| lesona 3 | 12-07-2008 au 18-07-2008 | |
|---|---|---|
| JAONA MPANAO BATISA: MAMBOATRA NY LALANA HO AN'I JESOSY | ||
| ( Mat. 14:1-12, Lio. 1; Kôl. 2:8; Apôk. 14:6-12. ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
FIANTSOANA MANOKANA
|
Anankiray amin'ireo olona vitsivitsy izay lazain'ny Baiboly fa nofidin'Andriamanitra talohan'ny nahaterahany mba hanatanteraka iraka manokana i Jaona; anisan'ireny, ohatra, i Samoela sy i Samsôna, ary i Jesôsy mihitsy koa aza. Naminany momba ny asan'i Jaona i Isaià mpaminany, an-jato taonany maro talohan'izao, nilaza fa izy dia "feon'ny miantso (...) any an 'efitra" - Isa. 40:3-5; jer. koa Lio. 3:4-6.1 Zakaria, rain'i Jaona koa dia nilaza mialoha fa hamboatra ny lalana ho an'ny Tompo ny zanany (Lio. 1:76). Vak. ny Lio. 1, izay ahitana ny faminaniana mikasika ny asa nanirahana an'i Jaona Mpanao batisa sy ny fiantsoana azy. Raiso an-tsoratra ireo zavatra izay voalaza ao fa hotanterahin'i Jaona. Ampitahao amin'ny zavatra fantatsika momba an'i Jaona Mpanao batisa ireo faminaniana ireo. Tamin'ny fomba ahoana no nahatanterahan'izy ireo? Rehefa avy nijery ny zava-bitan'i Jaona ianao, dia jereo ny fiafarana ratsy tsy mendrika azy (Mat. 14:1-12). Mifanaraka amin'ireo faminaniana be voninahitra momba azy ve izany fiafarana izany? Amin'ny fomba ahoana?
Ny fiantsoana an'i Jaona Mpanao batisa sy ny asa notanterahiny dia nitondra azy ho amin'ny lalan-tsarotra sy mafy, lalana izay niafara tamin'ny fomba maharikoriko saika nitovy tamin'ny fomba niafaran'i Jesôsy, izay zanaky ny iray tam-po amin'ny ray aman-dreniny. Na teo aza ireo fitsapana sy fahoriana ary fahadisoan-kevitra momba azy, dia nitoetra ho mahatoky hatrany izy, nanatanteraka ireo faminaniana mikasika ny fiainany. Ohatra maneho ny fahoriana mety hatrehintsika tsirairay i Jaona raha toa isika ka miezaka ny hijoro ho mahatoky amin'Andriamanitra sy amin'izay mety ho fiantsoana iantsoany antsika. Raha ny ankamaroan'ireo marika itsaran'ny olona ny fiainana sy ny fahafatesana no ampiasaina hitsarana ny fiainan'i Jaona Mpanao batisa, sy ny fahafatesany indrindra indrindra, dia tsy ho nahatonga azy ho olona antsoïn'izao tontolo izao hoe nahomby izy. Inona no tokony hambaran'izany amintsika mikasika ny fahasamihafana eo amin'izay ataon'Andriamanitra hoe filamatra sy izay ataon'izao tontolo izao hoe filamatra? Moa ve ireo marika andrefesanao ny fahombiazana mitovy kokoa amin'ny an'Andriamanitra sa amin'ny an'izao tontolo izao? Inona no ambaran'ny vaiin'io fanontaniana io momba ny tenanao? |
| Nampiditra : MYRIAM, joel |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net