Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 10/09/2010 10:15 )
   
lesona 6 02-08-2008 au 08-08-2008
ILAY MPAMONJY FENO FANGORAHANA
( Jao.1:14; Jao3;Jao, 4;9:1-7; Efes. 4:32;1 Jao.2:12. )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

FIANARANA FANAMPINY

 VAKIO : "Mandehana any amin'ny firenena rehetra", -IFM, tt 875-888.

Tena ilaina tokoa ny fandraisana manokana eo amin'ny fomba fampianarana tena izy rehetra. Nifandray tamin'ny isam-batan'olona i Jesôsy rehefa nampianatra. Tamin'ny fifampîkasohana sy fifaneraserana manokana no nanofanany ny 12 lahy. Matetika no tamin'ny fomba tsy natrehin'ny be sy ny maro ary tamin'ny mpihaino iray ihany no nanomezany ny fampianarany sarobidy indrindra.Teo amin'ilay raby manan-kaja izay nanatona Azy indray alina tany an-tendrombohitra Oliva, ary koa teo amin'ilay vehivavy natao tsinontsinona teo amin'ny fantsakan'i Sikara no namelarany ireo haren-tsarobidy indrindra; hitany tao amin'ireo mpihaino ireo mantsy ny fo mangetaheta sy ny saina misokatra ary ny fanahy vonon-kandray. Na dia ireo vahoaka nifanitsa-kitro teo Aminy matetika dia matetika aza dia tsy nataon'i Kristy ho olombelona tongatonga ho azy fotsiny teo. 

Niteny mivantana tamin'ny fanahy sy nisarika ny fo tsirairay avy Izy. Nijery ny endriky ny mpihaino Azy Izy, tsikariny ny fiovana nisoritra teny amin'izany endriny izany, ny fijeriny koa izay milaza fa nahatratra ny atifanahiny ny fahamarinana; koa dia mientanentana ao am-pony ny haravoana mitarika ho amin'ny firaisam-po." — Ed, t. 231. 

1.   Nanomboka tamin'ny taona 1983 no efa nananganan'ireo mpisava lalan'ny Asa Maneran-tany ny ankamaroan'ny Fiangonana Advantista vaovao manerana izao tontolo izao. Miara-belona amin'ireo olona iasany ireo Advantista laika ireo, ka iraisany avokoa na ny eo amin'ny lafiny ara-piarahamonina izany na ny toe--karena. Nahoana araka ny hevitrao no nahomby be toy izany izy ireo?

2.           Ifanakalozy hevitra eo amin'ny kilasy ny valin-teninao mikasika ireo fanontaniana any amin'ny faran'ny lesona Alahady sy Alarobia.

3.      Araka ny hitantsika dia ny fikasihana manokana no tena ivon'ny asan'i Jesôsy. Tamin'ny fomba ahoana no nanekenao an'i Jesôsy vokatry ny fikarakarana manokana nataon'ny olona taminao? Zarao ny fanandramanao ka apetraho amin'ny tenanao ity fanotaniana ity: Ahoana no fomba hanatsaran'ny fiangonanao ny fomba fiasany eo amin'ny fikarakarana ny olona manodidina azy amin'ny fomba manokana?

4.  Koa satria namela ny ohatry ny fitiavana sy ny fandraisana manokana i Jesôsy dia tokony hekentsika avokoa ve izany izay rehetra maniry hivavaka ao amin'ny fiangonantsika, na manao ahoana fomba fiainany na manao ahoana? 

FAMINTINANA: Tsy tia ny fahotana i Jesôsy ilay Mpamonjy be fiantrana fa tia ny mpanota kosa. Tokony ho môdelin'ny fijoroantsika ho vavolombelona amin'izao fotoana izao ny fomba fiasany teo amin'ny fikarakarana ny vahoaka sy ny isam-batan'olona. Afaka maneho fitiavana sy mamela heloka ny hafa ihany koa isika noho ny famonjena efa noraisintsika tamin'ny alalany.

 


Filentehan’ny masoandro Antananarivo:

ZOMA  : 5 ora 43 minitra

SABATA :5 ora 43 minitra

Nampiditra : ranaina, MYRIAM, joel
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net