Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 08/09/2010 02:34 )
   
lesona 1 28-06-2008 au 04-07-2008
AMIN'NY FOTOANA TAHAKA IZAO: NY APOSTOLY PAOLY
( Asa. 9:1-9; 22:3-5, 25-29; Rôm. 7:1925;11.1; Fil. 3:5; 2 Pet. 1:3-8. )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

PAOLY: LEHILAHY MIREHIDREHITRA

Mora tokoa ny mahazo an-tsaina an'i Paoly ho lehibe ho an'ny Jentilisa, ary koa ankoatra an'i Jesôsy dia hery lehibe indrindra teo amin'ny fivavahana kristianina izy, toy irony manana hery hafa ankoatra ny an'olombelona irony, olo-masina tsy misy kilema ary mpitondra hafatry ny finoana.
Tsy izany anefa no sary aseho amintsika ao amin'ny Testamenta Vaovao. Ambaran'ny Soratra Masina fa mpanota avokoa isika rehetra, ary mila ny fahasoavan'Andriamanitra. Tafiditra ao anatin'izany koa ny apôstôly Paoly.
Indraindray i Paoly no toa atosi-pihetseham-po, mila haherihery fihetsika mihitsy aza. Matetika izy no mitaky fatratra ny zony. Rehefa natao tao antranomàzina izy sy Silasy dia notakiny ny zony tamin'ny maha-olom-pirenena rômanina azy (Asa. 16:35-40). Taorian'izay, rehefa teo anatrehan'ny fitsaran'i Agripa izy dia nangataka ny hifandehatra teo anatrehan'i Kaisara - izay anisan'ny zony amin'ny maha-olom-pirenena rômanina azy (Asa. 25:11,12). Raha niandry anefa izy fa tsy nitaky ny zony toy izany dia nety ho navotsotra ihany (Asa. 26:32). 

Inona no fantatsika mikasika an'i Paoly avy amin'ireto and. ireto? Asa. 15:37-39, Rôm. 7:19-25,1 Kôr. 9:27, 2 Kôr. 12:7.

Mampahery ny mahafantatra fa tsy tonga lafatra velively ny olomalazan'ny finoana toa an-dry Paoiy apôstôly. Nanao, fahadisoana tsindraindray izy. Nila ny fahasoavana sy ny famelan-kelok'i Jesôsv isan'andro izy teo amin'ny fiainany, tahaka antsika ihany koa. Fantatr'i Paoly tsara tokoa ny maha-mpanota azy araka ny fantatsikaavy amin'ny taratasy nanoratana azy.

Azo antoka, fara fahakeliny amin'ny ampahany, fa ireo fahalemeny sy fahadisoana nataony no nahatonga azy ho mpampianatra lehiben'ny fahaso avan'Andriamanitra mamonjy toy izany.
Vakio ny Rôm. 7:24. Inona no ambaran'izany amintsika mikasika ny fahatakaran'i Paoly ny aminy manokana? Inona no fanantenana sy fampaherezana ataonao, amin'ny tenanao avy amin'ireo teny ireo?

Na dia tsy tonga lafatra aza i Paoly dia nampiasain'Andriamanitra ihany izy. Nahoana no zava-dehibe ny fahafantarantsika ny fahadisoantsika sy ny fitakiantsika ny teny fikasan'Andriamanitra ho amin'ny fandresena mba tsy hamelantsika azy ireny hanakana ny hiasa ho an'ny Tompo?

Nampiditra : MYRIAM
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net