Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 10/09/2010 11:16 )
   
lesona 6 02-02-2008 au 08-02-2008
Ny maha-ao amin'ny foko iray sy ny maha-mpianatra
( Mat.15:21-28;Lio.7:1-11; Jao.1:3;Asa10:28,34,35; 11:25-30 )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

Tsianjery : " Efa tonga zavatra rehetra aho amin'ny olona rehetra mba hamonjeko ny sasany na iza na iza 1 Kôr.9:22b "

 FAMPIDIRANA:

Nahatsapa ny tenany ho voaantso hitondra ny filazantsara any amin'ny firenen-kafa i Jim. Rehefa  tonga tany amin'ilay firenena izy  dia hitany fa nisy fitsapana nampanaovin'ny mponina ny vahiny mba ahazoan'izany vahiny izany mitoetra eo anivon'izy ireo. Misy ranon-javatra izay tsy maintsy atelin'ilay vahiny ary tsy azony atao ny mandoa. Raha tsy tafita amin'izay fitsapana izany ilay vahiny dia tsy  maintsy mandao ilay tany avy hatrany izy, raha tsy izany dia hohanin'ilay foko. Nodinihin'i Jim ny fikarakaran'ilay foko ilay ranon-javatra : ronono mifangaro roran'olombelona sy ra, sy  zava-maniry nohotaitaina ary fangarona ahitra isankarazany. Mankaloiloy na ny fofony na ny fahitana ilay izy. Ny hany azony natao dia nivavaka sy nisotro. Gaga ny rehetra (indrindra fa izy), fa nosotroiny ilay ranon-javatra ary tsy naloany, koa azony ny zo hijanona tao amin'ilay firenena.

Mety mitaky antsika hanao zavatra hafahafa ny famolavolana mpianatra: mihinanana na misotro zavatra hafahafa, sy tonga zavatra rehetra amin'ny olona rehetra mba ahazoantsika ny sasany. Izany no fiantsoana sy fihaikana  amin'ny maha-mpianatra, indrindra rehefa mitety an'izao tontolo izao ny filazantsara sy miditra amin'ny  kolontsaina izay tena hafa tanteraka, tsy mitovy mihintsy amin'ny antsika indraindray.

 
 INDRAY MITOPY MASO :

 Inona no ohatra hafa ananantsika ny amin'i Jesosy nanao asa fanompoana ho an'ny hafa ankoatra ny jiosy? Iza ireo matahotra an'Andriamanitra ary inona no mety ho fantatsika avy amin'izy ireo mikasika ny atao hoe mpianatra? Inona no mety ho fantatsika avy amin'ny ohatra mikasika ny atao mpianatra navelan'ny fiangonana tany Antiokia?

 

Nampiditra : MYRIAM
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net