| lesona 11 | 08-03-2008 au 14-03-2008 | |
|---|---|---|
| Lesona maro hafa eo amin'ny maha-mpianatra | ||
| ( Mat. 14: 22-33; Mar.4:36-41; 6:51,52; Lio.8:25;24:37; Jao.6:19 ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
LESONA TENY AMBONY RANOMASINA
|
Vak. Mar:36-41. Tena mampiseho inona ny teny nataon’izy ireo taminy eo amin’ny and. 38? Impiry impiry moa isika no manome valin-teny sahala amin’izany amin’ny fotoana mampivadi-po? Mora amintsika ny manao toa izany, manontany tena hoe: moa ve Andriamanitra dia mihevitra akory rehefa mamely ny olana sy ny toe-javatra mampitaintaina mitera-doza. Ny fanesoana amin’ilay izy dia izao , teo foana anie Jesôsy nandritra izany fotoana rehetra izany e! Voalohany indrindra dia Izy no niteny tamin’izy ireo voalohany mba handefa ny sambo ho eny amin’ny ranomasina. Tsy nanampoka Azy io tafio-drivotra io, ary tsy manampoka Azy toa izany koa ny fitsapana mahazo antsika. Misy dikany ve ny hoe: ny mpianatra fa tsy ny tafio-drivotra no nanaitra an’I Jesôsy? Mariho ny tahotra tao amin’ny mpianatra nandritra ny fitantarana manontolo. Natahotra ny tafio-drivotra izy ireo; ary avy eo rehefa nitony ny tafio-drivotra dia toa I Jesôsy indray no natahorany. Oviana ny fotoana farany nahavelom-panontaniana anao hoe mba mihevitra anao sy ny toe-javatra mahazo anao, na inona izany na inona, ve ny Tompo? Inona ireo lesona nianaranao avy tamin’izany fitsapana izany, izay azonao ampiasaina amin’ny fotoana manaraka rehefa miatrika fitsapana na toe-javatra mampitaintaina ianao?
|
| Nampiditra : Lova |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net