| lesona 6 | 03-05-2008 au 09-05-2008 | |
|---|---|---|
| NY FANAMBARANA NATAONY: ZAVA-MANAITRA | ||
| ( Mat. 5:48; 18:21,22; 12:32-34; Jao. 19:25-27 ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
NY AMIN'NY FAMELAN-KELOKA ( Mat. 18 : 21 - 22 )
|
Araka ny hitantsika tany amin'ny lesona tany aloha dia i Jesôsy mihitsy no ohatra velona ny amin'ny famelan-keloka. Miverina amin'io lohahevitry ny lesona io ihany isika mba hahazoantsika mifehy ny olana mikasika ny tokony ho fandraisantsika tsara ny fanambaran'i Jesôsy mikasika ny famelan-keloka (eo amin'io andalan-teny eo ambony io ohatra). Diniho tsara ny Mat. 18:21,22. Karazam-panafintohinana inona no tian'i Jesôsy hambara eto? Ahoana no fampiharantsika ny tenin'i Jesôsy eo anatrehan'ny fananararaotana na herisetra miverimberina eo amin'ny ara-batana sy ara-piraisana ara-nofo, toy izay miseho ao an-tokantrano? Anisan'ny tiany holazaina tamin'izany ve ny fahotana tena mamohehatra dia mamohehatra tokoa, toy ny famonoana ny reny mitoe-jaza iray tamin'ny nanokafana ny kibony ka nangalarana ny zanany avy tao (tahaka izay niseho tao Melvern, Kansas tamin'ny Desambra 2004)? Ny fahotana, ny fahadisoana ary ny fanafintohinana mahazatra eo amin'ny fifandraisantsika samy isika ve no resahin'i Jesôsy amin'ny olona tsotra eto, ka nanomezany didy izay tsy mahakasika ireo trangan-javatra sarotsarotra sy mahatsiravina eo amin'ny heloka be vavan'ny olombelona? Inona no hevitrao? Fantatry ny mpanara-baovao amin'ny anarana hoe Girl X ny zazavavy iray izay teo ambonin'ny seza misy kodiarana rehefa niseho teo amin'ny fitsarana tao Chicago. Natrakany ny lohany ary ny masony no nahetsiketsiny, izany no fomba nampitan'ity zazavavy kely 13 taona ity ny zavatra tiany hambara rehefa nitsangana ho vavolombelona izy "mikasika ilay famelezana tamin'ny taona 1997, izay nahatonga azy hanan-kilema ara-batana sarotra dia sarotra tokoa. Izy no vavolombelona fahatelo tamin'ny fitsarana an'i Patrick Sykes, 29 taona, izay voampanga ho nanolana azy, nikapoka azy ary nandatsaka trondro mpamono tao an-tendany nandritra ny fanafihana nataony" — AP, t. A22. Asain'i Jesôsy mamela heloka ve ireo olona niharan'ny herisetra mamohehatra dia mamohehatra ireo, ary tsy amin'ny voalohany ihany fa na dia amin'ny fanimpitony koa aza? Milaza ihany koa ve Izy fa Andriamanitra dia tsy hamela heloka na oviana na oviana ireo izay tsy mahavita manaisotra ny fanahy ratsy ao amin'ny nofony ka mahatonga azy hanao asa ratsy ? ny tiana hambara eto dia tsy hoe tsy tokony hamela heloka isika. Raha ny tena izy aza dia ampiharintsika ny torohevi-pahasoavana nomen'ny Tompo rehefa ampiasaintsika ho amin'ny karazana habibiana mahatsiravina sy mahaketraka ny saina voatanisa etsy ambony izany. Eo am-pieritreretanao ireo fanontaniana etsy ambony, dia aza hadinoina ireo tenin'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana: "Raiko ô, mamelà ny helony, fa fsy fantany izay ataony." (Lio. 23:34). Iza avy moa no tafiditra ao anatin'ireo nanombo an'i Jesôsy ? Ny miaramila rômanina ve ? Kaiafa ve? Sa Pilato? Sa Herôda? Sa ny mpisoronabe sy ny mpanora-dalàna? Raha nangataka ny hamelana ny helok'ireo nanombo Azy i Jesôsy, tsy tokony hamela heloka amin'ny zavatra rehetra ve isika? Ento eo amin'ny kilasy amin'ny Sabata ny hevitrao. |
| Nampiditra : admin, MYRIAM, sandy |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net