Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 08/09/2010 02:42 )
   
lesona 10 31-05-2008 au 06-06-2008
NY HEVITRA FONOSIN'NY FAHAFATESANY
( Mat 27:45,46; Lio. 2:25-35; 1 Kor. 15:3; 2 Kor. 5:18-21 ; Ga. 6:14; Heb. 2:17 )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

NATERAKA HO FATY

Vakio ny Lio.2:35.Inona no hevitr'io andalan-teny io? Inona no hafatra ho an'i Maria? Inona no hafany mikasika an'i Jesosy.

Io tantara io izay i Lioka irery ihany no nilaza azy, dia manan-kery eo amin'ny fahatsorany ary lalina kosa eo amin'ny hevitra fonosiny. Teny fohy mifono zava-miafina no nentin'i Simeôna mpivavaka nanambarana ny hoavin'ilay zaza tamin'ireo rat' aman-dreniny, rehefa tafahaona soa amantsara tamin'llay Mesia izay efa nandrasany izy nony farany: Indro, Ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin'ny Isiraely (...) ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra. Lio. 2: 34, 35.

Ny teny grika nentina nandikana ny hoe sabatra dia midika ho fitaovana lehibe dia lehibe sahaza an'i Gôliata, ary voatendry hatsatoka amin'ny fon'i Maria; filazana mialoha ny fahoriana holalovany eo am-pototry ny hazo fijaliana io. "Ireo teny feno zava-miafina nambaran'i Simeôna ireo dia tsy maintsy nandalo ny fieritrerétan'i Maria tahaka ny fambara ratsy mahaketraka mikasika ny zavatra ho avy" — SDA BC, b. 5, t. 704.
Inona no ambaran'ireto andalan-teny ireto amintsika mikasika ny fahafatesan' Jesôsy? Zavatra tsy maintsy ho nitranga ve izany? (Mat 96,21126,52-54; Mar. 10:45: Lio. 18:31-33,- Jao. 3:14,1- Heb. 9:25-28).

Ny fanamarihana marim-pototra eto dia ny hoe nateraka ho faty Jesôsy; tsy kisendrasendra ny fahafatesany. Tsy maintsy nitranga izany. Nahoana no tsy maintsy ho izany? Tsy resaka azo hazavaina amin'ny herin'ny sains fotsiny io, tsy hoe satria hevi-dravina fa tena tsy takatry ny fisainan'ny olombelona mihitsy, Tafiditra anatin'ny fanambarana mahagaga avy amin'Andriamanitra izany, anisan'ny "zava-miafina, ilay voafina hatramin'ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho ankehitriny amin'ny amin'ny olony masina" - (Kôl. 1:26, Tsy manao ezaka be firy mba hanamarina na hanazava azy ny Baiboly, noho izy io tsy manaraka ny lôjikan'olombelona angamba. Tsy mahita ohatra hafa na aiza na aiza isika mba hitsarana na hampitahana azy. Tranga tokana eo amin'ny tantaran'izao tontolo rehetra izao no asehon'ny fanavotana ambaran'ny Baiboly. Ary ny asantsika dia ny manakatra izay lazain'ny Baiboly mikasika izany sy ny mampihatra ny heviny eo amin'ny fiainantsika.

Ny tsy maintsy nahafatesan'i Jesôsy mba ho avotra noho ny otantsika dia tokony hanambara amintsika ny maha-zava-doza ny fahotana. Manao ahoana ny fandraisanao ny ota eo amin'ny fiainanao? Inona no ezaka ataonao mba handresenao azy?

Nampiditra : MYRIAM
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net