| lesona 3 | 12-07-2008 au 18-07-2008 | |
|---|---|---|
| JAONA MPANAO BATISA: MAMBOATRA NY LALANA HO AN'I JESOSY | ||
| ( Mat. 14:1-12, Lio. 1; Kôl. 2:8; Apôk. 14:6-12. ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
FIOVAM-PITONDRANTENA
|
Nisy lafiny roa fototra ny hafatra nentin'i Jaona Mpanao batisa: fibebahana sy fitondrantena. Nifandray akaiky izy roroa ireo. Rehefa hoy i Jaona hoe: "Mibebaka hianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra" - Mat. 3:2, dia milaza amin'ny olona izy fa ny fahatongavan'ny fanjakan'ny lanitra dia mitaky fomba fijery vaovao tanteraka. Raha lazaina amin'ny fomba hafa dia izao: Tamin'ny fanomanany ny olona ho amin'ny fahatongavan'i Jesôsy, tamin'ny fanamboarany ny lalan'i Jehôvah sy ny fanaovany "mahitsy ny lalan-kalehany" (and. 3) dia nanao fihaikana ny olona i Jaona mba hanova ny fijeriny izao tontolo izao sy ny fomba fiainany.
Vak. Lio. 3:10-15. Inona no votoatin'ny hafatr'i Jaona eto? Inona no tiany hambara amin'ny olona? Jer. koa Jak. 2:14-26. Lafiny iray fototra amin'ny fibebahana ny fiaiken-keloka - Mat. 3:6. Ny fiovam-pitondrantena mifanaraka amin'ireo foto-kevitra iorenan'ny fanjakan'ny lanitra no lafiny iray hafa (and. 8). Tsy misy zavatra latsaka noho izany afaka manomana azy ireo handray an'i Jesôsy, izay hitondra andro famelombelomana tahaka izay tsy mbola hitan'izy ireo na oviana na oviana. Ny batisa dia nampifandraisina akaiky tamin'ny fibebahana. Raha ny marina dia lazain'i Lioka fa i Jaona nitory "ny batisan 'ny fibebahana ho famelan-keloka" - Lio. 3:3. Ny hoe voasasa tao anaty rano dia ohatra maneho ny fiovan'ny fomba fahitana ny fiainana sy ny fiaingana vaovao ary ny famelana ny heloka. Na dia nanafintohina ny olona sasany aza ny teny mahery nataon'i Jaona, lazain'ny Baiboly fa nisy vahoaka maro be tonga mba hihaino azy. "Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin 'ny tany rehetra amoron 'i Jordana dia nivoaka nankany amin'i Jaona" - Mat. 3:5. Kanefa tsy vitan'ny hoe tonga sy nihaino azy fotsiny izy ireo,fa niaiky ny fahotany koa sy natao batisa (and. 6).
Eny àry, ekena fa mino an'Andriamanitra ianao, mino an'i Jesôsy, mino fa maty noho ny fahotanao Izy ary amin'ny alalan'ny fahamarinany irery ihany, izay isaina ho anao noho ny finoana fotsiny ihany, no anananao famonjena. Mipetraka anefa ny fanontaniana: Manaraka tsara ireo foto-kevitry ny fahamarinana, araka izay nolazain'i Jaona Mpanao batisa ve ianao? Moa ve ny fiainanao mampiseho tsara ny finoana izay lazainao fa anananao? |
| Nampiditra : MYRIAM, joel |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net