| lesona 10 | 01-03-2008 au 07-03-2008 | |
|---|---|---|
| Ny mpianatra voatery mafy dia mafy | ||
| ( 1 Mpanj. 18 ; Mat. 26: 56 ; Lio. 9: 51-56 ; Jao. 6:1-15 ; 12:1-6 ; 18:11 ; 21:15-19. ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
Ny ohatry ny toetra mirehidrehitra
|
Vak. Lio. 9:51-56. Jereo ny fihetsiky ny mpianatra tamin'ny tsy nandraisan'ny olona an'i Jesôsy. Meteza ho eo amin'ny toeran'ny mpianatra ianao rehefa mamaky io. Inona no antony mety ho nahatonga azy haneho fihetsika toy izany? Raha lazaina amin'ny teny hafa, Inona no zavatra efa reny tamin'i Jesôsy, na ohatra hafa koa avy tao amin'ny Testamenta Taloha ka nahatonga azy hanao toy izany? Jereo ohatra Gen. 6--7; Mat 8:12; 13:42; Mar. 6:11. Olana maro tokoa no nitranga vokatry ny fihetsika nataon'ny mpianatra. Misy hafanam-po ho an'ny Tompo eto, izay zavatra tsara tokoa ary tokony hananan'ny mpianatra rehetra; mampidi-doza noho ny soa anefa ny hafanampo diso toerana na dia antony tsara aza no nanosika azy, Nalain'i Jakôba sy Jaona tahaka ohatra ny tantaran'i Elia. Ny hany olana dia ny tsy fahaizany nampiasa izany. Nampidina afo avy any an-danitra i Elia mba handoroana ny fanatitra (1 Mpanj. 18), fa tsy ireo mafy sofina tsy akory (tamin'ny fomba hala no nandringanany ireo). Ny vao mainka ratsy kokoa aza dia ny fihetsika hentitra sy feno fitsaratsarana nananany teo anatrehan'ny mpanota, Ny hizaha ny fomba hitondrana ny mpanota ho eo an-tongotry ny Hazo fijaliana no tokony ho asan'ny mpianatr'i Kristy rehetra, mba hanehoana aminy ny fampindrampo sy fah asoav an'And ri aman itra tsy takatry ny sains, ka nitondrany ny famaizan'ny ota. Koa na nanao ahoana na nanao ahoana ny haratsin'ny fiainany teo aloha, dia afaka mahazo famelan-keloka feno izy amin'ny alalan'i Jesôsy, ary fiainam-baovao ao, Aminy. Izany no asantsika mpianatra; aoka havelantsika ho an'ny Tompo ny fitsarana. |
| Nampiditra : MYRIAM |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net