Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 10/09/2010 11:01 )
   
lesona 13 21-06-2008 au 27-06-2008
NY FIVERENANY AMIN'NY MAHA-MPANJAKA SY SAKAIZA AZY
( Dan.24-27; Mat.24; Lio.21:25-31; Jao.14:1-3; 1 Tes.4:13-18; Heb.9:28 )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

MIANDRY EO AMIN'NY KIANJA IVELANY. Heb. 9:28.


Ny Andro Fanavotana tamin'ny andron'ny Isiraely fahizay dia tandindona mampiseho ny vanim-potoana iainantsika ankehitriny, Raha nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana fanaony indray mandeha isan-taona tao amin'ny Fitoerana Masina Indrindra ny mpisoronabe, ny, vahoaka kosa, nitana ny fofonainy, dia teo amin'ny kianja ivelany niandry azy hivoaka. Izany fisehoany izany dia famantarana fa vita ary nahomby ny asa nataony ho azy ireo, dia ny famongorana ny ota tsy ho eo amin'ny firenena sy ny isam-batan'olona izany.
Hatramin'ny taona 1844 i Kristy no niroso tamin'ny fanatanterahana ny dingana iray amin'ny asa fanompoana izay nasehon'ny Andro Fanavotana mialoha teo amin'ny Isiraely. Rehefa vita io asa io, dia hivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra Izy mba handray ny vahoakany. Araka ny teny ao amin'ny Heb. 9:28: "Dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay, miandry Azy, ho famonjena."

Ahoana no ifandraisan'ireto toko sy and. manaraka ireto amin'ny resaka hoe fiandrasana feno fanantenana?  Lio. 12:40-48; Tit. 2:11-13; 1 Pet. 1:3-8.

Nanantena fatratra ny fivoahan'ilay Mpisoronabe any an-danitra tamin'ny taona 1844 i William Miller sy ireo mpanaraka azy. Fantatsika fa diso fanantenana izy ireo, nefs ezaho alaina sary an-tsaina ny firedaredan'ny fitiavana izay nanetsika azy ireo. Indreo olona tia an'i Jesôsy tamin'izay rehetra nananany; nahatsapa izy ireo fa akaiky Azy; naniry mafy ny hahita Azy izy ireo; sakaizan'izy ireo Izy. Ary ireo fihetseham-po nasehon'i Hiram Edson taona maro taty aoriana dia manambara tsara ny toe-pon'ny tarika manontolo. Izao no nosoratan'i Edson: "Nanantena sy natoky indrindra izy ireo fa hahita an'i Jesôsy sy ireo anjely masina rehetra miaraka aminy". Rehefa tsy nitranga izany, dia 'Vonton'alahelo ny fonay, te hitomany mafy, tsy mbola nisy toy izany teo amin'ny fiainako hatramin'izay ( ... ). Dia nitomany, ary nitomany mandra-parainny andro izahay". — [Sombiny amin'ny sora-tanan'i Hiram Edson, Foibe ho an ny Fikarohana advantista (avy ao amin'ny Efitrano firaketana ny Lova), Tranom-boky James White, Oniversite Andrews.] Tsy hoe nisento ireo mpino ireo, na nahatsiaro maivamaivana satria tsy tonga i Jesôsy. Ny mifanohitra amin'izany aza fa diso fanantenana izy ireo, ary nangidy indrindra izany fanadisoam-panantenana izany.

 

Nampiditra : ranaina, MYRIAM
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net