| lesona 5 | 26-07-2008 au 01-08-2008 | |
|---|---|---|
| MATIO 10: I JESOSY SY NY MPIANANY | ||
| ( Lev.25:8-54; Mat.10; Jao.10:10 ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
ASA MASINA
|
Vakio ny Mat. 10:7,8. Ankoatra ny fitoriana ny filazantsara dia inona ihany koa no tafiditra eo amin'ny iraka nampanaovina ny mpianatra?
Tsy ny lafiny ara-panahy ihany no voakasiky ny iraka nampanaovin'i Jesôsy ny mpianany. Natao hitory sy hampianatra ny mpianatra ary koa hikarakara ny olana ara-nofo manjo ny olona. Marina aloha fa ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay no tanjona fara tampon'ny olona rehetra amin'ny farany, kanefa tsy midika izany fa tokony hodiantsika tsy hita ny fahoriana sy ny fangirifiriana manodidina antsika.
Namaky ny bokin'i Isaià i Jesôsy rehefa nandray anjara fitenenana tao amin'ny sinagôga tao Nazareta; toy ny hoe ny tenany mihitsy no nasehony rehefa nanao izany Izy (jereo Lio. 4:18,19). Tsy ny hanampy ny malahelo ihany na ny jamba na ny ampahorina na ny mpifatotra no hataony fa ny hitory ny "taona ankasitrahan'i Jehovah" (and, 19) ihany koa. Manondro ny taona Jobily (Lev. 25:8-54) i Jesôsy eto, izay hodian'ny tompon-tany rehetra any amin'ny taniny sy ny mpianakaviny isaky ny 50 taona.
Vakio an-kapobeny ny Lev. 25:8-54. Inona no hafatrafatra lehibe toa hita eto? Inona no fitsipika tian'ny Tompo hampitaina amin'ny olony?
Toy izay voalazan'i EGW manao hoe: "nasiana ny fiarovana mba tsy ho amin'ny fananan-karena mihoa-pampana na ny fahantrana be loatra." - Ed., t. 43.
Nampianatra ny mpianany hanao asa voarindra tsara i Jesôsy. Azo antoka fa natao hanomana ny olona ho amin'ny fanjakan'ny lanitra izy ireo. Natao hotadidiany koa anefa fa efa eo aminy izany fanjakana izany. Midika ary izany rehetra izany fa mila miahy ny fahasahiranan'ny olona iray manontolo izy, ka tafiditra ao ny ara-nofo sy ny ara-piarahamonina. Amin'ny fikarakarantsika izay manahirana ny manodidina antsika amin'izao fotoana izao no ahafahantsika mitondra azy ireo ho eo amin'ny maha-tena izy ny fiainana mandrakizay sy ny teny fikasana mikasika azy.
Ahoana no fomba fitondranao ireo ao anatin'ny fahasahiranana mihoatra anao? Oviana no fotoana farany nanampianao olona anankiray tamin'ny fangorahana sy fikarakarana tsy misy fitiavan-tena?
Ohatra tsara. Asa. 20:35" - VM t. 299».
|
| Nampiditra : joel |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net