izany dia ilazana ihany koa ireo fihaikana entin'ny fanoloran-tena kristianina sy ny fiainam-pinoana aterany. Araks izany ny atao hoe mpianatra dia mahafaoka, tsy izay ataon'ny Kristianina amin'ny anaran'i Kristy ihany, fa mahafaoka koa ny fomba anehoana an'i Kristy eo amin'izao tontolo izao.
Eto no afaka mifanapaka ireo lafiny roa amin'ny atao hoe mpianatra ireo, dia ny lafiny ara-tantara sy ny lafiny an'ny tena manokana izany. Ny mpianatra môderina dia afaka mahita tombontsoa avy amin'ny fahalalana atolotry ny fanandramana niainan'ireo mpianatra teo amin'ny tantara sy Ilay Mpampianatra.

Sorito ireo foto-kevitra momba ny atao hoe mpianatra hita ao amin'ny Mat. 4:18-22. Inona no nasain'i Jesôsy nataon'i Petera sy i Andrea? Ampitahao ny antso natao tamin'i Jakôba sy i Jaona sy ny antso nomena an'i Petera sy i Andrea. Inona no hazavana aparasaky ny valintenin'ireo mpianatra efatra ireo amin'ny fahazoantsika ny atao hoe mpianatra? Jer. koa Jao. 1:40-42. Inona koa no ampianarin'ireo andalanteny ireo antsika?
Vak. Asa. 11:26. Inona no fahalalana omen'io and. io antsika mikasika ny hevitra fonosin'ny atao hoe mpianatra?
Avy amin'ny zavatra hitanao hatramin'izao, inona no fahazoanao ny atao hoe mpianatra? Inona ireo lesona manokana azonao, raisins avy amin'ireo and. vitsivitsy nojerena androany?

Nampiditra : ranaina, MYRIAM
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net