| lesona 12 | 14-06-2008 au 20-06-2008 | |
|---|---|---|
| NY ASA FISORONANA ATAONY MAHOMBY TOKOA | ||
| ( Eks.25:8;Mat.27:50,51; Asa 7:45-56; Heb.6:19,20; 7:23-28;8:1,2;9 ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
NY FIOVANA ATERAK'IZANY – FIZARANA 2
|
Ny fahafantarana sy ny fanekena ny maha-mpisoronabentsika an'i Jesôsy dia tokony hahatonga antsika ho malemy fanahy sy malala-tanana ary manam-paharetana, toetra izay efa nasehony tamintsika. Tokony hahatonga antsika ho be famindrampo sy famelan-keloka izany, araka ny efa nanehoany famindrampo sy fahasoavana tamintsika koa. Izany koa dia tokony hahatonga antsika ho mahitsy ara-pitondran-tena sady feno fankasitrahana mandrakariva noho ilay fanatitra lehibe nataony ho antsika. Izay Advantista rehetra efa nifanerasera tamin'ny Kristianina manana faharesen-dahatra hafa anefa dia samy vonona ny hilaza avokoa fa ananan'ireo Kristianina ireo ihany koa ny famindrampo sy ny famelan-keloka, ny faharetana sy ny fahalalahantanana, ny fahalemem-panahy ary ny fahitsiana ara-pitondran-tena. Koa inona àry izany no tena fiovana entin' ny hafatra entitsika mikasika ny fitoerana masina?
Mitaona antsika hanatona ny "seza fiandrianan' ny fahasoavana" (Heb. 4:16) ny bokin'ny Hebreo. Lafiny maro dia maro no azo raisina eto, saingy ny iray amin'ireo no tafiditra ao amin'ilay fanontaniana vao teo anatrehantsika teo. Namboarina ho antsika tamin'ny alalan'i Jesôsy ny lalana, mba hanatonana an'Andriamanitra ao amin'ny fitoerana masina any andanitra. Ary ny fanarahana an'i Jesôsy amin'ny finoana mankao amin'ny fitoerana masina anefa dia tsy fanadiovana ny fanahintsika amin'ny fahasoavany mahagaga fotsiny ihany, fa amin'ny fanandramantsika fankasitrahana vaovao momba ny lalàny tsy miova (jereo Heb. 8:10) ihany koa. Io fifanarahana io, izay zava-dehibe indrindra eo amin'ny tontolonkevitr'ilay antsoin'ny Advantista hoe: "ny fifanandrinan-dehibe eo amin'ny ratsy sy ny tsara", dia mamaritra ny fiovana entin'ny fampianarana mikasika ny fitoerana masina eo amintsika. Amin'ny finoana no idirantsika amin'ny fahasahiana feno ao amin'ny efitra masina indrindra izay iasan'i Jesôsy. Ao no ifikirantsika, na inona na inona sakana, aminIlay manana ny teny fikasana tsy azo kosehina izay voaseho amin'ny alalan'ny avan'ny fanekena, ny seza fiandrianan'Ilay Andriamanitra velona, izay miorina eo amin'ny fahamarinana sy ny famindrampo. Raha mifikitra toy izany àry isika dia tsy hivilivily, tsy ho amin'ny fomba fijery ny lalàna izay mitarika ho amin'ny fanaovana tsinontsinona ny Sabata masin'Andriamanitra, tsy ho amin'ireo foto-kevitra mikasika ny fivoarana miandalana izay mitady hanongana an'Andriamanitra velona tsy hanjaka amin'ny tontolo nohariany. Araka izany àry dia manjary fiarovana ho antsika amin'ny fikomiana ny foto-pampianarana mikasika ny fitoerana masina, ka miaro ho an'Andriamanitra ireo sisa mahatoky ao amin'ny tontolo feno fikomiana. |
| Nampiditra : MYRIAM |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net