Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 10/09/2010 10:13 )
   
lesona 12 14-06-2008 au 20-06-2008
NY ASA FISORONANA ATAONY MAHOMBY TOKOA
( Eks.25:8;Mat.27:50,51; Asa 7:45-56; Heb.6:19,20; 7:23-28;8:1,2;9 )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

FIANARANA FANAMPINY

Vakio :

"Ao amin'ny masina indrindra" HM, tt. 437446; "The Tabernacle and its Services." PP, tt. 350-358,

"Ny momba ny fitoerana masina no fanalahidy mamoha ny zava-miafin'ny fahadisoam-panantenana tamin'ny  1844. Mampahita  rafi-pahamarinana feno izay, mifàndray sady mirindra tsara ireo  fizaràna samihafa eo aminy eo imasontsika, ary mampiseho koa fa ny lanan 'Andriamanitra no efa nitarika ny fihetsiketsehana lehibe mikasika ny fiavian'i Kristy sy manoritra ny adidy tokony hatao ankehitriny amin'izay manazava ny toerana misy ny vahoakany sy ny asany. " - HM, t. 437.
"Hitako ny fitoerana masina izay toerana  misyan'Andriamanitra,fitoeran'nyfanjakany,foiben-kerin'izao tontolo rehetra izao. Araka izany dia efa nisy hatriay hatrizay izy. Tamin'ny nahalavoan'ny taranak'olom belona anefa dia anjara asa hafa ihany koa no noraisiny, dia ny vahaolana mikasika ny fikomiana tany an-danitra sy ny fiarovana izao tontolo rehetra izao. Amin'io heviny io no andraisantsika azy rehefa heverintsika ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny fitoerana masina fahiny. Amin'ny fitaratra voalokon'ny asa famongorana ny ota no ahitantsika azy." – S, t. 71.
"Tsy fitoerana masina babangoana ao an-danitra  no azoko sary an- tsaina. Ao ny seza fiandrianan'Andriamanitra, na inona na inona endriny, ary manodidina azy ny anjely maro an'alin-kisa. Ny tsara indrindra amin'izany rehetra izany - avy amin'ny fomba fijerintsika fara fahakeliny - dia Jesôsy Kristy, Mpisoronabentsika lavorary, mihitsy no ao! Tanterany amin'ny
fahafenoany izany! Mijoro eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra ho antsika Izy! Ampy ho ahy izany!" t.71.


FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1. Ahoana no ifanarahan'ny fahatakarantsika mikasika ny fitsarana mialoha
ny    fiverenan'i    Kristy    amin'ny    fahatakarantsika    ny    mahampisoronabentsika an'i Kristy ao amin'ny fitoerana masina ao an-danitra? Nahoana no tokony hanap-toerana lehibe eo amin'ny hafatra entintsika mikasika ny fitoerana masina ny fitsarana? Ny lehibe indrindra aza, ahoana no hampianarantsika ny fitsarana ho ampahany amin'ny vaovao mahafaly fa misolo vava antsika amin'ny fitsarana i Jesôsy?
2. Inona no hevitry ny zava-misy marina mikasika ny asa maha-mpisoronabe an'i Kristy ho anao manokana? Inona no fanandramana azonao zaraina mikasika ny tombontsoa ara-panahy azonao avy amin'io fampianarana io?
3. Ivereno jerena ny lesona nandritra ny herinandro ka tanisao ireo tombontsoa rehetra azontsika avy amin'ny maha-mpisoronabentsika an'i Kristy. Ento eo amin'ny kilasy izany ka ifanakalozy hevitra ary jereo izay tokony ho fiantraikany eo amin'ny fiainan'ny tsirairay avy sy eo amin'ny an'ny fiangonana. Ahoana no hanararaotantsika bebe kokoa ireo teny fikasana ireo mba hampitomboana ny fijoroantsika ho vavolombelona sy hanitarantsika ny asa manerana izao tontolo
izao?

Nampiditra : MYRIAM
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net