| lesona 1 | 28-06-2008 au 04-07-2008 | |
|---|---|---|
| AMIN'NY FOTOANA TAHAKA IZAO: NY APOSTOLY PAOLY | ||
| ( Asa. 9:1-9; 22:3-5, 25-29; Rôm. 7:1925;11.1; Fil. 3:5; 2 Pet. 1:3-8. ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
NY MOMBAMOMBA AN'l PAOLY
|
Vakio ny Asa. 22:3-5, 25-29, Rôm. 11: 1, ary Fil. 3:5. Inona no ambaran'ireo andalan-teny ireo amintsika mikasika an'i Paoly, ka afaka hanampy antsika hahatakatra ny antony nahatonga azy ho vavolombelona mahomby tokoa tamin'izany fotoana izany teo amin'ny tentera? Nireharehana tokoa ny fizakana ny zom-pirenena rômaninahatramin'ny fahaterahana. Tamin'ny andron'i Paoly dia vitan'ny olona iray ny nividy izany zom-pirenena rômanina izany tamin'ny vidiny 500 drachmes (vola nampiasain'ny Grisia môderina), manakaikikaiky ny karaman'ny mpiasa mandritra ny roa taona. Nisy ny tombontsoa azo avy tamin'ny fizakana ny zompirenena rômanina, toy ny fiarovana tsy ho voakaravasy sy ho voaheloka ho faty tsy mandalo fitsarana ohatra Gereo ny Asa, 22:23-29); ny zo hifidy, hanao fifanarahana, ary hanambady ara-dalàna: ao ihany koa ny fahazoan-dalana tsy handoa hetra. Jiosy mafana fo i Paoly ary olom-pirenena rômanina, tsy ho ela anefa dia izy no apôstôly lehibe indrindra tsy mbola hitan'izao tontolo izao hatrizay. Inona amin'ireo lafim-piainanao manokana (ny maha-olom-pirenena, ny fianarana norantovina, ny fanabeazana, sy ny sisa.) no mety ho fitaovana mahomby eo amin'ny fijoroana ho vavolombelona? Ahoana no fomba hanararaotanao ny tombontsoa anananao mba hijoroanao ho vavolombelona tsaratsara kokoa ho an'ny Tompo? |
| Nampiditra : MYRIAM |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net