Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 08/09/2010 02:52 )
   
lesona 7 09-02-2008 au 15-02-2008
Fiomanana ho mpianatra
( Mat. 5-7; 10:1, 10:5--11:1; Mar. 3:1 19; Lio. 6:12-16 )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

NY FANENDRENA IREO APOSTOLY

 

 Miandoha amin'ny tantaran'i Jesôsy miditra ao amin'ny sinagôga sy nanasitrana lehilahy iray maty tànana amin'ny andro Sabata ny Mar. 3; anankiray amin'ireo fanasitranana malaza nataony tamin'ny Sabata io. Misy zavatra lehibe mahavàka ny saina hita eo amin'ireo and. ireo (Mar. 3:1-12): Nitady fomba hahafahany mamono Azy ireo mpanapaka, ny vahoaka kosa nirohotra maro be nanaraka Azy. Nisy antokony iray natahotra ny heriny; ary nisy iray hafa te hahazo fitahiana sy tombontsoa avy amin'ny alalan'izany heriny izany].

Vak. Mar. 3:13-18. Inona no zava-nitranga teo? Jer. koa Lio. 6:12-16.

Araka ny fitantarana ao amin'ireo filazantsara roa ireo, dia toa nisy fotoana nialan'i Jesôsy tamin'ireo vahoaka maro be izay nanaraka Azy, ka mpianatra voafantina no nentiny niaraka taminy. Nanaraka izany dia nifidy roa mbin'ny folo avy tamin'io antokona mpianatra io Izy hanao ny asan'ny pôstôly.

I Jesôsy no nifidy ireo izay tiany hanao io asa io. Midika izany, araka ny efa hitantsika, fa mipetraka aminy ny fanapahan-kevitra hanao izay dingana voalohany izay. Alefany ny fiantsoana; mamaly isika. Midika izany fa tsy maintsy vonona hanompo isika, amin'izay fahaizana rehetra iantsoany mba hanompoantsika.

Inona no maha-samy hafa ny mpianatra sy ny apôstôly? Ny mpianatra dia mianatra. Manaraka ny mpampianatra izy mba hianatra aminy. Ny teny hoe «apôstôly» dia avy amin'ny teny grika anankiroa «apo» sy «stello», izay mifono hevitra hoe «irahina avy any amin'ny... ». Ny apôstôly dia masoivoho na iraka nirahina mba hisolo tena ny mpampianatra iray na fanjakana iray. Ny mpianatra sy ny apôstôly dia samy mpianatra avokoa, fa ny apôstôly dia nahazo fiofanana fanampiny mba hirahina ho solon-tenan'ilay mpampianatra na ilay fikambanana.

Nanendry azy roa mbin'ny folo lahy i Jesôsy mba ho eo aminy sy mba hirahiny hitory teny. Lazain'i Matio.10:1 fa "nanome fahefana azy hamoaka fanahy maloto sy hanasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra" Hita fa nifidy azy ireo Izy mba hiantoka mpiasa voaofana hanampy amin'ny fikarakarana ireo vahoaka maro be izay nirohotra nanaraka Azy na taiza na taiza toerana nalehany.. (Nalaina avy tamin'ny SDABC, b. 5, t. 322, dikan-teny malalaka.)

Manao ahoana ny fahafaham-ponao amin'ny asa ataonao ho an'ny Tompo? Tokony hanao bebe kokoa ve ianao? Mety hahavita bebe kokoa ve ianao? Inona no misakana anao? Amin'ny kapobeny, moa ve tsy ny hambonao sy ny fitiavan-tenanao?

 

 

 

 

Nampiditra : MYRIAM
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net