Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 08/09/2010 02:50 )
   
lesona 12 15-03-2008 au 21-03-2008
Iraka sy asa nampandraiketina
( Mat. 25:31-46; Mar. 16:14-20; Lio. 24:36-53; Jao. 3:14-19; Rôm. 5:6-10; 1 Kôr. 5:7; 15:3,4; Gai. 1:4; 1 Pet. 2:22-25 )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

ILAY IRAKA LEHIBE AO AMIN'NY FILAZANTSARAN'I MARKA

 Jer. 17:7,8

  
Tany am-piandohan'ny lesona isika dia nijery ilay asa lehibe voalazan'ny Mat. 28:18-20. Vakio indray ireo andalan-tsoratra ireo ary avereno jerena ny hevi-dehibe raketiny indrindra fa ireo didy sy teny fikasana. Avy eo dia apetraho amin'ny tenanao izao fanotaniana izao: "Inona no anjara asako eo amin'ny fanatanterahana ireo teny ireo?"
 
Vak. Mar. 16:14-20 ka ampitahao amin'izay voalazan'ny Mat. 28:18-20. Inona ireo zavatra voalaza ao amin'ny iray kanefa tsy hita ao amin'ny iray?
 
Rehefa hitanao ny fahasamihafana, dia avereno vakina indray ireo andininy roa ireo. Tena mirindra tsara tokoa izy ireo ary mitovy ny hafatra fototra entiny.
 
Inona no hafatr'i Jesôsy amintsika araka izay hita ao amin'ireo andininy Ireo?
 
Lazaina amintsika ao amin'ireo andininy ireo fa nisy ny fisalasalana (Mat :28 :17) sy ny fahamafisan'ny fo teo amin'ny mpianatra. Nanameloka izany fisalasalana teo aminy izany I Jesôsy ao amin'ny fitantaran'i Marka na dia azo adika amin'ny teny henjankenjana kokoa aza ny matoanteny grika nampiasaina teto, toy ny hoe "nandatsa", "niampanga", na "naniratsira"mihitsy aza. Ny tiana hasongadina dia ny hoe mbola nisy tamin'izy ireo ihany no tsy ampy finoana na dia teo aza ireny zavatra rehetra niseho ireny. Koa tsy maintsy hentitra tsara taminy i Jesôsy.
 
Mariho ihany koa fa taorian'ny nanamboarany ny fon'ny mpianany I Jesôsy vao nanome baiko azy. Fantatr'i Jesôsy fa mila matanjaka ara-pinoana izy ireo vao hahomby. Tsy ho ela dia tsy ho eo amin'izy ireo intsony ny Tenany, satria tsy maintsy "hampiakarina any an-danitra" (Mar. 16:19). Nanomboka tamin'izay ary dia tokony ho amin'ny finoana irery ihany no hanaovan'izy ireo izay rehetra tsy maintsy hataony ho Azy.
 
Na dia fanomezana aza ny finoana dia fanomezana mila kolokoloina Izany. Inona ireo zavatra azonao atao isan'andro mba hamelomana sy hlarovana ary hampahatanjaka ny finoanao?
Nampiditra : sandy
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net