| lesona 4 | 19-01-2008 au 25-01-2008 | |
|---|---|---|
| Lesona avy amin'ireo naniry ho mpianatra | ||
| ( Mat.8:19-22;19:16-26;Mar.10:17-23;Lio.4:16-30; 18:18-30;Jao.3: 1-21. ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
ILAY MPANORA-DALANA
|
Vak. Mat. 8:19,20 ( jer.koa Lio.9:57,58) . Inona no votoatin'io tantara io? Inona no hafatra ho antsika eto? Inona avy ireo fitsipika azontsika raisina avy aminy? Mikasika ny olona iray izay tsy hoe nantsoin'i Jesosy manokana ny toe-javatra eto fa notere-panahy mihintsy. Mariho ihany koa fa mahery vaika eto ny fanambarana teto. Hanaraka ny Tompo izy na aiza na aiza halehany. Mora ny manao izao karazan filazana rehetra izao mikasika ny toetra mahatoky izay heverina fa anana'ny tena eny fa na dia ho an'ny tena mpanaradia ny Tompo aza (Lio.22:33) ; tsy mora velively anefa na izany aza, ny manatanteraka azy ireny (and 55-61) Oviana ny fotoana farany nanaovanao teny fampanantenana tamimpahasahiana ny ho mahatoky amin'Andriamanitra , kanefa dia tsy notanterahinao izany taty aoriana? Inona no lesona noraisinao avy tamin'ny izany fanadramana izany? Zava-mahaliana izay mikasika io fihaonana io koa ny maha-mpanora-dalana ilay olona nanatona an'i Jesosy ka nanao ilay fanambarana feno hafanam-po, anisan'ireo avara-pianarana indrindra voatsonga teo amin'ny Isiraely izy. Olon'ny "kolontsaina, fanabeazana ary toerana ambony eo amin'ny fiainana izy ireo. Vitsy tamin'ny mpanora-dalana no nitovy tamin'ny jesosy, nisongadina loatra matsy izy ireo. Nanaraka Azy ireo, tsy ny ho voataonan'ny fampianarany fa ny hamadika Azy. Nisy mpanora-dalana iray anefa eto izay voataonan'ny fampianaran'i Jesosy ka dia nanolo-tena mihintsy mba ho anisan'ny mpianany. Fantatr'i Jesosy anefa ny fony tamin'izay, ka ny valin-teniny dia mampiseho fa angamba tsy azo antoka akory ireo antony nanosika ny mpanora-dalana. Mety ho fanantenana tombotsoa araka izao tontolo izao no naniriany hanaraka an'i Jesosy. Na izany aza anefa dia tokony ho nanaisotra haingana izany fahadisoan-kevitra tao aminy izany ny valin-tenin'i Jesosy. Amin'ny farany dia tsy ambaran'ny andalan-teny amintsika izay safisy farany nataon'io mpanora-dalana io. Araka ny voalazan'i Jesosy dia tsy sarotra ny mahazo antsaina ny ho fivadihany. Ahoana no fahazoantsika izay nitranga tamin'io mpanora-dalana io sy izay nitranga tamin'ny nilazan'i Jesosy ny teny ao amin'ny marka 10:30? Moa ve tsy ampanantenaina antsika avy hatrany ireo tombotsoa sasantsasany avy amin'ny fanarahana an'i Jesosy amin'izao ankehiotriny izao? Raha izany , nahoana ary no tsy fahadisoana ny maniry ireo tombo-tsoa ireo? Sa fahadisoana izany? |
| Nampiditra : admin, MYRIAM |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net