Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 08/09/2010 02:36 )
   
lesona 11 07-06-2008 au 13-06-2008
NY HERIN'NY FITSANGANANY TAMIN'NY MATY
( Mat. 27:62-66; Lio. 24:36-39; Asa. 3:14-16; 1 Kôr. 15; Fil. 3:7-10. )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

FIANARANA FANAMPINY

"Teo ambonin'ny fasan 'i Josefa nisokatra no nanambaran'i Kristy tamim-pandresena hoe: Tzaho no fananganana ny maty sy fiainana.  Izay Andriamanitra ihany no afaka hanao izany teny izany. Ny manan'aina rehetra dia velona noho ny sitrapo sy ny herin 'Andriamanitra. Mandray ny ain 'Andriamanitra izy ary miankina amin 'izany. Hatramin 'ny serafima ambony indrindra ka hatramin'ny manan'aina ambany indrindra, dia samy fenoina avy amin 'ilay Loharanon 'aina avokoa. Ilay Iray amin 'Andriamanitra ihany no afaka hiteny hoe: 'Manana fahefana hanolotra ny aiko Aho, ary manana fahefana haka azy indray.' Teo amin'ny maha-Andriamanitra Azy Kristy dia nanana ny hery hanapahana ny fatoran 'ny fahafatesana. " - IFM, t. 844.

"Efa nanangana ny maty Jesôsy nandritra ny fotoana nanompoany. Nanangana ny zanak 'ilay mpitondratena tao Naina Izy, sy ny zanakavavin 'ilay mpanapaka ary i Lazarosy. Tsy notafiany tsy fahafatesana anefa ireo. Rehefa natsangana izy dia mbola tao ambanin 'ny herin 'ny fahafatesana ihany. Ireo izay nivoaka ny fasana tamin'ny nitsanganan'i Kristy kosa, dia nitsangana ho amin'ny fiainana mandrakizay. Niara-niakatra taminy izy toy ny mari-pandresena azony tamin 'ny nandreseny ny fahafatesana sy ny fasana. Tsy babon'i Satana intsony ireo, hoy i Kristy; nanavotra azy Aho. Nitondra azy avy ao am-pasana Aho ho voaloham-bokatry ny heriko, hiaraka Amiko any amin 'izay itoerako izy, ary tsy habita intsony ny fahafatesana na hanandrana ny fahoriana. " - IFM, t. 845.

FANONTANIANAHIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1.Jer. indray ny 1 Kôr. 15, ilay fanamarinana ara-teôlôjia malaza ny Fitsanganana amin'ny maty ao amin'ny TV. Araho ireo fonjan-kevitra entin'i Paoly manohana io fampianarana fototra an'ny Kristianina io. Nahoana no tsy misy heviny firy ny voalaza ao amin'ireo and. ireo raha toa ka mino ianao fa mankany an-danitra avy hatrany ny marina amin'ny fotoana ahafatesany? Manamarina ny fahafantarantsika ny toetry ny maty ireo and. ireo. Amin'ny fomba ahoana? Inona no mahatonga ny teny fikasana momba ny Fitsanganana amin'ny maty ho zava-dehibe indrindra ho antsika Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito miaraka amin'ny hevitsika momba ny toetry ny maty? ;

2.Eritrereto io fanontaniana io; ary ento eo amin'ny kilasy ny valin-teninao avy eo: Ho hafa noho izao ve ny fomba fiainanao raha nino ianao fa mifarana eo, tsy hisy intsony mandrakizay, ny zava-drehetra, amin'ny fotoana ahafatesana?

3. Ivereno jerena ny toko sy and. rehetra mety ho hitanao izay manampy amin'ny fanaporofoana fa nitsangana tamin'ny maty tokoa i Jesôsy. Ento eo amin'ny kilasy izany ka aoka hiarahanareo iray kilasy mijery indray ireny porofo ireny. Tsy hay toherina ve izy ireny? Atambatrao amin'ny fomba ahoana izy ireo mba hahatonga izany ho fitaovana mahery vaika azo ampiasaina enti-mijoro ho vavolombelona?

Aza hadinoina! Ndrao variana!

Efa hifarana ny telovolana faharoa.

Aiza ho aiza ny fiomananao hahazoana  ny sakafonao ara-panahy

mandritra ny  telovolana manaraka?

 

Nampiditra : MYRIAM, josias
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net