| lesona 5 | 26-01-2008 au 01-02-2008 | |
|---|---|---|
| Ny maha-lahy na ny maha-vavy sy ny maha-mpianatra | ||
| ( Mar.5:25-34; Lio.1:26-38;8:1-3;10:38-42;Jao. 4:4-30. ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
VEHIVAVY MPANARA-DIA AN'I JESOSY
|
Mitantara ny fitetezam-paritra nataon'i Jesosy tany Galilia ny Lio.8:1-3. Ankoatra ireo mpianatra 12 lahy hatrany am-boalohany dia iza ihany koa no niaraka tamin'i Jesosy tamin'izany fitetezam-paritra izany? Mazava tsara ny fanambaran'i Lioka fa nisy vehivavy izay nanaraka an'i Jesosy nitety vohitra maro hanao ny asany Izy. Tsy tokony hahagaga izany satria antitranterin'ny Filazantsaran'i lioka tsara ny famonjena sy ny fanafahan'i Jesosy ireo antokon'olona ailikiliky ny fiaraha-momina, dia ny vehivavy izany. I Lioka no hany mpanoratra Filazantsara izay nilaza tsipirian-javatra betsaka tokoa mikasika ny fiainan'i Jesosy hatrany amboalohany, ary avy tamin'ny fijerin'ireo vehivavy voaresaka betsaka indrindra,tahaka an-dry Maria, Elizabeta ary Johana matetika no nanaovany izany(....) Toa ny milaza i Lioka fa natao ho an'ny vehivavy noho ny ho an'ny lehilahy aza ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny anjara asan'izy roa tonta ireo amin'ny fanambarana izany amin'ny hafa dia samy zava-dehibe. Niavaka ny fihetsiky Jesosy tamin'ny namelany ny vehivavy ho tonga mpianany. Antokom-pivavahana maro samy hafa tamin' izany andro izany no tsy namela ny vehivavy hiditra tao aminy. Nisy mpampianatra sasantsasany nilaza tamin'izany fa ny vehivavy dia tsy misy atidoha, tsy tokony hampianarina, tsy tokony ho hita miaraka amin'ny lehilahy eny imasom-bahoaka, ary tokony hihidy ao an-trano ka tsy tokony hanao afa-tsy raharaha-tokan-trano. Manomboka amin'ireo takila voalohan'ny Filazantsara ka hatramin'ny farany anefa dia tafiditra hatrany tamin'ny fomba maro samy hafa teo amin'ny fiainana sy ny asan'i Jesosy ny vehivavy. Vakio Mat.27:55,56 sy ny Mar.15:40,41. Inona ihany koa ny anjara asan'ny vehivavy ampianarin'ireo andininy ireo teo amin'ny asan'i Jesosy? Rehefa avy sitrana tamin'ny aretina maro isankarazany ny sasantsasany tamin'ireo vehivavy ireo dia nampiseho ny fitiavany sy ny fanoloran-tenany tamin'ny fanampiany Azy tamin'ny asany sy ny fanomezana izay nilainy toy ny sakafo, ohatra. Mety ho efa mpitondra tena ny sasany tamin'izy ireo rehefa nanaraka an'i Jesosy nandritra ny fitetezana vohitra , ka dia azony natao tsra ny nanome izay nilain'i jesosy sy ny mpianatra.Na inona tsipirian-javatra hafa voalaza , ny Tenin'Andriamanitra dia mampiseho fa ny vehivavy dia nitana anjara-toerana lehibe teo amin'ny fiainan'ny fiangonana tany am-boalohany. Vak. Gal. 3:28. Raha miala avy eo amin'ny tontolon-kevitra mahazatra, inona no tokony hambaran'ireo teny ireo mikasika ny mampifanohitra ny hevitra mibahana mialoha amin'ny fitsipik'i Kristy? Diniho ny fonao. Inona avy ireo foto-pisainana na fitsarana mibahana mialoha mety ho ao anatinao kanefa mifanohitra amin'ny Tenin'Andriamanitra |
| Nampiditra : MYRIAM |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net