Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 10/09/2010 10:19 )
   
lesona 6 02-08-2008 au 08-08-2008
ILAY MPAMONJY FENO FANGORAHANA
( Jao.1:14; Jao3;Jao, 4;9:1-7; Efes. 4:32;1 Jao.2:12. )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

FAMELAN-KELOKA

Nitarika ny zavatra rehetra nolazain’i Jesôsy sy nataony ny iangoraham-po. Mariho hoe impiry tokoa moa ireo mpanoratra ny Fiazantsara no nilaza fa ‘’feno fangorahana" na "honena’’  Izy. Midika ho fanamelohana amin'ny fomba mahery vaika ny ota izany indraindray. Nisy fotoana tena niteny mafy ireo mpitarika ara-pivavahana tokoa i Jesôsy kanefa nataony tamim-pitiavana mandrakariva izany.

Ivon'izany fanehoana fangoraham-po izany ny famelan-keloka. Matetika tokoa i Jesôsy no nampianatra sy nanambara famelan-keloka. Raha heverina ny maha-izy ny teôlôjia kristianina, izany hoe ny ilan'ny mpanota ny famelan-keloka avy amin'Andriamanitra dia tsy mahagaga raha toa ka izany no foto-kevi-dehibe teo amin'ny fiainan'i Jesôsy sy ny fampianarany.

Inona no ambaran'ireto andininy ireto amintsika mikasika ny fameian-keloka? Mat. 18:21,22; Lio. 23:34; Jao. 8:1-11; Efes. 4:32; 1 Jao. 2:12.

Ampitovin'i Jesôsy matetika amin'ny trosa lehibe ny fahazoana famelan-keloka noho ny fahasoavany. Alao sary an-tsaina hoe misy olona manana vola an-tapitrisany aminao kanefa dia nofoanany izany trosa izany. Eritrereto hoe hanao ahoana re ny fihetseham-ponao e! Toy izany koa ny fahasoavan'Andriamanitra, ka ny antony nahafoana ilay trosa dia ny tenan'i Jesôsy mihitsy no nandoa azy ho antsika.

Nampianarin'i Jesôsy ombieny ombieny àry fa tokony hamela ny hafa ihany koa izay efa voavela heloka. Tsy mendrika ny anarana entiny ny Kristianina tsy mamela heloka. Hevero ilay fanoharana momba ilay mpanompo tsy mahay mankasitraka (Mat. 18:21-34), ny tantaran'i Maria sy i Simôna . Fariseo (Lio. 7:36-50), eny fa na dia ny vavaka nampianarin'ny Tompo aza manao hoe: "Ary mamela ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay" - LiO. 11:4.

Tsy ho sarotra ny mahatakatra ny anton'ny fampirisihana mafy antsika mba hianatra hamela heloka ny hafa raha heverintsika izay nitranga teo amin'ny hazo fijaliana sy izay ; nafoin'Andriamanitra mba hahafahana mamela ny fahotantsika. Hevero ange ny amin'ny tontolo misy antsika sy ny mety hahafakely azy raha toa ka hianarantsika ny mamela heloka ny hafa e! Hevero ny fiovana hisy tsy eo amin'ny pôlitikan’izao tontoto izao ihany fa eo amin'ny fifandraisantsika manokana sy ny fianakaviantsika ary ny ankohonantsika.

Manao ahoana ny haben'ny fankahalana sy ny fahatezerana ary ny ngidy mitoetra ao anatinao noho ny tsy mbola fanekenao hamela heloka? Ahoana no hianaranao mamela heloka bebe kokoa an'ireo izay nanao ny tsy mety taminao?

 

Nampiditra : joel
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net